-
FiainanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Resahina imbetsaka koa ny amin’ny “horonam-bokin’ny fiainana” na ‘bokin’Andriamanitra.’ Ny anaran’izay rehetra manam-pinoana ka hiaina mandrakizay any an-danitra na eto an-tany no voasoratra ao, dia ny an’ireo mpanompon’i Jehovah “nanomboka tamin’ny nanorenana izao tontolo izao” na ny nahaterahan’ny olona azo vonjena. Toa ny anaran’i Abela olo-marina àry no voasoratra voalohany ao amin’ilay ‘horonam-boky.’—Ap 17:8; Mt 23:35; Lk 11:50, 51.
-
-
AnaranaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Anarana ao amin’ny “bokin’ny fiainana.” “Nanomboka tamin’ny nanorenana izao tontolo izao” i Jehovah Andriamanitra no toy ny hoe nanoratra anarana tao amin’ny bokin’ny fiainana, ary mbola mitohy izany. (Ap 17:8) Velona tamin’ny fotoana “nanorenana izao tontolo izao” i Abela, hoy i Kristy Jesosy. Ny olona azo avotana izay velona taorian’ny niterahan’i Adama sy Eva àry ilay hoe izao tontolo izao. (Lk 11:48-51) Ny anaran’i Abela no voalohany nosoratana tao amin’ilay boky an’ohatra.
-
-
Izao Tontolo IzaoFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
“Ny nanorenana an’izao tontolo izao.” Manampy antsika hahazo ny dikan’ny hoe “nanorenana an’izao tontolo izao” ny fahatakarana fa olombelona no hevitr’ilay hoe kôsmôs. Ireto, ohatra, no resahin’ny andininy vitsivitsy fa nitranga “hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao”: ‘Nalatsaka ny ran’ny mpaminany’ nanomboka tamin’ny ran’i Abela, ‘nomanina ilay fanjakana’, ary nisy ‘anarana nosoratana tao amin’ny horonam-bokin’ny fiainana.’ (Lk 11:50, 51; Mt 25:34; Ap 13:8; 17:8; ampit. Mt 13:35; He 9:26.) Mahakasika ny fiainan’ny olona sy ny ataony ireo voalaza ireo. Ny niandohan’ny taranak’olombelona, fa tsy ny niandohan’ny zavatra tsy mananaina na ny biby, àry ilay hoe “nanorenana an’izao tontolo izao.” ‘Efa hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao no vita’, fa tsy hoe nanomboka ny asa famoronan’Andriamanitra, hoy ny Hebreo 4:3. I Eva no zavaboary noforonin’i Jehovah farany teto an-tany, ka tsy maintsy ho taorian’ny namoronana azy ilay nanorenana an’izao tontolo izao.
Midika ara-bakiteny hoe “manipy [voa, na taranaka]” ny teny grika hoe katabôle nadika hoe ‘manorina.’ Mety hidika koa izy io hoe manana anaka sy miteraka, araka ny hita ao amin’ny lahatsoratra hoe ABELA (No. 1) sy FANTATRA MIALOHA, VOATENDRY MIALOHA (Voatendry mialoha ny Mesia). Izany, ohatra, no nandikana azy ao amin’ny Hebreo 11:11 (Prot., TV). Nanjary nanan-taranaka mantsy i Saraha rehefa nahabevohoka azy i Abrahama.
Tsy ny nanombohan’ny famoronana an’izao rehetra izao àry no dikan’ilay hoe “ny nanorenana an’izao tontolo izao.” Tsy ny fotoana talohan’ny namoronana an’izao rehetra izao koa ilay hoe “talohan’ny nanorenana izao tontolo izao.” (Jn 17:5, 24; Ef 1:4; 1Pe 1:20) Ny fotoana nanombohan’i Adama sy Eva nanana anaka sy niteraka tany ivelan’ny zaridainan’i Edena kosa ilay fotoana “nanorenana an’izao tontolo izao.” Nanomboka nisy mantsy tamin’izay ny taranak’olombelona, izay ho afaka hanantena ny hafahan’Andriamanitra amin’ny ota.—Ge 3:20-24; 4:1, 2.
-