2 Dia nifamory tany amin’ny tanànany avy ny Jiosy, tany amin’ireo faritany manerana ny fanjakan’i Ahasoerosy Mpanjaka,+ mba hiady amin’izay nitady hanisy ratsy azy. Ary tsy nisy nahajoro teo anatrehan’ny Jiosy, satria tena natahoran’ny olona rehetra izy ireo.+