FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Kosy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Voatonona ao amin’ilay fitantarana momba an’i Babela sy ny fanjakana naorin’i Nimroda taorian’ny Safodrano, ny anaran’i Kosy rain’i Nimroda. (Ge 10:8-12) Misy milaza fa mety ho ny taranak’i Kosy no nanjaka tao amin’ilay tanàna fahiny atao hoe Kisy, izay hitan’ny mpikaroka tany Mezopotamia Ambany, akaikin’i Babylona. Nitondra ny anaram-boninahitra hoe “mpanjakan’izao tontolo izao”, hono, ireo mpanjaka babylonianina (tamin’ny taonarivo fahatelo T.K.) tao. Hoy ny “Lisitra Misy ny Anaran’ireo Mpanjaka Somerianina” (tantara an-tsoratra fahiny izay angano ny ankamaroany): “Tany Kisy ny fanjakana (voalohany) taorian’ny Safodrano (naneran-tany), rehefa nampidinina tetỳ (indray) ny fanjakana tany an-danitra.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 265) Hoy ilay manam-pahaizana atao hoe Albright, momba an’io tanàna fahiny io: “Tsy voaresaka ao amin’ny Baiboly i Kisy, raha tsy hoe Kisy angaha taloha no niantsoana an’ilay Kosy ao amin’ny Gen. 10:8. Heverina fa i Nimroda no mpitondra voalohany tao Kisy.” (Famakafakana sy Fizahana Teny ao Amin’ny Baiboly nataon’i Young, Fanampin’ny “Zavatra Hita Vao Haingana Tany Palestina”, nataon’i W. Albright, 1955, p. 14) Toa manamarina ny voalazan’ny Baiboly àry ny tantara rehefa milaza fa nitondra tany Babylonia ny taranak’i Kosy taloha, na dia lasa nofehezin’ny taranak’i Sema tanteraka aza izy io tatỳ aoriana.

      Ny “tanin’i Kosy.” Tsy tena fantatra hoe taiza no nisy an’ilay “tanin’i Kosy” lazain’ny Genesisy 2:13 fa voahodidin’ny reniranon’i Gihona, iray tamin’ireo sampana efatr’ilay “renirano nivoaka avy tao Edena.” (Ge 2:10) Nataon’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo hoe Etiopia ilay teny hebreo nadika hoe Kosy, ao amin’io andininy io. Marina fa nilazana an’i Etiopia fahiny ny hoe Kosy tany am-boalohany, kanefa tsy voatery ho izany ny heviny ao amin’ny Genesisy 2:13. Niray hevitra tamin’ireo mpandika ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo i Josèphe, ka nilaza fa i Neily (Nil) ilay Reniranon’i Gihona. (Rakitry ny Ela Jiosy, I, 39 [i, 3]) Toa tsy mitombina anefa izany. Iray ihany mantsy ny loharanon’i Eofrata sy Tigra ary Gihona, raha tsy hoe nanova tanteraka an’ilay faritra angaha ny Safodrano naneran-tany.

      Misy manam-pahaizana àry milaza fa ilay firenena atao hoe Kasso na Kasita resahin’ny soratra asyrianina, ilay “Kosy” ao amin’ny Genesisy 2:13. Firenena tsy fanta-piaviana nonina tany amin’ny lembalemban’i Azia Afovoany izy io. Nilaza i P. English tao amin’ny Gazety Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy (1959, Boky Faha-18, p. 49-53) fa nisy mainty hoditra taloha tany amin’ny tendrony atsimoatsinanana amin’ny Ranomasina Mainty, ary avy eo tany Caucase tany avaratra kokoa. Nilaza koa izy fa mety hisy hifandraisany amin’ilay Kosy resahin’ny Baiboly ny anaran’ireo faritr’i Abkhazie sy Khazarie nonenan’ireo foko ireo. Mety ho fianakaviana kosita tsy nifindra monina nianatsimo niaraka tamin’ny Kosita hafa rehetra koa anefa ilay Kosy ao amin’ny Genesisy 2:13, fa nanorim-ponenana tany Azia Minora kosa araka ny voalaza tetsy aloha.

  • Edena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Toerana nisy an’i Edena. Tsy tena fantatra ny toerana nisy azy io. Manampy hahalalana izany anefa ny voalazan’ny Baiboly momba ny renirano iray “nivoaka avy tao Edena.” “Nisampana” ho renirano efatra izy io avy eo: I Eofrata, Hidekela, Pisona, ary Gihona. (Ge 2:10-14) Be mpahalala i Eofrata (heb.: Perat). I “Hidekela” kosa voaresaka ao amin’ny soratra tranainy, ary Reniranon’i Tigra no ahalalana azy ankehitriny. (Ampit. Da 10:4.) Tsy fantatra kosa ny mombamomba an’i Pisona sy Gihona.​—Jereo KOSY No. 2; HAVILA No. 1.

      Milaza kosa i Calvin sy Delitzsch fa tany akaikikaikin’ny tendron’i Hoala Persika, any Mezopotamia Ambany, eo amin’ny toerana ifanakaikezan’i Tigra sy Eofrata no nisy an’i Edena. Lazain’izy ireo koa fa lakandrano eo anelanelan’i Tigra sy Eofrata i Pisona sy Gihona. Raha marina anefa izany, dia lasa sakelidrano mivarina ao amin’ny renirano iray izy ireo, fa tsy sampana avy amin’ny renirano iray. Ny soratra amin’ny teny hebreo kosa manondro toerana any amin’ny faritra be tendrombohitra any avaratry ny lemak’i Mezopotamia, any amin’ny faritra misy an’ireo loharano iavian’i Eofrata sy Tigra ankehitriny. Manamarika toy izao àry Ny Baiboly Vatofantsika (1964), ao amin’ny Genesisy 2:10: “Antsoina hoe ‘farany’ (Js 15:5; 18:19) ny vinany, amin’ny teny heb[reo]; manondro ny any ambony kokoa amin’ny renirano àry ilay endriny milaza maro hoe rôʼs izay nadika hoe ‘lohany’ [na ‘sampany’]. ... Izany mihitsy koa no dikan’ilay teny ak[adianina] hoe reso, izay iray fiaviana amin’ny hoe rôʼs.” Tsy iray intsony ankehitriny ny loharano iavian’i Eofrata sy Tigra, ary tsy fantatra intsony i Pisona sy Gihona. Nanova be ny firafitry ny vohon-tany mantsy ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa, ka nanjary tototra ny renirano sasany, ary nisy vaovao niforona.

  • Gihona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • 1. Iray amin’ireo sampany efatra tamin’ilay renirano nivoaka avy tao Edena. “Izy io no manodidina ny tanin’i Kosy manontolo.” (Ge 2:10, 13) Tsy fantatra izay tena nisy azy io. Raha jerena ny sarintany, dia tsy ho i Etiopia mihitsy ilay “tanin’i Kosy” voalaza eo, na dia nantsoin’ny Baiboly imbetsaka hoe “Kosy” aza i Etiopia tatỳ aoriana. Mety ho ilay tany nonenan’i Kosy izy io, talohan’ny niparitahan’ny olona rehefa nisafotofoto ny fiteny tao Babela. (Ge 11:9) Misy milaza fa ny Reniranon’i Araxe (Araks ankehitriny) ihany no Gihona. Any amin’ny tendrombohitra any avaratrandrefan’ny Farihin’i Van no miandoha i Araks ary mivarina any amin’ny Ranomasina Caspienne. Misy indray mpanao diksionera milaza fa ny tanin’ireo Kasita (kasso amin’ny fiteny akadianina) ilay “tanin’i Kosy” resahin’ny Genesisy 2:13. Miresaka momba an’ireo mponina tany amin’ny lembalemban’i Azia Afovoany ireo ny soratra miendri-pantsika fahiny, nefa tsy tena fantatra ny tantaran’izy ireo. (Lexicon in Veteris Testamenti Libros, nataon’i L. Koehler sy W. Baumgartner, Leyde, 1958, p. 429; Diksioneran’ny Testamenta Taloha Hebreo-Anglisy; nataon’i Brown, Driver, ary Briggs, 1980, p. 469) Tsara homarihina koa fa nantsoina hoe Kosi na Koshim ny Arabo sasany nonina tao amin’ny Saikinosin’i Arabia, araka ny Habakoka 3:7. Natao nifanitsy i Kosana sy Midianina ao, ka na izy ireo toerana iray ihany, na tany nifanakaiky. Maro ny soso-kevitra azo aroso, nefa tsy misy azo antoka izy ireny satria efa niova be ny vohon-tany vokatr’ilay Safodrano naneran-tany.​—Jereo KOSY No. 2.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara