FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Manome Fiadanana sy Fahamarinana Tondraka i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana—1996 | 1 Janoary
    • Manome Fiadanana sy Fahamarinana Tondraka i Jehovah

      “Hositraniko izy, ary hasehoko aminy ny haren’ny fiadanana sy ny fahamarinana.” — JEREMIA 33:6.

      1, 2. a) Raha ny amin’ny fiadanana, inona ny zava-misy fantatra teo amin’ireo firenena? b) Tamin’ny 607 al.f.i., fianarana inona no nomen’i Jehovah ny Isiraely momba ny fiadanana?

      FIADANANA! Faniry toy inona moa izany, kanefa tsy fahita toy inona moa izy io teo amin’ny tantaran’ny olombelona! Ny taonjato faha-20 indrindra no tsy taonjaton’ny fiadanana. Izy io kosa aza no nahita ny ady roa nandrava indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona. Taorian’ny ady lehibe voalohany dia natsangana ny Fikambanam-pirenena mba hitandrovana ny fiadanana maneran-tany. Tsy nahomby io fikambanana io. Taorian’ny ady lehibe faharoa dia naorina ny fandaminan’ny Firenena Mikambana, noho ny zava-kendrena nitovy tamin’izany ihany. Tsy mila afa-tsy ny mamaky ny gazety mivoaka isan’andro isika mba hahitana hoe tsy nahomby tanteraka koa izy io.

      2 Tokony ho gaga ve isika raha tsy afaka mitondra fiadanana ireo fandaminan’olombelona? Tsy izany velively. Dimanjato sy roa arivo taona mahery lasa izay, dia nomena fianarana momba izany ny Isiraely, vahoaka nofidin’Andriamanitra. Tamin’ny taonjato fahafito al.f.i., dia norahonan’i Babylona, ilay herim-panjakana nisandratra, ny fiadanan’ny Isiraely. Nitodika tany amin’i Egypta ny Isiraely mba hahitana fiadanana. Tsy nahomby i Egypta. (Jeremia 37:5-8; Ezekiela 17:11-15). Tamin’ny 607 al.f.i., dia nandrava ny mandan’i Jerosalema sy nandoro ny tempolin’i Jehovah ireo tafika babyloniana. Tamin’izany no nianaran’ny Isiraelita tamin’ny fomba nampanaintaina fa zava-poana ny fianteherana tamin’ireo fandaminan’olombelona. Tsy nahita fiadanana ilay firenena, fa nentina an-tery hatao sesitany kosa, tany Babylona. — 2 Tantara 36:17-21.

      3. Ho fahatanterahan’ny tenin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jeremia, fisehoan-javatra ara-tantara inona avy no nanome fianarana fanindroany ny Isiraely momba ny fiadanana?

      3 Talohan’ny nianjeran’i Jerosalema anefa, dia efa nambaran’i Jehovah fa ny tenany, fa tsy i Egypta, no hitondra tena fiadanana ho an’ny Isiraely. Toy izao no nampanantenainy tamin’ny alalan’i Jeremia: “Hositraniko izy, ary hasehoko aminy ny haren’ny fiadanana sy ny fahamarinana. Ary ny Joda sy ny Isiraely dia hampodiko avy amin’ny fahababoany, ka haoriko ho toy ny taloha izy.” (Jeremia 33:6, 7). Nanomboka ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah tamin’ny 539 al.f.i., rehefa resy i Babylona ka nomena fahafahana ny Isiraelita natao sesitany. (2 Tantara 36:22, 23). Tamin’ny faramparan’ny 537 al.f.i., dia nisy antokona Isiraelita nankalaza ny Andro Firavoravoana Fitoerana tao Amin’ny Trano Rantsan-kazo tao amin’ny tanin’ny Isiraely, sambany tao anatin’ny 70 taona! Taorian’ilay andro firavoravoana, dia nanomboka nanorina indray ny tempolin’i Jehovah izy ireo. Nanao ahoana ny fihetseham-pon’izy ireo momba izany? Hoy ny firaketana an-tsoratra: “Nihoby mafy ny olona rehetra, raha nidera an’i Jehovah, satria vita ny fanorenan’ny tranon’i Jehovah.” — Ezra 3:11.

      4. Ahoana no nandrisihan’i Jehovah ny Isiraelita hanao ny asa fanorenana ny tempoly, ary fampanantenana inona no nomeny momba ny fiadanana?

      4 Taorian’io fiandohana nahafaly io anefa, dia ketraka ny Isiraelita noho ireo mpanohitra ka nampitsahatra ilay asa fanorenana ny tempoly. Taona maromaro tatỳ aoriana, dia nanangana an’i Hagay sy i Zakaria, mpaminany i Jehovah, mba handrisika ny Isiraelita hamita ilay asa fanorenana indray. Tsy maintsy ho nampientana azy ireo toy inona moa ny nandre an’i Hagay nilaza toy izao momba ilay tempoly izay haorina: “Ny voninahitr’ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha, hoy Jehovah, Tompon’ny maro; ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako, fiadanana”! — Hagay 2:9.

      Manatanteraka ny fampanantenany i Jehovah

      5. Inona no tsara homarihina momba ny toko fahavalo amin’ny Zakaria?

      5 Ao amin’ny Zakaria, boky ao amin’ny Baiboly, isika dia mamaky ny amin’ireo fahitana sy faminaniana ara-tsindrimandry maro izay nanatanjaka ny vahoakan’Andriamanitra tany amin’ny taonjato fahenina al.f.i. Mbola manohy manome antoka antsika ny amin’ny fanohanan’i Jehovah ireo faminaniana ireo. Omeny antsika ny antony rehetra hinoana fa hanome fiadanana ny vahoakany i Jehovah, amin’izao androntsika izao koa. Ohatra, ao amin’ny toko fahavalo ao amin’ilay boky mitondra ny anarany, i Zakaria mpaminany, dia nanonona izao teny izao impolo: ‘Izao no lazain’i Jehovah’. Isaky ny miseho ilay fitenenana dia mampiditra fanambarana iray avy amin’Andriamanitra mifandray amin’ny fiadanan’ny vahoakany. Tanteraka tany amin’ny andron’i Zakaria ny sasany tamin’ireo fampanantenana ireo. Efa tanteraka avokoa izy rehetra, na eo an-dalam-pahatanterahana amin’izao andro izao.

      “Saro-piaro dia saro-piaro an’i Ziona Aho”

      6, 7. Tamin’ny lafiny inona avy i Jehovah no ‘saro-piaro tamin’i Ziona tamin’ny fahatezerana mafy’?

      6 Miseho voalohany ilay fitenenana ao amin’ny Zakaria 8:2 izay amakiantsika toy izao: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an’i Ziona Aho, eny, saro-piaro azy amin’ny fahatezerana mafy Aho.” Ny fampanantenan’i Jehovah fa ho saro-piaro, hanana zotom-po lehibe, ho an’ny vahoakany izy dia nidika fa ho mailo tsara izy eo amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fiadanana amin’izy ireo. Porofon’izany zotom-po izany ny famerenana ny Isiraelita tany amin’ny taniny sy ny fanorenana indray ny tempoly.

      7 Ahoana kosa ny amin’ireo nanohitra ny vahoakan’i Jehovah? Ny zotom-pony ho an’ny vahoakany dia hitovy amin’ny ‘fahatezerany mafy’ tamin’ireny fahavalo ireny. Rehefa nanolotra fanompoam-pivavahana tao amin’ilay tempoly voaorina indray ireo Jiosy nahatoky, dia nanana fahafahana izy ireo hisaintsaina ny fiafarana ratsy nanjo an’ilay Babylona nahery izay nianjera izao. Afaka nieritreritra koa izy ireo ny amin’ny tsy fahombiazana tanteraka hitan’ireo fahavalo izay nanandrana nisakana ny fanorenana indray ny tempoly. (Ezra 4:1-6; 6:3). Ary afaka nisaotra an’i Jehovah izy ireo noho izy nanatanteraka ny fampanantenany. Nitondra fandresena ho azy ireo ny zotom-pony!

      “Tanànan’ny fahamarinana”

      8. Tamin’ny andron’i Zakaria, ahoana no nahatonga an’i Jerosalema ho tanànan’ny fahamarinana, raha ampifanoherina amin’ireo fotoana tany aloha kokoa?

      8 Nanoratra toy izao fanindroany i Zakaria: “Izao no lazain’i Jehovah”. Inona avy ireo tenin’i Jehovah tamin’io fotoana io? “Efa tafaverina ho eto Ziona Aho ka honina eto afovoan’i Jerosalema; ary Jerosalema dia hatao hoe Tanànan’ny fahamarinana, ary ny tendrombohitr’i Jehovah, Tompon’ny maro, dia hatao hoe Tendrombohitra masina.” (Zakaria 8:3). Talohan’ny 607 al.f.i., dia azo antoka fa tsy tanànan’ny fahamarinana i Jerosalema. Ireo mpisorony sy mpaminaniny dia nandray kolikoly, ary ny vahoakany dia tsy nahatoky. (Jeremia 6:13; 7:29-34; 13:23-27). Izao dia nanorina indray ny tempoly ny vahoakan’Andriamanitra, nampiseho ny fanekeny hanolotra fanompoam-pivavahana madio. Tamin’ny fanahy, dia nitoetra indray tao Jerosalema i Jehovah. Nolazaina indray tao aminy ny fahamarinana momba ny fanompoam-pivavahana madio, hany ka azo nantsoina hoe “Tanànan’ny fahamarinana” i Jerosalema. Azo nantsoina hoe “tendrombohitr’i Jehovah” ny toerana nanerinerina nisy azy.

      9. Fiovana niavaka inona teo amin’ny toe-piainana no hitan’ny “Isiraelin’Andriamanitra” tamin’ny 1919?

      9 Raha nisy heviny ho an’ny Isiraely fahiny ireo fanambarana roa ireo, dia misy heviny lehibe koa ho antsika izy ireo, rehefa madiva hifarana ny taonjato faha-20. Efa ho 80 taona lasa izay, nandritra ny ady lehibe voalohany, ireo voahosotra an’arivony vitsivitsy izay nisolo tena ny “Isiraelin’Andriamanitra” tamin’izay, dia niditra tao amin’ny fahababoana ara-panahy, dia toy ny nidiran’ny Isiraely fahiny ho babo tany Babylona. (Galatiana 6:16). Araka ny faminaniana, izy ireo dia nolazalazaina ho toy ny faty niampatra teny an-dalambe. Kanefa izy ireo dia nanana faniriana tamim-pahatsorana hanolotra fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah ‘tamin’ny fanahy sy ny fahamarinana’. (Jaona 4:24). Noho izany, tamin’ny 1919, i Jehovah dia nanafaka azy ireo tamin’ny fahababoana, nanangana azy ireo hiala tamin’ny toe-piainana maty ara-panahy nisy azy. (Apokalypsy 11:7-13). I Jehovah àry dia namaly tamin’ny Eny nanakoako an’ilay fanontaniana ara-paminanian’i Isaia nanao hoe: “Hisy tany hateraka indray andro va, na firenena azo atao indray miteraka?” (Isaia 66:8). Tamin’ny 1919, dia nisy indray ny vahoakan’i Jehovah, tamin’ny naha-firenena ara-panahy iray tao amin’ny ‘taniny’ manokana, na toe-piainana ara-panahy iray eto an-tany.

      10. Nanomboka tamin’ny 1919, fitahiana inona avy no nananan’ireo Kristiana voahosotra tao amin’ny ‘taniny’?

      10 Voaro tamin’ny loza tao amin’io tany io ireo Kristiana voahosotra ary nanompo tao amin’ny tempoly ara-panahy lehiben’i Jehovah. Nantsoina tamin’ny anarana hoe “mpanompo mahatoky sy malina” izy ireo, nanaiky ny andraikitra hikarakara ny fananan’i Jesosy teto an-tany, dia tombontsoa iray izay mbola ananany ihany na dia manakaiky ny fifaranany aza ny taonjato faha-20. (Matio 24:45-47, NW ). Nianarany tsara fa i Jehovah no ilay “Andriamanitry ny fiadanana”. — 1 Tesaloniana 5:23.

      11. Ahoana no nampisehoan’ireo filoham-pivavahana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana fa fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra ny tenan’izy ireo?

      11 Ahoana kosa ny amin’ny fahavalon’ny Isiraelin’Andriamanitra? Mitovy amin’ny fahatezerany mafy tamin’ireo mpanohitra ny zotom-pon’i Jehovah ho an’ny vahoakany. Nandritra ny ady lehibe voalohany, ireo filoham-pivavahana tao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia nampihatra fanerena goavana rehefa nanandrana — ary tsy nahomby — nanamontsana an’io antoko kely nisy Kristiana nilaza ny fahamarinana io. Nandritra ny ady lehibe faharoa, ireo mpitondra teo amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia niray saina tamin-javatra iray monja dia izao: Teo amin’ny andaniny roa tamin’ilay ady, dia nampirisihin’izy ireo ny fitondram-panjakana mba hamongotra ny Vavolombelon’i Jehovah. Na dia amin’izao andro izao aza, any amin’ny tany maro, ireo filoham-pivavahana dia manome saina an’ireo fitondram-panjakana mba hamepetra na handrara ny asa fitoriana kristiana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah.

      12, 13. Ahoana no nisehoan’ny fahatezeran’i Jehovah tamin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana?

      12 Tsy hoe tsy nomarihin’i Jehovah akory izany zavatra izany. Taorian’ny ady lehibe voalohany, ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, niaraka tamin’ny tapany sisa amin’ny Babylona Lehibe, dia nianjera. (Apokalypsy 14:8, NW ). Nanjary fantatry ny besinimaro ny zava-misy ny amin’ny fianjeran’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana rehefa nararaka, nanomboka tamin’ny 1922, ny fitohitohizan’ireo loza ara-panoharana, ka nampiharihary ampahibemaso ny toe-piainany maty ara-panahy sy nampitandrina ny amin’ny fandravana azy ho avy. (Apokalypsy 8:7–9:21). Ho porofo fa mitohy ny fandrarahana ireo loza ireo, dia natao maneran-tany, tamin’ny 23 Aprily 1995, ilay lahateny hoe “Akaiky ny Faran’ny Fivavahan-diso”, narahin’ny fanelezana an-jato tapitrisany maro tamin’ny nomerao manokana amin’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana.

      13 Amin’izao andro izao, dia ao anatin’ny toe-javatra mampahonena ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Nandritra ny taonjato faha-20 manontolo, ireo mpikambana tao aminy dia nifamono tao amin’ireo ady nahatsiravina nahazo ny tso-dranon’ireo pretra sy mpitondra tao aminy. Any amin’ny tany sasany, dia zara raha manana hery mitaona izy. Voatokana ho amin’ny fandringanana izy miaraka amin’ny tapany sisa amin’i Babylona Lehibe. — Apokalypsy 18:21.

      Fiadanana ho an’ny vahoakan’i Jehovah

      14. Sary ara-paminaniana manaitra ny saina inona no lazalazaina momba ny vahoaka iray mandry feizay?

      14 Etsy an-danin’izany, amin’itỳ taona 1996 itỳ, ny vahoakan’i Jehovah dia mankafy fiadanana tondraka ao amin’ny taniny tafaverina amin’ny laoniny, araka ny voalazalaza ao amin’ny fanambarana fahatelo avy amin’i Jehovah manao hoe: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Mbola hisy lahy antitra sy vavy antitra hipetraka eny an-dàlamben’i Jerosalema, samy hitehina amin’ny tehina eny an-tànany isan-olona noho ny fahanterany; ary eny an-dàlambe any an-tanàna dia ho feno ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika milalao eny an-dàlambe.” — Zakaria 8:4, 5.

      15. Na dia teo aza ny ady teo amin’ireo firenena, fiadanana inona no nananan’ireo mpanompon’i Jehovah?

      15 Io sary manaitra ny saina sady mahafinaritra io dia mampiseho zavatra miavaka eto amin’itỳ tontolo rotidrotiky ny ady itỳ — vahoaka iray mandry feizay. Tanteraka nanomboka tamin’ny 1919 ireo teny ara-paminanian’i Isaia manao hoe: “Fiadanana, fiadanana ho an’izay lavitra sy ho an’izay akaiky! hoy Jehovah, ka dia hahasitrana azy Aho. Fa (...) tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro.” (Isaia 57:19-21). Mazava ho azy fa na dia tsy anisan’izao tontolo izao aza ny vahoakan’i Jehovah, dia tsy afaka manalavitra ny ho voakasiky ny korontana miseho eo amin’ireo firenena ny tenan’izy ireo. (Jaona 17:15, 16). Any amin’ny tany sasany, izy ireo dia miaritra fahasahiranana mafy, ary nisy vitsivitsy taminy novonoina mihitsy aza. Kanefa manana fiadanana eo amin’ny lafiny roa ny tena Kristiana. Voalohany, izy ireo dia manana “fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompo[ny]”. (Romana 5:1). Faharoa, izy ireo dia mihavana eo amin’izy samy izy. Mamboly “ny fahendrena izay avy any ambony”, izy ireo, dia fahendrena izay “madio aloha, ary tia fihavanana”. (Jakoba 3:17; Galatiana 5:22-24). Ambonin’izany, izy ireo dia manandrandra ny hankafy fiadanana amin’ny heviny feno indrindra, rehefa ‘handova ny tany ny mpandefitra ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana’. — Salamo 37:11.

      16, 17. a) Ahoana no nanatanjahan’ireo “lahy antitra sy vavy antitra” ary koa ireo “ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika” ny fandaminan’i Jehovah? b) Inona no mampiharihary ny fiadanana eo amin’ny vahoakan’i Jehovah?

      16 Mbola misy “lahy antitra sy vavy antitra” eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah, dia ireo voahosotra izay mahatadidy ny fandresena tany am-boalohany azon’ny fandaminan’i Jehovah. Ankasitrahana be dia be ny fahatokiana sy ny fiaretan’izy ireo. Nandray ny fitarihana ireo voahosotra tanora kokoa, nandritra ireo andro namaivain’ireo taona 1930 sy ny Ady Lehibe Faharoa, ary koa ireo taona nahitana fitomboana nampientam-po nanaraka izany. Ankoatra izany, nanomboka tamin’ny 1935 indrindra, dia niseho ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa”. (Apokalypsy 7:9; Jaona 10:16). Koa satria efa nihantitra sy nanjary vitsy kokoa ireo Kristiana voahosotra, dia nanohy ny asa fitoriana ny ondry hafa ary nanitatra azy io manerana ny tany. Tato anatin’ireo taona faramparany, dia nisy ondry hafa tonga maro be niditra tao amin’ny tanin’ny vahoakan’Andriamanitra. Tamin’ny taona lasa fotsiny, dia 338 491 tamin’izy ireo no natao batisa ho mariky ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah! Tsy azo lavina fa tena tanora tokoa, amin’ny heviny ara-panahy, ireny vaovao ireny. Ankamamina ny fahavononany hanao zavatra sy ny risi-pony, satria manatevin-daharana an’ireo izay manao hira fiderana feno fankasitrahana “ho an’Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy ho an’ny Zanak’ondry”, izy ireo. — Apokalypsy 7:10.

      17 Amin’izao andro izao, dia ‘feno ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika eny an-dalambe’, dia Vavolombelona izay manana ny tanjaky ny tanora. Tamin’ny taom-panompoana 1995, dia nisy tatitra voaray avy tany amin’ny tany sy nosin-dranomasina 232. Tsy misy anefa fifandrafiana iraisam-pirenena, tsy misy fifankahalana ara-poko, tsy misy fialonana, eo amin’ny voahosotra sy ny ondry hafa. Samy miara-mitombo ara-panahy ny rehetra, tafaray ao amin’ny fitiavana. Tsy manan-tsahala marina tokoa eo amin’ny sehatr’izao tontolo izao, ny firahalahian’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. — Kolosiana 3:14; 1 Petera 2:17.

      Sarotra loatra amin’i Jehovah ve?

      18, 19. Tamin’ireo taona nanomboka tamin’ny 1919, ahoana no nanatontosan’i Jehovah izay nety ho toa sarotra loatra araka ny fomba fihevitr’olombelona?

      18 Tany amin’ny 1918, fony tsy nisy afa-tsy fanahy an’arivony vitsivitsy kivy tao amin’ny fahababoana ara-panahy no nahaforona ny sisa voahosotra, dia tsy nisy olona afaka nahatsinjo mialoha izay ho fizotran’ny ny fisehoan-javatra. Kanefa i Jehovah dia nahalala — araka ny hamarinin’ny fanambarana ara-paminaniana fahefatra nataony, manao hoe: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Raha [sarotra loatra, NW ] izany eo imason’ny sisa amin’ity firenena ity amin’izany andro izany, moa [ho sarotra loatra, NW ] eo imasoko koa va? hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” — Zakaria 8:6.

      19 Tamin’ny 1919, ny fanahin’i Jehovah dia nanome aina indray ny vahoakany ho amin’ny asa niandry azy ireo. Kanefa dia nitaky finoana ny fifikirana tamin’ilay fandaminana kely nisy an’ireo mpivavaka tamin’i Jehovah. Vitsy aoka izany izy ireny, ary maro aoka izany ireo zavatra tsy nazava. Tsikelikely anefa, i Jehovah dia nanatanjaka azy ireo teo amin’ny lafiny fandaminan-javatra, ary nanomana tsara azy ireo mba hanao ny asa kristiana, dia ny fitoriana ny vaovao tsara sy ny fanaovana mpianatra. (Isaia 60:17, 19; Matio 24:14, NW; 28:19, 20). Niandalana dia nampiany izy ireo hahay hanavaka ireo raharaha lehibe niadian-kevitra, toy ny fialanalanana sy ny fiandrianana eo amin’izao rehetra izao. Sarotra loatra tamin’i Jehovah ve ny hanatontosa ny sitrapony tamin’ny alalan’io antokona Vavolombelona vitsy io? Azo antoka fa tsia ny valiny! Voamarina izany eo amin’ny pejy faha-12 ka hatramin’ny faha-15 amin’itỳ gazety itỳ, izay mampiseho ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny taom-panompoana 1995.

      “Izaho kosa ho Andriamaniny”

      20. Hatraiza no tokony hitaran’ny fanangonana ny vahoakan’Andriamanitra voambaran’ny faminaniana?

      20 Mampiseho amin’ny fomba miitatra kokoa ny toe-piainana sambatra misy ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao ny fanambarana fahadimy manao hoe: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Indro, hamonjy ny oloko avy any amin’ny tany atsinanana sy amin’ny tany andrefana Aho; ary hitondra azy Aho, ka honina any Jerosalema izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny amin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana.” — Zakaria 8:7, 8.

      21. Tamin’ny fomba ahoana no nitanana sy nanitarana ny fiadanana tondraka ananan’ny vahoakan’i Jehovah?

      21 Amin’ny 1996 dia afaka milaza tsy misy fisalasalana isika fa notorina manerana izao tontolo izao, hatrany “amin’ny tany atsinanana” ka hatrany “amin’ny tany andrefana”, ny vaovao tsara. Nisy mpianatra natao tamin’ny firenena rehetra, ary izy ireny dia nahita ny fahatanterahan’ilay fampanantenan’i Jehovah hoe: “Ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao.” (Isaia 54:13). Manana fiadanana isika satria ampianarin’i Jehovah. Noho izany zava-kendrena izany, dia misy zavatra vita an-tsoratra navoaka tamin’ny fiteny maherin’ny 300. Tamin’ny taona lasa fotsiny, dia nisy fiteny fanampiny 21 vao nanampy. Ny gazety Tilikambo Fiambenana izao dia avoaka amin’ny fotoana mitovy amin’ny fiteny 111, ary ny Mifohaza! amin’ny fiteny 54. Ireo fivoriambem-pirenena sy iraisam-pirenena dia manome fampiharihariana ampahibemaso ny fiadanana eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra. Ireo fivoriana fanao isan-kerinandro dia mampiray antsika sy manome antsika ny fampaherezana ilaintsika mba hiorenana hatrany. (Hebreo 10:23-25). Eny, mampianatra ny vahoakany “amin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana” i Jehovah. Manome fiadanana ny vahoakany izy. Mandray fitahiana toy inona moa isika amin’ny fananana anjara amin’io fiadanana tondraka io!

  • “Tiava ny Fahamarinana sy ny Fiadanana”!
    Ny Tilikambo Fiambenana—1996 | 1 Janoary
    • “Tiava ny Fahamarinana sy ny Fiadanana”!

      “Ny tenin’i Jehovah, Tompon’ny maro, dia tonga tamiko nanao hoe: (...) tiava ny fahamarinana sy ny fiadanana.” — ZAKARIA 8:18, 19.

      1, 2. a) Inona no firaketana an-tsoratra nataon’ny olona raha ny amin’ny fiadanana? b) Nahoana itỳ tontolo ankehitriny itỳ no tsy hahita tena fiadanana mihitsy?

      “MBOLA tsy nanana fiadanana mihitsy izao tontolo izao. Any ho any — ary matetika any amin’ny toerana maro indray miaraka — dia nisy foana ny ady.” Toy izany no nolazain’ny Profesora Milton Mayer avy amin’ny Oniversiten’i Massachusetts, any Etazonia. Fanazavana mampalahelo momba ny taranak’olombelona re izany! Marina fa naniry fiadanana ny olona. Efa nanandrana izao karazana fomba rehetra izao mba hitandrovana azy io ireo mpanao politika, nanomboka tamin’ny Pax Romana tamin’ny andron’ny Romana ka hatramin’ilay fitsipika narahina hoe “Fifandringanana Azo Antoka” nandritra ny Ady Mangatsiaka. Tamin’ny farany anefa, dia nandamòka avokoa ny ezaka nataon’izy ireo. Araka ny nilazan’i Isaia azy taonjato maro lasa izay, dia ‘nitomany mafy ny iraka nitady fihavanana’. (Isaia 33:7). Nahoana no izany no izy?

      2 Izany dia satria tsy maintsy miandoha avy amin’ny tsy fisian’ny fankahalana sy ny fierenana ny fiadanana maharitra; tsy maintsy miorina amin’ny fahamarinana izy io. Tsy afaka ny hiorina amin’ny lainga ny fiadanana. Izany no antony nilazan’i Jehovah toy izao fony izy nampanantena ny Isiraely fahiny fa hamerina azy ireo tany amin’ny taniny sy hanome azy ireo fiadanana: “Indro, hitarihako fiadanana tahaka ny ony izy ary ny voninahitry ny firenena tahaka ny renirano tondraka”. (Isaia 66:12). Ny andriamanitr’itỳ fandehan-javatra itỳ, i Satana Devoly, dia “mpamono olona”, ‘mpandainga sady rain’ny lainga’. (Jaona 8:44; 2 Korintiana 4:4, NW ). Ahoana moa no ahafahan’ny tontolo iray manana andriamanitra toy izany mahita fiadanana?

      3. Fanomezana miavaka inona no nomen’i Jehovah ny vahoakany na dia miaina eo amin’ny tontolo iray mikorontana aza izy ireo?

      3 Tsara homarihina anefa fa i Jehovah dia manome fiadanana ny vahoakany, na dia miaina ao amin’ny tontolon’i Satana rotidrotiky ny ady aza izy ireo. (Jaona 17:16). Tamin’ny taonjato fahenina al.f.i., dia notanterahiny tamin’ny alalan’i Jeremia ny fampanantenany ary nomeny ‘fiadanana sy filaminana’ ilay firenena azy manokana, rehefa naveriny tany amin’ny tany niaviany, izy io. (Jeremia 33:6). Ary amin’izao andro farany izao, dia nomeny ‘fiadanana sy fahamarinana’ ny vahoakany ao amin’ny ‘tanin’izy ireo’, na toe-piainana ara-panahy misy azy ireo eto an-tany, na dia miaina mamakivaky ilay fotoam-pikorontanana ratsy indrindra hitan’itỳ tontolo itỳ hatramin’izao aza, izy ireo. (Isaia 66:8; Matio 24:7-13; Apokalypsy 6:1-8). Arakaraka ny hanohizantsika ny fandinihana ny toko faha-8 amin’ny Zakaria, dia hahazo fahatakarana lalina kokoa an’io fiadanana sy fahamarinana avy amin’Andriamanitra io isika, ary hahita izay tokony hataontsika mba hiarovana tsy ho very ny anjarantsika amin’izy io.

      “Aoka hatanjaka ny tànanareo”

      4. Ahoana no nampirisihan’i Zakaria ny Isiraely hanao zavatra raha tian’izy ireo ny hahita fiadanana?

      4 Fanineniny ao amin’ny Zakaria toko faha-8 no andrenesantsika ny fanambarana mampientam-po iray avy amin’i Jehovah, manao hoe: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Aoka hatanjaka ny tànanareo izay mandre izany teny izany amin’izao andro izao avy amin’ny vavan’ny mpaminany, izay teo amin’ny andro nanaovana ny fanorenan’ny tranon’i Jehovah, Tompon’ny maro, dia ny nanaovana ny tempoly. Fa talohan’izany andro izany dia tsy nisy valim-pahasasarana ho an’ny olona, na valim-pahasasarana ho an’ny biby fiompy; ary tsy nisy fiadanana ho an’izay nivoaka sy izay niditra noho ny fahavalo, fa nalefako samy hifamely amin’ny namany avy ny olona rehetra.” — Zakaria 8:9, 10.

      5, 6. a) Noho ny fahakiviana nahazo ny Isiraelita, nanao ahoana ny tarehin-javatra teo amin’ny Isiraely? b) Fiovana inona no nampanantenain’i Jehovah ny Isiraely raha mametraka ny fanompoam-pivavahana aminy eo amin’ny toerana voalohany izy ireo?

      5 Nilaza ireo teny ireo i Zakaria fony teo am-panorenana azy indray ny tempoly tao Jerosalema. Talohan’izay, dia nanjary kivy ireo Isiraelita izay tafaverina avy tany Babylona, ary nampitsahatra ilay asa fanorenana ny tempoly. Noho izy ireo nampitodika ny sainy tamin’izay zavatra nampiadana ny tenany manokana, dia tsy nahazo na ny fitahiana, na ny fiadanana avy tamin’i Jehovah izy ireo. Na dia namboly ny taniny sy nikarakara ny tanimboalobony aza izy ireo, dia tsy nambinina. (Hagay 1:3-6). Toy ny hoe niasa “tsy nisy valim-pahasasarana” izy ireo.

      6 Ankehitriny, rehefa teo am-panorenana azy indray ny tempoly, dia nampirisihin’i Zakaria ireo Jiosy mba “hatanjaka” ary hametraka tamin-kerim-po ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah teo amin’ny toerana voalohany. Inona no hitranga raha manao toy izany izy ireo? “Fa amin’izay kosa dia tsy ho toy ny tamin’ny fahiny intsony amin’ny sisa amin’ity firenena ity Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro. Fa hisy [voan’ny, NW ] fiadanana, ny voaloboka hamoa, ary ny tany hahavokatra, ary ny lanitra hampilatsaka ny andony, ary ny sisa amin’ity firenena ity no hampandovaiko izany rehetra izany. Ary toy ny nahatongavanareo ho fanozonana tany amin’ny firenena, ry taranak’i Joda sy ry taranak’Isiraely, dia ho toy izany no hamonjeko anareo, ka dia ho tonga [fitahiana, NW ] kosa hianareo; aza matahotra, fa aoka hatanjaka ny tànanareo.” (Zakaria 8:11-13). Raha manao zavatra amim-pahatapahan-kevitra ny Isiraely, dia hambinina izy. Taloha kokoa, rehefa naniry hanonona oha-panozonana iray ireo firenena, dia afaka nanondro ny Isiraely. Izao dia oha-pitahiana ny Isiraely. Antony faran’izay tsara ‘hanatanjahana ny tanan’izy ireo’ re izany!

      7. a) Fiovana mampientam-po inona avy no hitan’ny vahoakan’i Jehovah, ka nahatratra ny fara tampony tamin’ny taom-panompoana 1995? b) Rehefa jerena ny tatitra fanao isan-taona, tany iza avy no hitanao fa manana isan’ny mpitory, mpisava lalana sy antsalan’ora miavaka?

      7 Ahoana ny amin’izao andro izao? Tamin’ireo taona talohan’ny 1919, dia toa tsy ampy zotom-po ny vahoakan’i Jehovah. Tsy nitana toeram-pialanalanana feno izy ireo tamin’ny ady lehibe voalohany, ary nirona hanaraka olona fa tsy ilay Mpanjakan’izy ireo, dia i Jesosy Kristy. Vokatr’izany dia kivy ny sasany noho ny fanoherana avy tao anatiny sy avy tany ivelan’ny fandaminana. Avy eo, tamin’ny 1919, noho ny fanampian’i Jehovah dia nohatanjahan’izy ireo ny tanany. (Zakaria 4:6). Nomen’i Jehovah fiadanana izy ireo ary niroborobo tamin-kery. Hita izany ao amin’ny firaketana an-tsoratra nataon’izy ireo ny amin’ireo 75 taona farany, izay nahatratra ny fara tampony tamin’ny taom-panompoana 1995. Amin’ny maha-vahoaka azy, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manalavitra ny fanindrahindram-pirenena, ny fanindrahindram-poko, ny fitsarana an-tendrony sy ireo loharanom-pankahalana hafa rehetra. (1 Jaona 3:14-18). Manompo an’i Jehovah amin-jotom-po marina ao amin’ny tempoliny ara-panahy, izy ireo. (Hebreo 13:15; Apokalypsy 7:15). Tamin’ny taona lasa fotsiny izy ireo dia nandany maherin’ny arivo tapitrisa ora, niresahany tamin’ny hafa momba ilay Rain’izy ireo any an-danitra! Isam-bolana dia nitarika fampianarana Baiboly 4 865 060 izy ireo. Tamin’ny antsalany dia 663 521 no nandray anjara tamin’ny fanompoan’ny mpisava lalana, isam-bolana. Rehefa maniry hanome ohatra ny amin’ny olona izay mafana fo marina tokoa amin’ny fivavahany ireo mpitondra ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, dia ny Vavolombelon’i Jehovah no tondroiny indraindray.

      8. Ahoana no azon’ny Kristiana isam-batan’olona andraisan-tsoa amin’“ny voan’ny fiadanana”?

      8 Noho ny zotom-pon’ny vahoakany, dia omen’i Jehovah azy ireo “ny voan’ny fiadanana”. Ny tsirairay izay mamboly io voa io dia hahita fiadanana hitombo ao am-pony sy eo amin’ny fiainany. Ny Kristiana mino rehetra izay mitady fihavanana amin’i Jehovah sy amin’ireo Kristiana tahaka azy dia manana anjara amin’ilay fahamarinana sy fiadanan’ny vahoaka mitondra ny anaran’i Jehovah. (1 Petera 3:11; ampitahao amin’ny Jakoba 3:18.) Tsy mahatalanjona ve izany?

      “Aza matahotra hianareo”

      9. Fiovana inona teo amin’ny fifampiraharahany tamin’ny vahoakany no nampanantenain’i Jehovah?

      9 Izao isika dia mamaky ny fanambarana fahafito avy amin’i Jehovah. Inona izy io? “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Toy ny nisainako hahatonga loza aminareo tamin’ny nampahatezeran’ny razanareo Ahy, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, ka tsy nanenina Aho, dia ho toy izany kosa no hisainako hanisy soa an’i Jerosalema sy ny taranak’i Joda amin’izao andro izao: aza matahotra hianareo.” — Zakaria 8:14, 15.

      10. Firaketana an-tsoratra inona nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah no mampiseho fa tsy natahotra izy ireo?

      10 Na dia nihahaka tamin’ny heviny ara-panahy aza ny vahoakan’i Jehovah nandritra ny ady lehibe voalohany, dia naniry hanao izay marina izy ireo, tao am-pony. Noho izany, i Jehovah, taorian’ny nampiharany famaizana sasany, dia nanova ny fomba nifampiraharahany tamin’izy ireo. (Malakia 3:2-4). Amin’izao andro izao isika dia manao jery todika ka misaotra azy amin-kafanam-po noho izay nataony. Marina fa “halan’ny firenena rehetra” isika. (Matio 24:9). Maro no natao an-tranomaizina, ary ny sasany dia maty mihitsy aza noho ny finoany. Matetika isika no miatrika tsy firaharahana na fankahalana. Kanefa tsy matahotra isika. Fantatsika fa i Jehovah dia mahery kokoa noho izay mety ho fanoherana hita maso na tsy hita maso. (Isaia 40:15; Efesiana 6:10-13). Tsy hitsahatra hanaraka izao teny izao isika: “Miandrasa an’i Jehovah hianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao”. — Salamo 27:14.

      “Samia miteny marina amin’ny namany avy”

      11, 12. Inona no tokony hataon’ny tsirairay amintsika ao an-tsaina, raha irintsika ny hanana anjara feno amin’ireo fitahiana omen’i Jehovah ny vahoakany?

      11 Mba hananana anjara feno amin’ireo fitahiana avy amin’i Jehovah, dia misy zavatra tokony hotadidintsika. Toy izao no tenin’i Zakaria: “Izao no zavatra hataonareo: Samia miteny marina amin’ny namany avy hianareo; mitsarà marina, eny, mitsarà hahatonga fiadanana ao am-bavahadinareo; ary aza misy mieritreritra ao am-ponareo hanisy ratsy ny namanareo hianareo, ary aza tia fianianan-tsy to; fa izany rehetra izany dia halako, hoy Jehovah.” — Zakaria 8:16, 17.

      12 Mampirisika mafy antsika hilaza ny marina i Jehovah. (Efesiana 4:15, 25). Tsy mihaino ny vavaka ataon’ireo mieritreritra hanatanteraka zavatra mitera-doza izy, na ny an’ireo manafina ny fahamarinana ho tombontsoan’ny tenany manokana, na ny an’ireo mianian-tsy to. (Ohabolana 28:9). Koa satria izy mankahala ny fivadiham-pinoana, dia iriny ny hifikirantsika amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. (Salamo 25:5; 2 Jaona 9-11). Ankoatra izany, tahaka ireo loholona teo amin’ny vavahadin’ny tanàna tany amin’ny Isiraely, ireo loholona mikarakara ireo raharaha ara-pitsarana dia tokony hampiorina ny toroheviny sy ny fanapahan-keviny amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly fa tsy amin’ny heviny manokana. (Jaona 17:17). Irin’i Jehovah izy ireo hitady ‘fitsarana hahatonga fiadanana’, hiezaka, amin’ny maha-mpiandry kristiana, hamerina indray amin’ny laoniny ny fihavanana eo amin’ireo andaniny roa tsy mifanaraka, ary hanampy ireo mpanota mibebaka hihavana indray amin’Andriamanitra. (Jakoba 5:14, 15; Joda 23). Amin’izay fotoana izay ihany, dia hotandrovan’izy ireo ny fiadanan’ny kongregasiona, amin’ny fananana herim-po handroaka ireo manakorontana io fiadanana io amin’ny finiavany hikiry amin’ny fanaovan-dratsy. — 1 Korintiana 6:9, 10.

      “Fifaliana sy firavoravoana”

      13. a) Fiovana inona momba ny fifadian-kanina no nambaran’i Zakaria tao amin’ny faminaniana? b) Fifadian-kanina inona no notandremana teo amin’ny Isiraely?

      13 Izao isika dia mandre ny fanambarana lehibe fahavalo manao hoe: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Ny fifadian-kanina amin’ny volana fahefatra sy ny fifadian-kanina amin’ny fahadimy sy ny fifadian-kanina amin’ny fahafito ary ny fifadian-kanina amin’ny fahafolo dia samy ho tonga fifaliana sy firavoravoana ary fotoana mahafinaritra avokoa ho an’ny taranak’i Joda; koa tiava ny fahamarinana sy ny fiadanana.” (Zakaria 8:19). Teo ambany Lalàn’i Mosesy ny Isiraelita dia nifady hanina tamin’ny Andro Fanavotana mba hanehoana ny alahelony noho ny fahotany. (Levitikosy 16:29-31). Ireo fifadian-kanina efatra notononin’i Zakaria dia toa notandremana ho fahatsiarovana tamin’alahelo ireo fisehoan-javatra nifandray tamin’ny faharesen’i Jerosalema sy ny fandravana azy. (2 Mpanjaka 25:1-4, 8, 9, 22-26). Izao anefa dia teo am-panorenana azy indray ny tempoly ary nisy mponina indray i Jerosalema. Nosoloana firavoravoana ny alahelo ary afaka ny ho tonga fotoana nahafinaritra ireo fifadian-kanina.

      14, 15. a) Tamin’ny ahoana ny fankalazana ny Fahatsiarovana no loharanom-pifaliana lehibe, ary tokony hampahatsiaro antsika ny amin’inona izy io? b) Araka ny hita ao amin’ny tatitra fanao isan-taona, tany iza avy no nanana isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana niavaka?

      14 Amin’izao andro izao isika dia tsy mitandrina ireo fifadian-kanina voalazan’i Zakaria na ny fifadian-kanina voalazalaza ao amin’ny Lalàna. Koa satria i Jesosy nanolotra ny ainy noho ny fahotantsika, dia mifaly isika noho ireo fitahiana entin’ny Andro Fanavotana. Voasarona ny fahotantsika, tsy amin’ny ampahany fotsiny fa tanteraka mihitsy. (Hebreo 9:6-14). Ho fanarahana ny didin’ilay Mpisoronabe any an-danitra, i Jesosy Kristy, dia tandremantsika ny Fahatsiarovana ny nahafatesany ho toy ny hany fankalazana lehibe ao amin’ny kalandrien’ny Kristiana. (Lioka 22:19, 20). Moa ve isika tsy mahita “fifaliana sy firavoravoana” rehefa miara-mivory isan-taona noho io fankalazana io?

      15 Tamin’ny taona lasa, dia nisy 13 147 201 tonga niara-nankalaza ny Fahatsiarovana, nihoatra 858 284 noho ny tamin’ny 1994. Vahoaka maro be re izany! Alao sary an-tsaina ny firavoravoana tany amin’ireo kongregasiona 78 620 an’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa nirohotra nankany amin’ny Efitrano Fanjakanany ireo olona maro be tsy toy ny nahazatra, noho ilay fankalazana. Azo antoka fa ireo rehetra tonga tao dia voatosika ho ‘tia ny fahamarinana sy ny fiadanana’, rehefa tsaroan’izy ireo ny nahafatesan’Ilay “làlana sy fahamarinana ary fiainana” sady manjaka ankehitriny amin’ny maha-“Andrian’ny fiadanana”! (Jaona 14:6; Isaia 9:5). Nanana heviny manokana io fankalazana io ho an’ireo nitandrina izany tany amin’ireo tany nijaly mafy noho ny fikorontanana izaitsizy sy ny ady. Vavolombelona nanatri-maso horohoro tsy hay lazaina ny sasany tamin’ireo rahalahintsika, nandritra ny 1995. Kanefa, ‘ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra dia niaro ny fony sy ny heviny tao amin’i Kristy Jesosy’. — Filipiana 4:7.

      ‘Aoka isika hampitony ny tavan’i Jehovah’

      16, 17. Ahoana no azon’ny olona avy amin’ireo firenena ‘ampitonena ny tavan’i Jehovah’?

      16 Avy taiza kosa ireo olona an-tapitrisany maro rehetra ireo izay nanatrika ny Fahatsiarovana? Manazava toy izao ilay fanambarana fahasivy nataon’i Jehovah: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Mbola hisy firenena sy mponina avy amin’ny tanàna maro ho avy; ary ny mponina ao amin’ny anankiray hankany amin’ny anankiray kosa ka hanao hoe: Aoka handeha tokoa isika [hampitony ny tavan’i Jehovah, NW ] sy hitady an’i Jehovah, Tompon’ny maro; izaho koa mba handeha. Eny, ho avy ny olona maro sy ny firenena mahery mba hitady an’i Jehovah, Tompon’ny maro, any Jerosalema sy [hampitony ny tavan’i Jehovah, NW ].” — Zakaria 8:20-22.

      17 Ireo olona nanatrika ny Fahatsiarovana dia naniry “hitady an’i Jehovah, Tompon’ny maro”. Maro tamin’izy ireo no mpanompony vita fanoloran-tena sy batisa. An-tapitrisany maro hafa tamin’ny mpanatrika no mbola tsy tonga amin’io dingana io. Any amin’ny tany sasany, dia avo efatra na dimy heny noho ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana. Mila fanampiana ireny olona liana maro be ireny mba hanohizany hanao fandrosoana. Aoka isika hampianatra azy ireny hifaly amin’ny fahalalana fa maty noho ny fahotantsika i Jesosy ary manapaka izy ankehitriny ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. (1 Korintiana 5:7, 8; Apokalypsy 11:15). Ary aoka isika hampirisika azy ireny hanolotra ny tenany ho an’i Jehovah Andriamanitra sy hanaiky ilay Mpanjaka voatendriny. Amin’izany fomba izany no ‘hampitoneny ny tavan’i Jehovah’. — Salamo 116:18, 19; Filipiana 2:12, 13.

      “Folo lahy avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra”

      18, 19. a) Ho fahatanterahan’ny Zakaria 8:23, iza amin’izao andro izao no “Jiosy anankiray”? b) Iza amin’izao andro izao no ilay “folo lahy” izay ‘mihazona ny sisin-damban’ny Jiosy anankiray’?

      18 Farany, ao amin’ny toko fahavalo amin’ny Zakaria dia izao no vakintsika: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro”. Inona no fanambarana farany nataon’i Jehovah? “Amin’izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.” (Zakaria 8:23). Tamin’ny andron’i Zakaria, dia ny Isiraely ara-nofo no firenena voafidin’Andriamanitra. Tamin’ny taonjato voalohany anefa, dia nanda ilay Mesian’i Jehovah ny Isiraely. Noho izany, ilay Andriamanitsika dia nifidy “Jiosy anankiray” — Isiraely vaovao iray — ho toy ny vahoakany manokana, dia ny “Isiraelin’Andriamanitra” voaforon’ireo Jiosy ara-panahy. (Galatiana 6:16; Jaona 1:11; Romana 2:28, 29). Ny isan’izy ireo tsy azo ovana dia tsy maintsy ho 144 000, voafidy avy tamin’ny taranak’olombelona mba hiara-manjaka amin’i Jesosy any amin’ny Fanjakany any an-danitra. — Apokalypsy 14:1, 4.

      19 Ny ankamaroan’ireo 144 000 ireo dia efa maty nahatoky ary nandray ny valisoany any an-danitra. (1 Korintiana 15:51, 52; Apokalypsy 6:9-11). Vitsy sisa tavela eto an-tany, ary mifaly izy ireny mahita fa ny “folo lahy” izay mifidy ny hiaraka amin’ilay “Jiosy” dia ny “olona betsaka (...) avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny” indrindra. — Apokalypsy 7:9; Isaia 2:2, 3; 60:4-10, 22.

      20, 21. Arakaraka ny hanatonan’ny faran’itỳ tontolo itỳ, ahoana no mety hitoerantsika ho mihavana amin’i Jehovah?

      20 Arakaraka ny hanatonan’ny faran’itỳ tontolo itỳ amin’ny fomba tsy azo sakanana, ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia sahala amin’i Jerosalema tamin’ny andron’i Jeremia: “Nanantena fiadanana izahay, kanjo tsy nahita soa, ary andro fanasitranana, fa indro fampitahorana.” (Jeremia 14:19). Hahatratra ny fara tampony izany fampitahorana izany rehefa hitodika hamely ny fivavahan-diso ireo firenena ka hitondra azy io ho amin’ny fiafarana mahery vaika. Fotoana fohy aorian’izay, ireo firenena koa dia hahita fandringanana ao amin’ilay ady farany hataon’Andriamanitra, dia Haramagedona. (Matio 24:29, 30; Apokalypsy 16:14, 16; 17:16-18; 19:11-21). Ho fotoam-pikorontanana lehibe toy inona moa izany!

      21 Mandritra izany rehetra izany, i Jehovah dia hiaro ireo izay tia ny fahamarinana ka mamboly “ny voan’ny fiadanana”. (Zakaria 8:12, NW; Zefania 2:3). Aoka àry isika hitoetra ho voaro amin’ny loza ao amin’ilay tany misy ny vahoakany, hidera azy ampahibemaso amin-jotom-po, ary hanampy olona maro araka izay azo atao “hampitony ny tavan’i Jehovah”. Raha manao izany isika dia hifaly mandrakariva amin’ny fiadanan’i Jehovah. Eny, “Jehovah hanome hery ny olony; Jehovah hitahy ny olony amin’ny fiadanana”. — Salamo 29:11.

      Azonao Hazavaina Ve?

      ◻ Tamin’ny ahoana ny vahoakan’Andriamanitra no ‘nanatanjaka ny tanany’ tamin’ny andron’i Zakaria? Amin’izao andro izao?

      ◻ Ahoana no fihetsitsika manoloana ny fanenjehana, ny fankahalana, sy ny tsy firaharahana?

      ◻ Inona no tafiditra amin’ny ‘fitenenantsika ny marina amin’ny namantsika avy’?

      ◻ Ahoana no azon’ny olona iray ‘ampitonena ny tavan’i Jehovah’?

      ◻ Loharanom-piravoravoana lehibe inona no hita ho fahatanterahan’ny Zakaria 8:23?

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara