5 Dia nanome baiko an’i Joaba sy Abisay ary Itahy ny mpanjaka hoe: “Aza dia misetrasetra amin’i Absaloma, fa mba jereo ihany aho!”+ Naheno an’izany baiko momba an’i Absaloma izany daholo ny olona rehetra, rehefa niresaka an’izany tamin’ny mpifehy rehetra ny mpanjaka.