17 Ary hosamahiny eo amin’ny elany ilay vorona, nefa tsy hozarainy roa. Dia hodoran’ny mpisorona eo ambony alitara izany, mba hidona-tsetroka eo ambonin’ny kitay, eo amin’ny afo. Fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao anaty afo, mba ho hanitra mahafinaritra an’i Jehovah.