FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Aza Matoky ny Lehibe”
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • 2 Ny tenany ihany no azon’ny Joda nomena tsiny. Tsy afaka nilaza izy hoe nivadika taminy i Jehovah, raha nandringana azy, na hoe nanadino ilay fanekena nifanaovany tamin’ilay firenena. Tsy nivadika tamin’ny fanekeny ilay Mpamorona. (Jeremia 31:32; Daniela 9:27; Apokalypsy 15:4) Hoy i Jehovah tamin’ny Jiosy, mba hanamafisana izany: “Aiza izay taratasy fisaoram-bady nisaorako an-dreninareo?” (Isaia 50:1a) Teo ambany Lalàn’i Mosesy, ny lehilahy nisaraka tamin’ny vadiny dia tsy maintsy nanome azy taratasy fisaoram-bady. Nahazo nanambady olon-kafa ravehivavy avy eo. (Deoteronomia 24:1, 2) Toy ny hoe nanome taratasy toy izany ho an’ny Isiraely, ilay fanjakana rahavavin’ny Joda, i Jehovah. Tsy nanao izany tamin’ny Joda kosa anefa izy.a Mbola ‘vadiny’ ihany izy io. (Jeremia 3:8, 14) Tsy nahazo niray tamin’ny firenena mpanompo sampy velively àry ny Joda. Tokony haharitra “mandra-pahatongan’i Silo [ny Mesia]” ny fifandraisany tamin’i Jehovah.—Genesisy 49:10.

      3. Inona no antony ‘nivarotan’i’ Jehovah ny vahoakany?

      3 Hoy koa i Jehovah tamin’ny Joda: “Iza amin’izay manan-trosa amiko no nivarotako anareo?” (Isaia 50:1b) Tsy hoe noho i Jehovah tsy nahaloa trosa akory no handefasana ny Jiosy ho babo any Babylona. Tsy toy ny Isiraelita nahantra akory izy, ka hoe tsy maintsy hivarotra ny zanany amin’izay nanan-trosa taminy mba handoavana ny trosany. (Eksodosy 21:7) Izao kosa no tena antony hanandevozana ny vahoakany: “Tsia, fa noho ny helokareo ihany no nivarotana anareo, ary noho ny fahadisoanareo ihany no nisaorana an-dreninareo.” (Isaia 50:1d) Ny Jiosy no nandao an’i Jehovah, fa tsy i Jehovah no nandao azy ireo.

  • “Aza Matoky ny Lehibe”
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • a Nantsoin’i Jehovah hoe vadiny ny firenen’i Joda, ao amin’ny Isaia 50:1-3, ary nantsoiny hoe zanany ny mponina tsirairay tao.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara