FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Ampionòny ny Oloko”
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
    • 17, 18. a) Nahoana ireo Jiosy tany an-tsesitany no afaka natoky ilay fampanantenana famerenana amin’ny laoniny? b) Fanontaniana nahatahotra inona avy no napetrak’i Isaia?

      17 Afaka natoky an’ilay fampanantenana famerenana amin’ny laoniny ireo Jiosy tany an-tsesitany, satria faran’izay mahery sady faran’izay hendry Andriamanitra. Hoy i Isaia: “Iza no namatra ny rano teo am-pela-tànany, ary [nandrefy, “NW” ] ny lanitra tamin’ny zehiny, sy namory ny vovo-tany tamin’ny vata, ary nandanja ny tendrombohitra tamin’ny fandanjana sy ny havoana tamin’ny mizana? Iza no nanome hevitra ny Fanahin’i Jehovah, ary iza no mpanolo-tsaina nampianatra Azy? Iza no nidinihany ka nanome saina Azy sy nanoro Azy ny làlan’ny fitsarana ary nampianatra fahalalana Azy sy nampahafantatra Azy ny làlan’ny fahendrena?”​—Isaia 40:12-14.

      18 Ireo fanontaniana nahatahotra ireo dia natao hosaintsainin’ireo Jiosy tany an-tsesitany. Afaka misakana ny fisondrotan’ny ranomasina ve ny olombelona? Mazava ho azy fa tsia! Kanefa, amin’i Jehovah, ny ranomasina izay mandrakotra ny tany dia toy ny rano indray mitete eo am-pelatanany.b Moa ve izay olombelona ambany kely erỳ afaka mandrefy ny lanitra midadasika sy feno kintana, na mandanja ireo tendrombohitra sy havoanan’ny tany? Tsia. Kanefa, i Jehovah dia mandrefy ny lanitra mora foana, toy ny andrefesan’ny olona zavatra iray amin’ny zehy​—halavan-drefy hatreo amin’ny ankibe ka hatramin’ny tendron’ny fanondroadala henjanina tsara. Toy ny hoe afaka mandanja ireo tendrombohitra sy havoana amin’ny mizana Andriamanitra. Moa ve ny olombelona hendry indrindra eto ambonin’ny tany afaka manoro hevitra an’Andriamanitra ny amin’izay tokony hatao amin’izao toe-javatra ankehitriny izao, na milaza aminy izay tokony hatao amin’ny hoavy? Tsia!

  • “Ampionòny ny Oloko”
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
    • b Nisy nandrefy ny “lanjan’ny ranomasimbe [ho] sahabo ho 1 350 000 tapitrisa tapitrisa (1,35 x 1018) taonina, na tokony ho 1/4400-n’ny lanjan’ny Tany manontolo”.​—Encarta 97 Encyclopedia.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara