FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Josefa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Tamin’i Jakoba tany Hebrona, dia nirahiny i Josefa mba hijery raha tsy nisy naninona ny rahalahiny tany akaikin’i Sekema sy ny andian’ondry nandrasan’izy ireo. Azo inoana fa tsy tena nampahazoto an’i Josefa izany, satria nankahala azy ireo rahalahiny ireo. Tsy nisalasala anefa izy niteny tamin-drainy hoe: “Intỳ aho!” Niala tany amin’ny Lemaka Ivan’i Hebrona àry izy mba hankany Sekema. Nisy lehilahy tao nilaza taminy hoe nankany Dotana ireo rahalahiny. Nanohy ny diany àry i Josefa. Tazan’ireo rahalahiny avy lavitra izy, ka hoy izy ireo: “Iny tonga iny ilay mpanonofy. Andao hovonointsika izy dia hatsipintsika ao anatin’ny iray amin’ireo lavaka fanangonan-drano ireo. ... Dia ho hitantsika hoe hanao ahoana ny nofiny.” (Ge 37:12-20) Te hisakana an’ilay tetika anefa i Robena, zokin’izy ireo lahimatoa. Nilaza àry izy hoe aleo atsipy ao anaty lavaka fanangonan-drano efa tsy nisy rano intsony i Josefa, fa tsy hovonoina. Raha vao tonga teo amin’ny rahalahiny àry i Josefa, dia nendahan’izy ireo ilay akanjo lava nitsipitsipika nanaovany, ary ny soso-kevitr’i Robena no narahin’izy ireo. Nahatazana Ismaelita niara-dia izy ireo, avy eo, ka nampirisika an’ireo rahalahiny i Joda (tsy teo i Robena) hoe aleo amidy amin’ireo mpivaro-mandeha ireo i Josefa toy izay hovonoina ho faty.​—Ge 37:21-27.

  • Joda
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Fifandraisany tamin’i Josefa. Nanjary nankahala an’i Josefa i Joda sy ny rahalahiny, satria tian’i Jakoba kokoa i Josefa. Vao mainka nankahala azy izy ireo, rehefa nitantaran’i Josefa ny nofiny anankiroa, izay milaza hoe ho lasa ambony noho izy ireo izy. Nirahin’i Jakoba i Josefa, tatỳ aoriana, mba hijery sao nisy naninonaninona ireo rahalahiny tany am-piandrasana ondry. Nanao tetika mba hamonoana azy ho faty izy ireo, raha vao nahatazana azy avy lavitra. Te hiaro an’i Josefa anefa i Robena, ka nanolo-kevitra hoe aleo atsipy ao anaty lavaka fanangonan-drano efa tsy nisy rano intsony izy. Nanaiky ireo rahalahiny.​—Ge 37:2-24.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara