FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yb06 p. 162-255
  • Zambia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Zambia
  • Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2006
  • Lohatenikely
  • Fiandohan’ilay asa
  • Vanim-potoana nampisalasala
  • Fitoriana nanamorona ny lalamby
  • Fomba natao hampitsaharana ny asa
  • Fepetra efatra
  • Voarara ny boky sy gazety
  • Nanakaiky ny fahalalahana
  • Fanompoan’ny misionera
  • Tonga ny misioneran’i Gileada
  • “Hoatran’ny mbola kely izy e!”
  • Fandroahana!
  • Fandroahana fanindroany
  • Niverina ny misionera
  • Mandroso fa tsy mihemotra
  • Teny vita pirinty
  • Fanomezana boky sy gazety
  • Miova tanana
  • Manampy ny teknolojia
  • Fanampiana ny mpitsoa-ponenana
  • Nokarakaraina ny zavatra nilaina
  • Fankatoavana ny didin’Andriamanitra momba ny ra
  • Komity nahita vokatra
  • “Ataovy haingana”
  • Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana
  • Fahombiazana
  • Fivoriambe
  • Fiezahana hanatrika
  • Niezaka foana na nisy aza ny fanoherana
  • Batisa
  • Natahotra tampoka teny ambony sehatra!
  • Fanorenana Efitrano Fanjakana
  • Soavaly mainty
  • Fandaharana nanan-tantara
  • “Hopitalinay ara-panahy”
  • Asa fitetezam-paritany
  • “Tonga dia safotra” izy
  • Mianatra ny hatoky an’i Jehovah sy ny rahalahy
  • Fandriana tsy tratran’ny bibilava
  • Sarimihetsika
  • Adilahy politika
  • Tsy momba ny atsy na ny aroa
  • Nohatanjahina mba hiatrika fitsapana
  • Famantarana ny firenena
  • Tsy nisy sekoly ho an’i Feliya
  • Voafetra ny fivoriana ho an’ny besinimaro
  • Manana tafika ana habakabaka ry zareo!
  • Fanazavana ny toerana tanantsika
  • Famindran-toerana sy fandrarana
  • “Mpizara boky”
  • Fanitarana ny Betela
  • Fitokanana sy fitomboana
  • Firesahana ny fahamarinana amin’ny rehetra
Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2006
yb06 p. 162-255

Zambia

Toy ny akanjo lehibe misy peta-kofehy i Afrika. Manomboka any amin’ireo fasika fotsin’ny Morontsirak’i Mediterane io kontinanta io, mandalo ny efitra mivolombolamenan’i Sahara, sy ireo ala maitso, ka hatrany amin’ny morontsiraka manopy fotsin’ny cap de Bonne-Espérance. Monina ao ny ampahafolon’ny mponina eran-tany. Mamakivaky azy io koa ny renirano maro, toa an’i Nil, Niger, Congo, ary Zambèze. Any an-kibon’ny taniny any kosa no ahitana ireo tahirim-bolamena sy varahina ary vatosoa.

Eo amin’ny fihaonan’ny ala tropikalin’ny Debok’i Congo sy ny lembalemba mikintoantoanan’i Afrika Afovoany no misy an’i Zambia. Nisy nilaza fa toy ny lolo lehibe mitongilana nipetraka teo amin’ny sarintany, io firenena io. Vokatry ny fanjanahan-tany io endriny hafahafa io. Maherin’ny 750 000 kilaometatra toradroa ny velarany, izany hoe mbola lehibe noho i Madagasikara.

Any avaratratsinanan’ilay faritra antsoina hoe Zambia ankehitriny no misy ny Rift Valley. Any andrefana sy atsimo kosa no misy an’i Zambèze, ilay renirano mahery. Tsy tafiditra teto ireo vahiny mpangorona volamena sy ivoara ary andevo tatỳ Afrika, raha tsy tamin’ny faran’ireo taona 1800. Tamin’ny 1855, ilay mpikaroka atao hoe David Livingstone, zanaky ny mpitoto koba ekosey iray, no nisarika ny sain’izao tontolo izao ho amin’ilay toerana eo akaikin’ilay “Setroka Mikotroka”, na ilay riandrano nahatalanjona azy. Nantsoiny hoe Riandranon’i Victoria izy io, ho fanomezam-boninahitra an’i Victoria, mpanjakavavin’i Angletera.

Tsy ela dia tonga ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana. May ny hitondra ny “Kristianisma sy ny varotra ary ny kolontsaina” izy ireo, mba handrosoan’ny faritra afovoan’ilay kontinanta. Tsy hita taratra tamin’ny fomba fiasany anefa hoe mpanompon’Andriamanitra izy ireo. Nisy olon-kafa tonga anefa tsy ela tatỳ aoriana. Noho ny fanampian’Andriamanitra, dia niharihary fa tena mpanompon’Andriamanitra izy ireo.—2 Kor. 6:3-10.

Fiandohan’ilay asa

Fikambanana misionera dimy no niorina teto amin’ity toerana antsoina ankehitriny hoe Zambia ity, tamin’ny 1890 tany ho any. Lasa nahazo vahana ny mpanjana-tany sy ny mpandraharaha ara-barotra tany am-piandohan’ireo taona 1900. Nihamaro ny Afrikanina very hevitra, ka niseho eran’i Afrika ny antokom-pivavahana hafahafa. Nahazo fanampiana koa anefa izy ireo, mba hifandraisany tamin’Andriamanitra. Voarain’ny olona tso-po tatỳ Zambia, ny boky Fianarana ny Soratra Masina, tamin’ny taona 1911. Vetivety dia niely nianavaratra nanketo Zambia ny fahamarinana ara-baiboly noraketin’ireny boky ireny, na dia tsy tamin’ny alalan’ireo tena te hanompo an’Andriamanitra aza matetika.

I Charles Russell no niandraikitra ny asa fitoriana momba ilay Fanjakana tamin’izany. Nirahiny ho any Nyassaland (Malawi ankehitriny) i William Johnston, avy any Glasgow, Ekosy, tamin’ny 1910, satria azo nitokisana sy matotra izy. Efa nisy teratany sy vahiny nirahina talohany, nefa nampalahelo fa nanova ny fahamarinana avy ao amin’ny Soratra Masina izy ireny mba hahazoany tombontsoa fotsiny. Nihamaro tokoa ny olona nilaza ho mpitory sy pasitera tonga teto Rodezia Avaratra (Zambia ankehitriny), nandritra ireo taona nanaraka. Nampifangaro fivavahana nampientanentana izy ireo, nampanantena fahafahana, ary nampiasa fanao maloto. Tsy nitoriana firy teto, fony mbola tany Nyassaland ny Rahalahy Johnston. Nanampy ny olona tany izy, ary nolazainy fa “tena naniry hahafantatra bebe kokoa ny Tenin’Andriamanitra” izy ireo. Nisy boky ara-baiboly tonga ihany teto Rodezia Avaratra, tamin’ny alalan’ny paositra, na nentin’ireo mpiasa nifindra monina. Tsy voara-maso anefa ny asa fitoriana nandritra ireny taona ireny.

Vanim-potoana nampisalasala

Vanim-potoana nampisalasala ny fiandohan’ireo taona 1920. Nanao izay ho afany ny “antokon’ny Tilikambo Fiambenana” teto an-toerana, mba hanalana baraka an’ireo tena mpanompon’Andriamanitra. Voalaza fa nifanakalo vady sy nanaraka fanao ratsy hafa izy ireo, ary nilaza ho anisan’ny Mpianatra ny Baiboly (na Vavolombelon’i Jehovah), na dia tsy nahalala firy momba ny fahamarinana aza. Nisy anefa antokon’olona niavaka sy tena niaina nifanaraka tamin’ny fahamarinana, satria nanaraka hatrany ny toro lalan’ny Baiboly, sady nazoto nitory.

Sarotra ny nanavaka an’ireo tena naniry hanompo an’Andriamanitra tamin’izany. Tamin’ny 1924 no tonga tany amin’ny foiben’ny Mpianatra ny Baiboly tany Le Cap, Afrika Atsimo, i Thomas Walder sy George Phillips, samy avy any Grande-Bretagne. Nitety an’i Rodezia Avaratra sy Atsimo ny Rahalahy Walder, 30 taona mahery kely, mba hitady izay olona nifandray tamin’ilay anarana hoe Tilikambo Fiambenana. Nasaina nitsidika ireo antoko-mpitory niroborobo i William Dawson, avy any Eoropa, ny taona nanaraka. Nolazainy fa nanao batisa olona maro be ny sasany tamin’ireo olona nilaza ho pasitera, na dia tsy nahafantatra sy tsy nanaja ny fahamarinana ara-baiboly aza ny ankamaroan’ireo nataony batisa. Hoy i Llewelyn Phillips (tsy havan’i George Phillips) tatỳ aoriana: “Nanjary niharihary fa toy ny mponin’i Ninive izay ‘tsy nahafantatra ny havanany sy ny haviany’, ny ankamaroan’ny olona.” (Jona 4:11) Maro ny olona tso-po, nefa sarotra tamin’izy ireo ny nahatakatra ny fahamarinana, satria tsy nisy firy ny boky na gazety tamin’ny fiteniny. Tsy neken’ny fitondrana ny hisian’ny solontena maharitra hanara-maso ny asa teto, na dia efa nangatahina imbetsaka aza izany. Nanapa-kevitra àry ny biraon’ny sampana tany Le Cap, fa hatsahatra ny fitoriana sy ny fanaovana batisa. Nanoratra tany amin’ireo antokon’olona liana ny Rahalahy Walder. Tsy nandrara ny fianarana Baiboly sy ny fiaraha-mivory izy, fa nangataka azy ireo kosa mba hanaraka an’io fandaharana io aloha, mandra-pisin’ny solontena maharitry ny Mpianatra ny Baiboly.

Fitoriana nanamorona ny lalamby

Tsy voatery nihady lalina be ny mponina nandritra ny taonjato maro, rehefa nitady varahina hanamboarany fitaovana sy haingon-trano. Nanomboka nitrandraka ny harena an-kibon’ny tany tao amin’ilay faritra midadasika anefa ny Orinasa Britanika Afrika Atsimo tany antenatenan’ireo taona 1920. Sady nanjaka teo amin’ilay toerana izy io, no namaritra koa hoe iza no nanana zo hitrandraka harena an-kibon’ny tany. Nila mpiasa izy ireo, ka olona an’arivony avy tany ambanivohitra no tonga tao amin’ilay tanàn-dehibe teo an-dalam-pivoarana, sy tany amin’ireo tanàna nanamorona ny lalamby iray, izay nanomboka tany Le Cap ary nokasaina hitarina hatrany Le Caire.

Hoy i James Luka Mwango: “Tena tsy mitovy amin’ny ankehitriny ny fomba nananganana kompania, anarana niantsoana ny fiangonana tamin’izany. Olona vitsivitsy ihany no nanatrika fivoriana fianarana Baiboly, talohan’ny 1930. Nifandray tamin’ny biraon’ny sampana tany Le Cap ny olona liana sasany. Ny hafa kosa nandefa nivantana ny taratasy fanafarana boky tany Brooklyn. Tamin’ny teny anglisy ny boky aman-gazety, ka sarotra tamin’ny maro ny nahatakatra tsara ny fahamarinana.” Niroborobo anefa ireny antokon’olona ireny na dia vitsy aza ny olona tao anatiny tamin’ny ankapobeny. Be zotom-po sy tena tapa-kevitra ny hanao zavatra izy ireo, ka tsy ela dia niezahan’izy ireo nalamina tsara kokoa ny asa fitoriana. Tsy niafina tamin’ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana izany.

Fomba natao hampitsaharana ny asa

Nampiasa fandresen-dahatra ny antokom-pivavahana lehibe sasany mba hanitsiana ny fehezan-dalàna famaizana teto Rodezia Avaratra, tamin’ny Mey 1935. Ho anisan’ny heloka bevava ny fanafarana sy fizarana ireo boky sy gazety nolazaina fa mampirisika ny olona hikomy amin’ny fanjakana. Mazava ho azy fa ny firehan-keviny ara-politika na ara-pivavahana no narahin’ireo nandray fanapahan-kevitra, rehefa nanasokajy ny boky toy izany. Tsapa, rehefa nandeha ny fotoana, fa fomba nampiasain’ny mpanohitra handrarana ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireny.

Nirotaka ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany, rehefa nisy fanambarana momba ny hetra vaovao. Nohararaotin’ny mpanohitra izany mba hiampangana ny Vavolombelona ho mpanohitra fitondrana. Nandamina fivoriambe teto Lusaka ny Vavolombelona tamin’io volana io. Nilaza ny mpanohitra fa nisy nifandraisany io fivoriana kely io sy ilay korontana tany avaratra, tany amin’ny 300 kilaometatra mahery niala teo. Hoy i Thomson Kangale, mbola tovolahy tamin’izany: “Fantatray fa hisy zava-manahirana hitranga. Tsy nandeha nitory àry izahay, fa nijanona tao an-trano, ary nanao hiran’ilay Fanjakana. Fantatray fa tsy tokony handray anjara amin’ny fitokonana na hetraketraka izahay.” Nosamborina anefa ireo rahalahy, ary maro tamin’izy ireny no nalaina an-keriny tany an-tranony. Nalaina na nopotehina koa ny bokiny ara-baiboly. Nambaran’ny governora fa voarara ny 20 tamin’ireo boky sy gazetintsika.

Natsangana ny vaomiera mpanao famotorana mba hanao fanadihadiana momba an’ilay korontana. Niaiky toy izao ny lehiben’ilay faritra voakasik’izy io mivantana: “Tsy nandray anjara tamin’ilay fitokonana ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Tilikambo Fiambenana.” Tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah niditra tamin’ny rotaka na dia iray aza. Hoy anefa ny boky Kristianin’i Copperbelt: ‘Noraisin’ny Vaomiera Mpanao Famotorana ny fiampangana lehibe maro, na dia tsy nisy porofo mavesa-danja aza. Voarara ny boky sy gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah, noho ny tatitra nataon’izy io. Nampiasa herisetra ny filohan’ny foko tany amin’ny faritra sasany, mba hampitsaharana ny asantsika. Nodoran’izy ireo ny toerana fivorian’ny Tilikambo Fiambenana.’

Niangavian’ny sampana tany Le Cap foana ny sekreteram-panjakana miadidy ny zanatany britanika tamin’izany mba “hamela [ny Vavolombelona] hanompo an’i Jehovah Andriamanitra, araka izay andidian’ny feon’ny fieritreretany azy, tsy misy mpanelingelina, satria nomeny zo hanao izany izy ireo.” Nangatahana koa ny hisian’ny birao maharitra sy solontena iray. Notahin’i Jehovah ireny ezaka ireny. Neken’ilay minisitra ny hametrahana trano fanatobiana boky teto Lusaka, tamin’ny Martsa 1936, ary notendrena ho solontena i Llewelyn Phillips.

Fepetra efatra

Fandresena niavaka ny fisian’ny trano fanatobiana boky teto Lusaka. Tsy neken’ny governora ho anisan’ny fikambanana ara-pivavahana anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, raha tsy nisy porofo nampiseho fa efa nisy lamina maty paika kokoa teo amin’ny fiandraiketana ny fiangonana. Niara-niasa akaiky tamin’ireo rahalahy nahatoky ny Rahalahy Phillips nandritra ireo taona nanaraka, mba hanampy sy hampahery ny olona tso-po, sy handroaka an’ireo nanaraka fomba tsy araka ny Soratra Masina. Nahazo fampiofanana momba ny foto-pinoana sy fitondran-tena ary raharaha momba ny fandaminana, ireo mpisava lalana. Izy ireo indray avy eo no nanampy ireo antoko-mpitory sy fiangonana.

Hoy ny rahalahy iray, momba ireny fotoana ireny: “Ny taona 1940 no taona tsara indrindra ho an’ny mpitory teto Zambia. Tamin’io no naverina indray ny fanaovana batisa. Natsahatra mantsy izany tamin’ny 1925.”

Hoy i James Mwango: “Tsy maintsy nianatra ilay nantsoinay hoe fepetra efatra ny mpianatra ny Baiboly iray tamin’izany, vao azo natao batisa. Nanontany azy ny dikan’izy ireo ilay rahalahy handroboka azy, na rahalahy hafa voatendrin’ny mpanompon’ny kompania. Ireto avy izy efatra: Mandre ny fahamarinana, mibebaka, mianatra ny Tenin’Andriamanitra, ary manolo-tena. Azo natao batisa ilay mpianatra, raha takany tsara ireo fepetra efatra ireo. Natao izany mba hahazoana antoka fa fantatr’ilay olona haroboka tsara izay ataony.”

Voarara ny boky sy gazety

Tsy nanao raharaha miaramila ny Vavolombelona, ka noheverin’ny fitondrana fa nanohitra ny fiantsoana ho miaramila, indrindra fa nandritra ny Ady Lehibe II. Nanjary voarara daholo ny boky rehetra navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny Desambra 1940. Voarara koa ny fanafarana boky. Nambaran’ny fitondrana tamin’ny lohataonan’ny 1941, fa tokony hamerina izay bokin’ny Tilikambo Fiambenana tany aminy ireo manana izany, raha tsy izany dia hiharam-panenjehana, na mety hogadraina.

Hoy i Solomon Lyambela, mpiandraikitra mpitety faritany tamin’izany, ary nanatrika ny Sekolin’i Gileada tatỳ aoriana: “Nanafina boky aman-gazety tao anaty lakana tany amin’ny Reniranon’i Zambèze izahay. Nofatoranay tao ambany fandriana ireo boky. Nisy aza nafeninay tany anatin’ireo fitoeran-katsaka sy ampemby.”

Hoy koa ny rahalahy iray: “Tsy maintsy nalevinay ny bokinay. Tsy voatery nafenina anefa ny Baibolin’ny Berianina, satria tena sarobidy taminay izy io sady tsy voarara. Very boky be dia be izahay. Tao ny lanin’ny bibikely, tao ny lasan’ny mpangalatra. Noheverin’ny mpangalatra ho nisy zava-tsarobidy ny toerana nandevenanay an’ireo boky, satria nandeha tany matetika izahay. Hitako niparitaka teo ny bokinay, indray mandeha, tamin’izaho hianatra tany anaty kirihitra. Nangoninay ireny ary nafeninay tany an-toeran-kafa indray.”

Sahin’i Llewelyn Phillips ny nanoratra tany amin’ny governora, mba hitaraina momba an’ireo boky sy gazety voarara. Nohelohina higadra enim-bolana indray àry izy, na dia efa nogadraina noho ny tsy fetezana hanao raharaha miaramila aza, tamin’io taona io. Hoy ny mpiasa an-tsitrapo iray izay niasa an-tselika tao amin’ny trano fanatobiana boky teto Lusaka: “Tonga tatỳ aminay matetika ny Mpanao Famotorana Momba ny Heloka Bevava, ary nantsoina matetika tany amin’ny paositry ny polisy ny Rahalahy Phillips.” Tsy nitsahatra nampirisika ny fiangonana hilamina tsara sy ho be zotom-po ny Rahalahy Phillips. Nampiofanina izay rahalahy ampy fahaizana sy nahafeno fepetra, ary natao mpiandraikitra mpitety faritany, na mpanompon’ny rahalahy. Ny fanampian’izy ireny no anisan’ny nahatonga ny tampon’isan’ny mpitory ho 3 409 tamin’ny 1943.

Nanakaiky ny fahalalahana

Rehefa nifarana ny ady, dia namerimberina niangavy ny Biraon’ny Zanatany tany Londres ny biraon’ny sampan’i Grande-Bretagne sy Afrika Atsimo, mba hanekeny ny boky sy gazetintsika ho ara-dalàna. Olona 40 000 mahery no nanao sonia an’ilay fangatahana ho fankasitrahana ny asa fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanala ny zavatra sasany tao amin’ny lisitry ny boky voarara ny fitondrana, rehefa naharay izany. Mbola voarara foana anefa Ny Tilikambo Fiambenana.

Tamin’ny Janoary 1948 no nitsidika teto voalohany, i Nathan Knorr sy Milton Henschel, avy any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn. Nanatrika fivoriambe efatra andro teto Lusaka izy ireo, ary nihaona tamin’ny sekreteran’ny atitany sy ny minisitry ny fitsarana, izay nilaza fa hesorina tsy ho ela ny fandrarana sisa. Safononoka ny hafaliana, rehefa nekena ho ara-dalàna ihany ny asan’ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny farany! Naorina ny biraon’ny sampana vaovao tamin’ny 1 Septambra 1948. Natao tamin’ny anaran’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io, fa tsy ny  Tilikambo Fiambenana. Nanomboka teo dia takatry ny mpitondra fanjakana sy ny vahoaka, ary na ireo rahalahy aza, fa samy hafa ny Vavolombelon’i Jehovah sy ireo mpanaraka an’ilay sekta teo an-toerana hoe “Tilikambo Fiambenana”, izay tsy nisy nifandraisany tamintsika.

Tsy rototra tamin’ny fanaovana mpianatra ho an’i Kristy ny fivavahana mpanohitra. Nataony kosa izay handravana ny finoan’ireo nihaino ny vaovao tsara, nandritra ireo 40 taona talohan’izay. Noporofoin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa fa mpanompon’Andriamanitra milaza ny marina izy ireo, na dia efa nampangaina ho “mpamitaka” aza. (2 Kor. 6:8) Nanomboka nanao fandaharana nampahery izy ireo mba hiatrehana ny fitomboana ho avy, satria nantenaina hisy fahalalahana aorian’ny ady.

Fanompoan’ny misionera

Hoy i Ian (John) Fergusson, nanompo an-taonany maro teto Zambia: “Faly ny misionera rehefa mahita fa lehilahy sy vehivavy isan-karazany no ampiasain’i Jehovah mba hanatanterahana ny sitrapony. Mahafaly koa ny mahita ny olona ampianarina Baiboly mankasitraka ny fanampiana azony.” Variana amin’ny raharaha ara-tsosialy sy ara-toe-karena ny misioneran’ny fivavahana hafa. Ny misioneran’ny Vavolombelon’i Jehovah kosa mifantoka amin’ny asa fanaovana mpianatra kristianina. Nanatontosa ny asa nanirahan’Andriamanitra azy, ireny misionera ireny, ary noporofoiny fa manana “fitiavana tsy misy fihatsarambelatsihy” izy.—2 Kor. 6:6.

Ny olona toa an-dry William Johnston no ohatra mampiseho ny toe-tsain’ny misionera. Tonga tatsy Afrika Atsimo talohan’ny Ady Lehibe I izy, ary nivezivezy nanerana an’io tany io. Tany am-piandohan’ny taona 1921 kosa ry Piet de Jager sy Parry William ary ny maro hafa, no tonga tatsy Salisbury (Harare ankehitriny), renivohitr’i Rodezia Atsimo (Zimbabwe ankehitriny) sady mifanila amin’i Zambia. Teto Rodezia Avaratra kosa no tena niasan-dry George Phillips sy Thomas Walder ary William Dawson, teo antenatenan’ireo taona 1920. Nampiely ny “vaovao tsara momba ny zava-tsoa” teto koa ny olon-kafa. (Rom. 10:15) Anisan’izy ireny ireo teratany nila ravin’ahitra tany an-toeran-kafa, ary nihaona tamin’ny Mpianatra Baiboly tany. Nandray anjara lehibe tamin’ny fitoriana teto ry Manasse Nkhoma sy Oliver Kabungo tamin’izany. I Joseph Mulemwa, avy eto Zambia, kosa nandre ny vaovao tsara tany amin’ny toeram-pitrandrahana tany Wankie (Hwange ankehitriny), any amin’ny faritra avaratr’i Zimbabwe. Nanompo tamim-pahatokiana tany amin’ny faritra andrefan’i Zambia izy tatỳ aoriana. I Fred Kabombo no mpiandraikitra mpitety faritany voalohany tany. Tena mpisava lalana ireo rahalahy ireo, satria tonga tany amin’ny toerana zara raha nitoriana ny vaovao tsara, na mbola tsy nitoriana mihitsy. Niroborobo ny voa nafafin’izy ireo tatỳ aoriana.

Nanasa an’i Charles Holliday avy atsy Afrika Atsimo mba hitsidika antokon’olona liana tany amin’ny Faritany Andrefana, i George Phillips avy ao amin’ny sampan’i Le Cap, rehefa akaiky hifarana ny Ady Lehibe II. Niaraka tamin’ny Rahalahy Holliday ny rahalahy iray teo an-toerana mba handika teny ho azy. Nandeha lamasinina mpitatitra hazo sy nandeha lakana ary fiarandalamby kely, izy ireo. Nisy vahoaka be nandray azy ireo tany Senanga, tanàna kely tany amin’ny 250 kilaometatra any avaratry ny Riandranon’i Victoria. Nandeha an-tongotra nandritra ny andro maromaro ny sasany tamin’izy ireo, mba handre ny fanazavan’io vahiny io ny fahamarinana ara-baiboly.

Tonga ny misioneran’i Gileada

Tonga teto Zambia ny misionera roa tamin’ny 1948, dia i Harry Arnott sy Ian Fergusson. Natao izay hanampiana ireo Eoropeanina an’arivony tonga hitrandraka varahina teto. Nahafinaritra ny fandraisan’izy ireo. Nitombo 61 isan-jato ny isan’ny Vavolombelona niasa teny amin’ny saha tamin’io taona io.

Betsaka ny olona te hianatra Baiboly tany amin’ny toerana maro, ka tsy arak’ireo misionera intsony. Nosoratany fotsiny ny anaran’ireo olona voatery nampiandrasina. Nahazo fiara efa niasa folo taona ny biraon’ny sampana. Io no nentin’ireo misionera roa mpiandraikitra mpitety faritany, rehefa nankany ambanivohitra izy ireo. Hoy ny tatitra iray avy tany amin’ny sampana: “Tena nahasoa izy io, na dia simba aza ilay izy indraindray, noho ny lalan-dratsy sy ny asa mafy nataony.”

Misionera enina no teto taloha kelin’ny 1951. Tonga ny misionera enina hafa tamin’ny Desambra 1953, sady vonon-kanampy. Anisan’izy ireny i Valora sy John Miles, izay nanompo teto Zambia nandritra ny enin-taona, talohan’ny namindrana azy tany Zimbabwe, ary avy eo tany Lesotho. Misionera maro no tonga nandritra ireo taona nanaraka, sady niezaka nanampy tamim-pitiavana. Anisan’izy ireny i Joseph Hawryluk, John sy Ian Renton, Eugene Kinaschuk, Paul Ondejko, Peter sy Vera Palliser, Avis Morgan. Mazava ho azy fa tena nila namoy zavatra maro sy nanao fanitsiana izy ireo, mba hahitana vokatra tamin’io fanompoana manokana io.

“Hoatran’ny mbola kely izy e!”

“Nihevitra aho fa diso ry zareo”, hoy i Wayne Johnson, rehefa nilaza ny fihetseham-pony tamin’izy nandray ny fanendrena ho eto Zambia. Nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-36 tamin’ny sekolin’i Gileada i Wayne, ary tonga teto tamin’ny voalohandohan’ny taona 1962, niaraka tamin’i Earl Archibald. Mpiandraikitra mpitety faritany any Kanada izy izao, miaraka amin’i Grace vadiny. Hoy izy: “Vao 24 taona aho tamin’izay, ary mbola kely noho izany aza no fijery ahy. Rehefa nianatra teny chinyanja [na chichewa] aho, dia mazàna no nandre an’ireo anabavy sambany vao nahita ahy nifampibitsibitsika hoe: ‘akali mwana’, na hoe “Hoatran’ny mbola kely izy e!”

Hoy i Wayne: “Tsapako fa nila niantehitra tanteraka tamin’i Jehovah sy ny fandaminany aho. Tiako ho fantatry ny rehetra fa nampita ny toromarika sy fanazavana nomanin’i Jehovah sy ny fandaminany fotsiny aho, araka ny Asan’ny Apostoly 16:4. Nitandrina koa aho mba tsy hanafintohina ny olona. Mbola talanjona foana aho isaky ny mitodika ny lasa, ka mieritreritra an’ilay tombontsoa lehibe nomena ahy.”

Fandroahana!

Niova ny toe-javatra tamin’ireo taona 1960 sy 1970. Nipoitra nanerana an’ilay firenena ny fanenjehana indraindray. Nahita olana ireo rahalahy teo amin’ny resaka fananganan-tsaina sy hiram-pirenena, taorian’ny fahaleovan-tenan’i Zambia tamin’ny 1964. Nihevitra ny mpanao politika sasany, tany amin’ny faramparan’ireo taona 1960, fa tsy mifanaraka amin’ny zava-kendren’ny fitondrana ny asan’ireo misionera. Izao no voalaza tao amin’ny tatitry ny sampana: “Nanomboka naharay antso an-telefaonina avy tamin’ny mpiandraikitra tany amin’ny ankamaroan’ny fiangonana miteny anglisy izahay, tamin’ny 20 Janoary 1968 vao maraina be. Nilaza tamin’ny sampana izy ireo fa naharay didy hiala teto Zambia. Nahavariana fa tsy ireo Vavolombelon’i Jehovah vahiny ihany no noroahina, fa ny teratany zambianina koa. Anisan’izany i George Morton sy Isaac Chipungu.”

Tsy nitaredretra ireo mpiandraikitra ny fifindra-monina. Tamin’ny folo ora maraina izy ireo dia efa tonga tany amin’ny biraon’ny sampana niaraka tamin’ny taratasy fandroahana an’ireo mpivady misionera dimy. Hoy i Frank Lewis: “Tsy hitahita akory dia tonga tao amin’ny sampana izy ireo. Efa tapaka fa tokony hivoaka amin’ilay varavarana ao andamosin’ny biraon’ny sampana ireo rahalahy misionera, ary hankany an-tranon’ny rahalahy iray, mba hanomboka an’ilay fandaharana efa nokasainay hatao rehefa misy fandrarana. Tsy te handeha anefa izahay, satria nisy anabavy misionera voan’ny tazo mafy tao ambony rihana. Nanery anay handeha anefa ireo rahalahy teo an-toerana, ary nampanantena fa hikarakara an’ilay anabavy. Fantatray fa hanao izany tokoa izy ireo.”

“Hitanay tao amin’ny Gazetin’i Zambia fa voarara ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, araka ny niantsoany anay, ary miafina ny ‘mpitarika’ azy ireo. Hita teo amin’ny pejy voalohany ny anaranay. Nolazainy fa ataon’ny mpitondra fanjakana sava hao izao ny tanàn-dehibe mba hitadiavana anay! Hain’ireo rahalahy teratany nijanona tao amin’ny biraon’ny sampana ny nanao ny asany. Nalefan’izy ireo tany amin’ny toerana maro samihafa ireo antontan-taratasy sy boky aman-gazety. Ny ampitson’ny nahavitan’izany izahay vao niverina tany amin’ny biraon’ny sampana, ary nitolo-batana tamin’ny manam-pahefana.”

Nambenan’ny polisy ny biraon’ny sampana. Tsy ela dia nahazo taratasy fandroahana ny misionera sasany, sy ireo teratany vahiny hafa. Hoy ny Rahalahy Lewis: “Izahay no anisan’ny nandeha farany. Feno erỳ ny fonay rehefa nahita anabavy vitsivitsy tsy fantatray akory, nefa nandeha an-tongotra 25 kilaometatra avy tany Kalulushi niaraka tamin’ny zanany, mba hanao veloma sy handray ny tananay!”

Fandroahana fanindroany

Nandeha ny fotoana. Anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Zambia ankehitriny i Albert Musonda. Vao 22 taona izy tamin’ny 1975, ary niasa tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Kaonty, rehefa tonga tampoka tao amin’ny Betela ny polisy, indray andro. Hoy izy: “Tsy ampy roa andro akory ny fotoana nomeny an’ireo misionera mba handaozana an’ity firenena ity.”

Hoy koa i John Jason: “Nandidy anay handao an’i Zambia tao anatin’ny iray andro sy tapany, ny biraon’ny fifindra-monina, tamin’ny Desambra 1975.” Naka mpisolovava teo an-toerana izahay, ary nametraka fitarainana. Nomena fotoana lavalava kokoa àry ireo misionera, mba hanangonany ny fananany sasany. Hoy ny Rahalahy Jason: “Tsy maintsy nandao an’ireo olona tena maminay izahay taorian’izay.”

Hoy i Dailes, vadin’i Albert: “Niaraka tamin’ireo anadahinay hatrany amin’ny Seranam-piaramanidin’i Southdown izahay, mba hahitanay ny hiaingany. Nankany Kenya i John Jason, fa Ian Fergusson kosa nankany Espaina.” Inona no antony nisian’iny fandroahana fanindroany iny?

Maro no nihevitra fa ilay fivoriambe tamin’ny 1975, no nampipoaka izany. Hoy i John Jason: “Iny no anisan’ny fivoriambe nahavory olona be indrindra, tao anatin’ireny fotoana nisafotofoto ireny, satria 40 000 mahery ny mpanatrika.” Sendra nisy fivoriana ara-politika natao koa teo akaikin’ilay toerana nanaovana fivoriambe. Notakin’ny sasany tamin’ireo nivory tao ny hanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah, satria tsy nety nanao politika izy ireo. Nilaza ny Rahalahy Jason, fa ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah no nampangaina ho nahavitsy ny mpanatrika an’io fivoriana io.

Niverina ny misionera

Folo taona tatỳ aoriana vao afaka niverina teto Zambia ireo misionera. Nilamina kokoa ny toe-draharaha politika tamin’ireo taona 1980, ary nihena ny fameperana. Tonga avy tany Gambia i Edward Finch sy Linda vadiny, tamin’ny 1986. Maro no tonga taorian’izy ireo, toa an’i Alfred sy Helen Kyhe ary Dietmar sy Sabine Schmidt.

Avy any Zaïre, Repoblika Demokratikan’i Congo ankehitriny, kosa i Dayrell sy Susanne Sharp, nandalo tao Afrika Atsimo, ary tonga teto tamin’ny Septambra 1987. Nahazo diplaoma tamin’ny Sekolin’i Gileada izy ireo tamin’ny 1969, ary nanao asa fitetezam-paritany nanerana an’i Congo. Efa nahazatra azy ireo ny fiainana tatỳ Afrika afovoany. Lehilahy tomady i Dayrell, ary efa 40 taona mahery izao no nanaovany fanompoana manontolo andro manokana. Hoy izy: “Teo akaikin’ny sisin-tanin’i Lubumbashi ny trano misionera nitoeranay nandritra ny taona maro, ary nandeha nankatỳ Zambia foana izahay.”

Tsaroan’i Susanne tsara ireny fotoana ireny. Hoy izy: “Tsy ampy ny sakafo tany Congo tany am-piandohan’ireo taona 1970, ka voatery nividy sakafo teto Zambia izahay isaky ny volana vitsivitsy. Nasain’ny Filan-kevi-pitantanana niala tany Congo izahay tany am-piandohan’ny taona 1987, ary nahazo fanendrena vaovao. Taiza hoy ianareo? Teto Zambia!” Nanomboka voateritery ny asan-dry Sharp mivady tany Congo, ka faly be izy ireo rehefa nifindra teto, satria nalalaka kokoa teto raha ny lafiny ara-pivavahana no resahina.

Nilana fanitsiana vitsivitsy anefa teny amin’ny saha sy teto amin’ny sampana. Voarara ny asa fitoriana, ka tsy nanao afa-tsy ny nitarika fampianarana Baiboly ny ankamaroan’ireo rahalahy. Tsy zatra nitory isan-trano ny rahalahy maro, na sadaikatra raha vao hanao an’io lafiny iray lehibe amin’ny fanompoan’ny Vavolombelon’i Jehovah io. Nampirisihina àry ireo rahalahy mba harisika kokoa amin’ny fitoriana isan-trano. Efa nilamina kokoa mantsy ny toe-draharaha, sady tsy dia rototra tamin’ny asantsika ny polisy.

Mandroso fa tsy mihemotra

Nanahy ny Komitin’ny Sampana, satria toa tsy nisy fitomboana nandritra ireo taona 1970. Tsy nahavantana an’ireo rahalahy ny niara-nianatra Baiboly tamin’ny zanany, noho ny fombafomba teo an-toerana. Voarara koa ny fitoriana isan-trano, ka fanaon’ny raim-pianakaviana ny namela ny zanany hampianarin’ny hafa, ary ny zanaky ny hafa no nampianariny. Tonga àry ny fotoana handraisana fanapahan-kevitra nampiseho herim-po. Nampirisihina hiala tamin’ireo fombafomba sy fanao tsy araka ny Soratra Masina ny mpitory, nandritra ireo taona nanaraka. Nandray fitahiana ny fiangonana, rehefa nanaraka izany toromarika izany. Niezaka nampifanaraka ny fiainany tamin’ny toro lalan’ny Baiboly ireo rahalahy, ary nanao zavatra nitovy tamin’ireo rahalahy eran-tany.

Nihena 11 isan-jato latsaka kely ny isan’ny mpitory nandritra ireo dimy taona taorian’ny fandroahana an’ireo vahiny, tamin’ny 1975. Niakatra 50 isan-jato mahery kosa ny tampon’isan’ny mpitory, nandritra ireo dimy taona taorian’ny niverenan’ny misionera tamin’ny 1986. Avo roa heny mahery ny isan’ny mpitory marisika, nanomboka tamin’io taona io.

Hoy i Silas Chivweka, mpiandraikitra mpitety faritany taloha, tamin’izy nanoratra tany amin’ny sampana: “Nanampy ny rahalahy hihamatotra ny misioneran’i Gileada, nanomboka tamin’ireo taona 1950. Tena nanam-paharetana ny misionera, nahatakatra izay nanjo ny olona, ary tsara fanahy. Nifandray akaiky tamin’ny mpitory izy ireo, ka nanjary fantany izay nilana fanitsiana.” Mbola mampitombo ny isan’ny mpitory ireny fanampiana feno fitiavana sy tsy nisy fihatsarambelatsihy nomen’ny misionera ireny hatramin’izao.

Teny vita pirinty

Mampiasa “fitaovam-piadian’ny fahamarinana eo amin’ny tanana havia sy havanana”, toa an’i Paoly sy ny namany ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Manaporofo izany fa tena mpanompon’Andriamanitra izy ireo. (2 Kor. 6:7) Manao ady ara-panahy izy ireo, ka mampiasa foana ny ‘fitaovam-piadian’ny’ fahamarinana, na ny fomba hampiroboroboana ny fivavahana marina.

Tamin’ny teny anglisy ihany ny boky sy gazetintsika tamin’ny voalohany. Efa tamin’ny 1909 no nisy nanao famandrihana Ny Tilikambo Fiambenana tatỳ atsimon’i Afrika, nefa am-bava ihany no tena niparitahan’ny fahamarinana. Hoy ny rahalahy iray niaina tamin’izany: “Nanana [toeram-pivoriana] ny tanàna tsirairay, mba hihainoana zavatra nahaliana ny vahoaka. Ilay rahalahy mpitety faritany nahay namaky teny anglisy no nandika ireo fehintsoratra tamin’ny fomba tsotra azon’ny olona. Novaliana ireo fanontaniana.” Mazava ho azy fa niankina betsaka tamin’ny fahaizana sy ny antony nanosika an’ilay nandika teny, ny fahamarinan’ilay zavatra nohazavaina. Nilaina nadika tsy tapaka sy marina tsara àry ireo boky sy gazety ara-baiboly, mba hisian’ny firaisan-tsaina sy ny fahalalana marina.

Fanomezana boky sy gazety

Voadika sy navoaka tamin’ny teny chinyanja ny boky Ny Harpan’Andriamanitra sy ny bokikely vitsivitsy, tamin’ny 1930 tany ho any. Nizara boky aman-gazety 11 000 mahery ireo mpitory vitsivitsy nazoto tamin’ny 1934. Tsy tian’ny mpanohitra izany, ka namorona “fampahoriana araka ny lalàna” izy ireo. (Sal. 94:20, fanamarihana ambany pejy) Tsy voarara intsony anefa ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny faramparan’ny taona 1949, ka navoaka isam-bolana tamin’ny teny icibemba, natao stencil, ary nalefa paositra tany amin’ny mpanao famandrihana.

Tsaroan’i Jonas Manjoni ny asany momba ilay gazety, tamin’ny 1950 tany ho any. “Izaho irery”, hoy izy, “no mpandika teny icibemba. Voaraiko ny lahatsoratra anglisy, dia nadikako, ary nahitsiko. Notendreko tamin’ny stencil avy eo ilay izy, mba hamokarana ireo gazety. Nandany fotoana izany, nefa 7 000 isaky ny nomerao indraindray no nilaina. Nataoko tanana ny famokarana ny gazety tsirairay, ary nakambako tamin’ny agrafy avy eo. Nalefako paositra tany amin’ny fiangonana izy ireny taorian’izay. Asa be ny nametraka hajia tamin’ireo horonana gazety sy ny fibatana azy ireo tamin’ny baoritra ho any amin’ny paositra.”

Vitsy ny fahaizana teknika azo nampiasaina tamin’izany, nefa tena be fandavan-tena ireo mpandika teny, satria takany fa mitondra voka-tsoa ny asany. Sady nanao asa fitetezam-paritany i James Mwango no nanao sora-tanana ny fandikana ireo gazety. Jiro labozia mazàna no nampiasainy. Hoy izy: “Tsy nahalala vizana mihitsy aho, nanao izany. Nahafinaritra ahy ny nieritreritra fa nanome sakafo ara-panahy ho an’ireo rahalahy ny ezaka nataoko, ary nanampy azy ireo ho matotra.”

Miova tanana

Tsy maintsy mahay tsara ny teniny sy ny teny anglisy ny mpandika teny, mba hampitany araka ny tokony ho izy ny fahamarinana. Hoy i Aaron Mapulanga: “Misy teny manana heviny hafa ankoatra ny dikany ara-bakiteny indraindray. Tsaroako ny adihevitray momba ilay fomba fiteny anglisy hoe ‘miova tanana.’ Nampiasaina tao amin’ny lahatsoratra iray izy io, mba hiresahana ny famindran’i Elia andraikitra ho amin’i Elisa. Nadikan’ny rahalahy iray ara-bakiteny ilay izy. Nisalasala aho raha tena midika hoe ‘nifanakalo tanana’ ilay izy. Nanontany rahalahy hafa izahay, ary nanjary fantatray ny tena dikany. Tsaroako koa fa notoroana hevitra izahay mba tsy handika ara-bakiteny, satria ho toy ny anglisy ilay izy, raha atao toy izany. Niezaka tsy hanao dikan-teny ara-bakiteny izahay, fa hanaraka kosa ny firafitry ny teny andikanay an’ilay izy.”

Manampy ny teknolojia

Nomena MEPS (Fandaharana Elektronika Mandrindra ny Fisehon’ny Soratra sy Sary Amin’ny Fiteny Maro) ny biraon’ny sampana maro, nanomboka tamin’ny 1986. Tena nanafaingana ny fandikana sy fitsarana ary fandaharana ny soratra sy pejy izany. Nampiasaina betsaka tato ho ato ny programan’ordinatera namboarin’ny fandaminana. Misy ekipana mpandika teny izao mandika ireo boky sy gazety ho amin’ireo fiteny lehibe vitsivitsy azon’ny ankamaroan’ny Zambianina. Mbola hanampy ny olona tso-po hahalala an’i Jehovah foana ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao sy ny “fitaovam-piadian’ny fahamarinana” hafa.—2 Kor. 6:7.

Fanampiana ny mpitsoa-ponenana

Sambatra sy miadana ny olona maro atỳ Afrika. Mampalahelo anefa fa mihamaro ny olona iharan’ny vokatry ny ady. Tampoka eo dia lasa mpifahavalo ny mpiray tanàna, mandositra ny fonenany ny olona tsy manan-tsiny, ary rava ny fiaraha-monina. Tsy mitondra afa-tsy fananana vitsivitsy ny mpitsoa-ponenana, ary mitady fiainana milamina any amin’izay mety hahitany izany. An-tapitrisany izy ireo ankehitriny.

Olona an’arivony no tonga teto Zambia tamin’ny Martsa 1999, rehefa nandositra ny ady tany amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo. Toy ny amin’ny ady maro, dia nandroba sy nanery ny lehilahy hibata entana mavesatra ary nampijaly zaza amam-behivavy, ny miaramila mpanafika. Tsy mandray fiadiana ny Vavolombelon’i Jehovah, ka maro no naetry sy novelezina tamin-kabibiana. Hoy i Katatu Songa, mpisava lalana maharitra nazoto, 55 taona eo ho eo: “Nampandrian’izy ireo teo anoloan’ny zaza amam-behivavy aho, ary nokaravasiny mandra-pahasafotra ahy.”

Fianakaviana maro no nandositra izany. Tafasaraka tamin’ireo zanany lahy i Mapengo Kitambo, teny am-pandosirana tany anaty ala. Hoy izy: “Tsy nanam-potoana hifampitadiavana izahay. Tsy maintsy nandositra fotsiny izahay, na dia tena nanahy be momba ireo havan-tianay aza.” Maro no nandeha an-jatony kilaometatra, an-tongotra na am-bisikileta, mba handosirana.

Feno mpitsoa-ponenana ny tanàna kelin’i Kaputa. Anisan’ireo ny rahalahy efa ho 5 000 sy ny fianakaviany, reraky ny dia lavitra sy sarotra. Tsy niomana handray mpitsoa-ponenana ireo mpitory 200 tao an-tanàna, nefa faly nandray an’ireo rahalahy sy anabaviny kristianina. Hoy i Manda Ntompa, mpitsoa-ponenana: “Tena nanohina ny fonay ny fitiavana sy fandraisam-bahiny naseho taminay. Nampandrosoin’ireo rahalahy izahay, rehefa fantany fa Vavolombelon’i Jehovah. Toy ilay vehivavy maty vady tany Zarefata izy ireo, ka vonona ny hizara ny sakafo keliny taminay.”

Nikarakara mpitsoa-ponenana an-jatony ny Vavolombelona vitsivitsy nanamorona ny Farihy Mweru, tany avaratra. Nalamin’izy ireo tsara ny fizarana sakafo sy fialofana. Nanome mangahazo sy trondro ireo fiangonana nanodidina. Telo volana tatỳ aoriana vao voasoratra anarana sy nafindra tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana ny Vavolombelona kongoley.

Mahalana ireo mandositra ady no mitondra boky sy gazety. Matetika no tsy maintsy avela ny fananana sarobidy, rehefa tsy maintsy mamonjy aina izy ireo. Tsy mitovy amin’izany ny an’ny vahoakan’Andriamanitra. Tsy maintsy nandositra haingana izy ireo, nefa nisy nahavita nitondra boky sy gazety ihany. Vitsy ihany anefa ny Baiboly sy boky ara-baiboly. Matetika no boky dimy monja no nisy, raha 150 ny mpanatrika fivoriana. Ahoana no nahafahan’ny rehetra nandray anjara? Hoy ny rahalahy iray: “Afaka nijery andininy ireo nanana Baiboly, ary nihaino tsara kosa ireo tsy nanana. Samy nandray anjara tamin’ny fiderana an’i Jehovah àry ny rehetra, ary nifampahery tamin’ny valin-teniny.”

Nokarakaraina ny zavatra nilaina

Zaza amam-behivavy ny ankamaroan’ny mpitsoa-ponenana. Tsy salama sady tsy manan-kohanina izy ireo matetika, rehefa tonga. Ahoana no nanampian’ny Vavolombelon’i Jehovah azy ireny? Hoy ny Gazetin’i Zambia: “Ankasitrahana ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Zambia, nandefa mpiasa an-tsitrapo sy mpiasan’ny vonjy taitra ho any Zaïre teo aloha, mba hanampiana ny mpitsoa-ponenana manodidina ny Farihy Lehibe.” Nohazavain’ilay lahatsoratra fa ny Vavolombelona any Belzika sy Frantsa ary Soisa, dia “nanome fanafody 500 kilao, vitaminina 10 taonina, sakafo 20 taonina, akanjo 90 taonina mahery, kiraro 18 500, ary bodofotsy 1 000. Efa ho iray tapitrisa dolara no vidin’ireo.”

Hoy ny Rahalahy Ntompa: “Andro nahafinaritra sy nanatanjaka ny finoanay rehetra ny fahatongavan’ireo fanomezana. Tena be fiahiana ilay fandaminana misy antsika! Niteraka fiovana be ho an’ny maro tamin’ireo havana tsy mpino io fanehoam-pitiavana lehibe io. Maro tamin’izy ireo no nanjary niaraka tamintsika nanomboka teo, ary mandroso tsara eo amin’ny fanompoany an’Andriamanitra.” Nomena ny mpitsoa-ponenana rehetra tsy nisy an-kanavaka, ireo fanomezana.

Lasa maherin’ny 200 000 ny mpitsoa-ponenana teto Zambia tamin’ny faramparan’ny 1999. Hoy ny gazety iray: “I Zambia no nanjary iray amin’ireo firenena tena mpandray ny mpitsoa-ponenana vokatry ny ady atỳ Afrika.” Miezaka mikarakara izay ilain’izy ireny ny manam-pahefana, nefa nanjary nanohitra sy nampiasa herisetra ireo mpitsoa-ponenana, rehefa sorena sy tsy afa-po. Nisy rotaka indray mandeha, ka nanatona ny mpiandraikitra ny faritra ireo tompon’andraikitry ny toby. Nilaza izy ireo fa tsy nanao na inona na inona mba hihazonana ny filaminana ilay mpiandraikitra, na dia tsy nandray anjara tamin’ilay korontana aza ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsara fanahy, nefa hentitra ilay mpiandraikitra ny faritra, niteny hoe: “Efa nanampy anareo aho! Azonareo an-tsaina ve fa ho ratsy kokoa ny zava-nitranga, raha nisy olona 5 000 hafa nanampy an’ireo mpirotaka? Mba ankasitraho ihany fa nisy mpitsoa-ponenana 5 000, fara fahakeliny, tsy nandray anjara tamin’ilay rotaka. Vavolombelona izy ireo, ary rahalahiko!”

Fantatry ny olona fa miteraka filaminana eo amin’ny fiaraha-monin’ny mpitsoa-ponenana ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy ny mpitondra fanjakana iray: “Renay fa tena mpivavaka be ny Vavolombelon’i Jehovah, ka notendrenay ho mpiandraikitra ny ampahany amin’ny toby. Nilamindamina ny toby nanomboka tamin’izay, satria manampy olona izy ireo, ary variana mamaky Baiboly ny rehetra. Misaotra an’Andriamanitra aho fa misy olona toa azy ireo eto amintsika, ka milamina ny toby.”

Fankatoavana ny didin’Andriamanitra momba ny ra

Efa nazava hatramin’izay fa fahendrena ny manaraka ny didin’ny Soratra Masina mba ‘hifady ny ra.’ Nisy fitsarana an-tendrony sy hevitra tsy mifankahazo anefa matetika tatỳ Afrika atsimon’i Sahara, mahakasika ny fitsaboana tsy ampiasana ra. (Asa. 15:28, 29) Mampalahelo fa nisy ny nasiaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy nampietry azy ireo. Nitranga matetika ny hoe nalaina tamin’ny alina ny ankizy iray tao amin’ny hopitaly, na dia tsy fantatry ny ray aman-dreniny aza, ary nampidiran-dra.

Reraka be noho ny tsy fahampian-dra i Michael, zafikelin’i Jenala Mukusao, izay notezainy, ka nampidirina hopitaly. Nasain’ny dokotera nampidiran-dra ilay zaza. Tsy nanaiky izany ny Anabavy Mukusao, ka nampitahorina sy nampijalina nandritra ny efatra andro. Hoy izy: “Niangaviako izy ireo, ary nasehoko azy ireo ny karatro Fitakiana Ara-pitsaboana, nefa tsy noraharahainy aho. Nolazain’ireo mpitsabo mpanampy fa mpamosavy aho, ary te hamono ny zafikeliko.”

Nisy tsy nankany amin’ny hopitaly, vokatr’izany. Maro ny dokotera tsy miraharaha ny zon’ny marary hanapa-kevitra. Mety hokianina mafy na hailikilika ireo dokotera vitsivitsy vonon-kanampy, satria lazain’ny mpiara-miasa fa manao fitsaboana hafahafa. Eo koa ny foto-drafitrasa tsy ara-dalàna sy ny tsy fahampian’ny fitsaboana hafa ankoatra ny ra. Izao anefa no nolazain’ny lehiben’ny mpitsabo tao amin’ny orinasa iray mpitrandraka varahina, tamin’ny 1989: “Tsy tokony hampidiran-dra ny olona raha tsy manaiky izany.” Nazava fa nisy mpitsabo vitsivitsy nihanalefaka.

Komity nahita vokatra

Natsangana tamin’ny 1995 teto Zambia ny Sampan’asan’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly sy ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly (KMH). Vitsy no nahazo an-tsaina ny ho vokatry ny asan’ireo komity ireo teo amin’ny fiheveran’ny dokotera ny fitsaboana tsy ampiasana ra sy ny zon’ny marary. Anisan’ny asan’ny KMH ny mitsidika hopitaly, manadinadina dokotera, ary manao famelabelarana amin’ny mpiasan’ny fahasalamana. Ny tanjona amin’izany dia ny hisian’ny fiaraha-miasa sy hisorohana fifandonana. Nampiaiky ny dokotera ny fahaizana naseho tamin’ireny famelabelarana ireny. Izao no nolazain’ny tompon’andraikitry ny hopitaly iray tany atsimo: “Dokotera ianareo, fa tsy tianareo fotsiny ny hilaza an’izany.”

Hoy ny dokotera holandey iray, mpiasan’ny hopitaly any andrefan’i Zambia: “Vao tamin’ny tapa-bolana izahay no niresaka momba ny fampihenana ny fampiasana ra, noho ny loza mety haterak’izy io. Nahazo manam-pahaizana manokana izahay androany mba hiresaka aminay momba izany indrindra.” Tsy ela ireo mpiasan’ny fitsaboana nanatrika an’ireo famelabelaran’ny KMH dia nampirisika ny mpiara-miasa taminy mba hanatrika azy io koa. Nahaliana ny mpiasan’ny fahasalamana ilay fandaharana, ka nitsahatra ny fifandonana, fa teraka kosa ny fiaraha-miasa.

Nahatsiaro ho tsy nahay ny sasany tamin’ireo anisan’ny komity, rehefa niresaka tamin’ny dokotera, satria noheverina ho toy ny andriamanitra mihitsy izy ireny nandritra ny taona maro. Hoy ny Rahalahy Smart Phiri, efa mpitari-draharahan’ilay komity teto Lusaka: “Tsy nahalala na inona na inona momba ny fitsaboana mihitsy aho, ary tena tsy natoky tena.”

Novalian-tsoa anefa ny fikirizana sy ny fianteherana tamin’i Jehovah. Hoy ny rahalahy iray anisan’ilay komity, nahatsiaro ny zava-nisy tamin’ny voalohany: “Telo mirahalahy izahay no tonga mba hihaona tamin’ny dokotera iray nalaza be, minisitry ny fahasalamana taloha. Hendratrendratra be izahay. Rehefa teo an-dalantsara teo anoloan’ny varavaran’ny biraon’ilay dokotera izahay, dia nivavaka tamin’i Jehovah, nangataka ny fanampiany mba ho sahy hiteny. Nandeha tsara ny resakay taminy, ary tena vonona hanampy izy. Notohanan’i Jehovah izahay, ka tsy tokony ho natahotra.”

Mihatsara ny fiaraha-miasa eo amin’ny KMH sy ny mpitsabo. Manaporofo izany ny fahavononan’ny dokotera hanao fitsaboana sarotra, izay tsy ho nataony taloha, raha tsy nisy fampidiran-dra. Sahy nanapa-kevitra ny dokotera mpandidy roa tamin’ny Oktobra 2000, mba handidy an’i Beatrice, zazakely enim-bolana avy any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo. Nahomby ilay fandidiana lehibe, na dia tsy nampidiran-dra aza ilay zaza. Niteraka resa-be tsy nahafinaritra anefa ilay raharaha.

Nanova be an’izany anefa ny teny tao amin’ny gazety, nolazain’ny Profesora Lupando Munkonge, lehiben’ilay ekipa mpandidy. Nataony nazava fa nohajainy ny hevitry ny ray aman-drenin’i Beatrice. Nihena be àry ny tsikera nataon’ny fampitam-baovao. Nifantoka tamin’ilay raharaha ny fanazavana tao amin’ny televiziona iray, roa volana taorian’io. Nasehony tamin’ny lafy tsarany ny hevitsika momba ny fitsaboana sy fandidiana tsy ampiasana ra.

“Ataovy haingana”

Nisy dokotera vitsivitsy nisalasala momba ny hevitry ny Vavolombelona momba ny ra. Eken’ny ankamaroan’izy ireo izao fa azo antoka sy tsotra ary mahomby ny fomba fitsaboana hafa tsy ampiasana ra, na dia any ambanivohitr’i Afrika aza. Marary maro no nianatra ho sahy hiaro ny zony. Tsy maintsy nianatra momba ireo raharaha lehibe izy ireo, ary nianatra nanazava ny heviny.

Na ny ankizy aza dia ‘nomena ny lelan’ny efa mahay.’ (Isaia 50:4) Valo taona i Nathan ary narary ny taolam-peny ankavia. Izao no nolazainy tamin’ilay ekipana mpitsabo, talohan’ny nandidiana azy: “Rehefa manao an’ilay fandidiana ianareo, dia mba ataovy haingana, aza fady, mba tsy ho be loatra ny ra very amiko. Aza ampidiran-dra aho, fa raha tsy izany dia tsy hamela ny helokareo mihitsy ny ray aman-dreniko sy Jehovah.” Nidera ny ray aman-drenin’i Nathan ny iray tamin’ireo mpitsabo, noho ny nampiofanan’izy ireo ny zanany. Nanetry tena izy io, nilaza hoe: “Izay vao nisy ankizy marary nampahatsiahy ahy fa tena zava-dehibe ny manaja an’Andriamanitra.”

Hoy ny apostoly Paoly: “Amin’ny lafiny rehetra, dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’Andriamanitra izahay, ... amin’ny alina tsy ahitan-tory.” Tsy mahita tory ny mpanompon’Andriamanitra matetika noho ny fiahiana ny mpiray finoana sy ny fandrosoan’ny fivavahana marina. (2 Kor. 6:3-5) Manjo matetika an’ireo anisan’ny KMH izany. Hitan’ny olona rehetra izany fandavan-tena izany. Hoy ny anabavy iray: “Tsy hitako izay teny hilazana ny fankasitrahako. Mampahery sy mampionona ny mahita fa mahafoy tena ireo anadahy anisan’ny KMH. Tonga nanampy ahy izy ireo na dia nantsoina tampoka aza, ary teo foana nandritra ireo ora nangidy. Tsy natahotra aho, rehefa niditra fanindroany tany amin’ny efitra fandidiana, tao anatin’ny 24 ora. Tena nampahery ahy ny tenin’ireo anadahy ireo.” Na dia eo tokoa aza ny lazaina fa ‘laza ratsy’, dia mbola mampiseho ny tenany ho mpanompon’Andriamanitra foana ny Vavolombelon’i Jehovah, ka miara-miasa tsara amin’ny mpitsabo. (2 Kor. 6:8) Manatanjaka azy ireo ny ‘laza tsara’, ka tapa-kevitra izy ireo ny hankatò ilay didin’Andriamanitra hoe ‘fadio ny ra.’

Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana

Hoy i Cyrus Nyangu, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Zambia: “Tany maro no mihevitra ny tovolahy ho mpanakorontana, rehefa manao antokony ho 25 eo ho eo izy ireo. Efa nisy kilasy 31 anefa ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana (SFF) teto, ary nampiofana lehilahy natanjaka sy vita fanoloran-tena, izay mahasoa ny fiaraha-monina misy azy ireo.” Manompo manontolo andro atỳ amin’ny faritra atsimon’i Afrika, ireo 600 nahazo diplaoma tamin’io sekoly iraisam-pirenena io. Nahazo diplaoma tamin’io ny antsasany mahery amin’ny mpiandraikitra mpitety faritany eto Zambia. Nahoana moa no ilaina io sekoly io, ary inona avy no zava-bitany?

Nitombo efa ho 60 isan-jato ny mpitory teto Zambia, nanomboka tamin’ny kilasy voalohany tamin’ny 1993. Mbola ilaina foana anefa ny lehilahy mahay mba hikarakara fiangonana, indrindra fa satria mahery ny faneren’ny fiaraha-monina mba hanaraka ny fombafomba tsy mifanaraka amin’ny Baiboly. Nohamafisin’ny iray tamin’ireo nahazo diplaoma fa ilaina ny lehilahy mahay mba hiandry sy hampianatra. Hoy izy: “Olana eto amin’ny faritaninay ny hoe mora milefitra amin’ny fanaovan-dratsy ny olona. Nianarako fa ilaina ny ho hentitra tsara mba hanaovana izay mahitsy, nefa tsy mihoatra noho izay voasoratra.”

Betsaka sady lalina ireo fampianarana omena, ka tsy zatra an’izany ireo mpianatra amin’ny voalohany. Vonona hanampy anefa ny mpampianatra. Hoy i Sarel Hart, mpampianatra: “Toy ny mitarika olona any an-tendrombohitra ny mampianatra ny kilasy tsirairay. Vahiny daholo ny rehetra amin’ny voalohany, ary miezaka ho zatra amin’ny zavatra tsy mahazatra sy mampahatahotra eo amin’ny manodidina. Misy vatobe manakan-dalana indraindray. Rehefa mandresy vato misakana sy miakatra hatrany ireo mpianatra, dia mitodika any amin’ireo sakana toa tsy azo nihoarana. Hitany amin’izay fa toa tsy dia lehibe loatra akory ilay izy.”

Maro no nilaza fa niova tanteraka ny fandrosoany, noho io sekoly io. Mpisava lalana manokana izao i Elad, ary hoy izy: “Noheveriko fa tsy mahafeno fepetra hampianatra aho, ary tanora loatra ka tsy tokony homena andraikitra be eo anivon’ny fiangonana. Nanampy ahy ilay sekoly mba hahatakatra fa azo ampiasaina aho. Tsy nitarika fampianarana Baiboly nandroso ireo mpitory 16 tao amin’ilay fiangonana nanendrena ahy voalohany. Nandinika soso-kevitra sy nanao famerenana fomba fitory izahay matetika, talohan’ny nandehanana nanompo. Lasa 60 ny mpitory tao amin’ilay fiangonana tamin’ny 2001, miampy antoko-mpitory iray misy rahalahy sy anabavy 20.”

Fahombiazana

Inona no anisan’ny mampiavaka ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, ka mahatonga azy io hahomby? Hoy i Richard Frudd, anisan’ny mpampianatra: “Hamafisinay foana fa tena ilaina ny manetry tena, ary tsy mety ny mihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina. Ampianarinay izy ireo mba ho matotra, hangoraka, hahay hiatrika olana lehibe nefa mbola ho faly foana. Tratran’ilay sekoly ny zava-kendreny raha tsara fanahy ireo rahalahy, ary mampiseho fa te hanompo fa tsy hotompoina.”

Manaiky an’izany teny izany ireo mpianatra. Hoy i Emmanuel, nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-14: “Ny fanendrena ho ao amin’ny fiangonana iray akory tsy midika hoe tokony ho maika hanitsy ny zavatra madinika rehetra isika. Tokony hiezahantsika mafy kosa ny hiaraka amin’ny fiangonana hanao ilay asa lehibe indrindra, dia ny fitoriana ny vaovao tsara.”

Hoy i Moses, mpisava lalana: “Nanjary takatro fa afaka mampiasa izay olona tsotsotra rehetra i Jehovah, ary tsy dia zava-dehibe loatra indraindray ny fahalalana sy ny traikefa. Ny fitiavana ny fiangonana sy ny fitoriana ary ny fiaraha-miasa no tena zava-dehibe aminy.”

Fivoriambe

Fotoana nahafaly ny firenen’ny Israely ireo fety talohan’ny andro kristianina sy ireo “fivoriana masina”, sady nanampy an’ireo mpanatrika mba hifantoka tamin’ny fivavahana. (Lev. 23:21; Deot. 16:13-15) Toy izany koa ny fivoriamben’ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny. Tsy toerana maoderina fanaovana fanatanjahan-tena no anaovana ny fivoriamben’ny vondrom-paritra eto Zambia. Manorina toerana antsoin’ireo rahalahy hoe tanànan’ny fivoriambe izy ireo. Tsy inona izany fa trano rantsankazo kely natao hatoriana.

Nisy trano mafy kokoa naorina tamin’ireny toerana ireny tatỳ aoriana. Tena sarotra sady be olana tsy maintsy novahana anefa ny fivoriambe, taloha. Hoy ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra iray: “Nanorina trano bongo ho ahy teo amin’ilay toerana nanaovana fivoriambe matetika ireo rahalahy. Matetika izy io no trano bozaka. Nanao fefy nanodidina ny toerana fipetrahana izy ireo avy eo. Dongon-tany nasiana bozaka no natao seza. Naravon’ireo rahalahy indraindray ny tampon’ny dongona nisy vitsikazo taloha. Nanao tranoheva teo ambonin’izy io izy ireo, mba hatao lampihazo.”

Nilaza toy izao i Peter Palliser, misionera: “Nanapa-kevitra ny hanao lampihazo avo kokoa ireo rahalahy tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra iray. Nomanin’ny rahalahy iray nahay nampiasa dinamita ilay toerana. Napoakany avy eo ny tampon’ilay dongona fitoeran’ny vitsika taloha, izay nisy enina metatra ny haavony. Teo amin’io no nanorenanay ny lampihazo.”

Fiezahana hanatrika

Lavitra sy saro-dalana ny ankamaroan’ireo toerana fanaovana fivoriambe. Tsaroan’i Robinson Shamuluma ny fivoriambe natrehiny tamin’ny 1959. Hoy izy: “Nisy 15 teo ho eo izahay no nandeha bisikileta nankany Kabwe any amin’ny Faritany Afovoany. Nitondra sakafo maivana sy trondro maina izahay mba hohanina. Natory tany anaty ala izahay isan’alina. Nandray fiarandalamby izahay tany Kabwe, ary tonga tany amin’ny fivoriambe ihany, efatra andro taorian’ny niainganay.”

Tsaroan’i Lamp Chisenga ny rahalahy iray sy ny zanany enina izay nandeha an-tongotra sy am-bisikileta, 50 kilaometatra eo ho eo, mba hanatrehana fivoriambe iray. Hoy izy: “Nanomana sakafo hatao vatsy izy ireo, dia mangahazo natono sy voanjo ary totom-boanjo. Tsy maintsy nilasy tany anaty ala izy ireo matetika.”

Hitan’i Wayne Johnson, tamin’izy mpiandraikitra ny vondrom-paritra fa maro no nanao ezaka mba hanatrehana fivoriambe. Hoy izy: “Nisy mpisava lalana manokana iray nandeha bisikileta efa ho herinandro mba hanatrehana fivoriambe. Nandeha kamiao ny sasany. Maro no tonga aloha, izany hoe tamin’ny fiandohan’ilay herinandro hanaovana ny fivoriambe. Nipetraka nanodidina ny afon-dasiny izy ireo tamin’ny alina ary nihira. Be dia be izahay indraindray no nandeha nanompo, ka tsy maintsy niasana intelo ilay faritany tamin’iny herinandro iny.”

Niezaka foana na nisy aza ny fanoherana

Manatanjaka sy mankahery an’ireo rahalahy foana ny fivoriambe. Tsara laza ankehitriny ireo fivoriamben’ny vondrom-paritra. Nampiahiahy ny olona anefa izy ireny, tamin’ny fotoana nisian’ny fiovana ara-politika, indrindra fa tamin’ireo taona 1960 sy 1970. Nanao izay ho afany ny mpitondra fanjakana mba hameperana ny fivavahantsika. Tsy nomen’ny polisy fahazoan-dalana hanao fivoriana ho an’ny besinimaro ireo rahalahy, satria tsy nety nanao hiram-pirenena. Noferana koa ny isan’ny mpanatrika, tatỳ aoriana. Hoy i Darlington Sefuka: “Tamin’ny 1974 ny Vavolombelon’i Jehovah no navela hanao fivoriana teny an-kalamanjana farany. Nambaran’ny minisitry ny atitany fa tsy misy fivoriana ho an’ny besinimaro azo atao raha tsy atao ny hiram-pirenena, ary atsangana ny saina.” Navela hivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana anefa ireo rahalahy, fa tsy maintsy toerana mifefy bozaka fotsiny no nanaovana izany. Nanapa-kevitra ny hanao ny fivoriamben’ny faritra tany amin’ny Efitrano Fanjakana àry ny sampana, ka fiangonana iray na roa monja no nanatrika.

Natao vitsy koa ny mpanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra. Hoy ny rahalahy iray anisan’ny nandamina fivoriambe: “Tsy nanao fivoriambe tokana nisy mpanatrika maro intsony izahay, fa 20 nisy mpanatrika vitsivitsy. Maro ny rahalahy za-draharaha azonay nampiasaina handamina fivoriambe, rehefa foana ilay fandrarana, satria maro no nampiofanina sy nampiasaina tamin’ny fandaharana, sy tao amin’ireo sampan’asa.”

Batisa

Tamin’ireo taona 1940 dia natao izay hahazoana antoka fa nahatakatra tsara ny dikan’ny batisa ireo nirotsaka ho amin’izy io. Sarotra tamin’ny sasany ny niala tanteraka tamin’i “Babylona Lehibe” sy ny fanaon’ny fivavahan-diso. (Apok. 18:2, 4) Nanampy trotraka an’izany ny tsy fahaizana mamaky teny tsara, sy ny tsy fahampian’ny boky fianarana Baiboly azon’ny fiangonana maro. Nadinadinin’ny mpiandraikitra ny faritra sy vondrom-paritra tsirairay àry ireo hatao batisa, mba hahitana raha mahafeno fepetra na tsia. Hoy i Geoffrey Wheeler, avy tamin’ny kilasy faha-33 amin’i Gileada: “Nojerenay tsara ireo zazakely nentin’ireo reny maniry hatao batisa, sao misy ody na zavatra mifandray amin’ny finoanoam-poana. Efa misasak’alina izahay vao natory isan’andro tamin’ny herinandron’ny fivoriambe, satria be dia be ireo naniry hatao batisa.” Nanjary tsy nilaina intsony ireny fanadinadinana ireny, satria nanampy an’ireo anti-panahin’ny fiangonana ny mpiandraikitra mpitety faritany, sy ny boky toy ny Fanilon’ny Tongotro ny Teninao, ary ny fanitsiana hafa natao teo anivon’ny fandaminana.

Natahotra tampoka teny ambony sehatra!

Anisan’ny mampiavaka ny fivoriamben’ny vondrom-paritra ny fampisehoana tantara. Andraikitry ny mpilalao tsirairay ny maneho ny fihetseham-pon’ilay olona lalaoviny, ary tena manao izany amin’ny fony ny Zambianina. Hoy i Frank Lewis, misionera taloha ary anisan’ny mpianakavin’ny Betelan’i Etazonia izao: “Tsy nanana kasetin’ireo fampisehoana tantara izahay tamin’ny voalohany, ka tsy maintsy nitadidy izay holazainy ny mpilalao. Tsaroako ny fivoriambe tany amin’ny Faritany Avaratra, izay nanaovanay ny fampisehoana tantara voalohany, momba an’i Josefa. Somary ela fiasa ny paositra, ka tsy tonga tany amin’ireo rahalahy ireo taratasy nirakitra an’ilay tantara. Tsy maintsy nanao famerenana hatramin’ny alina be àry izahay mba hanampiana azy ireo hahatadidy izay hoteneniny. Natao ilay fampisehoana. Tonga ilay fizarana hoe nikiakiaka niantso an’i Potifara ny vadiny, nilaza fa saika hanolana azy i Josefa. Natahotra tampoka ilay rahalahy nilalao an’i Potifara, ka lasa nivoaka ny sehatra. Tao ambadiky ny sehatra aho, satria izaho no mpandrindra, ary hitako izy nivoaka. Nampahatsiahiviko azy haingana ireo teny voalohandohany tokony holazainy, ary natosiko hiverina teo ambony sehatra izy. Tena tsara avy eo ny fomba nilazany ireo teny fankahalany an’ilay lehilahy nitsangana sy nendrikendrehina ho nitady hanolana ny vadiny! Saika nanimba an’ilay fampisehoana io zava-nitranga io, nefa isaky ny mamaky an’ilay tantara ao amin’ny Baiboly aho, dia mieritreritra hoe: ‘Nety ho izay tokoa ange no nitranga e! Tezitra angamba i Potifara ka lasa nivoaka an’ilay efitra aloha, niomana kely, ary niverina mba hanameloka an’i Josefa!’

Nesorina tamin’ny 1978 ilay fandrarana naharitra efa-taona napetraky ny fitondrana, mahakasika ny isan’ny mpanatrika fivoriambe. Nanahirana anefa ny nandamina ny Fivoriambe “Finoana Mandresy” tamin’io. Hoy ny mpiandraikitra mpitety faritany taloha iray: “Nataonay tamin’io daholo ny fampisehoana tantara rehetra tsy nataonay nandritra ireo taona tsy maintsy nanaovanay fivoriambe tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Naharitra dimy andro ilay fivoriambe, ary nisy fampisehoana tantara dimy, izany hoe iray isan’andro. Vitanay daholo àry ireo tantara tsy vitanay taloha! Tena nahafinaritra ilay izy, saingy nanahirana an’ireo solontenan’ny Betela, izay tsy maintsy nijery ny famerenana rehetra. Tena asa be ilay izy!”

“Mbola tsy nanatrika fivoriambe nahafinaritra toy izany aho”, hoy ny rahalahy iray anisan’ny Komitin’ny Sampana. “Nivoaka avy tao amin’ireo tranokeliny ireo rahalahy ny maraina, ary nilamina sy nadio tsara ny fitafiany. Tonga ho eo anatrehan’i Jehovah izy ireo, ka nitafy tsara. Tsy mba nisy alokaloka ny toeran’izy ireo matetika, nefa nafana be ny masoandro. Nijanona teo nandritra ny andro anefa izy ireo, ary nihaino tsara. Tena nahafinaritra ny nijery izany.” Mitana toerana lehibe eo amin’ny fivavahantsika Vavolombelon’i Jehovah ny fiaraha-mivory. (Heb. 10:24, 25) Na “malahelo” noho ny olana manokana na ny fanoherana ara-pivavahana na tsia ny vahoakan’i Jehovah, dia “mifaly mandrakariva” izy ireo rehefa manatrika fivoriambe.—2 Kor. 6:10.

Fanorenana Efitrano Fanjakana

“Manoratra an’ity taratasy ity aho, hanomezan-dalana ny fiangonana voatonona etsy ambony mba hanana ny taniny. Ho fananan’izy ireo varo-maty izy io, ary manaiky azy ireo ho eo mandritra ny 150 taona aho. Tsy tokony hohelingelenina izy ireo mandra-pahatongan’ny Paradisa.”—Filoha Kalilele.

Efa teo am-piandohan’ny taonjato faha-20 ny mpitady ny fahamarinana tatỳ atsimon’i Afrika no nahatsapa fa nilaina ny niara-nivory mba hivavaka. Nilaza i William Johnston, tamin’ny 1910 tany ho any, fa nanorina toeram-pivoriana tamin’ny fitaovana teo an-toerana ireo antoko-mpitory nitombo be, ka nahazaka 600 ny sasany tamin’ireny. Maro no maika hahazo toeram-pivoriana, nefa tsy ny rehetra. Izao no nolazain’i Holland Mushimba, nianatra ny fahamarinana tamin’ny 1930 tany ho any: “Nampirisihina hanana toeram-pivoriana ireo rahalahy, nefa tsy dia nantitranterina teo anivon’ny fiangonana izany. Teny amin’izay toerana nety izahay no nivory, ka teo ambany hazo izany, na teny an-tokotanin’ny rahalahy. Izao no hevitry ny sasany, miorina amin’ny Lioka 9:58: I Jesosy aza tsy nanana toerana nivoriana, ka nahoana isika no tokony hieritreritra ny hanorina?”

Toerana tsotra sy vonjimaika vita tamin’ny hazo ratsiratsy sy fotaka no nivoriana, talohan’ny 1950. Nandresy lahatra mpitantana toeram-pitrandrahana iray tany Copperbelt i Ian Fergusson, mba hanome tany hanaovana Efitrano Fanjakana. Naorina tany Wusikili àry ny Efitrano Fanjakana voalohany, tamin’ny 1950. Folo taona tatỳ aoriana vao nanao fandaharam-panorenana maty paika ireo rahalahy. Ny voalohany tamin’izany dia Efitrano Fanjakana iray nisy tafo fisaka, nitentina 12 000 kwacha zambianina. Vola be izany tamin’izany, nefa latsaka ny 36 000 ariary izany ankehitriny, vokatry ny fisondrotan’ny vidim-piainana!

Tsy nety nividy karatry ny antoko politika ny Vavolombelona, ka lasibatry ny herisetran’ireo tia tanindrazana. Nodorana ireo toeram-pivoriana. Tsinjon’ireo rahalahy fa hisy fanafihana maro, ka nisy nieritreritra hoe tsara kokoa ny mivory eny an-kalamanjana fa tsy manao trano. Nisy fameperana hafa tamin’ny 1970 tany ho any, ka vao mainka sarotra ny nahazo tany. Fantatry ny rehetra fa tsy manohana antoko politika mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanamafy anefa ny manam-pahefana sasany fa tokony hisy karatry ny antoko politika ampiarahina amin’ny taratasy fangatahana rehetra.

Hoy i Wiston Sinkala: “Tany aza tsy azonay, ka mainka fa fahazoan-dalana hanorina. Nolazainay tamin’ny filan-kevitry ny tanàna fa hotorinay izy ireo, nefa noheverin’izy ireo fa nivazivazy izahay. Nahita mpisolovava nahay anefa izahay, ka nandresy tany amin’ny fitsarana, afaka roa taona. Nandidy an’ilay filan-kevitry ny tanàna ny fitsarana mba hanome tany ho anay. Nanomboka teo ny fahalalahana.”

Soavaly mainty

Nahalana vao nisy fiangonana nahazo tany nisy taratasy ara-dalàna. Nahita tany ireo rahalahy matetika, nefa tsy afaka nanorina trano, raha tsy nahazo taratasy. Lafo ny fitaovana, ka trano maro no vita tamin’ny fanitso na barìka nofisahina ary nofantsihana tamin’ny hazo. Niresaka momba ireny trano ireny ny anti-panahy iray hoe: “Nolokoanay tamin’ny godorao ireo fanitso, ka toy ny soavaly mainty lehibe ny fahitana an’ilay trano avy lavitra. Tsy zaka koa ny hafanana tao anatiny.”

Hoy ny mpiandraikitra ny faritra taloha iray: “Sadaikatra aho ankehitriny miantso an’ireny toerana ireny hoe Efitrano Fanjakana. Tena tsy nety ho an’i Jehovah, Andriamanitra Avo Indrindra, izy ireny.”

Nanofa trano ny fiangonana sasany. Tsy nandany vola izany, nefa niteraka olana hafa. Niaraka tamin’ilay hany fiangonana niteny anglisy teto Lusaka i Edrice Mundi tamin’ireo taona 1970. Hoy izy: “Nanofa trano fandihizana izahay. Nisotro sy nandihy mandra-paharainan’ny andro tao ny olona, isaky ny asabotsy. Tonga maraina be izahay ny alahady mba hanadio. Nisy fofona labiera sy sigara eran’ilay trano. Tena tsy nety ny nivavaka tamin’i Jehovah tao amin’izany toerana izany.”

Hoy kosa i Jackson, vadin’i Edrice: “Nisy tovolahy niditra tao indray alahady maraina, nandritra ny fivoriana. Namakivaky an’ilay trano izy, nankeny aloha, naka tavoahangina labiera hadinony tamin’ny alina, ary lasa nivoaka. Toa tsy hitany akory ny mpanatrika tao.” Tsy mahagaga raha naniry hanana Efitrano Fanjakana ireo rahalahy!

Fandaharana nanan-tantara

Nihamaro ny olona nandray ny hafatra momba ilay Fanjakana, ka nilaina ny trano mendrika. Na dia nafana fo sy nazoto aza anefa ny rahalahy sasany, dia zara raha afaka namelona ny fianakaviany, mainka fa hoe hanome vola hanaovana Efitrano Fanjakana. Nanome zavatra tsy nampoizina i Jehovah, satria tsy fohy mihitsy ny tanany.

Nisy fanadihadiana natao, ka fantatra fa Efitrano Fanjakana 8 000 no ilaina any amin’ny tany 40 an-dalam-pandrosoana. Tapa-kevitra ny hanafaingana ny fanorenana àry ny Filan-kevi-pitantanana. Fantatra fa mety ho vitsy ny mpiasa mahay ho afaka hanao ilay asa, any amin’ny tany sasany. Mety ho vitsy koa ny fitaovam-piasana. Tsy ho afaka hamerina vola be samborina koa ny fiangonana sasany. Mihamaro anefa ny mpitory, ka sarotra tamin’ny sampana sasany ny nanao fandaminana maty paika. Natsangan’ny Filan-kevi-pitantanana àry ny komitin’ny mari-trano sy fanorenana tany Etazonia, mba hiandraikitra ny fanorenana Efitrano Fanjakana eran-tany. Navoaka ny toromarika momba ny fanorenana Efitrano Fanjakana any amin’ny tany mahantra, ary nisy mpiasa an-tsitrapo mahay, notendrena hiasa tany an-tany hafa.

Nila nahitsy fotsiny ny fomba fiasa na hevitra teo an-toerana indraindray. Nanohana ny asa fanorenana, ohatra, ny vehivavy teto Zambia, ka nisinton-drano sy nitaona fasika ary nahandro. Tian’ny ekipa mpanao fanorenana anefa raha nandray anjara nivantana tamin’ilay fanorenana ireo anabavy.

Tsy nino mihitsy ny filoha iray tany amin’ny Faritany Atsinanana, rehefa nahita anabavy nanao rindrin’ny Efitrano Fanjakana. Hoy izy: “Mbola tsy nahita vehivavy nandrafitra biriky toy izao aho hatramin’izay niainako, sady izay indray vita tsara! Tombontsoa be ny mahita an’izao.”

“Hopitalinay ara-panahy”

Nisy vokany lalina teo amin’ny fiaraha-monina ilay fandaharam-panorenana. Nanjary nandefitra kokoa ny maro tamin’ireo tsy niraika na nanohitra. Nanohitra ny fanorenana Efitrano Fanjakana teo an-tanànany, ohatra, ny filoha iray tany amin’ny Faritany Atsinanana. Hoy anefa izy tatỳ aoriana: “Tsy tena te hanohitra ilay fanorenana aho, raha ny marina, fa voataonan’ireo mpitondra fivavahana hafa fotsiny. Hitako izao fa zavatra tsara no ataonareo. Ity trano tsara tarehy ity izao no hopitalinay ara-panahy.”

Ny fitoriana ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” no “asa” voalohany ataon’ny Kristianina. (2 Kor. 6:5; Matio 24:14) Sady mampirisika ny vahoakan’Andriamanitra hitory ny fanahy masina, no manosika azy ireo koa mba hiasa mafy hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana, amin’ny alalan’ny fanorenana toeram-pivoriana mendri-kaja. Lasa manana tanjona voafaritra tsara koa ireo fiangonana. Hoy ny rahalahy iray: “Mahazo toky izahay izao rehefa mandeha manompo sy manasa olona hivory, satria fantatray fa ho tonga izy ireny. Tsy ho any amin’ny trano bozaka anefa, fa ho any amin’ny Efitrano Fanjakana manome voninahitra an’i Jehovah.”

Hoy koa ny rahalahy iray: “Mety tsy ho mendrika an’ity Efitrano Fanjakana tsara tarehy ity izahay atỳ ambanivohitra lavitra atỳ, fa mendrika azy io kosa i Jehovah. Faly aho fa mahazo voninahitra izy, noho izao toeram-pivavahana tsara kokoa izao.”

Asa fitetezam-paritany

Tsy maintsy miaritra ny mpanompon’Andriamanitra. (Kol. 1:24, 25) Anisan’ireo mahafoy tena ho an’ilay Fanjakana ny mpiandraikitra mpitety faritany. Miasa amim-pitiavana ireny mpiandry manatanjaka ny fiangonana ireny, ka tena “lehilahy ho fanomezana.”—Efes. 4:8; 1 Tes. 1:3.

Tamin’ny faramparan’ireo taona 1930 dia nisy lehilahy mahay, nampiofanina ho mpanampy ny vakim-paritra sy ny fileovana. Antsointsika hoe mpiandraikitra ny faritra sy vondrom-paritra izy ireny izao. Hoy i James Mwango: “Tsy mora ny nitety fiangonana. Nomena bisikileta izahay, nefa tsy maintsy niaraka taminay ireo rahalahy nandeha an-tongotra, mba hitondra ny entanay. Andro maromaro vao tonga tany amin’izay nalehanay izahay. Nandany tapa-bolana isaky ny fiangonana izahay matetika.”

“Tonga dia safotra” izy

Sarotra hatramin’izao ny mandeha any ambanivohitra. Efa 80 taona mahery izao i Robinson Shamuluma, mpiandraikitra mpitety faritany taloha niaraka tamin’i Juliana vadiny. Tsaroan’i Robinson fa tratran’ny oram-be izy ireo indray mandeha, tamin’ny fahavaratra. Nazava tsara ny lalana, rehefa nitsahatra ny orana, saingy tonga hatreny amin’ny laselin’ny bisikiletan’izy ireo ny fotaka! Reraka loatra i Juliana, vao tonga tany amin’ny fiangonana nanaraka, ka ny rano hosotroiny aza saika tsy tongany tao am-bavany.

Mpiandraikitra ny faritra sy vondrom-paritra i Enock Chirwa tamin’ny 1960 sy 1970 tany ho any. Hoy izy: “Tena andro sarotra ny alatsinainy, satria andro fanaovana dia. Hadinonay anefa izany, rehefa tonga tany amin’ireo fiangonana izahay. Nahafaly anay ny niaraka tamin’ireo rahalahy.”

Tsy ny elanelan-tany sy ny fahasahiranana ihany no vato nisakana. Niaraka tamin’ny rahalahy roa i Lamp Chisenga, tamin’ny dia iray nankany avaratra. Nahita biby iray terỳ lavidavitra izy ireo, teo amin’ny lalana feno vovoka. Hoy ny Rahalahy Chisenga: “Tsy hitan’ireo rahalahy tsara ilay izy. Nipetraka teo an-dalana, toy ny alika, izy io. ‘Inona io?’, hoy aho. ‘Inona io?’ Fantatr’ilay rahalahy iray avy eo fa liona ilay izy. Nikiakiaka noho ny tahotra izy, ary tonga dia safotra. Nijanona elaela teo izahay, mba hamelana an’ilay liona handeha tany anaty ala.”

Efa 26 taona no nanompoan’i John Jason sy Kay vadiny teto Zambia, ary nisy fotoana nanaovan’izy ireo ny asan’ny vondrom-paritra. Nianatra ny hanam-paharetana izy ireo, nanoloana ny olana “ara-teknika.” Hoy i John: “Nitondra fiara tao anatin’ny 150 kilaometatra izahay indray mandeha, nefa tapaka ny resaoro. Tsy nanana piesy izahay, sady tsy nahita olona hangatahana fanampiana. Nisaofy koa ny maotera avy eo. Zavatra iray ihany no azonay natao: Nampiasainay ny rano rehetra nanananay mba hampangatsiahana an’ilay motera, ary nanaovana dite farany ny ambiny kely. Nitokana ilay toerana, nafana ny andro, ary reraka izahay, ka nipetraka tao anaty fiara sy nivavaka tamin’i Jehovah mba hanampy anay. Nisy fiara mpanao lalana nandalo tamin’ny telo hariva. Io no fiara voalohany tamin’io andro io. Vonona ny hitarika anay izy ireo, rehefa nahita ny fahorianay. Tonga tany amin’ireo rahalahy izahay, rehefa nadiva ho alina ny andro.”

Mianatra ny hatoky an’i Jehovah sy ny rahalahy

Rehefa miatrika zavatra toy izany ny mpiandraikitra mpitety faritany, dia mianatra haingana ny hitoky amin’i Jehovah Andriamanitra sy ny rahalahy kristianina, izay azo ianteherana kokoa noho ny fahaizana sy ny fananana. (Heb. 13:5, 6) “Vao roatokombolana no nanombohanay ny asan’ny vondrom-paritra, dia efa nahita olana izahay”, hoy i Geoffrey Wheeler. “Tao amin’ny toerana nanaovana fivoriambe izahay, ary niomana ho amin’ilay fandaharana. Nisy nanome ahy fatana solika efa ratsiratsy. Nafana sy be rivotra tamin’izay, ka nidedadeda ny afo, rehefa nandrehitra an’ilay fatana aho. Vetivety dia tsy voafehy intsony ilay afo. Nirehitra ny pne alohan’ilay Land Rover, ka tsy ela dia may ilay fiara manontolo.”

“Nampalahelo ilay fiara may, nefa mbola nisy zavatra hafa koa nanampy trotraka. Hoy i Geoffrey: “Tao anaty vata vy mainty tao anatin’ilay Land Rover ny akanjonay. Tsy may izy ireo fa nikainkona. Nankany amin’ny ilany mbola tsy nirehitra ireo rahalahy, ka voavonjiny tao ny fandrianay sy ny lobaka iray, ary ny milina fanoratako. Tena nankasitrahanay ny fahakingan’izy ireo!” Niara-may tamin’ilay fiara ny fananan’izy ireo. Tsy hiverina an-tanàn-dehibe anefa izy ireo, raha tsy afaka roa volana. Ahoana àry no nataony? Hoy i Geoffrey: “Nampindrana karavato ahy ny rahalahy iray, ary kiraro fingotra somary nalalaka izay no nanaovako, nandritra ny lahateny ho an’ny besinimaro. Vitanay ny niatrika an’ilay izy, ary nanao izay ho afany ireo rahalahy mba hampaherezana an’ity mpiandraikitra ny vondrom-paritra tsy za-draharaha.”

Fandriana tsy tratran’ny bibilava

Vonona ny hahafoy tena hatrany ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny, satria nampahery azy ireo ny fitiavana sy fiahian’ireo fiangonana, izay ‘nanaraka lalan’ny fitiavana mandray vahiny.’ Matetika tokoa ireo fiangonana no nanome tamim-pitiavana, na dia sahirana aza, ka tena nankasitrahana izany.—Rom. 12:13; Ohab. 15:17.

Tsotra matetika ny filasiana nomena ny mpiandraikitra mpitety faritany, nefa nomena tamim-pitiavana. Mpiandraikitra ny faritra i Fred Kashimoto tamin’ny 1980 tany ho any. Alina izy vao tonga tao amin’ny tanàna iray tany amin’ny Faritany Avaratra. Noraisin’ireo rahalahy tsara izy. Niditra tao amin’ny tranokely iray izy rehetra, ary napetrak’ireo rahalahy teo amin’ny latabatra lehibe iray ny entany. Nisy 1,50 metatra ny haavon’io latabatra io. Efa alina ny andro, ka nanontany ny Rahalahy Kashimoto hoe: “Aiza aho no hatory?”

Notondroin’ireo rahalahy ilay latabatra, sady hoy izy ireo hoe: “Io ny fandrianao.” Be bibilava teo amin’ilay toerana, ka nanamboatra an’io fandriana azo antoka kokoa io ireo rahalahy. Bozaka no natao kidoron’ny Rahalahy Kashimoto, ary natory izy.

Biby fiompy matetika no fanomezana ataon’ny any ambanivohitra. Nihomehy i Geoffrey Wheeler nitantara toy izao: “Nomen’ireo rahalahy akoho izahay indray mandeha. Nataonay teo ambony talantalana tao an-kabine ilay izy, talohan’ny natorianay. Nitsambikina avy teo anefa ilay akoho, ka latsaka tao anaty lavaka. Voasintonay avy tao ihany anefa izy. Nosasan’ny vadiko tamin’ny rano mafana nisy savony sy ranoka famonoana bibikely ilay izy avy eo. Nandrahoinay ilay akoho, tamin’ny faran’ilay herinandro, ary natsiro ilay izy!”

Nandray soa avy tamin’ny fahalalahan-tanana toy izany koa ry Jason mivady. “Mahazo akoho velona avy amin’ireo rahalahy izahay matetika”, hoy i John. “Nanana harona kely izahay, ary nataonay tao ny akohovavy iray, nandritra ny fitetezanay vondrom-paritra. Nanatody isa-maraina izy io, ka tsy foinay nohanina. Rehefa nampirina entana ho any amin’ny toerana nanaraka izahay, dia nataony nazava fa te hiaraka taminay izy.”

Sarimihetsika

Nisy fampianarana namelombelona, nanomboka tamin’ny 1954, vokatr’ilay sarimihetsika hoe Ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao Miasa, sy ny sarimihetsika hafa. Nilaza ny tatitry ny biraon’ny sampana tamin’izany fa “maro no lasa nazoto nanompo sy niasa teo anivon’ny fiangonana.” Nisy nampiasa teny faneva, rehefa nandrava ny toeram-pivoriana, taorian’ny fampisehoana sarimihetsika. Hoy izy ireo hoe: “Ndao hatao hoatran’ny fanaovan’ny ‘Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao’ azy”, izany hoe “amim-pahazotoana”! Olona 42 000 mahery no nahita an’io sarimihetsika io tamin’ilay taona voalohany, anisan’izany ny tompon’andraiki-panjakana sy fampianarana, izay tena niaiky volana mihitsy. Maherin’ny iray tapitrisa no nahita azy io teto Zambia tatỳ aoriana, ka lasa nahafantatra ny Vavolombelona sy ny fandaminany kristianina.

Tsaroan’i Wayne Johnson ny vokatr’izy io. Hoy izy: “Tonga nijery an’ilay sarimihetsika ny olona avy any amin’ny kilaometatra maro nanodidina. Nampianatra azy ireo zavatra betsaka momba ny fandaminan’i Jehovah izy io. Nisy tehaka nirefodrefotra sy naharitra matetika, nandritra ilay fampisehoana.”

Nisy fotoana nampisehoana sarimihetsika iray ny hariva, nandritra ny fivoriamben’ny faritra. Zavatra hafakely izany tany ambanivohitra. Nisy vokany lalina ilay izy, na dia tsy nahazatra ny olona, na tsy azony mihitsy aza, ny zavatra sasany tao. Naseho tamin’ny sarimihetsika iray, ohatra, ny olona maro be nivoaka avy tao amin’ny garan-damasinina ambanin’ny tanin’i New York. Maro no nihevitra fa fitsanganana amin’ny maty no tiana haseho tamin’izay! Nanampy ny olona hahafantatra kokoa ny Vavolombelon’i Jehovah anefa ireny sarimihetsika ireny. Niova anefa ny zava-misy, ary nanjary tsy tia an’ireo rahalahy ny Zambianina maro, satria te hahazo fahaleovan-tena. Nisy zavatra nitaky fiaretana be kokoa tamin’ireo fiangonana sy mpiandraikitra mpitety faritany.

Adilahy politika

Nahazo fahaleovan-tena avy tamin’i Grande-Bretagne i Rodezia Avaratra tamin’ny 24 Oktobra 1964, ka lasa Repoblikan’i Zambia. Henjana ny adilahy politika tamin’izany. Tsy momba ny atsy na ny aroa ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nolazaina fa nanohana an-kolaka ny mpanjana-tany.

Tsaroan’i Lamp Chisenga ny fitsidihana tany amin’ny Farihy Bangweulu tamin’izany. Nikasa handray sambo izy mba ho any amin’ny nosy iray, hitsidika Vavolombelona mpanjono nipetraka tao. Tsy maintsy nandeha fiara mpitatitra izy aloha mba ho any amin’ilay farihy. Nasaina nampiseho karatry ny antoko politika izy, rehefa niala tamin’ilay fiara. Mazava ho azy fa tsy nanana izy. Nalain’ireo mpisava azy ny kitapony. Nahita baoritra iray nisy soratra hoe “Tilikambo Fiambenana” ny iray tamin’izy ireo. Notsofiny avy hatrany ny sifile, ary niantsoantso izy hoe: “Tilikambo Fiambenana! Tilikambo Fiambenana!”

Natahotra korontana ny tompon’andraikitra iray, ka natosiny hiverina tao anatin’ilay fiara mpitatitra i Lamp sy ny entany. Nisy olona tafangona teo, ary nanomboka nitora-bato an’ilay fiara, nikapoka ny varavarana sy ny pne ary ny varavarankely. Niainga haingana ilay mpamily, ka tsy nijanona raha tsy tany Samfya, 90 kilaometatra eo ho eo avy teo. Nilamina ilay raharaha, rehefa alina ny andro. Niverina i Lamp ny ampitso maraina, ary nilamina tsara sy nandray sambo handeha hitsidika an’ireo fiangonana kely nanodidina an’ilay farihy.

Naneho “fiaretana be” ireo mpiandraikitra mpitety faritany, rehefa nampiseho ny tenany ho mpanompon’Andriamanitra foana. (2 Kor. 6:4) Nanamorona ny Reniranon’i Zambèze ny faritra notsidihin’i Fanwell Chisenga. Hoy izy: “Nitaky fahafoizan-tena sy fandavan-tena be ny fitsidihana.” Tsy maintsy nanao dia lavitra tamin’ny lakana efa tranainy sy tafiditry ny rano ireo nitsidika an’io faritra io. Misy hipopotama tezitra ao amin’ilay renirano, ary ho vitany mora foana ny mampivadika lakana. Inona no nanampy an’i Fanwell hiaritra? Nitsiky izy nijery ny sarin’ireo rahalahy teo anivon’ny fiangonana iray, nanaraka azy hatreny amoron’ilay renirano. Niaiky izy fa ireo rahalahy sy anabavy no anisan’ny antony niaretany. Nisento izy nanontany hoe: “Aiza koa ianao no hahita tarehy falifaly toy izao eto anivon’ity tontolo tezitra ity?”

Tsy momba ny atsy na ny aroa

Nanoratra ny apostoly Paoly hoe: “Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao, mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila.” (2 Tim. 2:4, Fandikan-teny Protestanta) Vonona ny hiasa ho an’i Jesosy Kristy Mpitarika azy foana ny Kristianina, ka tsy miditra mihitsy amin’ny raharaha ara-politika sy ara-pivavahan’ity tontolo ity. Sarotra sady miteraka “fahoriana” ho an’ny tena Kristianina indraindray ny tsy fidirana amin’ny raharahan’izao tontolo izao.—Jaona 15:19.

Maro no nampijalina tamin’ny Ady Lehibe II, satria nolazaina fa “tsy tia tanindrazana.” Hoy i Benson Judge, izay lasa mpiandraikitra mpitety faritany be zotom-po: “Nisy lehilahy zokiolona natsipy tao anaty kamiao toy ny gonin-katsaka, noho izy tsy nety nanao raharaha miaramila. Renay izy ireo niteny hoe: ‘Tidzafera za Mulungu’ (Ho faty ho an’Andriamanitra izahay).”

Mbola tsy vita batisa i Mukosiku Sinaali tamin’izany, nefa tsaroany tsara fa nananontanona teny foana ny raharaha miaramila. “Nasaina nandavaka sy nanangona fakana mambongo ny rehetra, satria nahazoana fingotra tsara izy io. Nosaratsarahina sy nokapohina ny fakan’izy io, ary natao lavalava sy nofatorana. Nanamboarana solona fingotra izy ireny, mba hanaovana kiraro ho an’ny miaramila. Tsy nety naka an’ireny fakan-kazo ireny ny Vavolombelona, satria nifandray tamin’ny ady ny fanaovana izany. Voasazy àry ireo rahalahy, ary nanjary ‘olona tsy nilaina.’ ”

Anisan’ireo “tsy nilaina” toy izany i Joseph Mulemwa. Teraka tany Rodezia Atsimo izy, ary tonga tany amin’ny Faritany Andrefan’i Rodezia Avaratra tamin’ny 1932. Nisy nilaza fa nampirisika ny olona tsy hamboly intsony izy, satria ‘efa akaiky ilay Fanjakana.’ Mpitondra fivavahana tany Mavumbo no nanaparitaka io fiampangana io, noho izy io tsy tia an’i Joseph. Nosamborina àry i Joseph, nofatorana rojo, ary nentina tany amin’ny lehilahy adala iray. Nisy nihevitra fa hamely an’i Joseph ilay lehilahy. Nitony anefa io lehilahy io, rehefa nihaona tamin’i Joseph. Nafahana i Joseph, ary nitory sy nitsidika fiangonana indray. Maty nahatoky izy, tamin’ny 1985 tany ho any.

Nohatanjahina mba hiatrika fitsapana

Nohindrahindraina be ny fitiavan-tanindrazana, ary nisy fifanolanana teo amin’ny fiaraha-monina. Nampitahorina àry ireo tsy afaka nandray anjara tamin’ny raharaha politika, noho ny feon’ny fieritreretany. Henjana ny zava-nisy teto. Hita anefa fa misy fiadanana sy firaisan-tsaina eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa natao tao Kitwe ilay Fivoriambem-pirenena “Mpitory Be Herim-po” tamin’ny 1963. Efa ho 25 000 ny mpanatrika. Nisy nitondra lay sy tranofiara mba hanatrika io fivoriambe dimy andro io. Nankafy an’ilay fandaharana natao tamin’ny fiteny efatra azony nisafidianana izy ireo. Niavaka ny lahatenin’i Milton Henschel, izay nifantoka tamin’ny fifandraisan’ny Kristianina amin’ny Fitondrana. Hoy i Frank Lewis: “Tsaroanay izy niteny taminay mba hanampy an’ireo rahalahy hahatakatra hoe tsy anisan’izao tontolo izao isika. Tena faly izahay noho ireo torohevitra ara-potoana azonay. Niatrika fitsapana nivaivay mantsy ny ankamaroan’ireo rahalahy teto Zambia taorian’izay, nefa tsy nivadika tamin’i Jehovah!”

Nenjehina sy nampiasana herisetra ny Vavolombelon’i Jehovah maro, tamin’ireo taona 1960, ary nopotehina ny fananany. Noravana ny trano sy Efitrano Fanjakana. Mendri-piderana ny fitondram-panjakana, satria nogadrainy ny maro tamin’ireo nanao izany. Rehefa nahazo fahaleovan-tena i Rodezia Avaratra, ka lasa Repoblikan’i Zambia, dia nahaliana manokana ny Vavolombelona ny zon’olombelona fototra, nomen’ilay lalàm-panorenana vaovao. Tsy ela anefa ireo nilaza ho tia tanindrazana dia nanafika an’ireo tsy manan-tsiny.

Famantarana ny firenena

Nosazina ny zanaka Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany, satria tsy nanome fanajana manokana ny sainam-pirenena anglisy, noho ny antony ara-pivavahana. Nosazina koa izy ireo, satria tsy nety nihira ny hiram-pirenena. Nisy fanazavana nomena ny manam-pahefana, ka somary nihanalefaka ny minisiteran’ny fampianarana. Izao no nosoratan’izy ireo: “Fantatry ny rehetra sady hajaina ny hevitry ny [fivavahanareo] momba ny fananganan-tsaina. Tsy misy ankizy tokony hosazina noho ny tsy fetezany hanangan-tsaina.” Nantenaina avy tamin’ilay lalàm-panorenana repoblikanina vaovao fa hohamafisina ny fahalalahana fototra, dia ny hanaraka ny feon’ny fieritreretana sy hieritreritra ary ny fahalalahana ara-pivavahana. Nohindrahindraina be indray anefa ny fitiavan-tanindrazana, rehefa nisy saina sy hiram-pirenena vaovao. Naverina tany an-tsekoly ny fananganan-tsaina sy fanaovana hiram-pirenena isan’andro, sady nantitranterina kokoa. Nisy ankizy Vavolombelona navela tsy hanatrika izany, fa nokapohina sy voaroaka tany an-tsekoly kosa ny maro hafa.

Nisy fanantenana kely nipoitra, rehefa navoaka tamin’ny 1966 ny lalàna vaovao momba ny fampianarana. Noresahina tao fa azon’ny ray aman-dreny na ny mpiantoka atao ny mangataka mba tsy hanatrehan’ny zanany fotoam-pivavahana na fety ara-pivavahana. Ankizy maro natsahatra na voaroaka àry no noraisin’ny sekoliny indray. Tsy ela taorian’izay anefa dia nisy nanao zavatra nangingina mba hanitsiana ilay lalàna. Nolazain’ilay fanitsiana fa famantarana tsy ara-pivavahana ny saina sy ny hiram-pirenena, ary natao hahatsiarovana ny tanindrazana fotsiny. Niresaka tamin’ny manam-pahefana ireo rahalahy, nefa tsy nisy vokany izany. Ankizy 3 000 mahery no noroahina tany an-tsekoly, tamin’ny faran’ny 1966, noho izy ireo tsy naman’izao tontolo izao.

Tsy nisy sekoly ho an’i Feliya

Tonga ny fotoana nitsapana raha ara-dalàna izany zavatra izany. Nisy raharaha iray nofidina hoentina tany amin’ny fitsarana. Mpianatra tao amin’ny Sekolin’i Buyantanshi tany Copperbelt, i Feliya Kachasu. Fantatra fa ankizy hendry izy, nefa noroahina ihany. Tsaroan’i Frank Lewis fa nampakarina fitsarana ilay raharaha: “Atoa Richmond Smith no nisolo vava anay tamin’ilay raharaha. Tsy mora izy io, satria ny fitondram-panjakana no notorina. Nandre an’i Feliya nanazava ny antony tsy nananganany saina izy, ka tapa-kevitra ny handray ilay raharaha.”

Hoy i Dailes Musonda, mpianatra teto Lusaka tamin’izany koa: “Tena nanantena vokatra tsara izahay, rehefa niakatra fitsarana ny raharaha momba an’i Feliya. Nisy anadahy nanao dia lavitra avy tany Mufulira mba hanatrika an’ilay fitsarana. Nasaina izahay sy ny rahavaviko. Tsaroako i Feliya teo amin’ny fitsarana, nanao satroka fotsy sy akanjo mazavazava loko. Naharitra adiny telo ilay fitsarana. Mbola nisy misionera teto tamin’izany. Tonga teo ny Anadahy Phillips sy ny Anadahy Fergusson. Nihevitra izahay fa tsara ny nanatrehan’izy ireo teo.”

Izao no famaranan-tenin’ilay lehiben’ny mpitsara: “Tsy misy filazana mihitsy amin’ity raharahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ity, ka ahitana hoe tsy manaja ny hiram-pirenena na ny sainam-pirenena ny zavatra ataon’izy ireo.” Namoaka didy anefa izy fa zavatra tsy ara-pivavahana ny fananganan-tsaina, ary tsy afaka hamoaka didy miorina amin’ny lalàn’ny fampianarana izy mba tsy hanatrehan’i Feliya izany, na dia eo aza ny finoana amim-pahatsoran’i Feliya. Takina ny fananganan-tsaina, hoy izy, mba hisian’ny filaminam-bahoaka. Tsy noporofoina mihitsy anefa hoe nahoana ny fametrahana izany fepetra izany amin’ny ankizy iray tsy ampy taona no hahasoa ny vahoaka. Tsy nisy sekoly ho an’i Feliya, raha mbola nanaraka ny finoany kristianina ihany izy!

Hoy i Dailes: “Tena diso fanantenana izahay. Navelanay teo an-tanan’i Jehovah anefa ny zava-drehetra.” Nitombo ihany ny fanerena, ka niala tamin’ny fianarana i Dailes sy ny rahavaviny, tamin’ny 1967. Efa ho 6 000 ny zanaka Vavolombelon’i Jehovah voaroaka tany am-pianarana tamin’ny faramparan’ny 1968.

Voafetra ny fivoriana ho an’ny besinimaro

Nolazain’ny Didin’ny Filaminam-bahoaka tamin’ny 1966 fa tokony hosokafana amin’ny hiram-pirenena ny fivoriana rehetra ho an’ny besinimaro. Nanjary tsy nety àry ny nanao fivoriambe nanasana ny besinimaro. Nanara-dalàna ireo rahalahy, ka nanao fivoriana lehibe tany amin’ny toerana mitokana. Matetika izany no nanodidina ny Efitrano Fanjakana, nofefena bozaka. Gaga ny olona, ka maro no te hanontany. Nitombo be àry ny mpanatrika, ka 120 025 no nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 1967.

“Nisy fanoherana niharo herisetra tamin’izany”, hoy i Lamp Chisenga. “Notafihin’ny vahoaka romotra tany Samfya ny Rahalahy Mabo avy any amin’ny Fiangonana Kantansha, ka novonoiny ho faty. Nisy nanafika ireo rahalahy indraindray tany am-pivoriana, ary maro ny Efitrano Fanjakana nisy nandoro. Nanaja ny Vavolombelona foana anefa ny manam-pahefana, ka nosamborina sy nosazina ny mpanohitra sasany.”

Manana tafika ana habakabaka ry zareo!

Nanendrikendrika ny Vavolombelon’i Jehovah foana ireo mpanohitra, ary nilaza fa nanan-karena tampoka izy ireo, ka hanangana fitondram-panjakana vaovao. Tonga tampoka tao amin’ny biraon’ny sampana tany Kitwe, indray mandeha, ny sekreteran’ny antokon’ny mpitondra. Efa feno polisy tonga teo am-bavahady, vao fantatr’ireo rahalahy fa tonga izy. Tezitra be izy, rehefa nihaona tamin’ny solontenan’ny sampana. “Nomenay alalana hanorina trano ianareo”, hoy izy nampiaka-peo. “Inona no ataonareo amin’ireny? Biraom-panjakana ve ireny?”

Nino tsaho ny mpitondra fanjakana sasany. Nandefa etona mandatsa-dranomaso ny polisy tany amin’ny Faritany Avaratrandrefana, mba hiparitahan’ny mpanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra. Nahavita nandefa telegrama maika ho any amin’ny biraon’ny sampana ireo rahalahy. Nanana fiaramanidina kely ny rahalahy vahiny iray, ka nentiny nankany Kabompo tamin’io ny solontena hafa avy amin’ny sampana, mba hanampy hampitony an’ilay zava-nitranga sy ny hevitra tsy nifankahazo. Nampalahelo fa tsy nampisava ny ahiahin’ny sasany izany. Vao mainka aza nisy nilaza fa manana tafika ana habakabaka ny Vavolombelona!

Nangonin’ireo rahalahy tsara ireo fitoerana etona mandatsa-dranomaso tavela teo amin’ilay toerana. Nampiasain’ny solontenan’ny sampana izy ireny tatỳ aoriana, rehefa nitsidika manam-pahefana izy ireo mba hilazana ny fanahiany. Natao porofo izy ireny, mba hilazana fa nampiasa hery tsy tamin’antony ny polisy. Niely be ilay resaka, ka nanjary voamariky ny olona fa tsy nampiasa herisetra mba hamaliana izay nitranga ny Vavolombelona.

Fanazavana ny toerana tanantsika

Niezaka foana ny sasany mba hahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah ho tsy ara-dalàna. Te hanazava tamin’ny fitondrana ny sampana fa tsy momba ny atsy na ny aroa isika. I Smart Phiri sy Jonas Manjoni no nasaina hanao famelabelarana teo anatrehan’ny minisitra maro. Nanao teny nahery tamin’ireo rahalahy ny minisitra iray, nandritra ilay famelabelarana. “Tiako hoentina mivoaka ato mihitsy ianareo mba hodarohana!”, hoy izy. “Takatrareo ve ny zavatra nataonareo? Nalainareo ny mponina tsara indrindra, dia ny voaloham-bokatra, ka inona no mba navelanareo ho anay? Ny mpamono olona sy ny mpijangajanga ary ny mpangalatra!”

Namaly haingana ireo rahalahy hoe: “Olona toy izany ange ny sasany tamin’ireo taloha e! Mpangalatra sy mpijangajanga ary mpamono olona izy ireo, saingy nanova ny fiainany, noho ny herin’ny Baiboly, ka lasa mponina tsara indrindra eto Zambia. Izany no antony angatahanay aminareo mba hamela anay hitory an-kalalahana.”—1 Kor. 6:9-11.

Famindran-toerana sy fandrarana

Nasaina niala teto ny misionera, araka ny efa hitantsika. “Tsy hadinonay mihitsy ny Janoary 1968”, hoy i Frank Lewis. “Nisy rahalahy nitelefaonina anay mba hilaza taminay fa vao avy nitsidika azy ny mpiasan’ny fifindra-monina. Nomen’io manam-pahefana io taratasy izy, ary nahazo fito andro mba hamaranana ny asa fivelomany teto Zambia sy hialana teto. Nisy antso maro nifandimby taorian’izay. Farany, dia nisy rahalahy iray nilaza fa reny hoe trano lehibe iray any Kitwe indray no halehan’ireo manam-pahefana.” Mazava ho azy fa natao handravana ny firaisan-tsain’ny Vavolombelona izany fepetra henjana izany, mba hanakiviana azy ireo tsy hazoto hitory.

Neken’ny prezidà ny Didy Fiarovana ny Filaminam-bahoaka, herintaona taorian’izay. Nilaza izy io fa tsy ara-dalàna ny asa fitoriana isan-trano. Endrika fandrarana izany. Tsy maintsy nanamboatra ny fanompoany àry ireo rahalahy, ka ny fitoriana tsy ara-potoana no nomena vahana kokoa. Nanjary natao hoe Ny Taratasintsika Isam-bolana ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Natao hoe “Ny Fanompoantsika ato Anatiny” kosa ilay lohatenikely hoe “Fomba Fampiseho ny Vaovao Tsara.” Nanampy izany mba tsy hisarika ny sain’ireo mpanara-maso avy amin’ny fanjakana. Nisy 48 000 latsaka kely ny tampon’isan’ny mpianatra ny Baiboly tamin’ny Aprily 1971. Nazava àry fa tsy nahakivy an’ireo rahalahy ny fandrarana ny asany.

Niaraka tamin’ny misionera maro i Clive Mountford, mipetraka ny Angletera ankehitriny. Hoy izy: “Izao no anisan’ny fomba nitorianay: Nentinay tamin’ny fiaranay ny olona, ary niresahanay ny fahamarinana. Nitondra gazety foana izahay, ary hitan’izay olona rehetra nentinay izany.”

Tsy nandrara ny firesahana Baiboly ny lalàna, saingy izay manaiky izany mialoha ihany no azo notsidihina. Indraindray dia ny havana sy ny mpiara-mianatra na mpiara-miasa taloha, na olon-kafa fotsiny no tsidihina. Azo ampidirana tsikelikely resaka momba ny Soratra Masina ilay resaka tsotra. Maro be ny havan-tetezina, ka azo niresahana ireo havana tsy mpino sy namana teo anivon’ny fiaraha-monina.

Hoy ny sampana, tamin’ny 1975: “An’arivony tamin’ireo mpitory no mbola tsy nitory isan-trano mihitsy. Nisy anefa ny mpianatra vaovao, ary maro be ny fitoriana vita.” Nampiasa fomba fitory hafa ireo rahalahy, satria voarara ny fitoriana isan-trano. Mpiraki-draharaha tao amin’ny minisitera iray, ohatra, ny rahalahy iray. Nanoratra ny anarana sy ny tsipiriany momba ny olona no asany. Nahaliana azy manokana ireo nanana anarana ao amin’ny Baiboly. Nanontaniany àry izy ireny raha fantany ilay olona ao amin’ny Baiboly mitondra io anarana io. Izany no nahafahany nitory matetika. Tonga tao aminy ny reny iray niaraka tamin’ny zanany vavy nantsoina hoe Edena. Nanontanian’ilay rahalahy ilay ramatoa raha fantany ny dikan’ny hoe “Edena”, ka nilaza izy fa tsy hainy. Nohazavain’ilay rahalahy vetivety izany, ary noresahiny fa ho lasa toy ilay Edena tany am-boalohany ny tany, rehefa afaka kelikely. Gaga ilay vehivavy, ka nanome adiresy. Nanjary liana koa ny vadin’izy io. Nanomboka nanatrika fivoriana izy mianakavy, ary nisy mihitsy aza ny vita batisa.

Nanararaotra ny asa fivelomany ny mpitory hafa mba hitoriana. Mpiasan’ny toeram-pitrandrahana iray i Royd. Amin’ny sakafo antoandro izy no nanontany ny hevitry ny mpiara-miasa taminy momba ny andinin-teny samihafa. “Iza ilay ‘vatolampy’ resahin’ny Matio 16:18 eto, araka ny hevitrareo?” Na “Iza ilay ‘vato mahatafintohina’ ao amin’ny Romanina 9:32?” Matetika no nisy mpiara-miasa maro nitangorona mba hihaino ny fanazavana ny Soratra Masina. Noho ireny resaka ireny, dia maro tamin’ny mpiara-miasa tamin’i Royd no nanolo-tena sy natao batisa.

Mijoro tsara ireo tanora any am-pianarana, ka imbetsaka no afaka niresaka ny fahamarinana. Nisy ankizy vitsivitsy tsy nety nanao hira nampiseho fitiavan-tanindrazana. Tezitra ilay mpampianatra, ka nasainy nitsangana teny an-tokotany ny iray kilasy. Hoy ny iray tamin’ireo ankizy: “Nieritreritra ilay mpampianatra fa tsy afaka mihira izahay, na dia ny hiran’ny fivavahanay aza. Ny hanala baraka anay angamba no tanjony tamin’izay. Nasainy nisaratsaraka araka ny fivavahany avy ny ankizy. Nasainy nanao hira iray na roa an’ny fivavahany ireo ankizy avy eo. Tsy nahay ny roa tamin’ireo antokon’ankizy na dia hira iray aza, ka nitodika tany aminay ilay mpampianatra. Ilay hira hoe ‘Indro ny Andron’i Jehovah!’ no nataonay voalohany. Nihira tsara angamba izahay, satria nijanona nihaino anay ny olona nandalo teo akaikin’ny fianaranay. Ilay hoe ‘Jehovah Mihitsy no efa Lasa Mpanjaka!’ indray no nataonay avy eo. Nitehaka mafy be ny rehetra, anisan’izany ilay mpampianatra. Niverina tao am-pianarana izahay avy eo. Maro tamin’ireo mpiara-mianatra no nanontany hoe taiza no nianaranay an’ireny hira tsara be ireny. Nisy nanaraka anay nankany am-pivoriana, ka lasa Vavolombelona narisika koa tatỳ aoriana.”

“Mpizara boky”

‘Malina tahaka ny bibilava, nefa tsy nanan-tsiny tahaka ny voromailala’ ireo rahalahy tamin’izany. (Matio 10:16) Niavaka ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, sady nazoto nampiasa izany izy ireo, ka nahazo anarana hoe Abanopya Ifitabo, midika hoe “Mpizara Boky.” Te hampangina an’ireo rahalahy ny mpanohitra, nefa nitohy foana ny asa fitoriana ilay Fanjakana. Nisy tsindraindray ny fanoherana narahina herisetra, nandritra ny taona maro, nefa tena nihena be ny fanoherana tamin’ny taona 1980 tany ho any.

Efa ho 90 000 no natao batisa nandritra ireo 25 taona taorian’ny fahaleovan-tena. Tsy nisy afa-tsy 42 000 anefa ny mpitory narisika. Nahoana? Marina fa nisy maty ary nisy koa nifindra monina. “Natahotra olona koa anefa ny sasany”, hoy i Neldie, nanompo tao amin’ny biraon’ny sampana tamin’izany. Maro no nanjary mpitory tapatapaka na tsy nitory intsony. Nitondra fiovana koa ny fahaleovan-tena. Nilaina ny mpiasa hisolo ny toeran’ireo vahiny tamin’ny fitantanan-draharaha. Afaka nahazo trano sy asa ary fampianarana vaovao ny fianakaviana maro, ka nanjary izany no nifantohany fa tsy ny fanompoana an’Andriamanitra.

Nandroso ihany anefa ny asa. Hoy i Solomona, mpanjaka hendry: “Amin’ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin’ny hariva dia aza atsahatra ny tànanao; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy roa tonta.” (Mpit. 11:6) Namafy voan’ny fahamarinana ireo rahalahy, ary naniry izy ireny, tamin’ny fotoana nampety azy. Betsaka ny fitomboana, ka tsy maintsy nividy kamiao vaovao ny sampana tamin’ny 1976, mba hampitomboana ny fanaterana boky. Nanomboka tamin’ny 1982 kosa ny asa fanorenana trano fanontam-pirinty, kilaometatra vitsivitsy niala teo amin’ny Betela. Izany no fototry ny fitomboana tatỳ aoriana.

Vitsy ny firenena atỳ afovoan’i Afrika no milamina sy tsy misy adim-poko toa an’i Zambia. Tena mety amin’ny ‘fitoriana ny vaovao tsara momba ny zava-tsoa’ izao ny toe-javatra eto Zambia. Mahatsiaro ny “fahoriana” anefa ireo nahatoky, ka izany no manosika azy ireo hiasa mafy amin’ny ‘famoriana vokatra ho amin’ny fiainana mandrakizay.’—Rom. 10:15; 2 Kor. 6:4; Jaona 4:36.

Fanitarana ny Betela

Trano nisy efitra roa teto Lusaka no nohofana mba hiasan’i Llewelyn Phillips sy ny mpiara-miasa taminy, tamin’ny 1930 tany ho any. Vitsy no nieritreritra hoe hisy ity tranon’ny Betela ity, izay manana velaran-tany 110 hektara sy mahazaka mpiasa an-tsitrapo 250. Ireo rahalahy sy anabavy ireo no mikarakara an’ireo mpitory sy mpisava lalana 125 000 mahery. Andeha horesahintsika vetivety ny nisian’izany fitomboana izany.

Efa hitantsika fa nihanalefaka ireo mpitondra fanjakana tamin’ny 1936, ka azo natao ny nanokatra fanatobiana boky teto Lusaka. Tsy maintsy nifindra tany amin’ny toerana lehibe kokoa ireo rahalahy, noho ny fitomboana. Nisy trano fonenana novidina, teo akaikin’ny foiben’ny polisy. “Nisy efitra fatoriana roa izy io”, hoy i Jonas Manjoni. “Ny efitra fisakafoana no nampiasain’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana, ary ny lavarangana no nampiasain’ny Sampan-draharahan’ny Fandefasana Entana.” Naka andro tsy niasana tapa-bolana i Jonas tamin’ny 1951 mba hiasana tao amin’ny Betela, ka nanjary nipetraka tao mihitsy tatỳ aoriana. “Voalamina tsara ny asa, ary falifaly ny rehetra”, hoy izy. “Tao amin’ny Fandefasana Entana niaraka tamin’ny Rahalahy Phillips aho, nanao an’ireo famandrihana, nametaka hajia tamin’ireo horonana gazety. Nahafinaritra ny nahatsapa hoe nanompo an’ireo rahalahy izahay.” Nanampy an’i Llewelyn Phillips tatỳ aoriana i Harry Arnott. Niara-niasa tamin’ny rahalahy zambianina izy ireo. Anisan’izany i Job Sichela, Andrew John Mulabaka, John Mutale, Potipher Kachepa, ary Morton Chisulo.

Nandroso ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, nitombo haingana ireo foto-drafitrasa, ary nihamaro ny olona tonga avy tany amin’ny lafivalon’i Zambia. Noho izany dia tsy i Lusaka intsony no nifantohana fa i Copperbelt indray. Naroson’i Ian Fergusson ny hevitra fa tokony hisy tany hovidina tany amin’ny tanànan’ny mpitrandraka iray. Nifindra tany amin’ny Lalana King George, any Luanshya, àry ny biraon’ny sampana, tamin’ny 1954. Tsy ela anefa dia nanjary kely loatra ilay trano, nefa nandroso haingana ny asa, ka tonga saika hatratỳ Afrika Atsinanana manontolo. Tonga teto Zambia i Nathan Knorr tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Mifohaza ry Mpanompo”, tamin’ny 1959. Nahita toerana azo nanorenana ny Betela vaovao izy, ka nanome alalana hanombohan’ny fanorenana. Hoy i Geoffrey Wheeler: “Niaraka tamina mpanao mari-trano iray izaho sy Frank Lewis ary Eugene Kinaschuk, nankany amin’ilay tany vaovao tany Kitwe, mba hamaritra ny toerana hasiana ilay Betela vaovao.” Notokanana ho an’i Jehovah tamin’ny 3 Febroary 1962 ny biraon’ny sampana vaovao nisy trano fonenana iray, trano fanontam-pirinty iray ary Efitrano Fanjakana iray. Namarana ny fandaharam-pitokanana i Harry Arnott, mpikarakara ny sampana tamin’izany. Noresahiny ny momba ny fanorenana lehibe kokoa teo amin’ny ara-panahy, izay tsy maintsy iasan’ny tsirairay mafy, hampiasana ny fitaovam-panorenana toy ny finoana sy fanantenana ary fitiavana.

Tsy ela dia tsy ampy intsony ireo trano ireo, satria lasa 57 000 latsaka kely ireo mpitory 30 129, tao anatin’ny folo taona nanaraka. “Nampirisihin’ny Rahalahy Knorr izahay mba hanitatra ny fanontam-pirinty”, hoy i Ian Fergusson. “Nitsidika ny sampana tany Elandsfontein, any Afrika Atsimo aho, mba hiresaka tamin’ireo rahalahy. Tsy ela dia nisy milina fanontam-pirinty nalefa avy tany ho any Kitwe.”

Nanao pirinty boky sy gazety ny tany Kitwe, sady nanao Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ho an’i Kenya sy ny tany hafa tatỳ Afrika Atsinanana koa. Tsy ela indray dia nanjary kely loatra ilay trano fanontam-pirinty, ka tsy maintsy nafindra. Tsy nanaiky ny hanorenantsika teo amin’ny tany iray ny filan-kevitry ny tanàna, ka nanome tany hafa ny rahalahy iray. Vita tamin’ny 1984 ilay trano. Tany Kitwe no foiben’ny asa fitoriana teto Zambia, nandritra ny 30 taona.

Nitombo be ny mpiasa tao amin’ny biraon’ny sampana, nandritra ireo fotoan-tsarotra taorian’ny nandroahana ny misionera. Nisy 14 àry ny mpianakavin’ny Betela voatery niara-nipetraka tamin’ny fianakaviany tany ivelan’ny Betela. Nilaina ny fanitsiana mba hiatrehana tsara ny asa. Nisy trano roa novidina tatỳ aoriana, ary nisy iray nohofana, ka azo nampitomboina ny mpiasan’ny Betela. Tena nilaina anefa ny trano vaovao. Soa ihany fa niova be ny toe-javatra. Nasaina nitady tany ho an’ny sampana vaovao ny rahalahy tany amin’ny toerana lehibe maro, tamin’ny 1986. Nisy tany 110 hektara azo novidina, tany amin’ny 15 kilaometatra andrefan’ny renivohitra. Tsara izy io, satria be ny tahirin-drano teo amin’ilay toerana, noho izy io toeram-pambolena taloha. Hoy i Dayrell Sharp: “I Jehovah no nitarika anay ho eto amin’ity toerana mahafinaritra ity.”

Fitokanana sy fitomboana

Mpanompon’i Jehovah efa hatramin’ny ela an-jatony maro no nanatrika ny fitokanana an’ilay Betela vaovao, tamin’ny asabotsy 24 Aprily 1993. Tamin’ireo 4 000 nanatrika teo, dia nisy 160 mahery ny vahiny iraisam-pirenena, anisan’izany ny misionera, izay tsy maintsy niala teto 20 taona talohan’izay. Nanao an’ilay lahateny hoe “Mampiseho ny Tenantsika ho Mpanompon’Andriamanitra”, i Theodore Jaracz, iray tamin’izy mirahalahy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana tonga teto. Nampahatsiahiviny ireo nanompo efa hatramin’ny taona maro fa tsy nilaina naorina ilay trano, raha tsy nahavita niaritra izy ireo. Niresaka ny tenin’i Paoly tamin’ny Korintianina izy, ka nohamafisiny fa manana ny vokatry ny fanahy ny tena mpanompo, ka afaka miaritra zava-tsarotra sy fitsapana ary fahoriana. “Nasehonareo fa mpanompon’Andriamanitra ianareo”, hoy izy. “Tsy maintsy naorina ity Betela vaovao ity, noho ny fitaran’ilay asa.”

Vita tamin’ny 2004 kosa ny trano misy rihana telo sy efitra 32. Namboarina ny faritra mirefy 1 000 metatra tora-droa teo ho eo, tao amin’ny fanontam-pirinty, mba ho lasa birao 47 an’ny fandikan-teny, toerana fitahirizana antontan-taratasy, efitra firesahana, ary fitahirizam-boky.

Sahirana ara-bola sy manana olana hafa ny eto Zambia, nefa manankarena eo amin’ny fanompoany an’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tombontsoa ho azy ireo ny mizara izany amin’ny olona.—2 Kor. 6:10.

Firesahana ny fahamarinana amin’ny rehetra

Tia fianakaviana ny Zambianina, ka izany no nahatonga ny maro hahalala ny fahamarinana hatramin’ny mbola kely. Fomba fiteny any amin’ny Faritany Andrefana ny hoe: ‘Tsy mavesatra amin’ny ombivavy ny tandrony.’ Midika izany hoe tsy tokony hoheverina ho enta-mavesatra ny fikarakarana ny fianakaviana. Tsapan’ny ray aman-dreny kristianina fa hampamoahin’Andriamanitra izy ireo, ary tokony ho ohatra tsara ho an’ny zanany, sady hampiseho ny fahamarinana amin’ny teny sy ny atao. Maro amin’ireo be zotom-po ankehitriny no zanak’ireny nahatoky fahiny ireny.—Sal. 128:1-4.

Mahafaly an’ireo Vavolombelon’i Jehovah eto Zambia ny zava-bita noho ny faharetana sy ny fanohanan’i Jehovah. (2 Pet. 3:14, 15) Nanampy azy ireo hiaritra nandritra ny fotoana nampisalasala ny “teny marina” miorina amin’ny Baiboly. Mbola mampiray olona avy amin’ny foko samy hafa foana ny “fitiavana tsy misy fihatsarambelatsihy”, ka niteraka fitomboan’ny asan’Andriamanitra, nefa tsy nisy fanaintainana tsy amin’antony. Nampiasa ny “fitaovam-piadian’ny fahamarinana” izy ireo mba hiarovana sy hiresahana “amin’ny hatsaram-panahy”, ka nanokatra ny sain’ny maro, anisan’izany ireo manam-pahefana. Niteraka “laza tsara” izany. Misy fiangonana 2 100 mahery izao eto Zambia. Miorina mafy “amin’ny fahalalana” izy ireny, satria anisan’ny mpiandraikitra azy ireny ny rahalahy nahazo diplaoma avy tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Mety hisy “fahoriana” lehibe kokoa hitranga, nefa afaka matoky ny Vavolombelon’i Jehovah fa ‘hifaly mandrakariva’ izy ireo, rehefa miara-mivory.—2 Kor. 6:4-10.

Olona 5 000 teo ho eo no nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny taom-panompoana 1940. Olona 1 isaky ny 200 teo ho eo izany. Nisy 569 891, izany hoe olona 1 isaky ny 20 kosa no nanatrika tamin’ny 2005, ka nanome voninahitra an’i Jehovah tamin’io takariva manokana io. (Lioka 22:19) Nahoana no nahomby toy izany ny vahoakan’i Jehovah? Noho i Jehovah Andriamanitra, izay nitarika ilay fitomboana.—1 Kor. 3:7.

Nandray anjara koa anefa ireo Vavolombelon’i Jehovah teto Zambia. “Tsy menatra hitory ny vaovao tsara isika, fa raisintsika ho tombontsoa kosa izany”, hoy ny iray amin’ireo anisan’ny Komitin’ny Sampana. Hitan’ny mpitsidika fa manao ny fanompoany amim-pahatapahan-kevitra nefa amim-panajana, ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mahagaga raha olona 1 isaky ny 90 eto Zambia no mpitory! Mbola maro anefa ny tokony hatao.

“Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy; ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.” (Ohab. 18:10) Mbola tokony hihazakazaka ho eo anilan’i Jehovah ny olona tso-po maro. Efa ho 200 000 izao ny fampianarana Baiboly tarihina isam-bolana eto Zambia. Ireo indray no hanampy olona maro hanolo-tena ho an’i Jehovah sy ho tonga mpitory mazoto. Tena tokony hampirisika ny olona hanao izany ireo Vavolombelona marisika 125 000 mahery eto Zambia.

[Efajoro, pejy 168]

Indray Mitopy Maso An’i Zambia

Ilay tany: Tany fisaka sy rakotra ala, ary voahodidina firenena hafa. Lembalemba any amin’ny 1 200 metatra ambonin’ny haabon’ny ranomasina izy io. Ny Reniranon’i Zambèze no mamaritra ny ankamaroan’ny sisin-taniny atsimo.

Mponina: Mahay mamaky teny ny ankamaroan’ny Zambianina, ary milaza ho Kristianina. Trano tafo bozaka no ipetrahan’ny olona any ambanivohitra, ary mamboly sakafo eo akaiky eo izy ireo.

Fiteny: Ny teny anglisy no fiteny ofisialy, na dia misy fiteny 70 aza ampiasaina eo an-toerana.

Fivelomana: Fitrandrahana sy fanodinana varahina no indostria lehibe. Anisan’ny vokatry ny tany ny katsaka, ampemby, vary, ary voanjo.

Sakafo: Ny katsaka no be mpihinana. Anisan’ny sakafo tian’ny olona ny nshima, katsaka nandrahoina, natao marihitra.

Toetany: Avo be ilay tany, ka tsy dia mafana noho ny tany rehetra atỳ atsimo afovoan’i Afrika. Misy hain-tany tsindraindray.

[Efajoro/Sary, pejy 173-175]

Nigadra 17 Volana sy Nomena Kapoka 24

Kosamu Mwanza

Teraka: 1886

Batisa: 1918

Tantarany: Niaritra fanenjehana sy rahalahy sandoka. Voahosotra izy, ary mpisava lalana sady anti-panahy nahatoky, mandra-pahafatiny tamin’ny 1989.

Nirotsaka ho miaramila aho, ary lasa mpitsabo mpanampy tao amin’ny Rezimantan’i Rodezia Avaratra, tamin’ny fiandohan’ny Ady Lehibe I. Naka andro tsy niasana aho tamin’ny Desambra 1917, ary tamin’izay no nifanena tamin’ny lehilahy roa, anisan’ny Mpianatra ny Baiboly, avy any Rodezia Avaratra. Nomen’izy ireo boky enina tamin’ny Fianarana ny Soratra Masina aho. Novakiko tsara ny fanazavana tao amin’ireo boky ireo, nandritra ny telo andro. Tsy niverina tany an’ady aho.

Sarotra ny nifandray tamin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tsy nahazo toromarika momba ny asanay izahay sy ireo rahalahy niara-niasa tamiko. Nitety tanàna izahay, namory olona sy nanao lahateny, ary namaly ny fanontanian’izy ireo. Nifidy toeram-pivoriana foibe tany avaratr’i Zambia izahay, ary nantsoina hoe Galilia izy io. Nasainay ho any ny olona liana, mba hihaino fanazavana momba ny Baiboly. Notendrena mba hiandraikitra izany aho. Nampalahelo fa nanjary nisy rahalahy sandoka maro nitarika fikorontanana.

May hitory izahay, nefa tsy tian’ny misionera katolika sy protestanta teo an-toerana izany ezaka izany. Nanao fivoriana lehibe foana izahay. Tsaroako fa nisy 600 teo ho eo ny mpanatrika tany an-tendrombohitra, tany akaikin’i Isoka, tamin’ny Janoary 1919. Tsy fantatry ny polisy sy ny miaramila ny zava-nokendrenay, ka tonga izy ireo namotika ny Baiboly sy ny bokinay, ary nisambotra ny maro taminay. Nisy nogadraina tany akaikin’i Kasama, fa ny sasany tany Mbala, ary ny hafa tany atsimo, hatrany Livingstone. Nisy ny voaheloka higadra telo taona. Voaheloka higadra 17 volana kosa aho, ary nomena kapoka 24 tao amin’ny fitombenako.

Nody tany an-tanànako aho, rehefa tafavoaka, ary niverina nitory. Nosamborina indray aho tatỳ aoriana, ary nogadraina, rehefa nokapohina imbetsaka kokoa. Nitohy ny fanoherana. Nandroaka an’ireo rahalahy mba tsy ho ao an-tanàna ilay filoha teo an-tanàna. Nifindra tany amin’ny tanàna iray hafa izahay rehetra, ka noraisin’ilay filoha tao tsara. Nipetraka tao izahay, ary nahazo alalana taminy mba hanorina ny tanànanay, izay nantsoinay hoe Nazareta. Navela hipetraka tao izahay, raha tsy nanakorontana tao an-tanàna ny asanay. Tian’ilay filoha ny fitondran-tenanay.

Niverina tany Isoka tany avaratra aho, tamin’ny faramparan’ny 1924. Nanampy ahy hahay teny anglisy tsara kokoa ilay solontenam-panjakana tany. Nisy mpitarika fivavahana nahaleo tena nipoitra tamin’izany, ary nampianatra zavatra diso, ka namitaka ny maro. Nivory mangingina tany an-tranon’olona foana anefa izahay. Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nahazo fanasana ho any Lusaka aho, mba hihaona tamin’i Llewelyn Phillips. Notendreny hitsidika fiangonana tany amin’ny sisin-tanin’i Zambia sy Tanzania aho. Tonga hatrany Mbeya any Tanzania aho, nampahery an’ireo rahalahy. Niverina tany amin’ny fiangonako aho, isaky ny vita ny fitsidihana an’ireo fiangonana rehetra. Nanao izany aho, mandra-pisin’ny mpiandraikitra ny faritra voatendry tamin’ny 1940.

[Efajoro/Sary, pejy 184-186]

Nanampy Ireo Mpifanolo-bodirindrina Tany Avaratra

Niandraikitra ny asa fitoriana tany amin’ny ankamaroan’i Afrika Atsinanana Britanika ny sampana vaovaon’i Rodezia Avaratra, tamin’ny 1948. Nisy mpitory vitsivitsy tany amin’ireo firenena be tendrombohitra tany avaratr’i Zambia tamin’izany. Tena tsy tian’ny manam-pahefana tamin’izany ny fidiran’ny misionera vahiny, ka iza no hanampy ny olona nanetry tena mba hianatra ny fahamarinana?

Nanolo-tena ho mpisava lalana maharitra tany amin’ny Faritany Afovoan’i Zambia i Happy Chisenga. Gaga anefa izy, rehefa nahazo fanasana hitory tany amin’ny faritany mitokana tany Njombe, any Tanzania. “Rehefa hitanay mivady ilay teny hoe ‘mitokana’, dia noheverinay fa hiara-miasa amin’ny mpitory any amin’ny toerana lavitra izahay. Tsy ela dia fantatray fa izahay no ho voalohany hitory ao amin’ilay toerana. Gaga ny olona, rehefa nasehonay azy avy tao amin’ny Baiboliny ny anaran’i Jehovah sy ny teny sasany toy ny hoe Hara-magedona. Tsy ela dia nantsoin’izy ireo hoe Hara-magedona ny vadiko, ary izaho kosa nataony hoe Jehovah. Mpitory nandroso tsara no nilaozanay, rehefa nafindra ho any Arusha izahay.”

Nahazo fanasana ho mpisava lalana manokana tany an-tendrombohitra nanodidina an’i Mbeya, any Tanzania, i William Lamp Chisenga, tamin’ny 1957. “Tonga tamin’ny Novambra i Mary vadiko sy ireo zanakay anankiroa. Teny amin’ny tobin’ny fiara fitaterana izahay no nijanona nandritra ny alina, satria feno ireo hotely teo an-toerana. Nangatsiaka sy nanorana ny alina, nefa tianay ho hita ny fomba hitarihan’i Jehovah anay. Navelako teo amin’ny tobin’ny fiara ny fianakaviako ny ampitson’iny, fa lasa nitady trano aho. Tsy fantatro izay haleha, fa nitondra Ny Tilikambo Fiambenana fotsiny aho. Tonga tany amin’ny paositra aho, ary efa nahapetraka gazety vitsivitsy, rehefa nihaona tamin’ny lehilahy iray atao hoe Johnson. ‘Avy aiza ianao, ary ho aiza?’, hoy izy. Nolazaiko taminy fa tonga mba hitory ny vaovao tsara aho. Rehefa reny fa Vavolombelon’i Jehovah aho, dia nilaza izy fa avy any Lundazi, Faritany Atsinanan’i Zambia izy, ary Vavolombelona vita batisa, saingy tsy mitory intsony. Notaterina tany an-tranony ny fianakaviako sy ny entanay. Nihanatanjaka indray ny fifandraisan-dry Johnson mivady tamin’i Jehovah, ary nampianatra anay niteny swahili izy ireo. Niverina tany Zambia izy tatỳ aoriana, ka lasa mpitory ny vaovao tsara mazoto. Hitako tamin’izay fa tsy tokony hatao tsinontsinona ny fahaizan’i Jehovah manampy antsika, ary tsy tokony havela handalo fotsiny ny fahafahana hanampy olona.”

Mpanompo manontolo andro i Bernard Musinga, ary tonga tany amin’ny faritany samy hafa be hatrany Ouganda sy Kenya ary Etiopia, izy sy Pauline vadiny ary ireo zanany kely. Hoy i Bernard, momba ny fitsidihany tany Seychelles: “Notendrena hitsidika antoko-mpitory tany amin’ny Nosy Praslin aho, tamin’ny 1976. Katolika nafana fo ny olona tao, ary nisy hevitra tsy nifankahazo indraindray. Tsy nety nanoratra ny marika miabo, ohatra, ny zanaky ny mpitory vaovao iray, rehefa nianatra kajy. Hoy mantsy izy: ‘Lakroa io, ary tsy mampiasa lakroa aho.’ Nohararaotin’ireo mpitondra fivavahana io mba hanendrikendrehana hoe: ‘Tsy mamela ny zanany hianatra kajy ny Vavolombelon’i Jehovah.’ Niresaka tamin’ny minisitry ny fampianarana izahay, ary nanaja azy tsara sy nanazava ny zavatra inoantsika. Niravona ilay hevitra tsy nifankahazo. Nifandray tsara tamin’ilay minisitra izahay, ka nisy misionera afaka niditra tatỳ aoriana.”

[Sary]

Happy Mwaba Chisenga

[Sary]

William Lamp Chisenga

[Sary]

Bernard sy Pauline Musinga

[Efajoro/Sary, pejy 191, 192]

“Tsy ho Tafita Intsony Ianao!”

Mukosiku Sinaali

Teraka: 1928

Batisa: 1951

Tantarany: Misioneran’i Gileada sy mpandika teny taloha. Anti-panahin’ny fiangonana izy izao.

Niresaka tamiko i Harry Arnott, misionera, tamin’ny andro nanaovana batisa ahy. Nilaina ny mpandika teny silozi, tamin’izany. “Afaka manampy ve ianao?”, hoy izy. Tsy ela aho dia naharay taratasy fanendrena sy Ny Tilikambo Fiambenana iray. Tsy andriko izay niasana ny harivan’iny. Sarotra ilay fandikan-teny, satria nisy ora maro nanoratana tamin’ny penina iray efa tranainy. Tsy nisy diksionera silozi koa tamin’izany. Niasa tany amin’ny paositra aho ny antoandro, ary nandika teny kosa ny alina. Nampahatsiahivin’ny biraon’ny sampana aho, indraindray, hoe: “Alefaso paositra haingana ilay asa, aza fady.” Matetika aho no nieritreritra hoe: ‘Nahoana moa aho no tsy ho afaka hanompo manontolo andro?’ Nialako ny asako tao amin’ny paositra nony farany. Natokisan’ny manam-pahefana aho, nefa nahiahiny ho nangala-bola, rehefa niala. Nandefa Eoropeanina roa àry ny paositra mba hanadihady. Nanao ny asany tsara izy ireo, ary nahita fa tsy nangalatra aho. Tsy azon’izy ireo ny antony nialako. Nanome toerana ambony ho ahy ireo lehibe mba hijanonako. Nolaviko anefa izany, ka nanao fara teny izy ireo hoe: “Tsy ho tafita intsony ianao!”

Tsy marina anefa izany. Nasaina ho any amin’ny Betela aho tamin’ny 1960. Nasaina hanatrika ny Sekolin’i Gileada aho, tsy ela taorian’izay. Natahotra kely anefa aho. Sambany aho vao nandeha fiaramanidina, nefa ho any Paris, avy eo dia Amsterdam, ary New York. Hoy aho tamin’izay hoe: ‘Izany ve no tsapan’ny voahosotra rehefa mankany an-danitra izy?’ Nahafaly be ahy ny fandraisana feno fitiavana tao amin’ny foibe. Tena nanetry tena ireo rahalahy, ary tsy nanavakavaka. Notendrena hiverina eto Zambia aho taorian’izay, ary niasa tamin’ny fandikan-teny indray.

[Efajoro/Sary, pejy 194]

Haingana Noho ny Voromahery

Kilemaina i Katuku Nkobongo, ary tsy afa-mandeha. Fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra indray alahady, rehefa tonga ny vaovao fa manatona an’ilay tanàna nisy an’i Katuku ny tafika mpikomy. Nandositra daholo ny olona. Anisan’ireo farany nandositra i Mianga Mabosho, mpiandraikitra ny faritra. Nandeha tamin’ny bisikiletany izy teny am-pandosirana, rehefa nandre feo avy teo amin’ny tranokely teo akaiky. “Dia havelanao eto aho ve, ry rahalahiko?” I Katuku io niantso io. Nampian’ilay mpiandraikitra ny faritra haingana izy mba hiakatra teo ambony bisikiletany sy nivoaka an’ilay tanàna.

Nandeha nianatsimo nankany Zambia izy ireo, ary tena sarotra ny lalana. Tsy maintsy nandady niakatra tendrombohitra mideza ny Rahalahy Nkobongo. Hoy ilay mpiandraikitra ny faritra: “Nampiasa ny tongotro roa aho mba handehanana, nefa izy indray no tonga talohako teny an-tampon’ireo tendrombohitra! Hoy aho: ‘Kilemaina ity lehilahy ity, nefa hoatran’ny manana elatra!’ Tonga tany amin’ny toerana azo antoka kokoa izahay, nony farany, ary nomena sakafo. Nasaiko nivavaka ilay rahalahy. Nampirotsaka ny ranomasoko ny teny avy tao am-pony. Nanisy firesahana ny Isaia toko faha-40 izy, rehefa nivavaka hoe: ‘Marina ny teninao, Jehovah ô! Ho reraka sy ho sasatra ihany ny tovolahy, ary ho tafintohina ny tanora. Fa hahazo hery kosa izay miandry anao. Hiakatra amin’ny elatra toy ny voromahery izy. Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, ary handeha izy, nefa tsy ho reraka.’ Hoy koa izy: ‘Misaotra, Jehovah ô, satria nataonao nandeha haingana kokoa noho ny voromahery eny amin’ny lanitra aho.’ ”

[Efajoro/Sary, pejy 204, 205]

Sôrta Kaki sy Tenisy Volontsôkôlà

Philemon Kasipoh

Teraka: 1948

Batisa: 1966

Tantarany: Mpiandraikitra mpitety faritany, mpampianatra sy mpandrindra ny SFF eto Zambia.

Nampiofana ahy teo amin’ny fanompoana ny dadabeko. Nentiny tany amin’ny mpiara-mianatra tamiko aho matetika, ary nasainy nitory tamin’izy ireo. Izy no nitarika ny fianaram-pianakaviana, ary tsy nisy navelany ho rendremana nandritra izany! Tsy andriko foana izay hanaovana ilay fianarana.

Natao batisa tao amin’ny renirano teo akaikin’ny tranonay aho. Iray volana taorian’io aho no nanao ny lahateniko voalohany teo anivon’ny fiangonana. Tsaroako fa nanao sôrta kaki vaovao sy tenisy volontsôkôlà aho. Nofatorako mafy loatra anefa ny kiraroko, ka tsy nahazo aina aho. Hitan’ilay mpikarakara ny fiangonana izany. Niakatra teo amin’ny lampihazo àry izy, ary namahany kely ny kiraroko, ary izaho kosa niandry azy teo. Nety tsara ilay lahateny, ary nianatra avy tamin’io hatsaram-panahy io aho. Hitako fa tena nampiofana ahy i Jehovah.

Hitan’ny masoko ny fahatanterahan’ny Isaia 60:22. Mihamaro ny fiangonana, ka mila anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana maro, izay vonona tsara ho amin’izany andraikitra izany. Natao ho amin’izany ny SFF. Tena mahafaly ny mampianatra an’ireo tovolahy. Nianarako fa rehefa manome asa hataonao i Jehovah, dia azo antoka fa hanome ny fanahy masina ho anao izy.

[Efajoro/Sary, pejy 207-209]

“Tsy dia Inona Akory Raha Izay”

Edward sy Linda Finch

Teraka: 1951

Batisa: 1969 sy 1966

Tantarany: Nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-69 tamin’i Gileada. Mpandrindra ny Komitin’ny Sampana eto Zambia i Edward.

Nandeha fiara tany avaratr’i Zambia izahay, taorian’ny fivoriambe iray. Tsy misy arabe firy any, fa lalan-tany fotsiny. Nahita olona nandeha an-tongotra, hifanena aminay izahay, tany akaikikaikin’ny tanàna iray. Lehilahy iray manjoko sy mitondra tehina ny iray. Mifamatotra sy mihantona ao andamosiny ny kirarony, ary misy kitapo kely misy ny entany koa eo am-babeny. Hitanay fa nanao karatry ny fivoriambe izy ireo, rehefa teo akaikinay. Nijanona izahay nanontany hoe avy taiza izy ireo. Somary nitraka ilay rahalahy be taona, ary niteny hoe: “Efa hadinonareo sahady angaha? Samy tany Chansa isika tamin’ny fivoriambe. Efa ho tonga atỳ an-tranonay izahay izao.”

“Fa oviana ianareo no niala tany amin’ny fivoriambe?”, hoy izahay.

“Tamin’ny alahady, rehefa tapitra ny fivoriambe.”

“Efa alarobia hariva ange isika izao e! Nandeha an-tongotra telo andro izany ianareo?”

“Ie, sady nahare liona izahay halina.”

“Tena deraina ianareo noho ny toe-tsaina tsara asehonareo sy ny fiezahanareo hanatrika fivoriambe.”

Nandray ny entany fotsiny ilay rahalahy be taona, dia nandeha. Hoy izy: “Tsy dia inona akory raha izay. Mandehana isaory ny biraon’ny sampana, noho ilay toerana vaovao fanaovana fivoriambe. Nandeha an-tongotra dimy andro izahay tamin’ny herintaona, fa telo andro monja tamin’ity.”

Ny hain-tany no tsaroan’ny ankamaroan’ny Zambianina, raha vao mandre hoe taona 1992. Nanatrika fivoriambe izahay, teo amoron’ny Reniranon’i Zambèze, 200 kilaometatra eo ho eo atỳ ambonin’ny Riandranon’i Victoria. Nitsidika fianakaviana maro izahay ny hariva. Nitangorona nitanina afo teo anoloan’ny trano bozaka keliny ny ankamaroan’izy ireo. Nanao hiran’ilay Fanjakana ny antokon’olona iray nisy olona 20 teo ho eo. Renay fa nandeha an-tongotra valo andro izy ireo mba hahatongavana teo amin’ny fivoriambe. Tsy nahatsiaro ho nanao zavatra manokana izy ireo. Nampitaingenin’izy ireo ny bibiny ny zanany kely. Toy izany koa ny sakafo, fitaovana fandrahoana, ary zavatra hafa. Natory teny amin’izay toerana nandalovany izy ireo, rehefa alina.

Nampandrenesina ny ampitson’io fa maro no voakasik’ilay hain-tany, ary efa omena fanampiana ireo mila izany. Nisy rahalahy telo tonga tao amin’ny tranokelinay ny harivan’io. Tsy nisy nanao kiraro izy ireo, ary efa ratsy ny akanjony. Noheverinay fa hilaza izy ireo hoe nisy vokany tamin’izy ireo koa ilay hain-tany. Tsy izany anefa no nataony, fa nolazainy kosa hoe tena nalahelo izy ireo, rehefa nandre ny fahorian’ny rahalahy sasany. Naka valopy feno vola avy tao am-paosim-palitaony ny iray, ary nilaza hoe: “Aza avela ho noana ange izy ireo e! Mba ividiano sakafo kely amin’ity izy ireo.” Tena gaga sy nihetsi-po be izahay, ka tsy nahavita nisaotra azy ireo akory. Efa lasa izy ireo vao tony izahay. Tsy niomana ho amin’izany izy ireo, talohan’ilay fivoriambe. Tena ezaka lehibe àry no nataony mba hanaovana io fanomezana io. Manjary tianay kokoa ireo rahalahy, noho ny zava-mitranga toy ireo.

[Sary]

Maro no sahirana, nefa manao dia lavitra be mba hanatrehana an’ireo fivoriambe

Ambony: Mahandro sakafo hariva eny amin’ny fivoriambe

Ankavia: Manao mofo ao anaty lafaoro eny ivelany

[Efajoro/Sary, pejy 211-213]

Tapa-kevitra ny Hanao Fivoriambe

Aaron Mapulanga

Teraka: 1938

Batisa: 1955

Tantarany: Efa mpiasa an-tsitrapo teto amin’ny Betela, mpandika teny, ary anisan’ny Komitin’ny Sampana, teo aloha. Manambady aman-janaka izy izao, ary anti-panahin’ny fiangonana.

Nanao fivoriambe tany amin’ny folo kilaometatra tany atsinanan’i Kasama izahay, tamin’ny 1974. Nahazo alalana tamin’ny lehibe teo an-tanàna izahay mba hanao an’ilay fivoriambe, nefa nohamafisin’ny polisy fa tokony horavana ilay fivoriana. Tsy ela dia tonga teo ny komandà, lehilahy vaventy be, niaraka tamin’ny olona zato mpanampy ny miaramila, ary nanodidina an’ilay toerana. Nalefanay ihany ny fandaharana. Tao amin’ilay birao vita tamin’ny bozaka kosa no nisy adihevitra nafana mahakasika ny fahazoan-dalana sy ny hoe hatao ve ny hiram-pirenena.

Tonga ny fotoana hanaovako ny lahateniko. Nanaraka ahy nankeo amin’ny lampihazo ilay komandà, ary saika hanakana ahy tsy hanao an’ilay lahateny fototra. Niandry izay hitranga ny mpanatrika. Nijoro kely teo izy, nijery an’ireo mpanatrika 12 000 teo ho eo, ary nirintona nivoaka. Vita ny lahateniko, ary hitako izy sosotra be niandry ahy tao ambadiky ny lampihazo. Nomeny baiko ny miaramilany mba handrava an’ilay vahoaka. Nifamaly anefa ireo manam-boninahitra teo ambany fiadidiany, ary lasa nitondra ny fiarany nandeha. Niverina izy ireo tsy ela taorian’izay, ary nitondra boky lehibe iray. Napetrak’ilay komandà teo ambony latabatra teo anoloako ilay boky, ary nasainy novakiko ny ampahany efa nisy marika. Novakiko moramora ilay izy.

“Marina ny lazain’ity boky ity”, hoy aho. “Hoy izy io hoe: ‘Azon’ny manam-pahefana atao ny mandrava izay fivoriana rehetra mety hanohintohina ny filaminana.’ ” Nojereko ny fehikibony nisy basipoleta, ary hoy aho: “Ny hany atahorana eto dia ny fanatrehanareo sy ny miaramilanareo mirongo fiadiana. Ny anay kosa Baiboly no atỳ aminay.”

Niresaka tamin’ny mpiandraikitra ny sampam-pitsikilovana teo izy, ary niteny hoe: “Tsy efa nolazaiko taminao moa? Ndao handeha!” Nentin’izy ireo tany amin’ny biraon’ny polisy aho.

Nandray telefaonina sy niresaka tamin’ny manam-pahefana iray izy, rehefa tonga tao amin’ny biraony izahay. Teny anglisy no nifampiresahanay hatreo. Niteny silozi kosa izy tamin’ny telefaonina. Tsy fantany mantsy fa haiko koa io! Niresaka momba ahy izy ireo. Nipetraka nangina fotsiny aho, ary tsy nampiseho mihitsy hoe azoko ilay resaka. Napetrany ny telefaonina, ary hoy izy tamiko: “Henoy tsara aho!”

Novaliako tamin’ny teny silozi izy hoe: “Eni sha na teeleza!”, midika hoe: “Mihaino anao aho, tompoko!” Tena gaga izy, ary nipetraka teo fotsiny nijery ahy aloha. Nitsangana izy avy eo, ary nankeo amin’ny vata fampangatsiahana lehibe iray teo an-joron’ny biraony. Nomeny zava-pisotro nangatsiatsiaka aho. Nihanalefaka ny resakay.

Tonga koa avy eo ny rahalahy iray, mpandraharaha nanan-kaja teo an-toerana. Nanome soso-kevitra nampitony ny tahotr’ilay komandà izahay, ka tapitra teo ilay adihevitra. Moramora kokoa tatỳ aoriana ny nandamina fivoriambe, noho ny fanampian’i Jehovah.

[Efajoro/Sary, pejy 221]

Nahia Hoatran’ny Tahon-kifafa

Michael Mukanu

Teraka: 1928

Batisa: 1954

Tantarany: Mpiandraikitra mpitety faritany taloha, ary miasa eto amin’ny Betelan’i Zambia izao.

Tonga hatrany amin’ny lohasaha ao ambadiky ny haram-bato iray ny faritra notsidihiko. Nampijalin’ny lalitra tsetse aho matetika. Nifoha tamin’ny iray maraina àry aho mba tsy ho tratran’ny bibikely sy ny hafanana, ary nandeha nihanika havoana sy tendrombohitra, ho any amin’ny fiangonana nanaraka. Nandeha an-tongotra foana aho, ka tsy nitondra afa-tsy zavatra tena vitsy. Tsy nanan-tsakafo betsaka aho, ka nahia hoatran’ny tahon-kifafa. Saika hanoratra tany amin’ny biraon’ny sampana ireo rahalahy mba hangatahana ny hanovana ny fanendrena ahy. Nihevitra mantsy izy ireo fa tsy maintsy ho faty aho. Nolazain’izy ireo tamiko izany, ka hoy aho tamin’izy ireo: “Soso-kevitra tsara aloha izany e! Tadidio anefa fa avy amin’i Jehovah ny fanendrena ahy, ka azony ovana izany. Izaho angaha moa no voalohany halevina eto, raha maty aho? Avelao ihany aho hanohy, fa ampahafantaro fotsiny ny biraon’ny sampana, raha maty aho.”

Novana ny fanendrena ahy, roatokombolana taorian’io. Mety hisy zava-tsarotra indraindray amin’ny fanompoana an’i Jehovah, nefa tsy maintsy mandroso foana ianao. Andriamanitra falifaly i Jehovah. Raha tsy faly ny mpanompony, dia afaka manao zavatra izy mba hahafahan’izy ireo hanompo azy amim-pifaliana foana.

[Efajoro/Sary, pejy 223, 224]

Tsy Minomino Foana Isika

Harkins Mukinga

Teraka: 1954

Batisa: 1970

Tantarany: Mpiandraikitra mpitety faritany taloha, niaraka tamin’ny vadiny, ary manompo eto amin’ny Betelan’i Zambia izao.

Nentinay sy Idah niaraka taminay ny zanakay lahitokana, roa taona, tamin’izahay nitety faritany. Noraisin’ireo rahalahy tsara izahay, tao amin’ny fiangonana iray notsidihinay. Nanomboka nitomany tsy nisy farany ilay zanakay ny alakamisy maraina. Navelako hokarakarain’i Idah izy tamin’ny valo ora, ary lasa namonjy fivoriana alohan’ny fanompoana aho. Teo am-pitarihana fampianarana Baiboly aho, adiny iray taorian’izay, no tonga ny vaovao hoe maty ilay zanakay. Nanampy trotraka ny fahorianay ny filazan’ny rahalahy maro hoe nisy namosavy ilay zanakay. Nampianay izy ireo mba tsy hatahotra toy izany, nefa niely haingana be ilay resaka. Nohazavaiko fa mahery i Satana, nefa tsy afaka handresy an’i Jehovah sy ny mpanompony tsy mivadika mihitsy. Mahazo antsika rehetra ny “fotoana sy ny sampona”, nefa tsy tokony hanana hevitra miorina amin’ny tahotra toy izany isika.—Mpit. 9:11.

Nalevina ny ampitson’iny ilay zanakay, ary natao ihany ny fivoriana rehefa vita ny fandevenana. Nisy zavatra nianaran’ireo rahalahy avy tamin’izany: Tsy tokony hatahotra ny fanahy ratsy isika, sady tsy tokony hinohino foana. Tena nalahelo izahay, nefa notohizinay ihany ny asa tamin’ilay herinandro manokana, ary lasa nitsidika ny fiangonana nanaraka izahay. Tokony hampahery anay tamin’ny zavatra nanjo anay ireo fiangonana, nefa nampionona sy nampahery azy ireo kosa izahay hoe ho lasa zavatra taloha ny fahafatesana, rehefa kelikely.

[Efajoro/Sary, pejy 228, 229]

Nisikina Herim-po Izahay

Lennard Musonda

Teraka: 1955

Batisa: 1974

Tantarany: Mpanompo manontolo andro nanomboka tamin’ny 1976. Mpiandraikitra mpitety faritany nandritra ny enin-taona, ary eto amin’ny Betelan’i Zambia izao.

Tsaroako ny fitsidihana fiangonana tamin’ny 1985, tany amin’ny farany avaratra. Nahery ny fanoherana ara-politika tany, talohan’io. Mpiandraikitra ny faritra vaovao aho, ary nisy toe-javatra tsy maintsy nanehoako finoana sy herim-po. Niomana hitsidika tanàna iray teo akaiky izahay, indray mandeha, rehefa vita ny fivoriana alohan’ny fanompoana. Nilaza avy eo ny rahalahy iray fa nahare izy hoe hokapohin’ny mponina rehetra tao an-tanàna ny Vavolombelon’i Jehovah raha tonga mitory any. Tsy nino aho hoe ny mpiray tanàna rehetra no hahery setra aminay, na dia efa nisy vahoaka romotra nanafika aza tao tamin’ny taona 1960 sy 1970.

Nanjary natahotra anefa ny mpitory sasany, ka nijanona. Nisy maromaro taminay kosa nisikina herim-po sy nankany amin’ilay tanàna. Nahagaga anay ny zavatra hitanay tany. Nahapetraka gazety maro izahay, ary nanao resaka nahafinaritra tamin’ireo olona tratranay. Nandositra kosa ny sasany nahita anay niditra tao an-tanàna. Nahita vilany nilaozan’ny tompony teo am-pandrahoana, sy varavarana tavela nibanabana izahay. Tsy sahy nifanatrika taminay àry ny olona sasany fa lasa nandositra.

[Efajoro/Sary, pejy 232, 233]

Nandositra Aho mba Hiarovako ny Aiko

Darlington Sefuka

Teraka: 1945

Batisa: 1963

Tantarany: Mpisava lalana manokana, mpiandraikitra mpitety faritany, ary mpiasa an-tsitrapo teto amin’ny Betela.

Be ny korontana tamin’ny 1963. Matetika teny am-pitoriana no nisy andiana tanora mpanao politika nialoha lalana anay, ary nampitandrina ny olona mba tsy hihaino anay. Nampitahorin’izy ireo ny olona fa hisy hamotika ny varavarankely sy varavaran’izay mihaino anay.

Nikapoka mafy ahy ny andiana tanora 15, indray takariva, roa andro monja taorian’ny batisako. Nandeha ra be ny vavako sy ny oroko. Nokapohin’ny olona 40 teo ho eo izaho sy ny rahalahy iray, indray takariva, ary narahin’izy ireo hatrany an-tranoko. Nampahery ahy ny fahatsiarovana ny zavatra niainan’i Jesosy Tompo. Nazava tsara tamiko avy tamin’ny lahatenin’ny batisako nataon’ny Rahalahy John Jason, fa ho be zava-manahirana ny fiainan’ny Kristianina. Tsy nahagaga àry ilay fanenjehana, fa nampahery kosa.

Nitady mpanohana ny mpanao politika tamin’izany, teo amin’ny ady ho an’ny fahaleovan-tena. Tsy nomba ny atsy na ny aroa izahay, ka nolazaina fa nomba ny Eoropeanina sy ny Amerikanina. Nitarin’ny mpitondra fivavahana nanohana antoko politika, izay resaka ratsy rehetra momba anay. Sarotra ny fiainanay talohan’ny fahaleovan-tena, ary mbola sarotra koa taorian’izay. Rahalahy maro no very asa, satria tsy nandray karatry ny antoko. Nisy niala ny tanàn-dehibe mba hiverina tany an-tanindrazany, ary nanao asa kely karama, satria tsy tian’izy ireo ny hangatahana fanomezana mba hanohanana fihetsiketsehana ara-politika.

Ny zana-drahavavin-dreniko, izay tsy Vavolombelona, no nikarakara ahy tamin’izaho mbola zatovo. Norahonana ny fianakaviany, satria tsy momba ny atsy na ny aroa aho. Natahotra izy ireo. Nilaza toy izao tamiko izy indray andro, talohan’ny nandehanany niasa: “Tsy te hahita an’ialahy eto intsony aho, rehefa tafaverina rahariva.” Noheveriko fa nivazivazy izy tamin’ny voalohany, satria tsy nanan-kavana hafa tao amin’ilay tanàna aho. Tsy hitako izay haleha. Tsy ela dia fantatro fa tena tsy nivazivazy izy. Tezitra be izy, rehefa tafody tao an-trano nefa mbola nahita ahy ihany. Nandray vato izy, sady nandroaka ahy. “Mandehana any amin’ny alika naman’ialahy any!”, hoy izy. Nandositra aho mba hamonjena ny aiko.

Tonga tany amin’ny raiko ilay resaka, ka nanafatra izy hoe: “Aza mankatỳ an-tranoko intsony, raha mbola tsy momba ny atsy na ny aroa ialahy.” Sarotra tamiko izany, satria vao 18 taona aho. Iza no handray ahy? Nandray ahy ny fiangonana. Matetika aho no nieritreritra ny tenin’i Davida Mpanjaka hoe: “Ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy.” (Sal. 27:10) Lazaiko aminareo fa mitana ny teniny i Jehovah.

[Efajoro/Sary, pejy 236, 237]

Nohajain’ny Mpampianatra Maro Aho Noho ny Fitondran-tenako

Jackson Kapobe

Teraka: 1957

Batisa: 1971

Tantarany: Anti-panahin’ny fiangonana.

Nanomboka tamin’ny 1964 no nisy fandroahana tany an-tsekoly. Nampian’ny biraon’ny sampana ny ray aman-dreny mba hahita fa tokony hampiomana ny zanany izy ireo. Tsaroako i Dada niara-nipetraka tamiko sy nanazava ny Eksodosy 20:4, 5, rehefa avy nianatra aho.

Tsy te hiady hevitra aho ka nijoro tany aoriana, rehefa nisy fananganan-tsaina tany am-pianarana. Nasaina nankeny aloha ireo tratra tsy nanao ny hiram-pirenena. Nanontany ahy ilay tale hoe nahoana aho no tsy nihira. Nampiasa Baiboly aho mba hamaliana azy. “Mamaky teny ialahy, nefa tsy mihira!”, hoy izy. Nilaza izy fa tokony tsy hivadika amin’ny fitondram-panjakana aho, satria izy io no manome sekoly mampianatra ahy hamaky teny.

Voaroaka tany am-pianarana aho, nony farany, tamin’ny Febroary 1967. Nalahelo aho, satria tiako ny nianatra, sady mba nahay ihany aho. Noteren’ny mpiara-miasa sy ny havana tsy Vavolombelona ny raiko, nefa nanome toky ahy fa nety ny nataoko. Noteren’ny olona koa ny reniko. Rehefa niara-nanompo taminy aho, dia nisy vehivavy naneso azy hoe: “Fa maninona io zanakao io no tsy mianatra?”

Tsy najanona anefa ny fianarako. Nohamafisina tamin’ny 1972 fa tokony hisy kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra eo anivon’ny fiangonana. Nihatsara ny toe-draharaha tany an-tsekoly tao anatin’izany. Teo ampitan’ny sekoly ny tranonay. Matetika ilay tale no nandalo tao aminay mba hangataka rano mangatsiaka hosotroina na hindrana kifafa hamafana ny efitra fianarana. Tonga nindram-bola mihitsy aza izy indray mandeha! Nanohina ny fony ny hatsaram-panahin’ny fianakaviako, satria nanontany izy indray andro hoe: “Mbola te hianatra ve ity zanakareo ity?” Nampahatsiahivin’i Dada izy, fa mbola Vavolombelon’i Jehovah aho. “Tsy maninona izany e!”, hoy ilay tale. “Kilasy fahafiry no tian’ialahy hanombohana?”, hoy izy tamiko. Kilasy fahenina no nofidiko. Niverina tao amin’ilay sekoly teo ihany aho, ary tsy niova ny tale sy ny mpiara-mianatra. Ny hany niova dia ny fahaizako mamaky teny, satria nahay kokoa noho ny ankamaroan’izy ireo aho, vokatry ny kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra tany amin’ny Efitrano Fanjakana.

Nanjary nanaja ahy ny mpampianatra maro satria nianatra tsara sy hendry aho, ka mora kokoa ny fiainako tany am-pianarana. Nianatra mafy aho, sady afa-panadinana maro. Afaka nahazo toeram-piandraiketana tany amin’ny toeram-pitrandrahana àry aho tatỳ aoriana, sady namelom-bady aman-janaka. Faly aho, fa tsy nanaiky lembenana ka tsy nihira.

[Efajoro/Sary, pejy 241, 242]

“Ahoana no Tsy Hitorianay Intsony?”

Jonas Manjoni

Teraka: 1922

Batisa: 1950

Tantarany: Nanompo teto amin’ny Betelan’i Zambia nandritra ny 20 taona mahery. Anti-panahy sy mpisava lalana maharitra ankehitriny.

Niverina avy tany Tanzania ny rahalahiko, teo antenatenan’ny Ady Lehibe II, nitondra Baiboly sy boky vitsivitsy, toy ilay hoe Fitondram-panjakana sy Fampihavanana. Mbola voarara ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany, ka tiako ho hita hoe inona no tena antony. Novakiko ilay boky Fampihavanana, nefa sarotra tamiko ny nahazo izay nolazainy. Taona vitsivitsy tatỳ aoriana dia nitsidika ny rahalahiko aho, ary niaraka taminy mba hanatrika fivoriana. Tsy nisy Efitrano Fanjakana tamin’izany, fa toerana nodiovina sy nasiana fefy volotsangana fotsiny ilay izy. Tsy nisy drafitra vita pirinty nampiasaina, nefa tena nahafinaritra ny nihaino lahateny nalaina mivantana avy tao amin’ny Soratra Masina! Tena hafa mihitsy ny fanazavana ny Baiboly tany fa tsy toy ny tany amin’ny fiangonana nalehako taloha, izay maika hanangan-tsaina sy hively amponga fotsiny. Nisy fifandirana momba ny fahasamihafan’ny foko sy ny fiteny tokony hihirana tokoa tany am-piangonana! Tao amin’io fivoriana io kosa dia nandre hira mahafinaritra nidera an’i Jehovah aho, ary nahita fianakaviana manontolo nipetraka sy nandray sakafo ara-panahy.

Natao batisa aho, ary nanohy ny asako tany amin’ny hopitaly, izay nitetezako tanàna teo amin’ny faritra misy toeram-pitrandrahana. Naka andro tsy niasana tapa-bolana aho tamin’ny 1951, ka lasa nanampy tao amin’ny biraon’ny sampan’i Lusaka. Nasaina hiasa tao amin’ny Betela aho, tsy ela taorian’izay. Niasa tao amin’ny fandefasana entana aho tamin’ny voalohany. Nanampy tamin’ny fifanoratana sy ny fandikan-teny kosa aho, rehefa nifindra tany Luanshya ny birao. Nisy fiovana ara-politika tamin’ny fiandohan’ireo taona 1960, nefa nahita vokatra tamin’ny fanompoana foana ireo rahalahy, sady tsy nomba ny atsy na ny aroa teo anivon’ny korontana politika.

Tamin’ny Martsa 1963 no anisan’ny fotoana maro nihaonako tamin’ny Dr. Kenneth Kaunda, izay efa ho lasa prezidàn’i Zambia. Nohazavaiko tamin’io ny antony tsy iarahantsika amin’ny antoko politika, sy tsy ividianantsika karatry ny antoko. Nangataka ny fanampiany izahay mba hampitsaharana ny fandrahonan’ny mpanohitra ara-politika, ka nangataka fanazavana bebe kokoa izy. Nasain’ny Dr. Kaunda ho ao amin’ny Tranom-panjakana izahay, taona vitsivitsy tatỳ aoriana, ka nasainy niresaka teo anatrehany sy ireo minisitra samihafa. Naharitra hatramin’ny hariva be ilay fihaonana. Tsy nolaviny ny hoe fivavahana ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa nanontany izy raha afaka mivory fotsiny toy ny fivavahana hafa isika, fa tsy mitory. “Ahoana no tsy hitorianay intsony?”, hoy ny navalinay. “Nitory i Jesosy, fa tsy nanorina tempoly teo akaikin’ny an’ny Fariseo fotsiny.”

Nangataka imbetsaka izahay, nefa voarara ny lafiny sasany amin’ny fanompoantsika. Nahita fomba foana anefa izahay mba hanomezam-boninahitra an’i Jehovah, izay mampiasa ny mpanompony mba hanatanterahana ny fikasany.

[Efajoro/Sary, pejy 245, 246]

Tena Tia Mianatra Aho

Daniel Sakala

Teraka: 1964

Batisa: 1996

Tantarany: Anti-panahin’ny fiangonana.

Tao amin’ny Fiangonan’ny Fanahin’i Ziona aho, rehefa nahazo an’ilay bokikely hoe Miezaha Mamaky Teny sy Manoratra. Tena tia mianatra aho, na dia tsy nahay taratasy aza. Nanokana fotoana betsaka handinihana an’io bokikely io àry aho. Niangavy olona aho mba hanampy ahy hahazo an’ireo teny vaovao. Tamin’izany no nahaizako samirery, tao anatin’ny fotoana fohy, ny zavatra fototra momba ny famakian-teny sy ny fanoratana.

Afaka namaky Baiboly amin’izay aho! Nahita zavatra vitsivitsy nifanohitra tamin’ny zavatra natao tany am-piangonanay anefa aho. Vavolombelon’i Jehovah ny zaodahiko, ary nanome ahy an’ilay bokikely hoe Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo? Te hanontany an’ilay pasitera aho, rehefa avy namaky azy io. Tany am-piangonana aho indray mandeha, ary novakiko ny Deoteronomia 18:10, 11, ka nanontany aho hoe: “Nahoana isika no manao zavatra melohin’ny Baiboly?”

“Manao ny anjarantsika isika”, hoy ilay pasitera. Tsy azoko io valin-teniny io.

Novakiko avy eo ny Mpitoriteny 9:5, ary nanontany aho hoe: “Nahoana isika no mampirisika olona hanome voninahitra ny maty, nefa milaza ny Baiboly fa ‘tsy mahalala na inona na inona’ ny maty?” Tsy nisy namaly ahy na ny mpiangona na ny pasitera.

Nisy mpiangona nanatona ahy avy eo. Hoy izy ireo: “Isika ange tsy Vavolombelon’i Jehovah e! Ka nahoana isika no tsy hanaja ny maty sy tsy hanaraka ny fomban-drazana intsony?” Nahagaga ahy izany. Ny Baiboly ihany no nampiasaiko tamin’ilay resaka, nefa noheverin’ny mpiangona fa niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho! Nanomboka nanatrika fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana, niaraka tamin’ny mpiara-miangona roa aho, nanomboka tamin’izay. Nampirisika havana akaiky maro aho, nandritra ireo telo volana nanaraka, mba hanatrika fivoriana kristianina, ka nanaiky izany izy ireo. Vita batisa ny telo amin’izy ireo izao, anisan’izany ny vadiko.

[Tabilao, pejy 176, 177]

ZAMBIA IREO TAONA NANAN-TANTARA

1910

1911: Tonga tatỳ Zambia ny Fianarana ny Soratra Masina.

1919: Nokapohina sy nogadraina i Kosamu Mwanza sy ny olona 150 hafa.

1925: Natsahatry ny biraon’ny Mpianatra ny Baiboly tany Le Cap ny fanaovana batisa sy ny fitoriana.

1935: Noferan’ny fanjakana ny fanafarana boky aman-gazety. Boky 20 no voarara.

1936: Nisokatra tany Lusaka ny trano fanatobiana boky, niandraiketan’i Llewelyn Phillips.

1940

1940: Noraran’ny fanjakana ny fanafarana sy fizarana ny bokintsika. Niverina indray ny fanaovana batisa.

1948: Tonga ny voalohany tamin’ireo misioneran’i Gileada.

1949: Nesorin’ny fanjakana ny fandrarana Ny Tilikambo Fiambenana.

1954: Nifindra tany Luanshya ny biraon’ny sampana.

1962: Nifindra tany Kitwe ny biraon’ny sampana.

1969: Noraran’ny fanjakana ny fitoriantsika amin’ny besinimaro.

1970

1975: Noroahina ny misionera.

1986: Navela hiverina teto indray ny misionera.

1993: Notokanana ny biraon’ny sampana ankehitriny eto Lusaka.

2000

2004: Notokanana teto Lusaka ny fanitarana ny sampana.

2005: Misy mpitory 127 151 eto Zambia.

[Tabilao]

(Jereo ny boky)

Mpitory

Mpisava lalana

130 000

65 000

1910 1940 1970 2000

[Sarintany, pejy 169]

(Jereo ny boky)

REPOBLIKA DEMOKRATIKAN’I CONGO

ZAMBIA

Kaputa

Mbala

Isoka

Kasama

Samfya

Lundazi

Mufulira

Kalulushi

Kitwe

Luanshya

Kabwe

LUSAKA

Senanga

Reniranon’i Zambèze

Livingstone

BOTSWANA

ZIMBABWE

MOZAMBIQUE

MALAWI

[Sary, pejy 162]

[Sary, pejy 167]

Thomson Kangale

[Sary, pejy 170]

Llewelyn Phillips

[Sary, pejy 178]

Harry Arnott, Nathan Knorr, Kay sy John Jason, ary Ian Fergusson, 1952

[Sary, pejy 193]

Ankavanana: Manda Ntompa sy ny fianakaviany, tao amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenan’i Mwange, 2001

[Sary, pejy 193]

Ambany: Iray tamin’ireo tobin’ny mpitsoa-ponenana

[Sary, pejy 201]

Kilasy voalohany tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana teto Zambia, 1993

[Sary, pejy 202]

Richard Frudd sy Philemon Kasipoh, mpampianatra amin’ny SFF, miresaka amin’ny mpianatra iray

[Sary, pejy 206]

Fotaka sy bozaka ary zavatra hafa teo an-toerana no nanorenana trano fanaovana fivoriambe

[Sary, pejy 215]

Ankavia: Fampisehoana tantara ara-baiboly, 1991

[Sary, pejy 215]

Ambany: Ireo hatao batisa tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra”, 1996

[Sary, pejy 235]

Atoa Richmond Smith, miaraka amin’i Feliya Kachasu sy Paul, rainy

[Sary, pejy 251]

Mpiasa falifaly, nandray anjara tamin’ny fanorenana ny Betelan’i Lusaka

[Sary, pejy 252, 253]

1, 2) Efitrano Fanjakana naorina vao haingana

3, 4) Sampan’i Zambia, Lusaka

5) Stephen Lett, tamin’ny fitokanana ny fanitarana ny sampana, Desambra 2004

[Sary, pejy 254]

Komitin’ny Sampana, ankavia miankavanana: Albert Musonda, Alfred Kyhe, Edward Finch, Cyrus Nyangu, ary Dayrell Sharp

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara