Alarobia 15 Oktobra
Izaho no Alfa sy Omega.—Apok. 1:8.
Alfa no voalohany amin’ny abidy grika, ary omega no farany. Inona àry no tian’i Jehovah holazaina tamin’ilay hoe izy no “Alfa sy Omega”? Hoe rehefa manomboka zavatra iray izy, dia vitainy hatramin’ny farany izany. Rehefa avy namorona an’i Adama sy Eva i Jehovah, dia niteny tamin’izy mivady hoe: “Miteraha maro, dia mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany.” (Gen. 1:28) Hoatran’ny nilaza i Jehovah tamin’izay hoe “Alfa.” Noteneniny mazava tsara mantsy ny fikasany hoe: Hisy olombelona lavorary sy mankatò taranak’i Adama sy Eva hameno ny tany, ary hanova azy io ho Paradisa. Rehefa tonga izay fotoana izay, dia hoatran’ny hilaza indray i Jehovah hoe “Omega.” Nanome antoka ny amin’izany izy, taorian’ny namoronany “ny lanitra sy ny tany ary ny zava-drehetra eo aminy.” Nanome antoka izy fa ho tanteraka an-tsakany sy an-davany izay nokasainy momba ny olombelona sy ny tany amin’ny faran’ny andro fahafito.—Gen. 2:1-3. w23.11 5 § 13-14
Alakamisy 16 Oktobra
Omano ny lalana halehan’i Jehovah! Manaova lalambe mahitsy mamakivaky ny tany karakaina, mba handehanan’ilay Andriamanitsika.—Isaia 40:3.
Sarotra ny dia avy any Babylona nankany Israely, ary naharitra efa-bolana teo ho eo. Nampanantena anefa i Jehovah hoe hesoriny izay mety hanakantsakana ny fiverenan’ny Israelita any. Fantatry ny Jiosy nanam-pinoana hoe betsaka lavitra noho izay hafoiny ny soa ho azony, raha miverina any Israely izy. Nifandray tamin’ny fanompoana an’i Jehovah ny fitahiana lehibe indrindra tamin’izany. Tsy nisy tempolin’i Jehovah tany Babylona na iray aza. Tsy nisy alitara azon’ny Israelita nanolorana sorona nifanaraka tamin’ny Lalàn’i Mosesy koa tany, sady tsy nisy mpisorona afaka nanolotra an’izany. Ankoatra izay, dia betsaka lavitra noho ny vahoakan’i Jehovah ny mpanompo sampy tany. Tsy niraharaha an’i Jehovah sy ny fitsipiny anefa izy ireny. Tsy andrin’ireo Jiosy an’arivony natahotra an’Andriamanitra àry ny hiverina any an-tanindrazany, satria ho afaka hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana madio ry zareo. w23.05 14-15 § 3-4
Zoma 17 Oktobra
Asehoy eo amin’ny fiainanareo foana fa zanaky ny mazava ianareo.—Efes. 5:8.
Mila ny fanampian’ny fanahy masin’Andriamanitra isika mba hahafahantsika hitondra tena foana hoatran’ny “zanaky ny mazava.” Fa maninona? Satria tsy mora mihitsy ny hoe madio foana eto amin’izao tontolo ratsy fitondran-tena izao. (1 Tes. 4:3-5, 7, 8) Ampian’ny fanahy masina isika mba hiady amin’ny toe-tsain’izy io, anisan’izany ny filozofiany sy ny fomba fiheviny mifanohitra amin’ny fisainan’Andriamanitra. Ampiany koa isika mba hanana an’izay “rehetra atao hoe hatsaran-toetra sy fanaovana ny marina.” (Efes. 5:9) Hahazo ny fanahy masina, ohatra, isika raha mangataka azy io amin’ny vavaka. Nilaza i Jesosy fa “tena hanome ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy” i Jehovah. (Lioka 11:13) Mahazo fanahy masina koa isika rehefa miara-midera an’i Jehovah any am-pivoriana. (Efes. 5:19, 20) Misy heriny tsara amintsika izy io ka hanampy antsika hanana fomba fiaina mampifaly an’Andriamanitra. w24.03 23-24 § 13-15