27 Dia nasain’i Hezekia natolotra teo amin’ny alitara ny fanatitra dorana.+ Raha vao natolotra ny fanatitra dorana, dia natomboka koa ny hira ho an’i Jehovah. Notsofina koa ny trompetra, ka natao nifanaraka tamin’ny feon’ireo zavamaneno namboarin’i Davida mpanjakan’ny Israely.