Fanamarihana Ambany Pejy
b Nataon’i Lameka hoe Noa ny anaran’ny zanany lahy. Toa midika hoe “Fitsaharana” na “Fampiononana” izany. Nozonin’i Jehovah mantsy ny tany ary niasa mafy ny olona rehefa nikarakara azy io. Naminany àry i Lameka hoe hanatanteraka ny dikan’ny anarany i Noa ka hitondra fitsaharana ho an’ny olombelona. (Genesisy 5:28, 29) Efa maty anefa i Lameka vao tanteraka izany.