-
TendrombohitraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Vato misakana. Ampiasaina mba hilazana vato misakana koa ny tendrombohitra, indraindray. Noharina tamin’ny tendrombohitra, ohatra, ny zava-drehetra nanakantsakana ny Israely tsy hiverina avy tany an-tsesitany tany Babylona sy izay nanakantsakana ny fanorenana indray ny tempoly tatỳ aoriana. (Is 40:1-4; Za 4:7) Ny finoana dia mahavita mamindra sakana lehibe toy ny tendrombohitra, ary na tendrombohitra ara-bakiteny mihitsy aza, raha izay no sitrapon’Andriamanitra.—Mt 17:20; 21:21; Mr 11:23; 1Ko 13:2.
-
-
LohasahaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Azo inoana fa toy ny hoe ‘nasondrotr’i Jehovah ny lohasaha rehetra’, ‘naetriny ny tendrombohitra sy ny havoana’, ary nataony lasa toy ny “lemaka [na lohasaha lemaka] ny tany mikitoantoana”, rehefa nanaisotra ny sakana rehetra izy mba hahafahan’ny olony hiverina avy tany an-tsesitany tany Babylona. (Is 40:4) Tsy nangetaheta ireo Jiosy sisa ireo teny an-dalana, satria notanterahin’i Jehovah ilay faminanian’i Isaia hoe: “Hampiboiboika renirano eny amin’ny havoana mangadihady aho, ary hampiboiboika loharano eny amin’ny lemaka [na lohasaha lemaka].”—Is 41:18; ampit. Is 35:6, 7, 10; 43:19-21; 48:20, 21.
-