Fanamarihana Ambany Pejy
a Ny vato fehizoro resahina eto, dia ilay vato farany ambony napetraka teny an-tampon’ny rindrina tamin’ny trano fahiny. Izy io no nampitambatra an’ireo rindrina roa nihaona teo an-jorony. Rehefa natsangana tamin’ny maty i Jesosy, dia lasa vato fehizoron’ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra, izay oharina amin’ny tempoly ara-panahy.