FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Joda
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Fifandraisany tamin’i Josefa. Nanjary nankahala an’i Josefa i Joda sy ny rahalahiny, satria tian’i Jakoba kokoa i Josefa. Vao mainka nankahala azy izy ireo, rehefa nitantaran’i Josefa ny nofiny anankiroa, izay milaza hoe ho lasa ambony noho izy ireo izy. Nirahin’i Jakoba i Josefa, tatỳ aoriana, mba hijery sao nisy naninonaninona ireo rahalahiny tany am-piandrasana ondry. Nanao tetika mba hamonoana azy ho faty izy ireo, raha vao nahatazana azy avy lavitra. Te hiaro an’i Josefa anefa i Robena, ka nanolo-kevitra hoe aleo atsipy ao anaty lavaka fanangonan-drano efa tsy nisy rano intsony izy. Nanaiky ireo rahalahiny.​—Ge 37:2-24.

  • Midianina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • 2. Taranak’i Midianina zanakalahin’i Abrahama ny “Midianina” na “Midianita.” (No 31:2, 3) Toa Ismaelita no iantsoan’ny Baiboly azy ireo indraindray. (Ampit. Ge 37:25, 27, 28, 36; 39:1; Mpts 8:22, 24.) Nitovitovy angamba ny fomba fiainan’ny taranak’i Ismaela sy Midianina, izay samy zanak’i Abrahama. Nifanambady koa angamba izy ireo. Toa nantsoina hoe Midianita koa ny Kenita sasany, anisan’izany i Hobaba Kenita zaodahin’i Mosesy. Mety ho nipetraka tany Midianina fotsiny anefa izy, satria efa nisy talohan’ny nahaterahan’i Midianina ny Kenita.​—Ge 15:18, 19; No 10:29; Mpts 1:16; 4:11; jereo ISMAELITA; KENITA.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara