FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Tafavoaka Tamin’ny Fitsapana Ilay “Mpanompo Mahatoky”!
    Ny Tilikambo Fiambenana—2004 | 1 Martsa
    • 2, 3. Avy taiza no nipoiran’ilay “mpanompo ratsy fanahy”, ary ahoana no nahatonga izany?

      2 Niresaka ny amin’ny mpanompo ratsy fanahy i Jesosy, raha vao avy nilaza ny amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina.” Hoy izy: ‘Raha toa ilay mpanompo ratsy fanahy ka manao anakampo hoe: “Maharitra ela ny tompoko”, ary manomboka mikapoka ny mpanompo hafa izy ka miara-mihinana sy misotro amin’ny mamo lava, dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany ny tompony, ka hanasazy azy faran’izay mafy ary handefa azy any amin’ny mpihatsaravelatsihy. Any izy no hitomany sy hitoloko.’ (Matio 24:48-51) Misarika ny saintsika ho amin’izay vao avy nolazain’i Jesosy momba ilay mpanompo mahatoky sy malina, ny teny hoe “ilay mpanompo ratsy fanahy.” Nipoitra avy tamin’ilay mpanompo nahatoky tokoa mantsy ilay “mpanompo ratsy fanahy.”a Ahoana no nahatonga izany?

  • Tafavoaka Tamin’ny Fitsapana Ilay “Mpanompo Mahatoky”!
    Ny Tilikambo Fiambenana—2004 | 1 Martsa
    • 4. Inona no nataon’i Jesosy tamin’ilay “mpanompo ratsy fanahy” sy izay rehetra manana ny toe-tsainy?

      4 Nanjary fantatra tamin’ny hoe “mpanompo ratsy fanahy” ireo Kristianina taloha ireo, ary nosazin’i Jesosy “faran’izay mafy.” Tamin’ny fomba ahoana? Nolaviny izy ireo, ka namoy ny fanantenana ho any an-danitra. Tsy naringana avy hatrany anefa izy ireo, fa tsy maintsy mbola nitomany sy nitoloko tao anaty ‘haizina tany ivelan’ny’ fiangonana kristianina aloha. (Matio 8:12) Nanomboka tamin’ireny fotoana ireny, dia mbola nisy koa voahosotra vitsivitsy nanana toe-tsaina ratsy toy izany, ka nampahafantatra ny tenany ho “mpanompo ratsy fanahy.” Nisy tamin’ny “ondry hafa” koa tsy nahatoky toa azy ireo. (Jaona 10:16) Ao anaty ‘haizina ara-panahy any ivelany’ no iafaran’ireny fahavalon’i Kristy rehetra ireny.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara