FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fizarana 5: Grisia: Herim-panjakana Fahadimy
    Ny Tilikambo Fiambenana—1988 | 15 Jolay
    • “Ary dia nihanahery indrindra ilay osilahy; nefa nony nahery izy, dia tapaka ilay tandrony lehibe; ary nisy efatra lehibe nipoitra nisolo iny nifanandrify tamin’ny rivotra efatry ny lanitra. (...) ny osilahy lava volo dia ny mpanjakan’i Grisia; ary ny tandroka lehibe teo anelanelan’ny masony dia ny mpanjaka voalohany. Ary ny amin’ilay efa tapaka, dia nisy efatra nitsangana nandimby azy, dia hisy fanjakana efatra hitsangana amin’ny jentilisa, nefa tsy mitovy hery aminy.” — Daniela 8:8, 21, 22.

  • Fizarana 5: Grisia: Herim-panjakana Fahadimy
    Ny Tilikambo Fiambenana—1988 | 15 Jolay
    • Araka ny voalazan’ny Baiboly mialoha, dia tsy naharitra ny fananan’i Aleksandra ny fanapahana maneran-tany. Vao 32 taona monja tokoa izy, teo an-tampon’ny voninahiny noho ireo fanafihany, raha tsy maintsy namarana ny fihazakazahany tamin-kadalana. Voan’ny tazo izy, nefa nanohy nanao fanasana sy nimamo tao Babylona, mandra-pakan’ny fahafatesana tampoka azy, tamin’ny 323. Halevina any Egypta, any Aleksandria, izy. Tapaka izao “ny tandroka lehibe”, nampiseho “ny mpanjaka voalohany”. Inona no hanjo ny empirany?

      Nilaza ilay faminaniana hoe hozaraina ny fanjakan’i Aleksandra, “fa tsy ho an’ny taranany”. Filipo Aride rahalahiny, tsy nahay, dia nanjaka fotoana fohy talohan’ny hamonoana azy ho faty, toy ny hitranga amin’ny zanak’i Aleksandra ara-dalàna, Aleksandra Aidosy, sy ny zanany tsy ara-dalàna, Herakilesy na Herkiola. Ao anatin’ny ra àry no hahafoanan’ny taranak’i Aleksandra lian-dra.

      Nanambara koa ireo faminaniana fa ‘hisy fanjakana efatra hitsangana avy amin’ny fireneny, nefa tsy hitovy hery aminy’ ary ny fanjakany dia “hozaraina ho amin’ny rivotra efatry ny lanitra; fa tsy ho (...) araka ny fanapahany izay nanapahany”. Tanteraka koa io lafiny amin’ny faminaniana io.

      Nanjary nozaraina tamin’ny efatra tamin’ireo jeneraliny tokoa ny empiran’i Aleksandra nidadasika: 1) Kasandra, izay nitana an’i Makedonia sy Grisia; 2) Lysimaka, izay nahazo an’i Azia Minora ary Trasy any Eoropa; 3) Selekiosy Nikatora, izay nomena an’i Babylonia, Media, Syria, Persia ary ireo provansa atsinanana hatrany Indiosy; 4) Ptoleme Lagiosy, izay nitana an’i Egypta, Lybia sy Palestina. Nifanaraka tamin’ireo faminaniana, dia fanjakana efatra nanana fiteny na hevitra grika, no teraka avy amin’ny empiran’i Aleksandraa.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara