Fanamarihana Ambany Pejy
a Ilay anarana amin’ny teny malagasy hoe Jehovah dia avy amin’ny anaran’Andriamanitra amin’ny teny hebreo, asehon’ireo Litera Hebreo Efatra hoe יהוה (YHWH). Natao hoe “TOMPO” io anarana io ao amin’ny Josoa 1:9 ao amin’ny Dikan-teny Iombonana Eto Madagasikara. Raha te hahafantatra bebe kokoa momba an’i Jehovah ianao, na te hahalala hoe fa maninona no tsy misy an’io anarana io ao amin’ny Baiboly sasany, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?”