-
Herin’AndriamanitraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nampiasaina tsara ny herin’Andriamanitra. Tsy nampiasa azy io mihitsy ho fisehosehoana fotsiny i Jesosy. Nisy heviny an’ohatra ny nanozonany an’ilay aviavy tsy namoa. (Mr 11:12-14; ampit. Mt 7:19, 20; 21:42, 43; Lk 13:6-9.) Tsy nety nampideradera ny heriny koa i Jesosy. Tsy nanaiky, ohatra, izy rehefa nasain’i Satana nitsambikina avy teny an-tampon’ny mandan’ny tempoly, satria toy ny hoe mamono tena izany. (Mt 4:5-7) Nandeha teny ambony rano anefa izy satria tsy nisy fitaterana tamin’izay sady efa alina. (Mr 6:45-50) Tsy nety nanao famantarana teo anoloan’i Heroda i Jesosy, satria te hahita fahagagana fotsiny i Heroda. (Lk 23:8) Tsy nety koa izy rehefa nangataka azy hampiseho “famantarana avy any an-danitra” ny Fariseo sy Sadoseo, izay nanana antony manosika ratsy. Tsy te hanatanjaka ny finoany ny Tenin’Andriamanitra mantsy izy ireo, fa te hampiseho kosa hoe tsy ilaina ny mino azy io.—Mt 16:1-4; ampit. 15:1-6; 22:23, 29.
-
-
FamantaranaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nangatahana famantarana i Jesosy. Nanao famantarana maro i Jesosy teo amin’ny fanompoany, ka maro no nino azy. (Jn 2:23) Tsy nino azy anefa ireo mafy fo na teo aza ireny rehetra ireny. (Lk 2:34; Jn 11:47, 53; 12:37; ampit. No 14:11, 22.) Indroa nangataka famantarana avy tany an-danitra tamin’i Jesosy ny mpitondra fivavahana mba hanaporofoana fa izy no Mesia. Azo inoana fa ilay famantarana voalazan’ny Daniela 7:13, 14 no nangatahin’izy ireo, izany hoe hiseho eny amin’ny rahon’ny lanitra ny “zanak’olona” mba handray fahefana ho mpanjaka. Mbola tsy tamin’izay anefa ny fotoana nokendren’Andriamanitra hahatanterahan’io faminaniana io, sady tsy i Kristy mihitsy no hampideradera fahaizana mba hampifaliana an’ireo olona tia tena ireo. (Mt 12:38; 16:1) Nilaza tamin’izy ireo kosa i Jesosy fa “ilay famantarana ny amin’i Jona mpaminany” ihany no homena azy ireo. (Mt 12:39-41; 16:4) Nijanona telo andro teo ho eo tao an-kibon’ny trondro be iray i Jona vao nandeha nitory tany Ninive. Lasa “famantarana” ho an’ilay renivohitr’i Asyria àry i Jona. Hitan’ny olona tamin’ny andron’i Jesosy koa ilay “famantarana ny amin’i Jona”, satria nijanona telo andro teo ho eo tao am-pasana i Kristy, dia natsangana tamin’ny maty, ary nitory izany ny mpianany. Lasa famantarana ho an’ny olona tamin’izany andro izany àry i Kristy, nefa mbola tsy nino ihany ny ankamaroan’ny Jiosy.—Lk 11:30; 1Ko 1:22.
-