FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Ilay Andriambavy Mainty Volo Tany An-tany Efitr’i Syria”
    Ny Tilikambo Fiambenana—1999 | 15 Janoary
    • Nanana fahafahana hanita-pahefana tamin’ny naha mpanjaka azy i Zénobie tamin’ny 269 am.f.i., fony niseho tany Ejipta ny olona iray nihambo ho mpandova fiandrianana, izay nanda ny fitondran’i Roma. Nidina haingana nankany Ejipta ny tafik’i Zénobie, nandresy ilay mpikomy, ka naka ilay tany. Nanambara ny tenany ho mpanjakavavin’i Ejipta izy, ka nampanefy vola madinika tamin’ny anarany. Izao dia niitatra avy teo amin’ny ony Neily ka hatrany amin’ny ony Eofrata ny fanjakany. Tamin’io fotoana io izy no tonga “mpanjakan’ny atsimo” noresahin’ny faminanian’i Daniela ao amin’ny Baiboly, satria nanapaka ny faritra atsimon’ny tanindrazan’i Daniela ny fanjakany tamin’izay. (Daniela 11:25, 26). Nandresy ny ankamaroan’ny faritanin’i Azia Minora koa izy.

  • “Ilay Andriambavy Mainty Volo Tany An-tany Efitr’i Syria”
    Ny Tilikambo Fiambenana—1999 | 15 Janoary
    • ‘Manaitra ny fony’ hamely an’i Zénobie ny emperora iray

      Tonga emperoran’i Roma i Aurélien tamin’ny 270 am.f.i. Nahatohitra sy nahafehy ny baribariàna tany avaratra ireo antoko miaramilany. Tamin’ny 271 am.f.i., i Aurélien izay nampiseho “ny mpanjakan’ny avaratra” tao amin’ny faminanian’i Daniela tamin’izay, dia ‘nanaitra ny heriny sy ny fony hamely ny mpanjakan’ny atsimo’, nasehon’i Zénobie. (Daniela 11:25a). Nalefan’i Aurélien faingana nivantana tany Ejipta ny sasany tamin’ny miaramilany, ary notarihiny niantsinanana namakivaky an’i Azia Minora ny ampahany lehibe tamin’ny tafiny.

      Ny mpanjakan’ny atsimo, ilay firenena nanapaka notarihin’i Zénobie, dia ‘nanafika [an’i Aurélien] nitondra miaramila maro sady mahery indrindra’, teo ambany fifehezan’ny jeneraly roa, dia i Zabda sy i Zabay. (Daniela 11:25b). Kanefa, voababon’i Aurélien i Ejipta ary avy eo izy dia nandefa mpanafika tany Azia Minora sy Syria. Resy tao Emèse (Homs ankehitriny) i Zénobie, ka nandositra tao Palmyre.

      Rehefa nanao fahirano an’i Palmyre i Aurélien, dia nandositra nankany Persa niaraka tamin’ny zanany lahy i Zénobie mba hitady fanampiana, kanjo voasambotry ny Romanina teo amin’ny Ony Eofrata. Nilavo lefona ny tanànan’i Palmyre tamin’ny 272 am.f.i. Nitondra tamin-katsaram-panahy ny mponina tao i Aurélien, nanangona entana nobaboina be dia be, anisan’izany ilay sampy tao amin’ny Tempolin’ny Masoandro, ary nanainga nankany Roma. Nitsimbina ny ain’i Zénobie ilay emperora romanina, ary nanao azy ho ny zava-nanintona indrindra tamin’ny laharam-pandreseny, izay namakivaky an’i Roma tamin’ny 274 am.f.i. Nandany ny fiainany sisa tamin’ny naha vehivavy nanan-kaja romanina izy.

      Rava ilay tanàna tany an’efitra

      Volana vitsivitsy taorian’ny namaboan’i Aurélien an’i Palmyre, dia naripak’ireo Palmyreana ny miaramila najanony tao. Rehefa tonga tany an-tsofin’i Aurélien ny tatitra momba io fikomiana io, dia nodidiany avy hatrany ny hanjohian’ny miaramilany ny dian’ireo, ka nofaizina tamin’ny valifaty nahatsiravina ny mponina tamin’izay. Nentina ho andevo ireo izay afa-nandositra ilay fandripahana tsy nisy indrafo. Norobaina sy noravana ka tsy azo namboarina intsony, ilay tanàna nirehareha. Araka izany, dia nitotongana ho amin’ny toerany taloha, tamin’ny naha “Tadmora tany an-efitra” azy, ilay renivohitra naresaka.

      Rehefa nanohitra an’i Roma i Zénobie, dia samy tsy nahafantatra izy sy ny emperora Aurélien fa nanao ny anjara ny “mpanjakan’ny atsimo” sy ny “mpanjakan’ny avaratra” izy ireo, ka nanatanteraka tapany tamin’ny faminaniana iray be tsipiriany, nosoratan’ny mpaminanin’i Jehovah, 800 taona teo ho eo talohan’izay. (Daniela toko faha-11). Noho ny toetrany manaitra, dia nampitolagaga sy nankasitrahan’ny maro i Zénobie. Ny zava-dehibe indrindra anefa, dia ny anjarany tamin’ny nampisehoany vondrona politika iray nambara mialoha tao amin’ny faminanian’i Daniela. Tsy naharitra nihoatra ny dimy taona ny fitondrany. I Palmyre, ilay renivohitry ny fanjakan’i Zénobie, dia vohitra kely sisa amin’izao andro izao. Na dia ilay Empira Romanina natanjaka aza dia efa nanjavona hatramin’ny ela be, ka nanome toerana ho an’ireo fanjakana maoderina. Inona no hitranga amin’ireny fanjakana ireny? Ny fahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly izay azo antoka, no hamaritra ny fiafaran’izy ireny koa. — Daniela 2:44.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara