FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nahoana ny Ankizy no Lasa Tsy Voafehy?
    Mifohaza!—2015 | Aprily
    • 1. Ankizilahikely efa-taona mitazona kilalao; 2. Ankizivavikely dimy taona miavona kely; 3. Ankizilahy 12 taona mitehin-kiho

      MATOAN-DAHATSORATRA

      Nahoana ny Ankizy no Lasa Tsy Voafehy?

      Niova be ny fianakaviana tato ho ato, indrindra fa ny any amin’ny tany tandrefana. To teny mantsy ny ray aman-dreny taloha, fa amin’izao kosa hoatran’ny hoe ny ankizy indray no mibaiko. Diniho ireto ohatra ireto:

      • Midongy hividianana kilalao ny zaza iray efa-taona. Miezaka manazava ny reniny hoe: “Angaha ianao tsy efa manana be dia be e?” Teo vao tonga saina ilay reniny hoe tsy tokony nanontany akory. “Izaho ho’aho ividiano!”, hoy ilay ankizy. Nanaiky tsy sazoka ny reniny sao hila vaniny be eo indray ilay zaza.

      • Mbola miresaka amin’olon-dehibe hafa ny dadan’ny ankizivavikely iray dimy taona, nefa tonga izy dia miteny hoe: “Dada, andao hody!” Miondrika haingana àry ny dadany, ka manambitamby azy hoe: “Kely sisa akia a! Izany an?”

      • Nisy nitantara hoe namalivaly mpampianatra indray i Hery, 12 taona. Henon’ny dadan’i Hery izany ka tezitra be izy. Tsy ny zanany anefa no nahatezitra azy, fa ilay mpampianatra! Hoy izy: “Hoteneniko amin’ny tale izany mpampianatra izany, fa mampijaly anao foana!”

      Ohatra fotsiny ireo, nefa ahitana ny tena zava-misy. Matetika mantsy ny ray aman-dreny no manaiky fotsiny an’izay rehetra angatahin’ny zanany. Tsy bedy akory ny ankizy, na dia tsy mahalala fomba aza. Ny ray aman-dreny indray no “miaro” azy, na dia tokony ho voasazy aza izy. Hoy ilay boky hoe Mihanaka toy ny Aretina ny Fitiavan-tena (anglisy): ‘Ray aman-dreny maro no tsy mahafehy ny zanany, fa ny zanany indray no avelany hibaiko azy. Taloha anefa, fantatry ny ankizy tsara hoe tsy izay tiany no atao, fa izay tian’ny ray aman-dreny.’

      Marina aloha fa maro no miezaka mitaiza tsara ny zanany. Manome modely harahin’ny ankizy izy ireo, sady hentitra nefa tsara fanahy rehefa manitsy azy. Tsy mora anefa izany, satria mifanohitra amin’ny fanaon’ny besinimaro.

      Fa nahoana ny ray aman-dreny no lasa tsy mahafehy ny zanany, nefa taloha tsy mba hoatr’izany?

      Tsy to teny intsony ny ray aman-dreny

      Voalaza fa taorian’ny 1960 no nanomboka nihena ny fahefan’ny ray aman-dreny. Nisy mpanoro hevitra mantsy nilaza fa tsy tokony hofehezina be ny ankizy. Hoy izy ireo: ‘Ataovy namana ny zanakao, fa aza aseho hoe ianao no mandidy. Derao izy fa aza sazina. Aza bedesina izy na tsy mety aza ny ataony, fa miezaha foana ho tsara fanahy.’ Tsy mba nilaza ireny mpanoro hevitra ireny hoe samy ilaina ny teny fiderana sy ny famaizana. Mora malahelo, hono, ny ankizy ka tsy tokony hobedesina, sao izy ireo hankahala ny ray aman-dreniny rehefa lehibe.

      Nanazava ny manam-pahaizana tamin’izany, fa tsotra ihany no tokony hatao raha te hahay hitaiza ianao: ‘Ataovy izay hahatsapan’ny zanakao hoe tena misy dikany izy.’ Marina fa ilaina ny manampy ny ankizy mba hatoky tena. Tafahoatra loatra anefa ny zavatra nasaina nataon’ny ray aman-dreny. Ohatra hoe: ‘Aza lavina mihitsy ny teniny, ary aza miteny hoe ratsy ny nataony.’ ‘Averimbereno aminy kosa fa ankizy miavaka izy, ary ho vitany daholo izay tiany hatao.’ Natao fotsiny izay hahatsapany hoe olona tsara izy, nefa tsy nampianarina akory izy mba ho olona tsara.

      Ankizilahikely mipetraka eo ambony seza fiandrianana hoatran’ny mpanjaka, ary mandokadoka azy ny ray aman-dreniny

      Lasa manantena ny ankizy hoe hanome an’izay tadiaviny foana ny olona

      Inona no vokatr’izany fitaizana izany? Lasa manantena ny ankizy hoe hanome an’izay tadiaviny foana ny olona. Mihevitra izy fa zony izany. Hoy ilay boky hoe Taranaka Tia Tena (anglisy): “Tanora maro no tsy vonona hiatrika ny tena fiainana. Tsy maintsy hisy hanakiana mantsy izy, ary tsy voatery handeha tsara foana izay ataony.” Hoy ny raim-pianakaviana iray, ao amin’io boky io: ‘Tsy hisy hanambitamby anao izany rehefa miasa ianao. Raha tsy nety, ohatra, ny tatitra nataonao, dia tsy hiteny mihitsy ny lehibenao hoe: “Tsara kosa ny lokon’ny taratasy nampiasainao an!” Tsy ho vonona hiatrika an’izany ny zanakao, raha tambatambazina foana satria hoe tsy te hampalahelo azy ianao.’

      Fitaizana miovaova

      Miovaova be ny hevitry ny olona, anisan’izany ny momba ny fitaizana. Hoy ilay mpampianatra atao hoe Ronald Morrish: “Miova foana ny fomba fitaizana. Ny toe-tsain’ny olona mihitsy no miovaova, raha ny marina.”a Tanteraka amin’ny ray aman-dreny maro ilay lazain’ny Baiboly hoe ‘atopatopan’ny onja sy avezivezin’izao karazan-drivotry ny fampianarana rehetra izao.’—Efesianina 4:14.

      Mazava àry fa ratsy foana ny vokany, rehefa avela hanao izay tiany fotsiny ny ankizy fa tsy fehezina. Lasa tsy to teny intsony mantsy ny ray aman-dreny. Ny ankizy koa tsy mba misy manoro an’izay tokony hataony, mba hahaizany hanao safidy tsara eo amin’ny fiainana sy hahatonga azy hatoky tena nefa tsy tafahoatra.

      Ahoana àry no tokony hitaizanao ny zanakao?

      a Izahay no manao sora-mandry. Nalaina tao amin’ilay boky hoe Mila Famaizana ny Zanakao: Torohevitra 12 Hahatonga ny Ankizy ho Olom-banona (anglisy).

      Lasa Mampiana-dratsy ve Ianao?

      Alao sary an-tsaina izao:

      • Tsy mipetraka mihitsy ianao isaky ny hariva sy ny faran’ny herinandro, fa mitondra ny zanakao manao zavatra isan-karazany: Manao baolina, milomano, mianatra mozika, sy ny sisa. Reraka loatra ianao, nefa mieritreritra ianao hoe: ‘Tiako ho tsapan’ny zanako hoe tiako be ry zareo, ary hataoko daholo izay azoko atao ho azy ireo. Tsy izany ve no tokony hataon’ny ray aman-dreny?’

        Eritrereto izao: Inona no tena ho ao an-tsain’ny zanakao, raha hitany hoe miezaka mampifalifaly azy ireo foana ianao, na efa reraka be aza? Tsy lasa hieritreritra ve ry zareo hoe natao hanome an’izay ilain’izy ireo fotsiny ny ray aman-dreniny, sy ny olon-dehibe hafa?

        Ny tsara kokoa: Ataovy tsapan’ny zanakao fa mba manana ny zavatra ilainao koa ianao. Hampianatra azy ireo izany mba hihevitra ny olon-kafa, anisan’izany ianao.

      • Nasiaka be ny dadanareo, ka tapa-kevitra ianao fa tena ho tsara fanahy amin’ny zanakao. Dokafanao foana ny zanakao roa lahy, na dia tsy nisy zavatra miavaka nataony aza. Mieritreritra ianao hoe: ‘Tiako hahatsapa izy ireo hoe misy dikany izy, ary miavaka mihitsy. Amin’izay ry zareo matoky tena, ka ho tafavoaka tsara amin’ny fiainana.’

        Eritrereto izao: Inona no tena ho ao an-tsain’ny zanakao, raha dokadokafanao foana izy nefa tsy nanao zavatra tsara akory? Raha lasa mihevi-tena ho zavatra loatra izy ireo, nahoana izany no mety hisy vokany ratsy aminy, amin’izao sy amin’ny hoavy?

        Ny tsara kokoa: Mahaiza mandanjalanja. Aza kianina be loatra ny zanakao, nefa koa aza dokafana raha tsy nisy ezaka tsara nataony akory.

      • Manan-janakavavy roa, enin-taona sy dimy taona ianao. Kizitina kely ilay zokiny, ka nikapoka an’ilay zandriny. Nieritreritra ianao hoe: ‘Aleo izy tsy bedesina fa ampisaintsainina. Sady sao dia malahelo izy raha teneniko hoe ratsy ny nataony.’

        Eritrereto izao: Ampy ve raha ampisaintsainina fotsiny ny zaza enin-taona? Tsy mety tokoa ve ny miteny hoe “ratsy” ny mikapoka ny zandriny?

        Ny tsara kokoa: Omeo sazy araka ny antonony izy rehefa maditra. Bedeso izy raha ilaina, nefa aza masiaka loatra. Hanampy azy izany mba hanitsy ny toetra ratsiny.

  • Fomba Fitaizana Mandaitra
    Mifohaza!—2015 | Aprily
    • Vehivavy mibedy ny zanany vavy

      MATOAN-DAHATSORATRA | NAHOANA NY ANKIZY NO LASA TSY VOAFEHY?

      Fomba Fitaizana Mandaitra

      TENA sarotra ny mitaiza. Vao mainka anefa sarotra ilay izy, raha tsy faizina ny ankizy rehefa maditra. Nahoana? 1) Rehefa tsy voafehy ny ankizy, dia mandreraka an’ireo ray aman-dreniny. 2) Rehefa tsy mazava ny fitsipika apetraky ny ray aman-dreny, dia tsy hain’ny ankizy intsony izay tokony hatao.

      Inona kosa ny vokany raha sazina araka ny antonony ny ankizy? Manitsy ny toe-tsainy izany, ary manampy azy ho hendry. Lasa matotra sy matoky tena koa izy rehefa lehibe. Aiza anefa no hahitanao toro lalana tsara, mba hitaizana ny zanakao?

      Mandaitra ny toro lalan’ny Baiboly

      Mino ny Vavolombelon’i Jehovah, izay namoaka an’ity gazety ity, fa ny Baiboly dia tena “mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, ary hanafaizana.” (2 Timoty 3:16) Tsy hoe boky natao hanampiana ny ray aman-dreny fotsiny ny Baiboly, fa manoro an’izay tokony hataon’ny mpianakavy rehetra mihitsy. Ireto misy ohatra:

      HOY NY BAIBOLY: “Latsa-paka ao am-pon’ny zaza ny hadalana.”—Ohabolana 22:15.

      Marina fa tsara fanahy sy mahafinaritra ny ankizy indraindray. Matetika anefa izy ireo no manao zavatra adaladala, ka mila famaizana. (Ohabolana 13:24) Raha mitadidy an’izany ianao, dia hitaiza tsara ny zanakao.

      HOY NY BAIBOLY: “Aza misalasala manafay zanaka.”—Ohabolana 23:13.

      Vehivavy miara-misangisangy amin’ny zanany vavy

      Aza matahotra hoe raha sazinao araka ny antonony ny zanakao, dia hisy vokany ratsy aminy izany, na tsy ho tia anao izy rehefa lehibe. Raha ny fitiavana no antony anafaizanao azy, dia ho mora aminy ny hanetry tena sy hanaiky hahitsy. Ilainy foana izany toetra izany, na dia rehefa lehibe aza izy.—Hebreo 12:11.

      HOY NY BAIBOLY: “Izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.”—Galatianina 6:7.

      Rariny raha te hiaro ny zanany ny ray aman-dreny. Ilaina anefa ny mandanjalanja. Tsy manampy ny zanakao mantsy ianao raha “miaro” azy tsy ho voasazy rehefa maditra izy. Hoatr’izany koa rehefa miteny aminao an’izay tsy nety nataon’ny zanakao ny mpampianatra, na ny olon-dehibe hafa. Tadidio fa manampy anao hanitsy azy ireny olona ireny. Mampianatra an’ilay ankizy hanaja olon-dehibe ianao raha manao an’izany, ka hanaja anao koa izy.—Kolosianina 3:20.

      HOY NY BAIBOLY: ‘Mahatonga henatra ho an’ny reniny ny zaza avela hanaram-po.’—Ohabolana 29:15.

      Manehoa fitiavana, aza ovaovana ny fitsipika apetrakao, ary aza hentitra be loatra

      Marina fa tsy tokony hasiaka be ny ray aman-dreny, nefa tsy tokony ho goragora koa ny fitaizany. Hoy ny boky iray: “Rehefa avelan’ny ray aman-dreny hanao izay tiany fotsiny ny ankizy, dia tsy ho azony mihitsy hoe ny olon-dehibe no manana fahefana ao an-trano.” Raha tsy mandray andraikitra ianao, ka tsy asehonao fa ianao no manana fahefana ao aminareo, dia hihevitra ny zanakao hoe izay tiany no atao. Mbola tsy mahalala ny tokony hataony anefa izy ka tsy hanao safidy tsara, dia izy ihany no hizaka ny vokany, ary ianao koa halahelo.—Ohabolana 17:25; 29:21.

      HOY NY BAIBOLY: ‘Hikambana amin’ny vadiny ny lehilahy, ary ho nofo iray ihany izy roa.’—Matio 19:5.

      Milaza ny Baiboly fa efa mpivady ny lehilahy sy ny vehivavy vao tokony hiteraka, ary mbola tokony ho mpivady izy ireo na dia efa lehibe aza ny zanany ka miala ao an-tranony. (Matio 19:5, 6) Ny andraikitrao amin’ny vadinao àry aloha no tokony ho zava-dehibe aminao, izay vao ny adidinao amin’ny zanakao. Raha ny zanakao indray no ataonao ambony, dia hanambony tena izy ka ‘hihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina.’ (Romanina 12:3) Lasa tsy hifandray am-po koa ianareo mivady.

      Torohevitra mahasoa

      Ireto misy toro lalana hanampy anao hitaiza tsara ny zanakao:

      Manehoa fitiavana: “Aza mampahatezitra ny zanakareo, mba tsy ho kivy izy.”—Kolosianina 3:21.

      Aza ovaovana ny fitsipika apetrakao: “Aoka ny teninareo rehefa Eny dia Eny, rehefa Tsia dia Tsia.”—Matio 5:37.

      Aza hentitra be loatra: ‘Hahitsiko araka ny antonony ihany ianao.’—Jeremia 30:11.a 

      a Misy fanazavana fanampiny ao amin’ny www.pr418.com/mg. Jereo ao amin’ ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > MPIVADY & RAY AMAN-DRENY. Ho hitanao ao ireto: “Ahoana no Tokony Hifehezana ny Ankizy?”, “Ahoana Raha Mila Vaniny ny Zanakao?”, “Ampianaro Hahay Hitondra Tena Tsara ny Zanakao”, ary “Ampio ny Zanakao mba Hankatò.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara