-
Mampianatra Antsika Hahitantsika Soa i JehovahNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Hisy vokany eo amin’ireo Jiosy nivadika ireo ve ny zavatra holazain’i Jehovah? Hoy izy tamin’izy ireo: “Efa renao, ka dia jereo izany rehetra izany, moa hianareo tsy hanambara izany va? Mampandre anao zava-baovao kosa Aho hatramin’izao, dia zavatra miafina izay tsy fantatrao.
-
-
Mampianatra Antsika Hahitantsika Soa i JehovahNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
7. Inona no tsy maintsy neken’ny Jiosy, ary inona no azony nampoizina?
7 Efa nanoratra ela be mialoha momba ny hianjeran’i Babylona i Isaia. Mbola tany an-tsesitany tany Babylona ny Jiosy izao, ka nasaina nijery ny hahatanterahan’io faminaniana io. Afaka mandà ve izy ireo hoe i Jehovah no Andriamanitra manatanteraka faminaniana? Ary noho izy ireo nahita sy nandre fa Andriamanitry ny fahamarinana i Jehovah, tsy tokony hanambara izany amin’ny hafa koa ve izy ireo? Ny teny nambaran’i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia dia naminany zava-baovao, toy ny handresen’i Kyrosy an’i Babylona sy ny hanafahana ny Jiosy. (Isaia 48:14-16)
-
-
Mampianatra Antsika Hahitantsika Soa i JehovahNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Hitan’ny Jiosy fahiny sy ny Kristianina ankehitriny fa porofon’ny maha Andriamanitra azy ny fahatanterahan’ireo faminaniany. Manome toky koa ireo faminaniana maro be tanteraka tamin’ny lasa (“ny zavatra taloha”) fa ho tanteraka ireo zava-baovao nampanantenain’i Jehovah: ny “fahoriana lehibe”, ny “olona betsaka” izay ho tafita velona amin’io fahoriana io, ny “tany vaovao”, ary zavatra maro hafa. (Apokalypsy 7:9, 14, 15; 21:4, 5; 2 Petera 3:13) Matoky ny amin’izany ny olona tso-po ankehitriny, ka voatosika hiresaka momba azy amin-jotom-po. Mitovy fihetseham-po amin’ilay mpanao salamo izy, ka manao hoe: “Efa nilaza teny mahafaly ny amin’ny fahamarinana teo amin’ny fiangonana lehibe Aho; indro, ny molotro tsy mba nakomboko.”—Salamo 40:9.
-