-
2 Tantara 18:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Samy nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany ny mpanjakan’ny Israely sy Josafata mpanjakan’ny Joda. Samy nanao akanjom-boninahitra izy ireo, ary nipetraka teo amin’ilay famoloana teo amin’ny fidirana amin’ny vavahadin’i Samaria. Ary naminany teo anatrehan’izy roa lahy ny mpaminany rehetra.
-