-
AbelaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nohazavain’i Jesosy fa i Abela no olona voalohany maty maritiora sy nenjehina noho ny fivavahany, ary i Kaina rahalahiny ihany no nankahala sy nanenjika azy. Nilaza koa i Jesosy fa niaina tamin’ny fotoana “nanorenana izao tontolo izao” i Abela. (Lk 11:48-51) Kôsmôs ilay teny grika nadika hoe “izao tontolo izao”, ary ny taranak’olombelona no tiana holazaina amin’izany eto. Katabôle kosa ilay teny grika nadika hoe “nanorenana”, ary midika ara-bakiteny hoe “manipy [voa, na taranaka].” (He 11:11, Int) Oviana àry ilay fotoana nolazain’i Jesosy hoe “nanorenana izao tontolo izao”? Rehefa nanomboka niteraka i Adama sy Eva, izany hoe rehefa nanomboka nisy ny taranak’olombelona. Nilaza i Paoly fa anisan’ireo “vavolombelona maro be” talohan’ny andro kristianina i Abela.—He 11:4; 12:1.
-
-
BarakiaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
BARAKIA
(Barakìa) [Nitahy i Jehovah].
Rain’ilay Zakaria, izay novonoina “teo anelanelan’ny toerana masina sy ny alitara.”—Mt 23:35; Lk 11:50, 51.
Tsy misy an’ilay teny hoe “zanak’i Barakia” ao amin’ny fitantaran’i Lioka, sy ny fitantaran’i Matio ao amin’ny Kôdeksa Sinaiticus (nataon’ireo mpanao dika soratra tany am-boalohany). Misy milaza àry fa mety ho nanana anarana roa ny rain’ilay Zakaria novonoina ho faty. Misy olon-kafa nanana anarana roa toy izany koa mantsy ao amin’ny Baiboly.—Ampitahao Mt 9:9 sy Mr 2:14; Mt 10:2, 3.
Eken’ny maro fa i Zakaria “zanak’i Joiada mpisorona” ilay Zakaria noresahin’i Jesosy. (2Ta 24:20-22) Ny bokin’ny Tantara mantsy no voatanisa farany ao amin’ireo boky eken’ny Jiosy ho anisan’ny Soratra Masina, ka izany no nilazana hoe i Zakaria no olo-marina farany novonoina ho faty, ao amin’ny Soratra Hebreo, fa i Abela no voalohany. Milaza ny 2 Tantara 24:21 fa novonoina “teo an-tokotanin’ny tranon’i Jehovah” i Zakaria. Tao amin’ny tokotany anatiny no nisy ny alitaran’ny fanatitra dorana, izany hoe teo anoloan’ny fidirana amin’ny toerana masina. Mifanaraka tsara amin’ilay tenin’i Jesosy hoe “teo anelanelan’ny toerana masina sy ny alitara” izany.
Efa voalaza fa mbola hovaliana ny nandatsahana ny ran’i Abela sy Zakaria. (Ge 4:10; 2Ta 24:22) Mitovitovy ny toe-javatra nisy tamin’ny andron’i Zakaria zanak’i Joiada, sy tamin’ny andron’ilay taranaka niresahan’i Jesosy. Hoy i Zakaria rehefa ho faty: “Hojeren’i Jehovah anie izao ka hovaliany!” Tsy ela dia tanteraka ny teniny: Miaramila syrianina vitsy fotsiny no nanafika, nefa natolotr’i Jehovah teo an-tanan’izy ireo ny miaramilan’ny Joda be dia be, ka ripaka ireo andrianan’ny Joda sady nobaboina ny fananany. Nampiharin’ny Syrianina tamin’i Joasy ny didim-pitsaran’i Jehovah, ka navelany tao anatin’ny aretina mafy izy. Novonoin’ny mpanompony izy, taorian’izay. (2Ta 24:23-25) Hoy i Jesosy, rehefa avy nanazava fa meloka ho nandatsa-dra ireo niresahany: “Hanody an’ity taranaka ity izany rehetra izany.” (Mt 23:36) Tanteraka tamin’i Jerosalema sy Jodia tamin’ny taona 70-73 ny faminanian’i Jesosy.
-
-
Fantatra Mialoha, Voatendry MialohaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nilaza i Petera hoe ‘efa fantatra mialoha talohan’ny nanorenana [endriny hafa amin’ny teny grika hoe katabôle] izao tontolo izao [kôsmo]’ i Kristy, ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra hanao sorona ny ainy. Milaza àry ireo mino ny lahatra fa talohan’ny namoronana ny olombelona no nahafantaran’Andriamanitra izany. (1Pe 1:19, 20) Midika ara-bakiteny hoe “manipy” ny teny grika hoe katabôle nadika eo hoe ‘manorina’, na koa hoe ‘manana anaka’ ao amin’ny Hebreo 11:11. Marina fa tamin’Andriamanitra namorona ny mpivady voalohany no “nanorenana” an’izao tontolo izao (He 4:3, 4), saingy tsy zanak’Andriamanitra intsony izy mivady rehefa nanota. (Ge 3:22-24; Ro 5:12) Nanehoan’Andriamanitra hatsaram-panahy tsy manam-paharoa anefa izy roa ka navelany hiteraka sy hanan-taranaka. Anisan’ny zanany i Abela izay nankasitrahan’Andriamanitra ka nanantena ny hahazo fanavotana sy famonjena. (Ge 4:1, 2; He 11:4) Noresahin’i Jesosy ao amin’ny Lioka 11:49-51 koa ny amin’ny “ran’ny mpaminany rehetra nalatsaka hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.” Nilaza izy fa “nanomboka tamin’ny ran’i Abela ka hatramin’ny ran’i Zakaria” izany. Nasehon’i Jesosy àry fa tamin’ny andron’i Abela ilay “nanorenana izao tontolo izao” noresahin’i Petera.
-