FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Voala Sarona ny Fihatsarambelatsihy!
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • 8, 9. Inona koa no tsy maintsy nataon’ny olona iray tena nibebaka tamim-pahatsorana?

      8 Tsy ny hifady hanina fotsiny no tian’i Jehovah hataon’ny olony, raha nanota izy ireo, fa ny hibebaka koa. Izany no hahazoan’izy ireo sitraka Aminy. (Ezekiela 18:23, 32) Nohazavain’i Jehovah fa tsy nisy heviny ny fifadian-kanina nataon’ny olona iray, raha tsy niala tamin’ny fahotany izy. Diniho ity fanontaniana mampisaintsaina napetrak’i Jehovah ity: “Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha ny famatoran’ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin’ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra?”—Isaia 58:6.

      9 Ohatra mety tsara ilazana ny famaboana tsy mifaditrovana ny famatorana sy ny zioga. Tsy nety àry raha sady nifady hanina ilay vahoaka no nampahory ny mpiray finoana taminy, fa tokony hankatò kosa ilay baiko hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” (Levitikosy 19:18) Tokony hanafaka an’izay rehetra nampahoriny sy nandevoziny tsy ara-drariny izy ireo.a Ny fifadian-kanina sy ny zavatra hafa natao mba ho hitan’ny olona, dia tsy mahasolo ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavan-drahalahy avy amin’ny fo. Hoy i Mika mpaminany, niara-belona tamin’i Isaia: “Izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena.”—Mika 6:8.

  • Voala Sarona ny Fihatsarambelatsihy!
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • a Nahazo nivarotra ny tenany ho andevo ny Isiraelita nanan-trosa, ka tonga mpikarama mba handoavana ny trosany. (Levitikosy 25:39-43) Kanefa nasain’ny Lalàna nanehoana hatsaram-panahy ny andevo. Tsy maintsy nafahana kosa ireo nampijalina.—Eksodosy 21:2, 3, 26, 27; Deoteronomia 15:12-15.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara