FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Tian’i Jehovah Izay “Mamoa Amin’ny Fiaretana”
    Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2018 | Mey
    • 7. a) Iza ilay “voaloboka” sy ny “sampany” ao amin’ny fanoharan’i Jesosy, ary iza ilay “mpamboly”? b) Inona no fanontaniana mila valiantsika?

      7 Vakio ny Jaona 15:1-5, 8. Nohazavain’i Jesosy fa izy no “tena voaloboka”, ny mpianany no “sampany”, ary i Jehovah no “mpamboly.”b Niteny tamin’ny apostoliny izy avy eo hoe: “Raha mamoa be hatrany ianareo ka asehonareo fa mpianatro ianareo, dia izany no anomezam-boninahitra ny Raiko.” Inona ilay voa tokony hovokarin’ny mpanara-dia an’i Kristy? Tsy nolazainy tao amin’ilay fanoharana hoe inona ilay voa. Misy zavatra noresahiny anefa manampy antsika hahafantatra an’ilay izy.

      8. a) Nahoana isika no afaka milaza fa tsy ny olona nampiantsika ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy ilay voa? b) Hoatran’ny ahoana ny zavatra rehetra asain’i Jehovah ataontsika?

      8 Hoy i Jesosy momba ny Rainy: “Izay sampany rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny daholo.” Midika izany hoe rehefa mamoa ihany isika vao eken’i Jehovah ho mpanompony. (Mat. 13:23; 21:43) Tsy ny olona nampiantsika ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy àry ilay voa tsy maintsy vokarintsika. (Mat. 28:19) Raha tsy izany mantsy, dia ahoana ny amin’ireo mitory any amin’ny faritany tsy dia misy mandray, ka tsy nahavita nanampy olona ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy? Tsy lasa hoatran’ireo sampany tsy mamoa ve ireny Kristianina tsy mivadika ireny? Tsy izany mihitsy anefa! Tsy afaka manery ny olona ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy mantsy isika. I Jehovah koa be fitiavana, ka tsy hangataka antsika hanao zavatra tsy ho vitantsika mihitsy. Izay fantany hoe tena ho vitantsika ihany no asainy ataontsika.—Deot. 30:11-14.

      9. a) Inona no atao hoe mamoa? b) Inona no fanoharana faharoa hodinihintsika, ary nahoana?

      9 Inona àry ilay voa tsy maintsy vokarintsika? Azo antoka fa zavatra azontsika rehetra atao izy io. “Mamoa” isika rehefa mitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra.c (Mat. 24:14) Manaporofo an’izany ny fanoharan’i Jesosy momba an’ilay mpamafy. Io no fanoharana faharoa hodinihintsika.

  • Tian’i Jehovah Izay “Mamoa Amin’ny Fiaretana”
    Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2018 | Mey
    • b Marina fa ny Kristianina ho any an-danitra no sampan’ilay voaloboka, ao amin’ilay fanoharana. Misy lesona ho an’ny mpanompon’i Jehovah rehetra anefa ao amin’izy io.

      c Maneho “ny vokatry ny fanahy” koa ny hoe “mamoa.” Tsy izany anefa no tena velabelarina ato sy ao amin’ny lahatsoratra manaraka, fa ny hoe mamoa “vokatry ny molotra”, izany hoe mitory momba an’ilay Fanjakana.—Gal. 5:22, 23; Heb. 13:15.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara