FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Lanitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Fonenan’Andriamanitra sy ny anjely. Azo iantsoana ny lanitra fonenan’Andriamanitra sy ny anjely koa ny teny tany am-boalohany ilazana ny lanitra ara-bakiteny. Fanahy Andriamanitra ka tsy monina any amin’ny lanitra ara-bakiteny. Voalaza anefa fa mitoetra any amin’ny “avo” i Jehovah, ‘ilay Avo sy Ilay Misandratra.’ (Is 57:15) Midika koa hoe “asandratra” na “avo” mantsy ny teny hebreo nadika hoe “lanitra”, ka mety ny ilazana fa ‘any amin’ny fonenana avo izay sady masina no tsara tarehy’ Andriamanitra. (Is 63:15; Sl 33:13, 14; 115:3) An’i Jehovah ny lanitra (Sl 115:15, 16), satria izy no Mpanao ny lanitra. (Ge 14:19; Sl 33:6) Ataony any an-danitra àry izay rehetra mahafinaritra azy, anisan’izany ny fahagagana.​—Sl 135:6.

  • Fanetren-tena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Toetran’Andriamanitra. Anisan’ny toetran’i Jehovah Andriamanitra ny fanetren-tena. Tsy midika izany hoe mila manaiky ny hafa izy na hoe ambany. Manetry tena kosa izy ka mamindra fo sy mangoraka an’ireo mpanota tsinontsinona. Manaiky hifandray amin’ny mpanota izy, ary nanome ny Zanany ho sorona noho ny fahotan’ny olombelona, ka izany dia efa fanetren-tena. Efa 6 000 taona teo ho eo izao no namelan’i Jehovah ny faharatsiana hisy. Navelany hisy ny taranak’olombelona, na dia nanota aza i Adama razamben’izy ireo. Namindra fo tamin’ny taranak’i Adama àry izy noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa, ka afaka ny hiaina mandrakizay izy ireo. (Ro 8:20, 21) Hita amin’izany rehetra izany fa manetry tena Andriamanitra. Manaporofo izany koa ireo toetrany tsara hafa.

      Nanehoan’Andriamanitra hatsaram-panahy tsy manam-paharoa i Davida Mpanjaka, ka tsapany fa manetry tena Andriamanitra. Nafahan’i Jehovah tamin’ny fahavalony rehetra, ohatra, izy ka nihira hoe: “Hanome ahy ny ampinga famonjenao ianao, ary ny fanetren-tenanao no mampisandratra ahy.” (2Sa 22:36; Sl 18:35) Be voninahitra Andriamanitra, ary mipetraka eo amin’ny toerana avo any amin’ny lanitra ambony indrindra, nefa izao no lazaina momba azy: “Iza no tahaka an’i Jehovah Andriamanitsika, izay monina any amin’ny avo? Miondrika hijery ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany izy, atsangany hiala amin’ny vovoka ny olona ambany, ary ny mahantra kosa asandrany avy ao anaty lavaka misy lavenona, mba hiara-mipetraka amin’ny olona ambony, dia ny olona ambony eo amin’ny vahoakany.”​—Sl 113:5-8.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara