Fanamarihana Ambany Pejy
c Misy antony matoa tsy miresaka an’i Josefa mihitsy ireo fitantarana momba ny fanompoan’i Jesosy, nefa voaresaka ao ny reniny sy ny rahalahiny ary ny anabaviny. Voalaza, ohatra, fa nanatrika fampakaram-bady iray tao Kana i Maria, ary nisy zavatra nataony tamin’izay. Tsy voaresaka mihitsy anefa i Josefa tamin’io. (Jaona 2:1-11) Nisy fotoana koa niantsoan’ny olona avy tao amin’ny tanàna niaviany an’i Jesosy hoe “zanak’i Maria” fa tsy hoe zanak’i Josefa.—Marka 6:3.