FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Inona no Atao hoe Andro Fitsarana?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
    • sy ireo hatsangana amin’ny maty, raha te hiaina mandrakizay. Tsy maintsy ankatoavin’izy ireo koa izay zavatra vaovao takin’i Jehovah mandritra ny arivo taona. Izay ataon’ny olona mandritra ny Andro Fitsarana àry no hitsarana azy.

      Olona an’arivony tapitrisa no sambany vao hianatra sy hanao ny sitrapon’Andriamanitra, mandritra ny Andro Fitsarana. Be dia be mihitsy àry no hampianarina amin’izay. “Hianatra fahamarinana ny mponina eto an-tany.” (Isaia 26:9) Tsy ny rehetra anefa no te hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Hoy mantsy ny Isaia 26:10: ‘Tsy hianatra fahamarinana ny ratsy fanahy, na dia iantrana aza. Tsy hanao ny rariny izy, na dia ao amin’ny tanin’ny fahitsiana aza. Ary tsy hahita ny fahambonian’i Jehovah izy.’ Haringana tanteraka ireny ratsy fanahy ireny mandritra ny Andro Fitsarana.—Isaia 65:20.

      Amin’ny faran’ny Andro Fitsarana vao tena azo lazaina hoe “velona” ny olona sisa tsy maty, satria efa lasa lavorary. (Apokalypsy 20:5) Haverina ho lavorary indray ny olona mandritra ny Andro Fitsarana. (1 Korintianina 15:24-28) Hisy fitsapana farany avy eo. Hovahana kely i Satana, ary havela hamitaka farany ny olombelona. (Apokalypsy 20:3, 7-10) Ho tanteraka amin’ireo mahatohitra an’i Satana ity tenin’ny Baiboly ity: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.” (Salamo 37:29) Ho fitahiana ho an’ny olona tsy mivadika rehetra tokoa ny Andro Fitsarana!

  • 1914: Taona Miavaka ao Amin’ny Faminanian’ny Baiboly
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
    • FANAZAVANA FANAMPINY

      1914: Taona Miavaka ao Amin’ny Faminanian’ny Baiboly

      EFA ho 40 taona talohan’ny 1914 ny mpianatra ny Baiboly no nilaza tamin’ny olona hoe hisy zavatra hiavaka amin’io taona io. Inona izany, ary inona ny porofo fa miavaka tokoa ny taona 1914?

      Hoy i Jesosy ao amin’ny Lioka 21:24: “Hohitsahin’ny hafa firenena i Jerosalema mandra-pahatapitry ny fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena [“andron’ny jentilisa”, Fandikan-teny Protestanta].” Renivohitry ny firenena jiosy i Jerosalema, ary foiben’ny fitondran’ireo mpanjaka taranak’i Davida Mpanjaka. (Salamo 48:1, 2) Niavaka izy ireo, satria nipetraka teo amin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah”, izany hoe solontenany. (1 Tantara 29:23) Teny nilazana ny fitondran’i Jehovah àry ny hoe Jerosalema.

      Oviana ny fitondran’Andriamanitra no ‘nohitsahin’ny hafa firenena’, ary tamin’ny fomba ahoana? Tamin’ny taona 607 T.K., rehefa resin’ny Babylonianina i Jerosalema. Lasa tsy nisy mpanjaka intsony teo amin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah”, ary nitsahatra tsy nitondra ny taranak’i Davida. (2 Mpanjaka 25:1-26) Hitohy mandrakizay ve izany? Tsia, satria hoy i Ezekiela momba an’i Zedekia, ilay mpanjaka farany tao Jerosalema: ‘Esory ny fehilohan’ny mpanjaka, ary tsoahy ny satroboninahitra. Izany koa aza dia tsy ho lasan’iza na iza, mandra-pahatongan’ilay manan-jo ara-dalàna hahazo izany. Dia homeko azy izany.’ (Ezekiela 21:26, 27) I Kristy Jesosy “ilay manan-jo ara-dalàna” ho eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida. (Lioka 1:32, 33) Tapitra àry ilay fotoana ‘nanitsahan’ny hafa firenena’ an’i Jerosalema rehefa lasa Mpanjaka i Jesosy.

      Oviana izany no nitranga? Nasehon’i Jesosy fa hanjaka mandritra ny fotoana voafetra ny hafa firenena. Manampy antsika hamantatra ny halavan’io fotoana io ny Daniela Toko faha-4. Voatantara ao fa nanonofy momba ny hoavy i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona. Nahita hazo goavana iray notapahina izy. Tsy afaka naniry ny fotony, satria nasiana fehy vy sy varahina. Hoy ny anjely iray: “Aoka ho fe-potoana fito no holanina aminy.”—Daniela 4:10-16.

      Indraindray dia fitondrana no tiana holazaina amin’ny hoe hazo ao amin’ny Baiboly. (Ezekiela 17:22-24; 31:2-5) Ny fanapahana an’ilay hazo tao amin’ilay nofy àry, dia midika fa haato ny fitondran’Andriamanitra, izany hoe tsy hisy mpanjaka hisolo tena azy intsony any Jerosalema. Asehon’ilay fahitana koa anefa fa tsy haharitra afa-tsy “fe-potoana fito” ny ‘fanitsahana an’i Jerosalema.’ Hafiriana izany?

      Milaza ny Apokalypsy 12:6, 14 fa maharitra “enimpolo sy roanjato sy arivo andro” ny fe-potoana telo sy tapany. Indroa hoatr’izay ny faharetan’ny “fe-potoana fito”, izany hoe 2520 andro. Mbola ‘nanitsaka’ ny fitondran’Andriamanitra foana anefa ny hafa firenena, 2520 andro taorian’ny naharesy an’i Jerosalema. Midika izany fa ela kokoa noho izany ilay fe-potoana fito. Raha ‘soloana taona iray ny andro iray’, araka ny Nomery 14:34 sy ny Ezekiela 4:6, dia maharitra 2 520 taona ny “fe-potoana fito.”

      Nanomboka tamin’ny Oktobra 607 T.K. ireo 2 520 taona ireo. Resin’ny Babylonianina i Jerosalema tamin’izay, ary nesorina tamin’ny seza fiandrianana ilay mpanjaka taranak’i Davida. Nifarana tamin’ny Oktobra 1914 ilay fotoana. Tamin’izay no tapitra ny “fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena”, ary nataon’Andriamanitra Mpanjaka any an-danitra i Jesosy Kristy.a—Salamo 2:1-6; Daniela 7:13, 14.

      Efa nilaza i Jesosy fa hisy loza eran-tany mandritra ny ‘fanatrehany’, izany hoe rehefa lasa Mpanjaka any an-danitra izy. Anisan’izany ny ady, mosary, horohoron-tany, ary areti-mandringana. (Matio 24:3-8; Lioka 21:11) Tanteraka tokoa izany, ary voaporofo fa naorina tany an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny 1914, sady nanomboka ny “andro farany.”—2 Timoty 3:1-5.

      Tabilao: Maharitra 2 520 taona ilay fe-potoana fito, na fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena. Manomboka eo amin’ny fotoana nandravana an’i Jerosalema ilay izy no isaina, ka mifarana amin’ny Oktobra 1914

      a Manomboka amin’ny Oktobra taona 607 T.K. ka hatramin’ny 1 Oktobra taona 1 T.K. dia misy 606 taona. Tsymisy ny taona 0. Noho izany, dia misy 1 914 taona manomboka amin’ny 1 Oktobra taona 1 T.K. ka hatramin’ny Oktobra 1914 A.K. Rehefa ampiana 606 taona ny 1 914 taona, dia manome 2 520 taona. Manazava ny naharesen’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. ny boky Fandalinana ny Soratra Masina, ao amin’ilay hoe “Fanisan-taona”, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

  • Iza i Mikaela Arkanjely?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
    • FANAZAVANA FANAMPINY

      Iza i Mikaela Arkanjely?

      TSY voaresaka matetika ao amin’ny Baiboly ilay anjely atao hoe Mikaela. Eo am-panaovana zavatra foana anefa izy, rehefa resahina ao. Miady amin’ny anjely ratsy, ohatra, izy ao amin’ny bokin’i Daniela, mifamaly amin’i Satana izy ao amin’ny taratasin’i Joda, ary miady amin’ny Devoly sy ny demoniany izy ao amin’ny Apokalypsy. Ny hoe Mikaela dia midika hoe “Iza no Tahaka An’Andriamanitra?” Mety tsara aminy ny anarany, satria miaro ny fitondran’i Jehovah sy miady amin’ny fahavalony izy. Fa iza moa i Mikaela?

      Manana anarana maromaro ny olona iray indraindray. Antsoina hoe Israely koa, ohatra, i Jakoba, ary antsoina hoe Simona ny apostoly Petera. (Genesisy 49:1, 2; Matio 10:2) Araka ny Baiboly, dia anarana hafa iantsoana an’i Jesosy Kristy taloha sy taorian’ny niainany tetỳ an-tany, ny hoe Mikaela. Handinika porofo ara-baiboly momba an’izany isika.

      Arkanjely. Antsoin’ny Baiboly hoe “arkanjely” i Mikaela. (Joda 9) Midika hoe “filohan’ny anjely” ilay teny hoe “arkanjely.” Milaza tokana foana io teny io ao amin’ny Baiboly. Midika izany fa iray ihany ny arkanjely. Ampifandraisina amin’i Jesosy koa ny anjara asan’ny arkanjely. Hoy ny 1 Tesalonianina 4:16 momba an’i Jesosy Tompo natsangana tamin’ny maty: “Ny Tompo mihitsy amin’izay no hidina avy any an-danitra ka hanome baiko mafy amin’ny feon’arkanjely.” Lazaina eo fa feon’arkanjely ny feon’i Jesosy. Hita amin’io andinin-teny io àry fa i Jesosy mihitsy no Mikaela arkanjely.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara