FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 158
  • Te Hamono Tena Aho! Afaka Manampy Ahy Tsy Hieritreritra An’izany ve ny Baiboly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Te Hamono Tena Aho! Afaka Manampy Ahy Tsy Hieritreritra An’izany ve ny Baiboly?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Inona avy ny soso-kevitra omen’ny Baiboly?
  • Misy tantaran’olona te ho faty ve ao amin’ny Baiboly?
  • Misy Fanampiana ho Anao
    Mifohaza!—2001
  • Ahoana no Hataoko fa Izaho Te ho Faty?
    Manontany ny Tanora
  • Maninona moa Aho Raha Maty E?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany
  • Maninona moa Aho Raha Maty E?
    Mifohaza!—2008
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 158
Lehilahy iray mieritreritra ny hamono tena

Te Hamono Tena Aho! Afaka Manampy Ahy Tsy Hieritreritra An’izany ve ny Baiboly?

Valiny ara-baiboly

Eny! Avy amin’Andriamanitra ny Baiboly, ary resahiny ao fa “mampionona an’ireo naetry” izy, izany hoe ny olona kivy na mikorontan-tsaina. (2 Korintianina 7:6) Tsy nosoratana manokana ho an’ny olona hoatr’izany ny Baiboly, nefa misy soso-kevitra tsara be ao. Nanampy olona be dia be mba tsy hamono tena ireny soso-kevitra ireny, ka afaka manampy anao koa.

  • Inona avy ny soso-kevitra omen’ny Baiboly?

  • Misy tantaran’olona te ho faty ve ao amin’ny Baiboly?

  • Inona avy ny andinin-teny hampahery anao?

  • Inona no hataonao raha misy namanao milaza hoe te hamono tena izy?

  • Diso ve aho raha efa nanandrana namono tena taloha?

Inona avy ny soso-kevitra omen’ny Baiboly?

  • ● Lazao izay any am-ponao.

    Inona no lazain’ny Baiboly? “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.”—Ohabolana 17:17.

    Ahoana izany? Mila olona hiresahana isika rehefa mikorontan-tsaina na malahelo be.

    Hoatran’ny hoe mitondra entana mavesatra be ianao rehefa manana olana. Raha zakainao irery eny foana ilay izy, dia hianjera ihany ianao amin’ny farany. Ho maivamaivana anefa ianao raha resahinao izay mahazo anao. Mety hiova hevitra mihitsy aza ianao.

    Lehilahy iray te hamono tena dia mamboraka ny ao am-pony amin’ny lehilahy anankiray hafa

    Andramo izao: Aza mangataka andro fa androany ihany dia miresaha amin’ny olona ao an-trano na amin’ny namana atokisanao.a Azonao soratana koa izay tsapanao.

  • ● Manatòna dokotera.

    Inona no lazain’ny Baiboly? “Tsy ny olona salama no mila dokotera, fa ny marary.”—Matio 9:12.

    Ahoana izany? Tokony hanatona dokotera isika rehefa marary.

    Aretina no mahatonga ny olona sasany hamono tena. Misy, ohatra, manana olana ara-tsaina na kivy be foana. Samy tsy mahamenatra ireo satria aretina hoatran’ny aretina rehetra ihany, sady azo tsaboina tsara.

    Andramo izao: Manatòna haingana mpitsabo afaka mikarakara tsara anao.

  • ● Tadidio hoe tia anao Andriamanitra.

    Inona no lazain’ny Baiboly? “Tsy vola madinika roa kely vidy ve no ivarotana fody dimy? Tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra anefa ireny, na iray akory aza. ... Koa aza matahotra, fa sarobidy noho ny fody maro ianareo.”—Lioka 12:6, 7.

    Ahoana izany? Sarobidy amin’Andriamanitra ianao.

    Mety hahatsapa ianao hoe tsy misy miraharaha anao, dia tsy te hiaina intsony ianao. Andriamanitra anefa mahatsapa an’izay tena mahazo anao. Hoy ny Salamo 51:17: “Tsy hataonao tsinontsinona ny fo torotoro sy kivy, Andriamanitra ô!” Tia anao Andriamanitra, dia tsy tiany ho faty ianao.

    Andramo izao: Be dia be ny andinin-teny manaporofo hoe tena tia anao Andriamanitra. Vakio, ohatra, ny boky Manatòna An’i Jehovah, toko 24, fa hahita ny sasany amin’izany ianao ao.

  • ● Resaho amin’Andriamanitra izay mahazo anao.

    Inona no lazain’ny Baiboly? “Apetraho [amin’Andriamanitra] daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.”—1 Petera 5:7.

    Ahoana izany? Andriamanitra mihitsy no manasa anao hoe resaho aminy daholo ny fihetseham-ponao sy izay mampanahy anao.

    Manampy an’izay miantso vonjy aminy Andriamanitra. (Salamo 55:22) Hanampy anao hilamin-tsaina sy hanana herin-tsaina izy, ka hahavita hiaritra ianao.—Filipianina 4:6, 7, 13.

    Lehilahy iray mipetrapetraka eny amin’ny zaridaina. Tsy te hieritreritra ny hamono tena izy, dia mamaky Baiboly sy misaintsaina an’izay novakiny

    Andramo izao: Aza miandriandry fa tonga dia mivavaha amin’Andriamanitra. Antsoy ilay anarany hoe Jehovah, dia resaho aminy izay any am-ponao. (Salamo 83:18) Iangavio izy mba hanampy anao tsy hamoy fo.

  • ● Ataovy an-tsaina foana izay ampanantenain’ny Baiboly.

    Inona no lazain’ny Baiboly? “Izany fanantenana ananantsika izany no vatofantsiky ny aintsika, sady azo antoka no mafy orina.”—Hebreo 6:19.

    Ahoana izany? Miovaova be angamba ny fihetseham-ponao izao. Azo oharina amin’ny sambo atsipitsipin’ny onjan-dranomasina ilay izy. Miakatra ambony be tampoka ilay onja, dia avy eo mianjera be indray. Toy ny vatofantsika anefa ny fampanantenan’i Jehovah ka hanampy anao ho tony.

    Tsy nofinofy fotsiny ny fampanantenana ao amin’ny Baiboly, satria Andriamanitra mihitsy no mampanantena hoe hesoriny izay zavatra mampijaly antsika.—Apokalypsy 21:4.

    Andramo izao: Vakio ny lesona 5 ao amin’ny bokikely Vaovao Tsara Natao ho Anao! raha te hahafantatra misimisy kokoa momba ny fampanantenan’Andriamanitra ianao.

  • ● Manaova zavatra mahafalifaly anao.

    Inona no lazain’ny Baiboly? “Ny fo falifaly dia sady mahasoa no manasitrana.”—Ohabolana 17:22.

    Ahoana izany? Rehefa manao zavatra mahafalifaly isika dia hilamina kokoa ny saintsika, sady tsy ho kivy be intsony isika.

    Lehilahy iray mitsikitsiky sady manampy olona manadio tokotany mba tsy hieritreritra ny hamono tena

    Andramo izao: Manaova zavatra tianao. Ohatra hoe mihaino hira mahafalifaly na mamaky zavatra mampahery na manao zavatra hafa mahafinaritra. Ho lasa falifaly koa ianao raha manao zavatra ho an’olona na dia kely fotsiny aza.—Asan’ny Apostoly 20:35.

  • ● Manaova zavatra mahasalama.

    Inona no lazain’ny Baiboly? “Mahasoa ... ny fampiasan-tena.”—1 Timoty 4:8.

    Ahoana izany? Ho salama kokoa isika raha manao fanatanjahan-tena, miezaka ho ampy torimaso tsara, dia mihinana sakafo mahasalama.

    Andramo izao: Mandehana an-tongotra mafimafy na dia 15 minitra fotsiny aza.

  • ● Tadidio fa mbola hiova ny fiainanao.

    Inona no lazain’ny Baiboly? “Tsy fantatrareo ... izay hitranga aminareo rahampitso.”—Jakoba 4:14.

    Ahoana izany? Mety hoe mafy be mihitsy ny zavatra iainanao, dia mahatsapa ianao hoe tapi-dalan-kaleha. Mandalo ihany anefa izany.

    Marina hoe maizina ny tany aman-danitra androany, fa rahampitso mbola hisava ny rahona. Tsy voatery hampalahelo be hoatr’izao foana ny fiainanao, fa mety hiova. Tsy hahita an’izany anefa ianao, raha mamono tena. Aza milavo lefona àry.—2 Korintianina 4:8.

    Andramo izao: Misy tantaran’olona kivy ao amin’ny Baiboly sady te ho faty mihitsy ry zareo. Vakio ny tantaran’izy ireo dia ho hitanao fa nihatsara ny fiainany, sady tsy nampoiziny ilay izy. Ireto misy ohatra vitsivitsy:

Misy tantaran’olona te ho faty ve ao amin’ny Baiboly?

Eny. Tantarain’ny Baiboly hoe nisy olona vitsivitsy te ho faty. Tsy tezitra tamin’izy ireo anefa Andriamanitra, fa nanampy azy. Matokia àry fa hanampy anao koa Andriamanitra.

Elia

  • ● Iza moa i Elia? Mpaminany be herim-po izy. Nisy fotoana anefa izy kivy. Hoy ny Jakoba 5:17: “Olona nanana fihetseham-po toa antsika ihany i Elia.”

  • ● Fa naninona izy no te ho faty? Nanirery izy sady nieritreritra hoe tsy nisy nilana azy. Natahotra be koa izy. Niangavy an’i Jehovah àry izy hoe: “Esory amin’izay ny aiko, Jehovah ô.”—1 Mpanjaka 19:4.

  • ● Inona no nanampy azy hiova hevitra? Namboraka ny tao am-pony tamin’Andriamanitra i Elia. Dia inona no nataon’Andriamanitra? Nasehony hoe tena tia an’i Elia izy sady tena mahery ka afaka miaro azy. Nanome toky an’i Elia Andriamanitra fa mbola mila azy. Nomeny namana tsara fanahy sy mahay manampy koa izy.

  • ▸ Vakio ato ny tantaran’i Elia: 1 Mpanjaka 19:2-18.

Joba

  • ● Iza moa i Joba? Nanambady aman-janaka izy ary nanan-karena be. Nanompo an’ilay tena Andriamanitra i Joba sady tsy nivadika taminy.

  • ● Fa naninona izy no te ho faty? Niova be tampoka ny fiainany. Fongana, ohatra, ny fananany rehetra. Nisy loza nitranga koa, dia indray maty daholo ny zanany. Tsy vitan’izany fa narary mafy izy, dia nijalijaly be. Avy eo koa izy mbola nendrikendrehin’ny olona hoe ny nataony ihany no nahatonga azy hijaly. Namoy fo izy, dia tafateny hoe: “Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona.”—Joba 7:16, Fandikan-teny Protestanta.

  • ● Inona no nanampy azy hiova hevitra? Nivavaka tamin’Andriamanitra izy sady noresahiny tamin’olon-kafa izay tsapany. (Joba 10:1-3) Dia nisy namany nangoraka sy nampahery azy, sady nahay nampisaintsaina azy. Eliho no anaran’ilay namany. Nanampy sy nanoro hevitra azy koa Andriamanitra, dia noraisiny tsara ilay izy.

  • ▸ Vakio ato ny tantaran’i Joba: Joba 1:1-3, 13-22; 2:7; 3:1-13; 36:1-7; 38:1-3; 42:1, 2, 10-13.

Mosesy

  • ● Iza moa i Mosesy? Mpitarika ny firenen’Israely izy ary mpaminany tsy nivadika.

  • ● Fa naninona izy no te ho faty? Be dia be ny andraikitr’i Mosesy, nefa izy koa nisy nanakiana foana. Reraka be izy nony farany. Nitalaho tamin’Andriamanitra izy hoe: “Vonoy mihitsy aho.”—Nomery 11:11, 15.

  • ● Inona no nanampy azy hiova hevitra? Noresahin’i Mosesy tamin’Andriamanitra ny tao am-pony. Nahenan’Andriamanitra ny asany avy eo mba tsy hiferinaina be intsony izy.

  • ▸ Vakio ato ny tantaran’i Mosesy: Nomery 11:4-6, 10-17.

Inona avy ny andinin-teny hampahery anao?

Ireto misy andinin-teny manaporofo hoe tia anao Andriamanitra:

  • “Akaiky an’izay torotoro fo i Jehovah, ary mamonjy an’izay ketraka.”—Salamo 34:18.

  • “Rehefa nihabetsaka ny tebiteby tato anatiko, dia ny fampiononanao no nanafosafo ahy.”—Salamo 94:19.

    (Jereo koa ny Salamo 27:10; 103:12-14; 2 Korintianina 1:3, 4.)

Ireto misy andinin-teny manaporofo hoe tsapan’Andriamanitra ny zavatra mahazo anao:

  • “Mahita ny fijaliako ianao. Mahalala ny fahoriana manjo ahy ianao.”—Salamo 31:7.

  • “Ory izy nandritra ny fahoriana rehetra nanjo an’ireo. ... Noho ny fitiavany sy ny fangorahany no ... nibatany [na nampaherezany] azy.”—Isaia 63:9.

Ireto misy andinin-teny manaporofo hoe tian’Andriamanitra hiresaka aminy ianao, dia hamboraka aminy an’izay tsapanao:

  • “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka. ... Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo.”—Filipianina 4:6, 7.

  • “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”—Jakoba 4:8.

    (Jereo koa ny Salamo 34:4, 15; 55:22.)

Ireto misy andinin-teny manaporofo hoe afaka manome hery anao Andriamanitra:

  • “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.”—Filipianina 4:13.

  • “Aza matahotra fa momba anao aho. Aza miherikerika noho ny tahotra, fa izaho no Andriamanitrao. Hanatanjaka anao aho ka hanampy anao.”—Isaia 41:10.

    (Jereo koa ny Salamo 138:3; Isaia 40:29-31.)

Inona no hataonao raha misy namanao milaza hoe te hamono tena izy?

  • Aza mieritreritra hoe sangisanginy fotsiny ilay izy. Ampirisiho hiresaka ilay namanao. Ataovy izay hamoahany an’izay tena any am-pony. (Ohabolana 20:5) Matetika ny olona te hamono tena no lasa tsy te hanao an’izany indray, rehefa avy miresaka an’izay tsapany.

  • Henoy tsara izy. Mampirisika antsika ny Baiboly hoe: “Aoka [ianao] ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny.” (Jakoba 1:19) Mety ‘hirediredy’ ny olona iray rehefa misy zavatra mampijaly azy na mahakivy be azy. (Joba 6:2, 3) Aza tonga dia tezitra àry raha manao teny tsy voahevitra na miteny zavatra mahatezitra ilay namanao.

  • Manaova teny mampahery. Mampirisika antsika ny Baiboly mba “hanao teny mampahery ny kivy.” (1 Tesalonianina 5:14) Rehefa resahin’ilay namanao àry izay any am-pony sy izay mahatonga azy te hamono tena, dia aza mieritreritra hoe tsy dia misy dikany ilay izy. Zava-dehibe aminy izany dia aza hamaivanina. Lazao aminy hoe tena te hanavotra azy ianao satria namanao izy.

  • Asaivo manatona dokotera izy. Milaza ny Ohabolana 13:10 hoe: “Hendry ... izay mila hevitra amin’ny hafa.” Raha marary ny namanao, hijanona amin’izao ve ianao sa hampirisika azy ho any amin’ny dokotera? Dia izany koa no tokony hataonao raha te hamono tena ny namanao. Aretina mantsy matetika no mahatonga ny olona hanao an’izany. Mety ho olana ara-tsaina ilay izy na hakiviana. Asaivo manatona dokotera haingana àry izy, dia mandehana mihitsy miaraka aminy raha azo atao.

  • Asehoy azy hoe tianao izy. Hoy ny Baiboly: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.” (Ohabolana 17:17) Marina fa tsy afaka manafoana ny olana mahazo ny namanao ianao. Tsy afaka manakana azy tsy hieritreritra ny hamono tena koa ianao. Ampahafantaro azy anefa hoe tianao izy sady vonona hanampy azy foana ianao. Mety mba hihiratra kely ny androny amin’izay, dia mety hiova hevitra mihitsy aza izy.

Diso ve aho raha efa nanandrana namono tena taloha?

Ara-dalàna aloha raha manamelo-tena sy menatra ianao satria tsapanao hoe tsy nety ny nataonao. Mety hieritreritra ianao hoe tsy azon’ny olona mihitsy hoe naninona ianao no te hamono tena tamin’izany, dia tsy fantany koa hoe ianao ange ka mbola manenina be foana hatramin’izao.

Na ny Baiboly aza miteny hoe tsy voatery hahazo an’izay tsapantsika foana ny olon-kafa. Voalaza ao mantsy hoe tsy misy afa-tsy ianao ihany no tena mahatsapa ny alahelo ao anatinao. (Ohabolana 14:10; 1 Mpanjaka 8:38) Mety tsy hahazo tsara an’izay mahazo anao àry ny namanao na ny havanao, na dia efa miezaka hampahery anao aza. Matokia anefa fa tsy irery ianao.

Andriamanitra no tena mahalala ny ao am-ponao. (2 Tantara 6:30) I Jehovah no tena mahalala ny antony nahatonga anao hieritreritra hoe ny mamono tena no vahaolana. Izy irery koa no tena mahazo an’izay tsapanao amin’izao. Azony tsara, ohatra, hoe maninona ianao no manamelo-tena na menatra.—Salamo 139:1.

Marina fa tena sarobidy amin’i Jehovah ny aina. Vonona hamela anao anefa izy na dia efa nieritreritra ny hamono tena aza ianao. (Salamo 86:5) Fantany hoe tsy tena te ho faty ianao fa tsy te hijaly intsony fotsiny. Vonona hanampy antsika àry Andriamanitra na dia manameloka antsika aza ny fontsika. “Lehibe noho ny fontsika mantsy [izy], sady mahalala ny zava-drehetra.” (1 Jaona 3:19, 20) Tiany ho resy lahatra ianao hoe “Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra” izy.—2 Korintianina 1:3.

a Raha efa tsy zakanao intsony ilay izy na tsy misy olona azonao iresahana, dia azonao antsoina izay hopitaly na fikambanana afaka mamonjy ny olona te hamono tena.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara