FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Ampionòny ny Oloko”
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
    • 19, 20. Mba hanantitranterana ny halehiben’i Jehovah, sarin-teny mazava toa hitan’ny maso inona avy no nampiasain’i Isaia?

      19 Ahoana ny amin’ireo firenena matanjaka eto ambonin’ny tany​—moa ve izy ireo hahatohitra an’Andriamanitra, rehefa hanatanteraka ny fampanantenany izy? Namaly izany i Isaia, tamin’ny filazana toy izao momba ireo firenena: “Indro, ny firenena dia tahaka ny rano indray mitete avy amin’ny siny ary atao ho tahaka ny vovoka madinika amin’ny mizana; indro, ny nosy dia tsintsininy tahaka ny zavatra bitika indrindra. Ary Libanona aza tsy ampy hataina, ary ny biby ao tsy ampy ho fanatitra dorana. Ny firenena rehetra dia tahaka ny tsinontsinona eo anatrehany, ka ataony ho naman’ny tsinontsinona sy ny zava-poana izy.”​—Isaia 40:15-17.

      20 Amin’i Jehovah, ny firenena manontolo dia toy ny rano indray mitete miraraka avy amin’ny siny iray. Tsy misy ihoaran’izy ireo amin’ny vovoka manify miangona eo ambonin’ny mizana, nefa tsy mampihontsina azy io akory.c Aoka hatao hoe nisy olona nikasa hanamboatra alitara goavana iray, ka hampiasa ny hazo rehetra nandrakotra ireo tendrombohitr’i Libanona, ho kitay ho an’ilay alitara. Avy eo, dia aoka hatao hoe nikasa hanao fanatitra ny biby rehetra nirenireny teny amin’ireny tendrombohitra ireny izy. Na dia ny fanatitra toy izany aza dia tsy ho mendrika an’i Jehovah. Toy ny hoe mbola tsy ampy ihany ireo fanoharana nampiasainy hatramin’izao, dia nanao izao fanambarana mbola nahery kokoa izao i Isaia: Ny firenena rehetra dia tahaka ny “tsinontsinona” eo imason’i Jehovah.​—Isaia 40:17.

  • “Ampionòny ny Oloko”
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
    • c Hoy ny The Expositor’s Bible Commentary: “Ny mpivarotra teny an-tsena any Proche-Orient dia tsy niraharaha ny rano indray mitete bitika kely tao anaty siny famarana, na ny vovoka kely teo ambonin’ny mizana, rehefa nandanja hena na voankazo.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara