WARREN REYNOLDS | TANTARAM-PIAINANA
Faly Aho fa Nifidy ny Asa Tsara
Tany amin’ny tanàna mitokana atỳ amin’ny faritra avaratrandrefan’i Aostralia izahay tamin’izay. Nitanina afo niaraka tamin’ny rahalahy sy anabavy vitsivitsy aho, dia samy nitantara ny fomba nitahian’i Jehovah anay izahay. Efa imbetsaka aho no nitanina afo hoatr’izany, fa matetika no tany an-tany hafa ary niaraka tamin’ny olona nampiasa fiteny hafa. Nifanitsy tamiko ilay vady malalako fa izy terỳ ampita. Tazako avy teo anelanelan’ilay afo kitay ilay tarehiny feno tsiky. Be dia be ny zavatra miavaka niainanay roa rehefa nanompo an’i Jehovah izahay, tany amin’ny tany tsy noeritreretiko handehanana mihitsy. Mety ho hafa mihitsy mantsy ny safidy nataoko tamin’izaho mbola tanora. Aleo fa hohazavaiko.
Lehibe tany ambanivohitr’i Aostralia aho. Tamin’ny 1950 tany ho any i Dadabe sy Bebe no nahalala ny fahamarinana. Nanomboka nitory aho tamin’izaho 6 taona, dia natao batisa tamin’izaho 13 taona. Nanao mpisava lalana mpanampy aho matetika rehefa vakansy. Tiako i Jehovah, dia te hanompo azy foana aho mandrakizay.
Izaho sy ny zandriko lahy efatra, miaraka amin’i Dada sy Neny
Hitan’ny mpanazatra anay tamin’izaho 15 taona hoe tena nahay spaoro aho. Nanome ahy vatsim-pianarana àry ny solontenan’ny ekipa mpanao rigby matihanina iray raha manaiky hanao rigby aho. Hoatran’ny tiako ihany aloha ilay hoe ho lasa mpilalao rigby malaza e! Efa nanokan-tena ho an’i Jehovah anefa aho. Nasain’i Dada nisaintsaina an’ilay fanokanan-tena efa nataoko teo aloha aho, alohan’ny hanapahako hevitra raha ny spaoro no hataoko anton’asa na tsia. Narahiko ny tenin’i Dada, dia hitako hoe tsy ho afaka hanenjika bitro roa aho. Nolaviko àry ilay vatsim-pianarana. Nisy nanome vatsim-pianarana hafa indray aho volana maromaro tatỳ aoriana. Ny fikambanana aostralianina momba ny spaoro any Canberra no nanome an’izany. Tian-dry zareo hampiofanina amin’ny hazakazaka lavitra ezaka aho, mba ho afaka hisolo tena an’i Aostralia amin’ny lalao iraisam-pirenena toy ny Lalao Olympika. Nolaviko indray anefa izany, satria tena te hanatanteraka ny fanokanan-tenako ho an’ilay Andriamanitra tiako aho.
Nanomboka nanao mpisava lalana aho rehefa vita ny fianarako teny amin’ny lise. Efa elaela ihany aho mantsy no nanana an’io tanjona io. Lasa sahirana ara-bola anefa ny fianakaviako dia tsy nanao mpisava lalana intsony aho, fa niasa tontolo andro teny amin’ny toeram-pambolena. Mpamily traktera no asako. Efa ho 20 taona aho tamin’izany ary nitokan-trano. Vetivety dia lasa fahazarana fotsiny ny fanompoako an’Andriamanitra. Kivy aho sady tsy nandeha tamin’ny laoniny ny ara-panahiko. Olona tia miboboka toaka sy maloto fitondran-tena no nataoko namana, dia nalaim-panahy hanahaka an-dry zareo aho. Nataoko an-tsirambina ny fifandraisako tamin’i Jehovah mba hahazoako fahafinaretana vetivety.
Nila nanova ny fiainako aho. Nifindra tany an-tanàna hafa àry aho, mba hanalavitra ny fitaoman’ireo namako taloha. Nifandray akaiky kokoa tamin’i Jehovah aho, ary naniry hanao mpisava lalana indray. Nihaona tamin’ny vehivavy iray saro-kenatra izay aho tatỳ aoriana. Leann McSharry no anarany ary avy any ambanivohitra izy. Efa mpisava lalana izy tamin’izany dia lasa mpinamana izahay. Nifampiresaka momba ny tanjonay izahay, anisan’izany ilay hoe ho misionera. Nivady izahay tamin’ny 1993, dia navelanay hitarika ny fiainanay i Jehovah.
Niezaka nanatratra ny tanjonay izahay
Nanao mpisava lalana niaraka tamin’i Leann aho tamin’io taona io. Tapa-kevitra ny hanatsotra fiainana sy tsy hidi-trosa izahay, ka nividy tranofiara efa tranainy mba hipetrahanay. Nifindra tany amin’izay nanendren’ny fandaminan’i Jehovah anay izahay nandritra ny enin-taona. Nanao asa an-tselika izahay mba hameloman-tena. Nisy fiangonana kely maromaro tany amin’ny faritra mitokana nanompoanay tany Queensland. Tany lemaka midadasika sy karakaina ny faritaninay. Matetika izahay no nilasy tany amin’ny toerana mitokana, ary nivory tany anaty ala na tao amin’ny tranom-pokonolona. Nahafinaritra anay erỳ izany! Lasa saina ihany anefa izahay sao dia mbola afaka manome bebe kokoa ho an’i Jehovah. Nahazo valiny izahay tsy ela taorian’izay.
Fivoriana tany anaty ala, tamin’izahay nanao dia fitoriana tany amin’ny toerana mitokana, Aostralia
Nasain’ny fandaminan’i Jehovah hanao misionera any an-tany hafa izahay mivady. Nanahy anefa izahay sady nieritreritra hoe tsy mahay an’izany. Hahavita tsara ny asan’ny misionera ve izahay na dia tsy niofana tany amin’ny Sekolin’i Gileada aza? Tia manompo izahay, nefa tsy nihevi-tena hoe mahay mampianatra. Tsy dia nanana fampianarana Baiboly mantsy izahay tany amin’ilay toerana mitokana nanendrena anay.
Noresahinay tamin’i Max Lloyd,a rahalahy anisan’ny Komitin’ny Sampana, ny fanahianay. Nanome toky anay izy hoe raha mahafoy tena izahay na dia mahatsapa hoe tsy mahay aza, dia hampian’i Jehovah mba hahavita an’izay nasainy hataonay. Nampahery anay hoatran’ny ray be fitiavana izy, ka faly izahay nanaiky an’ilay fanendrena ho any Sri Lanka.
Tsy mora ilay fanendrena
Tonga tany Colombo, renivohitr’i Sri Lanka, izahay tamin’ny 1999. Tena tsy nilamindamina hoatran’ny tatỳ ambanivohitr’i Aostralia aloha ny tany e! Nisy ady an-trano mantsy tany. Nahantra koa ny olona sady be dia be ny mpangataka. Ankoatra izay, dia be loatra ny mponina ao amin’ilay toerana sady sarotra ny fiteniny. Na izany aza dia nisy harena sarobidy tao Sri Lanka. Tsy iza izany fa ireo rahalahy sy anabavy, ary ireo olona manetry tena be dia be izay mbola tsy nahalala an’i Jehovah.
Voatendry tany Kandy izahay. Eo amin’ny lembalemba iray mahafinaritra be no misy azy io, ary ahitana toerana fambolena dite sy ala mikitroka manodidina azy. Mampahalaza an’io toerana io ireo tempoly bodista be dia be ao. Vitsy amin’ny mponina ao no mahafantatra momba an’ilay Mpamorona be fitiavana. Nampiasa teny cinghalais sy tamoul ireo rahalahy sy anabavy tao amin’ny fiangonanay, dia natao tamin’ireo fiteny ireo ny fivoriana. Tsy mora taminay ny nianatra niteny cinghalais. Faly anefa ny mpiara-manompo sy ny mpianatra Baiboly rehefa hitany hoe niezaka izahay, na dia nampihomehy an-dry zareo aza ny disodiso nataonay.
Nanao lahateny tany Sri Lanka, ary nampian’ny mpandika teny tamin’ny teny cinghalais sy tamoul
Mbola nisy mafy kokoa noho ilay nianatra fiteny anefa. Sambany izahay, teo amin’ny fiainanay, no sendra mpanohitra mahery setra be. Nohodidinin’ny lehilahy maromaro tezitra be izahay indray mandeha. Nandoro ny boky sy gazety nentinay ny sasany tamin’izy ireo, ary ny hafa indray nandaka sady nidaroka ahy sy ny rahalahy iray. Tena mafy taminay ny niatrika an’ilay izy. Nivavaka tamin’i Jehovah izahay mba hampiany ho tony sy tsy hohadinoiny raha sanatria ka maty teo. Soa ihany fa lasa ry zareo avy eo. Nangovitra izahay niala tao amin’io tanàna io, saingy nisaotra an’i Jehovah satria narovany.
Tamana tany Sri Lanka ihany izahay rehefa nandeha ny fotoana. Nahafinaritra anay ny nahita ny fomba nitaoman’i Jehovah an’ireo olona mangetaheta ny fahamarinana, mba ho anisan’ilay fianakaviana miray saina, na teo aza ny ady nampizarazara an’ilay firenena. Betsaka ny zavatra tsara ahatsiarovanay an’io nosy kanto io. Tsy maintsy niala tany anefa ny ankamaroan’ny misionera, roa taona monja taorian’izay, satria nanaiky ny faneren’ny mpitondra fivavahana ny manam-pahefana.
Nikorontan-tsaina sy nanahy izahay nandritra an’ireo herinandro nanaraka. Lasa saina izahay hoe aiza àry no hiafaranay? Notendren’ny Filan-kevi-pitantanana ho any Papouasie-Nouvelle-Guinée izahay. Tonga tao Port Moresby renivohitra izahay tamin’ny Septambra 2001.
Papouasie-Nouvelle-Guinée: Ilay Tany Mahavariana
Marina hoe mifanakaiky kely i Papouasie-Nouvelle-Guinée sy Aostralia, kanefa tsy mitovy mihitsy ny fomba fiaina sy ny kolontsain-dry zareo. Nila nizatra fiainana vaovao indray izahay, sady nila nianatra teny tok pisin. Io no fiteny be mpampiasa indrindra amin’ireo fiteny 800 mahery ampiasaina any.
Voatendry hanao ny asan’ny faritra izahay rehefa avy nanompo telo taona tao Popondetta. Tsy nampoizinay mihitsy hoe hampiasain’i Jehovah hanao an’izany izahay. Tiako foana ny tari-dalana avy amin’ireny mpiandraikitra ny faritra ireny. Ry zareo koa matotra sady mahay mampianatra. Izaho indray anefa nahatsiaro hoe tsy ampy fahaizana hanaovana an’io asa io. Ny ho misionera mantsy no tena tanjoko hatramin’izay. Tsy tao an-tsaiko mihitsy ilay hoe hanao mpiandraikitra mpitety faritany. Mbola tsy mampino ahy ihany hoe nomen’i Jehovah an’izany tombontsoa miavaka be izany aho.
Nitsidika antoko-mpitory tany amin’ny Faritr’i Sepik Andrefana, Papouasie-Nouvelle-Guinée
Nanomana tatitra halefa any amin’ny sampana, rehefa avy nitsidika antoko-mpitory tany Papouasie-Nouvelle-Guinée
Nisy fandriana sady nisy jiro sy rano ny toerana nilasianay, rehefa nitsidika tany an-tanàn-dehibe izahay. Tsy nisy an’izany anefa tany ambanivohitra. Natory tao anaty tranobongo izahay, nahandro sakafo tamin’ny afo kitay, ary nandro teny an-drenirano. Rehefa nisy voay anefa teny akaikikaiky teny, dia tsy maintsy nitaona rano izahay ka tao amin’ilay tranobongo no nandro.
Mitaky hery kokoa noho ny hatramin’izay ity fanendrena iray ity. Matoky anefa izahay hoe hampian’i Jehovah mba hahavita an’ilay izy, raha ‘mandeha ary mampiasa ny hery anananay.’ (Mpitsara 6:14) Tsy maintsy namakivaky ala mikitroka, heniheny, na tendrombohitra mikitoantoana izahay, rehefa nitsidika ny ankamaroan’ireo fiangonana sy antoko-mpitory. Nisy fotoana izahay nandeha fiara tsy mataho-dalana, lakana, fiaramanidina, ary matetika no nandeha an-tongotra mba hahatongavana any amin’ireo rahalahy sy anabavy.b
Tsy mora ny nanao dia tany Papouasie-Nouvelle-Guinée!
Nanao dia maherin’ny 350 kilaometatra tamin’ny lalana mikitoantoana izahay, mba hitsidihana fiangonana iray teo akaikin’ny sisin-tanin’i Indonezia. In-200 mahery izahay no niampita renirano, ary vitsy tamin’izy ireny ihany no nisy tetezana. Nandritra an’izay taona maro izay, dia imbetsaka ny fiaranay no nihitsoka tao anaty fotaka mandrevo, ka elaela mihitsy izahay vao tonga tany amin’ireo mpiara-manompo. Noraisin-dry zareo tamim-pifaliana izahay rehefa tonga tany, ary norosoany sakafo.
Vonona hisetra olana foana i Leann teny amin’ny fanompoana
Rehefa nandeha tamin’ny fiaramanidina kely izahay, ka nandalo toerana be tendrombohitra, dia matetika ny mpanamory no nitady hirika hivoahana ny rahona mba hahitana an’ilay toerana hiantsonana. Nidina ambany kokoa izy avy eo mba hahitana raha nisy biby na ankizy teo amin’ilay toerana hiantsonana. Niomana amin’izay izahay avy eo fa hiantsona ilay fiaramanidina. Feno fotaka mantsy ilay toerana sady mikitoantoana. Mampidi-doza koa ilay izy satria eny an-tampon-tendrombohitra no misy azy, ary 2 100 metatra mahery ny haavony. Rehefa handao an’ireny toerana mitokana ireny indray izahay, dia indraindray lalana tokana miafara tampoka amin’ny hantsana no tsy maintsy andehanan’ilay fiaramanidina.c
Nisy fotoana izahay nandeha an-tongotra nanaraka lalan-kely teny an-tendrombohitra, na namakivaky honahona teny amoron-tsiraka, sady nibaby kitapo feno boky sy gazety ary izay zavatra nilainay. Ny andro amin’io nahamay be sady nanevokevoka. Fotoana mamy nahafahana nifampahery sy nihomehy ireny dia ireny, niaraka tamin’ireo rahalahy sy anabavy tsy mivadika.
Handeha hanompo, dia nandeha sambokely teo amin’ny Reniranon’i Keram, Papouasie-Nouvelle-Guinée
Miombom-pihetseham-po amin’ny apostoly Paoly izahay, araka ilay teniny ao amin’ny 1 Tesalonianina 2:8, hoe: ‘Tena tia anareo izahay dia tapa-kevitra ny hanome anareo ny ainay. Tena maminay mantsy ianareo.’ Hitanay hoe vonona ny hanao toy izany ho anay koa ireo rahalahy sy anabavy. Vonona ny ho faty ho anay mihitsy aza ry zareo mba hiarovana anay amin’ny jiolahy. Nanambana an’i Leann tamin’ny antsibe, ohatra, ny lehilahy iray indray mandeha. Tsy afaka nanampy azy aho tamin’io, satria izaho tany amin’ny faritra hafa tao amin’ilay tanàna. Tonga dia nankeo afovoan’i Leann sy ilay lehilahy ny rahalahy iray. Soa fa tsy maty ilay rahalahy fa naratra kely fotsiny, satria nihazakazaka nanakana an’ilay lehilahy tezitra be ny olona. Na dia nihanahery setra aza ny olona tao amin’io firenena io, dia nanohana anay foana i Jehovah isan’andro mba hahafahanay hampahery an’ireo rahalahy sy anabavy.
