FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Josefa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Nentin’ireo mpivaro-mandeha tany Ejipta i Josefa, ary namidiny tamin’i Potifara, lehiben’ny mpiaro an’i Farao. (Ge 37:28, 36; 39:1) Tsy mahagaga raha novidin’i Potifara izy. Porofoin’ny taratasy papyrus fahiny mantsy fa be mpitady tany Ejipta ny andevo syrianina, ary metisy syrianina i Josefa.​—Ge 29:10; 31:20.

  • Potifara
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • POTIFARA

      (Pôtifàra) [avy amin’ny teny ejipsianina, ary mitovitovy amin’ny hoe Potifera].

      Tandapa ejipsianina sady lehiben’ny mpiaro an’i Farao. Nisy fotoana izy nampiasa an’i Josefa. (Ge 37:36; 39:4) Toa lehilahy nanan-karena i Potifara matoa nividy an’i Josefa tamin’ireo mpivaro-mandeha midianita. Hitany fa niasa tsara ilay mpanompony, ka notendreny hiandraikitra an’izay tao an-tranony sy tany an-tsahany. Noho i Josefa, dia notahin’i Jehovah ny fananan’i Potifara.​—Ge 37:36; 39:1-6.

  • Potifara
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Nadika avy amin’ny teny hebreo hoe saris, izany hoe “lehilahy novosirina”, ilay anaram-boninahitr’i Potifara hoe “tandapa.” Mety hidika koa io teny hebreo io hoe mpiandraikitra ny ao an-dapa, na manamboninahitra natokisan’ny mpanjaka. Azo antoka fa olona ambony teo amin’ny fitondrana fa tsy lehilahy novosirina, ilay “tandapa [saris] iray nifehy ny lehilahy mpiady” rehefa noravana i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. (2Mp 25:19) Azo inoana koa àry fa tsy lehilahy novosirina i Potifara, satria sady miaramila izy no lehiben’ny mpiaro an’i Farao, ary nanambady.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara