16 “Ry zanak’olona, makà tapa-kazo lavalava ka soraty eo amin’ilay izy hoe: ‘Ho an’i Joda sy ny vahoakan’Israely miaraka aminy.’+ Dia makà tapa-kazo anankiray hafa, ka soraty eo amin’ilay izy hoe: ‘Ho an’i Josefa, ilay tapa-kazon’i Efraima, sy ny vahoakan’Israely rehetra miaraka aminy.’+