20 Dia hahetsiketsiky ny mpisorona ho fanatitra ahetsiketsika eo anatrehan’i Jehovah ireo.+ Zava-masina ho an’ny mpisorona ireo, ankoatra ny tratran’ilay ondrilahy atao fanatitra ahetsiketsika sy ny feny atao fanomezana.+ Aorian’izay dia mahazo misotro divay ilay Nazirita.