Tsy dia nisy toeram-pitsaboana tany Papouasie-Nouvelle-Guinée, ka sarotra taminay ny nikarakara fahasalamana. Efa saika maty i Leann tamin’ny 2010, noho ny aretina azo avy amin’ny bakteria. Nentina haingana tamin’ny fiaramanidina nanketo Aostralia àry izahay mba hahafahana mitsabo azy. Tony foana izahay noho ny fanampian’i Jehovah. Nahita antibiotika nandaitra ihany ny dokotera tamin’ny farany. Nilaza ny dokotera iray hoe: “Niasa ho an’Andriamanitra ianareo, dia izao indray izy miasa ho anareo.” Niverina tany amin’ny fanendrena anay izahay, volana maromaro tatỳ aoriana.
Mbola be ny asa tatỳ Aostralia
Nila niverimberina tatỳ Aostralia izahay ny taona nanaraka mba hanaraha-maso ny fahasalaman’i Leann. Nasain’ny sampana nijanona tatỳ izahay tamin’ny 2012 mba hikarakarana ny fahasalamanay. Efa aman-taonany izahay no nipetraka tany an-tany hafa dia tsy ilay resaka fahasalamana no tena olana, fa ny hanitsy ny fomba fisainanay sy ny ho faly amin’ny fanompoana. Nalahelo izahay nandao an’ilay fanendrena anay sy ilay fianakaviana ara-panahy tena mamin’ny fonay. Hoatran’ny hoe nandiso fanantenana an’i Jehovah izahay, dia nieritreritra hoe tsy ho azony ampiasaina hoatran’ny taloha intsony. Ela loatra koa izahay no tsy nipetraka teto Aostralia, dia hoatran’ny hoe tsy tanindrazanay intsony izy io. Tena nila ny fanampian’ireo rahalahy sy anabavy izahay tamin’izany.
Lasa mpisava lalana manokana tany Wollongong, any atsimon’i Sydney, any Nouvelle-Galles Atsimo izahay rehefa sitrana i Leann. Faly be izahay herintaona teo ho eo tatỳ aoriana fa voasa hanatrika ny Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Mpivady Kristianina (Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana amin’izao). Notendren’ny sampan’i Aostralazia hanao ny asan’ny faritra izahay avy eo. Nandritra ny taona vitsivitsy izahay dia nitsidika fiangonana sy antoko-mpitory tany amin’ny tanàna be olona sy tany amin’ny tanàna mitokana any an-tany efitra ary tany amin’ny tanànan’ny mpanjono. Izao indray izahay mitsidika manerana an’i Timaoro Atsinanana sy ny faritra avaratrandrefan’i Aostralia, izay feno tany efitra.
Fitoriana tany Timaoro Atsinanana
Tena manohana ahy ny vadiko sady mifantoka amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Fanomezana faran’izay sarobidy avy amin’i Jehovah izy. Mbola tsy nanda fanendrena mihitsy i Leann, na dia sarotra sy tsy nampahazo aina aza izany. Rehefa misy manontany izy hoe ahoana ny fomba hiatrehany olana, dia hoy izy: “Resahiko amin’i Jehovah ny zava-drehetra.” Rehefa mamaky ny Teniny izy avy eo, dia avelany i Jehovah hamolavola ny fomba fisainany sy ny fihetseham-pony ary ny zavatra ataony.
Tsy nanenina mihitsy aho namela an’i Jehovah hitarika ny fiainako, toy izay hifantoka amin’ny spaoro eto amin’izao tontolo izao. Hitako hoe tena afaka mampiofana antsika i Jehovah mba hanatanteraka ny sitrapony, raha vonona hanao an’izay asa anendreny antsika isika. Rehefa miatrika olana aho na handray fanapahan-kevitra, dia hitako hoe mila mivavaka foana aho mba hahazoana fahendrena sy fanahy masina. Nataon’i Jehovah Ray be fitiavana nahafinaritra be ny fiainanay. Tsy andrinay koa izao ny hahita hoe inona no mbola hataony amin’ny alalan’ny “vilany tany” hoatr’anay.—2 Korintianina 4:7.
a Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2012, pejy 17-21, ny tantaram-piainan’i Max Lloyd.
b Mitantara ny fitsidihana iray nataonay tamin’ny sambokely ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2011 pejy 130-134.
c Jereo ilay lahatsoratra hoe “Harambato eny Amin’ny Rahona” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 2010 pejy 16-17.