FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 136
  • Renin’Andriamanitra ve i Maria?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Renin’Andriamanitra ve i Maria?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Inona no Ianarantsika avy Amin’i Maria?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Aoka isika hanompo ny Mpamorona fa tsy ny zavatra noforonina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • “Intỳ Aho Mpanompovavin’i Jehovah!”
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
  • Hevi-diso 5: Renin’Andriamanitra i Maria
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 136
Maria mitrotro an’i Jesosy tamin’izy mbola kely

Renin’Andriamanitra ve i Maria?

Valiny ara-baiboly

Tsia. Tsy milaza ny Baiboly hoe renin’Andriamanitra i Maria. Tsy ampirisihiny hivavaka amin’i Maria na hanindrahindra azy koa ny Kristianina.a Diniho izao:

  • Tsy nilaza mihitsy i Maria hoe renin’Andriamanitra izy. Hazavain’ny Baiboly fa ny “Zanaky ny Avo Indrindra”, na “Zanak’Andriamanitra” no naterany, fa tsy Andriamanitra akory.—Lioka 1:32, 35.

  • Tsy nilaza mihitsy koa i Jesosy Kristy hoe renin’Andriamanitra i Maria na hoe tokony hivavahana. Nisy fotoana aza nisy vehivavy anankiray niteny hoe sambatra i Maria fa niteraka an’i Jesosy. Hoy anefa i Jesosy tamin’izay: “Tsy izany mihitsy, fa izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany kosa no sambatra!”—Lioka 11:27, 28.

  • Tsy hita ao amin’ny Baiboly mihitsy ny teny hoe “Renin’Andriamanitra” na “Teôtôkôs” (niteraka an’Andriamanitra).

  • Tsy i Maria mihitsy no tiana holazaina amin’ny hoe “mpanjakavavin’ny lanitra” ao amin’ny Baiboly, fa andriamanibavy nivavahan’ny Israelita nivadi-pinoana. (Jeremia 44:15-19) Mety hoe i Ishtar (na Astarta), andriamanibavy nivavahan’ny Babylonianina izy io.

  • Tsy nivavaka tamin’i Maria ny Kristianina fahiny, sady tsy nanindrahindra azy. Hoy ny mpahay tantara anankiray: ‘Tsy nanindrahindra olona ny Kristianina fahiny. Mety ho nieritreritra koa izy ireo hoe raha manajanaja be an’i Maria izy ireo dia heverin’ny olona fa mivavaka amin’ny andriamanibavy.’—In Quest of the Jewish Mary.

  • Milaza ny Baiboly fa efa nisy hatramin’izay Andriamanitra. (Salamo 90:1, 2; 93:2) Tsy nanam-piandohana àry izy ka tsy manana reny niteraka azy. Sady tsy antonona ao an-kibon’i Maria koa Andriamanitra, satria milaza mazava tsara ny Baiboly fa na ny lanitry ny lanitra aza tsy omby azy.—1 Mpanjaka 8:27.

Renin’i Jesosy i Maria fa tsy “Renin’Andriamanitra”

Jiosy i Maria, ary taranak’i Davida Mpanjaka. (Lioka 3:23-31) Tena tian’Andriamanitra izy satria nanam-pinoana sady nahafoy tena. (Lioka 1:28) Nofidin’Andriamanitra ho lasa renin’i Jesosy àry izy. (Lioka 1:31, 35) Mbola niteraka hafa koa anefa i Maria sy Josefa vadiny.—Marka 6:3.

Hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:14 hoe lasa mpianatr’i Jesosy i Maria. Tsy miresaka momba azy intsony ny Baiboly aorian’izay.

Nahoana no lazain’ny olona fa renin’Andriamanitra i Maria?

Taloha kelin’ny taona 400 tany ho any ny olona no nanomboka nivavaka tamin’i Maria. Lasa fivavaham-panjakana eran’ny Fanjakana Romanina mantsy ny fivavahana katolika tamin’izany. Maro tamin’ny mpanompo sampy àry no nivadika ho Kristianina anarana. Neken’ny eglizy koa ilay fampianarana momba ny Andriamanitra tokana olona telo, kanefa tsy araka ny Soratra Masina akory.

Ilay fampianarana hoe Andriamanitra tokana olona telo no nahatonga ny olona hieritreritra hoe raha Andriamanitra i Jesosy, dia renin’Andriamanitra izany i Maria. Neken’ny konsilin’ny eglizy tany Efesosy, tamin’ny taona 431, àry hoe “Renin’Andriamanitra” i Maria. Lasa nanindrahindra be an’i Maria ny olona taorian’izay. Ny sarin’i Maria Virjiny koa aza lasa nivavahana. Rehefa lasa “Kristianina” àry ny mpanompo sampy, dia ny sarin’i Maria indray no nivavahany ho solon’ireo andriamanibavy nivavahany taloha, ohatra hoe i Artemisy (na Diana ho an’ny Romanina).

Namoaka didy koa ny Papa Sixte III tamin’ny taona 432 hoe mila asiana eglizy ho fanomezam-boninahitra ny “Renin’Andriamanitra” tany Roma. Teo akaikin’ny tempoly iray natao ho fanomezam-boninahitra an’i Lucina ilay izy. Andriamanibavin’ny fiterahana nivavahan’ny Romanina anefa i Lucina. Hoy ny mpanoratra iray momba an’ilay eglizy: “Io no marika amantarana fa i Maria indray no lasa nivavahana ho solon’ilay Reny Lehibe, andriamanitry ny mpanompo sampy, rehefa lasa fivavaham-panjakana tao Roma ny fivavahana kristianina.”—Mary—The Complete Resource.

a Be dia be ny fivavahana mampianatra fa renin’Andriamanitra i Maria. Lazain’izy ireo fa “Mpanjakavavin’ny Lanitra” izy na koa “Teôtôkôs”, teny grika midika hoe “niteraka an’Andriamanitra.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara