-
Tsy Mety MatyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
TSY METY MATY
Endriny hafa amin’ny teny grika hoe tanatôs (“fahafatesana”) nasiana tovona a (“tsy misy”) no nahazoana ny hoe atanasia. Fiainana tsy manam-petra sy tsy azo foanana àry no tiana holazaina amin’io teny io. (1Ko 15:53, 54; 1Ti 6:16) Ny teny grika hoe aftarsia kosa no nadika hoe “tsy mety lo”, izany hoe tsy mety simba na levona.—Ro 2:7; 1Ko 15:42, 50, 53; Ef 6:24; 2Ti 1:10.
-
-
Tsy Mety MatyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Ho lasa tsy mety maty ireo mpandova ilay Fanjakana. Manantena hahazo fitsanganana toy ny an’i Kristy (Ro 6:5) ireo Kristianina voahosotra sy voantso hiara-manjaka aminy any an-danitra. (1Pe 1:3, 4) Hatsangana ho zavaboary ara-panahy tsy mety maty koa àry izy ireo raha tsy mivadika mandra-pahafatiny. ‘Hitafy ny tsy mety maty ilay mety maty’ amin’izay, toy izay nitranga tamin’ilay Tompony sy Lohany ihany. (1Ko 15:50-54) Tsy mety maty ireo mpiara-mandova amin’i Kristy ireo, satria tsy hoe ho velona mandrakizay fotsiny izy ireo fa homena ny “herin’ny fiainana tsy mety levona” koa. Nilaza mantsy i Paoly fa sady ho tsy mety maty izy ireo no ho tsy mety lo. (1Ko 15:42-49) ‘Tsy hanam-pahefana amin’izy ireo ny fahafatesana faharoa.’—Ap 20:6; jereo TSY METY LO.
Tena mahavariana ny hoe ho lasa tsy mety maty ireo mpandova ilay Fanjakana ireo. Ny anjelin’Andriamanitra mantsy mety maty na dia fanahy aza. Porofon’izany ny nanamelohana ho faty an’i Satana, ilay zavaboary ara-panahy lasa Fahavalon’Andriamanitra, sy ireo anjely hafa niandany taminy izay “tsy nitana ny toerany tany am-boalohany, fa nandao ny fonenana sahaza azy.” (Jd 6; Mt 25:41; Ap 20:10, 14) Tena matoky an’ireo Kristianina hiara-manjaka amin’ny Zanany any an-danitra ireo àry Andriamanitra, matoa manome azy “fiainana tsy mety levona.”—He 7:16; jereo FIAINANA; LANITRA (Fiantsoana ho any an-danitra).
-