-
4 | Ekeo ny Fanampian’AndriamanitraNy Tilikambo Fiambenana (Besinimaro)—2022 | No. 1
-
-
Fampianaran’ny Baiboly:
‘Ny vokatry ny fanahy dia fitiavana, fifaliana, fihavanana, faharetana, hatsaram-panahy, hatsaran-toetra, finoana, fahalemem-panahy, ary fifehezan-tena.’—GALATIANINA 5:22, 23, f.a.p.
Inona no dikan’izany?
Hahavita tsy hankahala olona intsony isika rehefa ampian’Andriamanitra. Tsy ho vitantsika samirery mihitsy ny hanana toetra sasany, raha tsy ampian’ny fanahiny masina isika. Aza miady irery àry mba handresena ny fankahalana, fa miantehera amin’Andriamanitra. Raha manao an’izany ianao, dia hahatsapa hoatran’ny apostoly Paoly hoe: “Manana ny hery hiatrehana an’izay rehetra mitranga aho, noho ilay manome hery ahy.” (Filipianina 4:13) Ho afaka hiteny koa ianao hoe: “Avy amin’i Jehovah no ahazoako fanampiana.”—Salamo 121:2.
-