Fanamarihana Ambany Pejy
b Na dia tsy mitovy hevitra aza ny manam-pahaizana, dia misy amin’izy ireo milaza fa ny tempolin’i Dagana ihany no tempolin’i El. Anisan’izany, ohatra, ilay frantsay atao hoe Roland de Vaux, manam-pahaizana ao amin’ny Sekoly Fianarana Baiboly any Jerosalema. Nilaza izy fa i Dagana, na i Dagona ao amin’ny Mpitsara 16:23 sy ny 1 Samoela 5:1-5, no tena anaran’i El. Lazain’ny Rakipahalalana Momba ny Fivavahana (anglisy), fa mety ho “nampifandraisina tamin’i [El] i Dagana, na nitambatra taminy.” Voalazan’ilay lahatsoratra tany Ras Shamra, fa nantsoina hoe zanakalahin’i Dagana i Bala. Tsy fantatra tsara anefa ny dikan’ilay hoe “zanakalahy” eto.