-
Iza no Mitory ny Vaovao Tsara?Ny Tilikambo Fiambenana—2011 | 1 Martsa
-
-
Iza no Mitory ny Vaovao Tsara?
“Hotorina maneran-tany...”—MATIO 24:14.
NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH no mitory ny vaovao tsara maneran-tany. Misy fomba samihafa anaovan’izy ireo an’izany. Iray amin’izany ny...
Firesahana amin’ny olona. Mankany amin’ny olona izy ireo mba hitory ny vaovao tsara, toy ny nataon’i Jesosy sy ny mpianany. (Lioka 8:1; 10:1) Tsy ny olona no andrasany hanatona azy. Ny Vavolombelona rehetra no mitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Misy fito tapitrisa mahery izy ireo. Mitory isan-trano izy ireo, eny an-dalana, an-telefaonina, ary amin’ny fomba hafa. Maherin’ny 1 500 tapitrisa ny ora lanin’izy ireo nanaovana an’io asa io, tamin’ny taon-dasa.
Tsy ny momba ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no ampianarin’izy ireo, fa “izay rehetra [nandidian’i Jesosy]” koa. (Matio 28:20) Mitarika fampianarana Baiboly tsy tapaka sady maimaim-poana amin’ny olona valo tapitrisa mahery izy ireo.
Mitory amin’ny karazan’olona rehetra any amin’ny tany 236, ny Vavolombelona. Mitory any ambanivohitra sy any an-tanàn-dehibe izy ireo, hatrany amin’ny alan’i Amazonia sy Siberia, ka hatrany amin’ny tany efitra any Afrika, ary any amin’ny Tendrombohitra Himalaya. Tsy karamaina izy ireo fa mianto-tena, ary manokana ny fotoanany hanaovana an’io asa io. Ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona no mandrisika azy ireo hanao izany. Fomba iray itorian’izy ireo ny vaovao tsara koa ny...
Boky sy gazety. Antsoina hoe Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah ity gazety ity. Avoaka amin’ny fiteny 185 izy ity, ary 42 tapitrisa mahery isaky ny laharana izao no atao pirinty. Antsoina hoe Mifohaza! ny gazety naman’izy ity, ary manambara ilay Fanjakana koa. Avoaka amin’ny fiteny 83 izy io, ary 40 tapitrisa eo ho eo isaky ny laharana no atao pirinty.
Misy amin’ny fiteny 540 eo ho eo koa ny boky, bokikely, taratasy mivalona, CD/MP3, ary DVD, izay manazava ny Baiboly. Namokatra sy nizara 20 000 tapitrisa mahery tamin’ireny ny Vavolombelona, tao anatin’ny folo taona lasa. Tokotokony ho telo avy isaky ny mponina eto an-tany izany.
Nanao pirinty na nanome vola mba hanaovana pirinty Baiboly amin’ny fandikan-teny samihafa koa ny Vavolombelona. Nandika sy nanao pirinty ary nizara Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao izy ireo. Misy amin’ny fiteny 96 io Baiboly io manontolo na ny ampahany aminy. Maherin’ny 166 tapitrisa izao no efa voazara. Mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana koa ny Vavolombelona amin’ny alalan’ny...
Fivoriana kristianina. Tsy fotoam-pivavahana fotsiny ny fivoriana ataon’ny Vavolombelona any amin’ny Efitrano Fanjakana, fa natao hampianarana. Misy lahateny ara-baiboly atao any, ary mampiasa ny gazety Tilikambo sy boky hafa izy ireo mba hianarana ny Baiboly. Mianatra mitory koa izy ireo any, mba hahita vokatra kokoa.
Mitovy ihany ny zavatra ianaran’ireo Vavolombelona any amin’ireo fiangonana 107 000 mahery eran-tany, ka mahatonga azy ireo hiray saina izany. Azon’ny rehetra atrehina ireny fivoriana ireny. Tsy misy fanantazan-drakitra any. Mazava ho azy anefa fa very maina ny fitorian’izy ireo raha tsy ampihariny. Miezaka àry izy ireo mba ho...
Tsara fitondran-tena. Manao araka izay fara heriny ny Vavolombelona, mba hitondra ny hafa toy ny fomba tiany hitondrana azy. (Matio 7:12) Tsy lavorary izy ireo ka manao fahadisoana indraindray. Tena maniry haneho hatsaram-panahy amin’ny olona rehetra anefa izy ireo, ka tsy hoe mitory ny vaovao tsara fotsiny fa manampy koa rehefa afaka manao izany.
Tsy ny hanova an’izao tontolo izao akory no tanjon’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mitory. Rehefa vita araka ny itiavan’i Jehovah azy ny asa fitoriana, dia ho tonga ny farany, araka ny nolazain’i Jesosy. Inona àry no ho vokatr’izany amin’ny tany sy ny olombelona?
[Sary, pejy 7]
Mitory ny vaovao tsara eran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah
-
-
Inona Ilay hoe “Farany”?Ny Tilikambo Fiambenana—2011 | 1 Martsa
-
-
Inona Ilay hoe “Farany”?
“. . . vao ho tonga ny farany.”—MATIO 24:14.
MARO be ny resaka momba ny faran’izao tontolo izao. Hita amin’ny boky sy filma ny karazana loza heverin’ny olona hoe hitranga amin’izany. Mety ho tantara mampihomehy izy ireny na resaka siansa. Voaresaka amin’izany, ohatra, ny fandripahana vokatry ny ady niokleary, fifandonan’ny planeta, virosy mahafaty, fiovan’ny toetrandro tsy voafehy, na mpanafika avy any amin’ny planeta hafa.
Tsy mitovy hevitra koa ny fivavahana. Maro no mampianatra fa ho faty daholo ny zavamananaina eto an-tany rehefa tonga “ny farany.” Hoy ny teolojianina iray momba ny Matio 24:14: “Anisan’ireo andinin-teny lehibe indrindra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy io ... Hisy fandringanana lehibe ho avy tsy ho ela, ary ho ringana daholo ny zava-drehetra. Tena mampatahotra ilay izy, ka vitsy ihany no te hieritreritra momba izany.”
Tsy eritreretin’izy ireo anefa izao: Nataon’i Jehovah Andriamanitra “mafy orina” ny tany, ary “tsy hoe tsy misy antony ny namoronany azy fa nataony honenana.” (Isaia 45:18) Rehefa niresaka momba “ny farany” àry i Jesosy, dia tsy nilaza izy hoe hopotehina ny tany na hoe horinganina tanteraka ny olombelona. Te hilaza kosa izy fa ireo ratsy fanahy, izany hoe ireo mafy loha tsy mety miaina mifanaraka amin’ny tari-dalan’i Jehovah, no horinganina.
Ity misy ohatra: Aoka hatao hoe manana trano tsara tarehy ianao, ary misy olona avelanao hipetraka maimaim-poana ao. Ny sasany tsara toetra ka mifandray tsara amin’ny hafa sady mikojakoja an’ilay trano. Ny hafa kosa tsy manao afa-tsy ny manakorontana, miady ary mampijaly an’ireo olona tsara toetra. Nosimban’izy ireo koa ny tranonao, ary mafy loha izy ireo ka tsy mety miova na dia miezaka mampitandrina azy aza ianao.
Inona àry no hataonao? Horavanao ve ny tranonao? Mazava ho azy fa tsia. Azo antoka fa horoahinao ireo olona ratsy toetra ary hamboarinao ny simba.
Toy izany koa no hataon’i Jehovah. Nasainy nanoratra toy izao ny mpanao salamo: “Ny mpanao ratsy horinganina, fa izay manantena an’i Jehovah no handova ny tany. Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy. Handinika an’izay nisy azy ianao, nefa tsy ho eo intsony izy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.”—Salamo 37:9-11.
Niresaka momba izany koa ny apostoly Petera. Nahazo fanahy masina izy, ka nilaza hoe: “Efa nisy hatramin’ny ela ny lanitra, ary nisy tany nifatratra tsara nipoitra avy tao anaty rano sady teo afovoan’ny rano, noho ny tenin’Andriamanitra. Tamin’ny alalan’ireo no nandravana ilay tontolo tamin’izany fotoana izany rehefa safotry ny rano.” (2 Petera 3:5, 6) Miresaka momba ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa i Petera eo. Ireo olona tsy tia an’Andriamanitra no naringana, tamin’izay, fa tsy ny tany no nopotehina. “Ohatra ho an’ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra, raha ny amin’izay hitranga amin’ny hoavy” ny Safodrano.—2 Petera 2:6.
Hoy i Petera avy eo: ‘Tehirizina ho amin’ny afo ny lanitra sy ny tany ankehitriny.’ Mety ho diso hevitra isika raha hatreo ihany no mamaky. Mariho anefa ny tohin’io andininy io: “Fandringanana an’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra.” Ireo tsy matahotra an’Andriamanitra àry no horinganina, fa tsy ny tany no hopotehina. Inona no hitranga avy eo? Hoy i Petera: ‘Misy lanitra vaovao [Fanjakan’ny Mesia] sy tany vaovao [olo-marina] hitoeran’ny fahamarinana, ary izany no andrasantsika, araka ny fampanantenany.’—2 Petera 3:7, 13.
Milaza koa ny Baiboly fa efa akaiky “ny farany.” Vakio ny Matio 24:3-14 sy 2 Timoty 3:1-5, mba hanaporofoana fa marina izany.a
Tsy hafahafa aminao ve ny hoe misafotofoto ny hevitry ny olona momba ny Matio 24:14, nefa na ny ankizy aza mety hahatakatra azy io? Misy antony mahatonga izany. Nohajambain’i Satana ny sain’ny olona ka lasa tsy mahalala ny fahamarinana sarobidy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (2 Korintianina 4:4) Nafenin’Andriamanitra tamin’ny olona miavonavona koa ny fikasany, fa nampahafantariny an’izay manetry tena. Hoy i Jesosy: “Ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany ô, midera anao ampahibemaso aho, satria efa nafeninao tamin’ny hendry sy ny mahira-tsaina izany, fa nahariharinao tamin’ny zaza kosa.” (Matio 11:25) Voninahitra tokoa ny hoe anisan’ireo manetry tena, ka mahafantatra hoe inona marina ny Fanjakan’Andriamanitra. Afaka manantena koa isika hoe hahazo ireo fitahiana hoentin’izy io ho an’izay miandany aminy.
-