FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Manome ny “Fanahy Masina An’izay Mangataka Aminy” i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana—2006 | 15 Desambra
    • 5. Inona no toetra tokony hasehontsika rehefa mivavaka, raha jerena ny fanoharan’i Jesosy momba ilay lehilahy be fikirizana?

      5 Hita amin’io fanoharana mazava tsara io ny ezaka tokony hataontsika rehefa mivavaka. Mariho fa nilaza i Jesosy hoe nahazo izay nangatahiny ilay lehilahy, “noho ny fikirizany sy ny fahasahiany.” (Lioka 11:8) Indray mandeha monja no miseho ao amin’ny Baiboly ilay teny grika nadika hoe ‘fikirizana sy fahasahiana.’ Midika ara-bakiteny hoe “tsy menatra” io teny io. Matetika no heverina ho toetra ratsy ny hoe tsy menatra. Azo lazaina ho toetra tsara anefa ny hoe tsy menatra na mikiry, raha atao noho ny antony tsara. Nanana io toetra io ilay lehilahy nanam-bahiny, tao amin’ny fanoharan’i Jesosy. Tsy menatra mihitsy izy, ka nikiry nangataka izay nilainy. Tokony haneho fikirizana toy izany koa isika rehefa mangataka amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka. Nataon’i Jesosy modely ho antsika mantsy io lehilahy io. Tian’i Jehovah ‘hangataka hatrany sy hitady hatrany ary handondòna hatrany’ isika. Hamaly izany izy, ka “hanome ny fanahy masina an’izay mangataka aminy.”

  • Manome ny “Fanahy Masina An’izay Mangataka Aminy” i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana—2006 | 15 Desambra
    • 9, 10. a) Hazavao amin’ny ohatra ny antony ilantsika fikirizana rehefa mangataka ny fanahy masina amin’Andriamanitra? b) Inona no fanontaniana tokony hapetratsika amin’ny tenantsika, ary nahoana?

      9 Andeha isika haka ohatra amin’ny androntsika. Eritrereto hoe marary amin’ny misasakalina ny olona iray ao amin’ny ankohonanao. Hanaitra dokotera ve ianao mba hangataka fanampiana? Tsy hanao izany ianao raha tsy dia atahorana ilay aretina. Raha aretim-po mafy anefa ilay izy, dia azo inoana fa tsy ho menatra hiantso dokotera ianao. Nahoana? Satria ilaina maika izany. Fantatrao fa tsy maintsy mila fanampian’ny olona iray mahay ianao. Mety ho faty ilay marary, raha tsy izany. Azo lazaina ho mila fanampiana maika koa ny Kristianina, isan’andro. “Mandehandeha tahaka ny liona mierona” mantsy i Satana, ary mitady handrapaka antsika. (1 Petera 5:8) Tena mila ny fanampian’Andriamanitra isika mba ho velona hatrany eo amin’ny lafiny ara-panahy, izany hoe mba hifandray aminy foana. Mety ho faty ara-panahy isika raha tsy izany. Mila tsy mitsahatra mangataka ny fanahy masina amin’Andriamanitra àry isika, sady haneho fahasahiana rehefa manao izany. (Efesianina 3:14-16) Izany ihany no hananantsika hery ‘hiaretana hatramin’ny farany.’—Matio 10:22; 24:13.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara