-
“Aoka Hanahaka An’Andriamanitra Ianareo”Ny Tilikambo Fiambenana—2008 | 1 Oktobra
-
-
Mampirisika ny tena Kristianina ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Koa aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, amin’ny maha zanaka malala anareo.” (Efesianina 5:1) Hita avy amin’ireo teny ireo fa tena matoky ny mpanompony i Jehovah Andriamanitra. Nahoana? Satria noforoniny araka ny endriny ny olona, ka misy itovizana aminy. (Genesisy 1:26, 27) Midika izany fa nataony hanana toetra toy ny azy ny olona.a Rehefa mampirisika ny Kristianina àry ny Baiboly mba “hanahaka an’Andriamanitra”, dia toy ny hoe i Jehovah mihitsy no miteny aminy hoe: ‘Matoky anao aho. Fantatro fa tsy lavorary ianao, nefa afaka miezaka manahaka ahy ihany.’
-
-
“Aoka Hanahaka An’Andriamanitra Ianareo”Ny Tilikambo Fiambenana—2008 | 1 Oktobra
-
-
a Araka ny Kolosianina 3:9, 10, ny hoe natao araka ny endrik’Andriamanitra dia noforonina hanana toetra toy ny azy. Ireo maniry hampifaly azy àry dia tokony hitafy “ny toetra vaovao”, izay “havaozina araka ny endrik’Ilay [Andriamanitra] namorona azy.”
-