Fanamarihana Ambany Pejy
a Resin’i Davida, mpanjakan’ny Israely fahiny, ny Jebosita, ka azony ny Tendrombohitra Ziona, ilay tanàna voaro mafy. Nataony renivohitry ny fanjakany izy io. (2 Samoela 5:6, 7, 9) Nafindrany tao koa ny Fiara masina. (2 Samoela 6:17) Porofon’ny fanatrehan’i Jehovah ilay Fiara, ka izany no niantsoana an’i Ziona hoe fonenan’Andriamanitra. Tena tsara hiantsoana ny lanitra àry ilay anarana hoe Ziona.—Eksodosy 25:22; Levitikosy 16:2; Salamo 9:11; Apokalypsy 11:19.