FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mampianatra Antsika Hahitantsika Soa i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • 16, 17. a) Nahoana no azo lazaina fa tsy niafina i Jehovah rehefa nanome ny faminaniany? b) Ahoana no ampahafantaran’i Jehovah ny fikasany ankehitriny?

      16 Hoy ny tohin’ny tenin’i Jehovah, niangavy ny olony: “Manatòna Ahy hianareo, ka mihainoa; hatramin’ny taloha no efa tsy nitenenako tamin’ny mangingina, hatry ny fony vao nisian’ireo dia teo Aho.” (Isaia 48:16a) Tsy niafina i Jehovah rehefa nanome ny faminaniany, no sady tsy olom-boafidy vitsivitsy monja no nilazany azy. Tsy niolakola-piteny ireo mpaminaniny, rehefa nitondra ny teniny. (Isaia 61:1) Nanambara ampahibemaso ny sitrapon’Andriamanitra izy ireo. Ohatra, nolazain’Andriamanitra an-karihary tamin’ny alalan’i Isaia, 200 taona mialoha, ireo zava-nitranga nifandray tamin’i Kyrosy, izay efa fantany tsara sy hitany mialoha.

      17 Toy izany koa ankehitriny, tsy manafinafina ny fikasany i Jehovah. Olona an-tapitrisa any amin’ny tany sy nosy an-jato no manambara ny faran’ity tontolo ity sy ny vaovao tsara ny amin’ireo fitahiana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Isan-trano sy eny an-dalana ary na aiza na aiza ahafahany, no anaovany izany. Tena Andriamanitra milaza ny fikasany tokoa i Jehovah.

      ‘Henoy ny didiko!’

      18. Inona no fanirian’i Jehovah momba ny vahoakany?

      18 Nomen’ny fanahin’i Jehovah hery ilay mpaminany mba hilaza hoe: “Jehovah Tompo no naniraka Ahy sy ny Fanahiny.

  • Mampianatra Antsika Hahitantsika Soa i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • Isaia 48:16b,

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara