-
Mampianatra Antsika Hahitantsika Soa i JehovahNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
15. Amin’ny heviny ahoana ary noho ny antony inona no ‘nitiavan’i’ Jehovah an’i Kyrosy?
15 Nandefasana izao fanasana lehibe izao ny Jiosy sy ny tsy Jiosy: “Mivoria hianareo rehetra, ka mihainoa: Iza moa amin’ireny no mba efa nanambara izany; ilay tian’i Jehovah no hahefa ny sitrapony amin’i Babylona, ary ny sandriny ho amin’ny Kaldeana.
-
-
Mampianatra Antsika Hahitantsika Soa i JehovahNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
I Jehovah irery no faran’izay mahery sy afaka maminany zavatra araka ny marina. Tsy misy na iray aza “amin’ireny” sampy tsinontsinona ireny, afaka manao toy izany. I Jehovah, fa tsy ny sampy, no ‘tia’ an’i Kyrosy, izany hoe nifidy azy hanao zavatra voafaritra tsara. (Isaia 41:2; 44:28; 45:1, 13; 46:11) Hitany mialoha ny hipoiran’i Kyrosy hanao zavatra lehibe iray, ary izy no nofidiny mba handresy an’i Babylona.
-