FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Abrahama
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Nanaiky hanaraka an’i Abrahama sy Saraha tamin’io dia lavitra io i Tera, izay efa 200 taona teo ho eo tamin’izay. I Tera anefa no lazaina hoe nanapa-kevitra hifindra tany Kanana, satria izy no mbola loham-pianakaviana. (Ge 11:31) Toa efa natsangan’i Abrahama sy Saraha ho zanany i Lota zana-drahalahiny, ka nanaraka azy ireo koa. Kamboty ray mantsy i Lota, ary tsy niteraka kosa i Abrahama sy Saraha, izay dadatoany sy nenitoany. Nandeha nianavaratrandrefana tany amin’ny 960 km i Abrahama sy ny olona rehetra niaraka taminy, mandra-pahatongany tany Harana, tanàn-dehibe nihaonan’ireo lalana falehan’ny mpivarotra avy any atsinanana sy avy any andrefana. Eo amin’ny toerana ihaonan’ny sakelidrano roa no misy an’i Harana, ary ao ireo sakelidrano ireo no mitambatra ho renirano. Tonga hatrany amin’ny Reniranon’i Balikh io renirano io rehefa ririnina. Tokotokony ho 110 km avy eo amin’ny toerana ivarinan’ny Reniranon’i Balikh mankao amin’ny Reniranon’i Eofrata no misy an’i Harana. Nijanona tao i Abrahama mandra-pahafatin’i Tera rainy.​—SARINTANY, Boky 1, p. 330.

  • Arkeolojia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Voaporofo fa tanàn-dehibe nandroso i Ora fahiny, tanànan’i Abrahama. (Ge 11:28-31) Teo amoron’i Eofrata tany akaikin’ny Hoala Persika no nisy an’io tanàna somerianina nofongarin’Atoa Leonard Woolley io. Hitany fa tamin’ny fotoana nampahalaza sy nampahatanjaka an’i Ora i Abrahama no niala tao mba ho any Kanana (al. 1943 T.K.). Ny tempoly miendrika piramida tao Ora no tena voatahiry tsara. Firavaka maro tena tsara, sy zavatra maro vita amin’ny volamena, ary zavamaneno toy ny harpa no hita tao amin’ny fasan’ny mpanjaka. (Ampit. Ge 4:21.) Hita tao Ora koa ny famaky kely iray vita amin’ny tsỳ (fa tsy vy tsotra) (ampit. Ge 4:22), sy takelaka tanimanga an’arivony mitantara ny fiaimpiainan’ny olona tao efa ho 4 000 taona lasa izay.​—Jereo ORA, I No. 2.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara