Fanamarihana Ambany Pejy
a Mariho fa avy any amin’ny faritr’i Galilia i Jona. Niteny an’avona toy izao momba an’i Jesosy mantsy ny Fariseo: “Diniho dia ho hitanao fa tsy misy mpaminany avy any Galilia.” (Jaona 7:52) Mpandika teny sy mpikaroka maro no mihevitra fa filazana ankapobeny no nataon’ny Fariseo tamin’ny hoe ‘mbola tsy nisy mpaminany mihitsy avy ao amin’ny tanàna kelin’i Galilia.’ Tsy nahalala ny tantara sy ny faminaniana àry ireo Fariseo.—Isaia 9:1, 2.