Fizarana 8: Madiva hifarana ny fitanjozotran’ireo herim-panjakana naharitra
Resahin’ny Baiboly ny amin’ny herim-panjakana lehibe fito, empira mahery nisesy tao anatin’ny an’arivony taona maro ka nanamarika ny tantaran’izao tontolo izao. Ireo lahatsoratra teo aloha iray karazana amin’ity dia nampiseho fa miaina ao anatin’ny andron’ny farany amin’ireo fanjakana ireo isika: ny Herim-panjakana anglisy amerikanaa. — Apokalypsy 17:9, 10.
Izy io dia aseho eo aloha kokoa ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy amin’ny endriky ny Biby “nanan-tandroka roa”: herim-panjakana roa sosona àry izany. Izy io no “milaza amin’izay monina ambonin’ny tany koa mba hanao sary ho an’ny” biby ara-politika mampiseho ny fitambaran’ny herim-panjakana fito. — Apokalypsy 13:11, 14.
Ahoana no nahatanterahan’ireo faminaniana ireo, ary inona no maha-zava-dehibe izany ho antsika? Hamaly izany ity lahatsoratra ity.
REHEFA nifarana ny Ady Lehibe Voalohany ka namela fahatsiarovana ny amin’ny efa-taona nahatsiravina, dia nanipy hevitra ny amin’ny hamoronana “Fikambanam-pirenena” ny prezidàn’i Etazonia, Woodrow Wilson, sy ny praiminisitr’i Grande-Bretagne, David Lloyd George. Ny zava-nokendren’io fandaminana io dia ny “hanorina fandriampahalemana sy filaminana maneran-tany”, ka hisakana amin’izany ny fitrangan’ny zava-mahatsiravina hita tamin’io ady io indray.
Ilaina ny mahafantatra hoe iza ireo lehilahy roa nitarika izany hevitra izany, satria izy ireo filohan’ny Herim-panjakana Fahafito teo amin’ny tantaran’ny Baiboly, dia ny Herim-panjakana Roa sosona anglisy amerikana miteny anglisy. Tamin’io toetra nampiavaka io sy tamin’ny hafa koa, io fandaminana ho an’ny fandriamampahalemana sy ny filaminana maneran-tany io dia nifanitsy tamin’ny fomba mahagaga tamin’ny filazalazana nataon’ny bokin’ny Apokalypsy ny amin’ny “mpanjaka fahavalo” tokony hitsangana kelikely, izay ny fiakarany sy ny fianjerany dia tokony hitranga amin’izao androntsika izao. Aoka hodinihintsika ny sasantsasany amin’ireo zavatra itovian’io fandaminana io sy ny filazalazana ao amin’ny Apokalypsy. — Apokalypsy 17:11.
Nahariharin’ny faminaniana fa ny “bibi-dia” iray “nanan-tandroka roa tahaka ny an’ny zanak’ondry” dia “hilaza amin’izay monina ambonin’ny tany mba hanao sary ho an’ny” biby dia manan-doha fito mampiseho ireo herim-panjakana teo amin’ny tantaran’ny Baiboly.
Izany indrindra no nataon’ny Herim-panjakana anglisy amerikana. Notaominy “izay monina ambonin’ny tany” hanorina fandaminana izay hanao tahaka ny ataon’ireo Fanjakana lehibe sy hitovy aminy. Marina fa io fandaminana io dia tsy inona fa “sarin’ny” biby dia fotsiny, tsy manana fahefana hafa ankoatra izay nomen’ireo mpikambana tao aminy. Tsy lazaina hoe nahazo fahefana tamin’ny alalan’ny fanafihana ara-tafika lehibe sahala amin’ny hita tamin’ireo herim-panjakana teo aloha izy, fa hoe avy amin’ireo herim-panjakana fito ireo. Raha ny marina, matoa misy io sary io, dia tsy noho ny Herim-panjakana Fahafito ihany, fa noho ny fanjakana hafa koa anisan’ny fandaminana asehony, anisan’izany ny sisa avy amin’ireo herim-panjakana enina voalohany. Moa ve io sary ara-politika io hanatanteraka ireo fikasana ambony niheveran’ireo mpanorina azy? — Apokalypsy 17:11, 14.
Ny tsy fahombiazan’ny S.D.N.
Nanao zavatra be dia be ny Fikambanam-pirenena teo amin’ny lafiny ara-tsosialy. Kanefa, ny tena zava-nokendreny, araka ny velabelarina ao amin’ny “dinan’ny Fikambanam-pirenena”, dia “hanohana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena sy hanorina fandriampahalemana sy filaminana maneran-tany”. Tsy nahomby ny S.D.N. tamin’izany.
Tsy voasakany tokoa i Japon tsy hanafika an’i Mandchourie tamin’ny 1931; tsy nahasakana an’i Bolivie sy Paraguay tsy hiady koa izy tamin’ny 1933, na Mussolini tsy hanafika an’i Etiopia tamin’ny 1936. Tamin’ny 1 septambra 1939 anefa ny S.D.N. no tapitra andro, rehefa nipoaka ny Ady Lehibe Faharoa. Ny fikorontanana naterak’izany dia nitondra onjam-pandringanana sy fahoriana: izay tiana hosorohina indrindra rehefa namorona ny S.D.N.. Io ady io dia niteraka fahafatesan’olona 55 tapitrisa — miaramila 16 tapitrisa sy sivily 39 tapitrisa — izany hoe efa ho avo efatra heny noho ny tamin’ny Ady Lehibe Voalohany.
Kanefa, raha vao tamin’ny 1919, izany hoe taloha elan’ny nampanan-kery ny dinan’ny S.D.N., ny Vavolombelon’i Jehovah (nantsoina tamin’izany fotoana izany hoe Mpianatra ny Baiboly) dia nanambara ampahibemaso fa tsy hahomby io fandaminana io, satria tsy ho azon’ny olona atao na ovianana oviana ny hanorina ny fiadanana eto an-tany. Tatỳ aoriana, tamin’ny fivoriambe nataony tany Londres tamin’ny 1926, dia nilaza izy ireo fa, araka ny Apokalypsy 17, dia hiseho ny “mpanjaka fahavalo”, ka hamarana ny fifandimbiasan’ireo herim-panjakana. Nanampy teny toy izao ny mpandahateny: “Lazain’ny Tompo mialoha ny amin’ny hahaterahany, ny hisiany kelikely sy ny hahafoanany mandrakizay.”
Fipoirana indray!
Izao no nolazain’ny faminaniana ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ny amin’io mpanjaka fahavalo io: “Ny bibi-dia, ilay efa hitanao, dia teo ihany ary tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa izy ka ho lasa ho amin’ny fandringanana.” — Apokalypsy 17:8.
Nanomboka tamin’ny 1942, raha mbola nirehitra mafy ny ady, dia takatry ny Vavolombelon’i Jehovah fa ny fandaminana ho amin’ny fandriampahalemana sy ny filaminana izay natory, dia hiakatra avy any amin’ny lavaka tsy hita noanoa, izany hoe avy any amin’ny tsy fanaovany na inona na inona. Tamin’io taona io, ny prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower dia niteny tamin’ny vahoaka tafavory tao amin’ny tanàna roa amby dimampolo. Izao indrindra no nambarany: “Na dia mbola mifikitra aminy ihany aza ny efapolo amin’ireo mpikambana tao aminy, diatao anatin’ny tsy fiasana izy (...), ‘tsy teo izy’.” “Hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa” anefa ve izy? Nifototra tamin’io faminaniana araka ny Baiboly io ny mpandahateny ka nilaza hoe: “Hivondrona indray ireo firenena.”
Mifanaraka amin’ny faminaniana, tamin’ny 1920 ka hatreo amin’ny 1939 dia ‘teo’ ny mpanjaka fahavalo. Tamin’ny 1939 ka hatreo amin’ny faran’ny Ady Lehibe Faharoa, tamin’ny 1945, dia ‘tsy teo’ izy. Avy eo dia niakatra “avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa” izy tamin’ny endriky ny mpandimby ny S.D.N., dia ny Firenena mikambana.
Fanantenana ambony nefa tsy tanteraka
Ny 26 jona 1945, dia fanjakana 50 no nanao sonia ny fitsipika itondrana ny Firenena mikambana; tany San Francisco no nitrangan’izany. Nanomboka tamin’izao teny izao ny sasin-teny: “Izahay, vahoaka ao amin’ny Firenena mikambana, tapa-kevitra ny hiaro ireo taranaka ho avy amin’ny loza entin’ny ady izay, indroa tao anatin’ny androm-piainan’olona iray, nampihatra fahoriana tsy hay lazaina ho an’ny olombelona (...).”
Tsy nihevitra ny zavatra tena izy ny fanantenana napetraka tamin’ny O.N.U.. Ny minisitry ny raharaham-bahiny taloha tany Etazonia, Cordell Hull, dia nanambara fa niankina tamin’ny O.N.U. “ny mbola hahaveloman’ny haifombatsika”. Harry Truman, prezidàn’i Etazonia tamin’izay, dia niantso azy hoe ny “fahafahana ambony indrindra (...) hanorina fandriampahalemana maharitra eo ambany fitarihan’Andriamanitra”. Izao no nolazaina ny amin’ny dinan’ny O.N.U.: “Mety ho io no tahirin-kevitra lehibe indrindra tamin’izay rehetra nosoratan’ny olombelona.” Nolazaina koa fa izy io dia nampiseho “fiolahana teo amin’ny tantaran’ny haifomba”. Efapolo taona tatỳ aorian’ny nanoratana azy, dia nanambara toy izao ny solontenan’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny any Etazonia, Gregory Newell: “Betsaka loatra ny nantenaina: tsy misy afa-tsy fahadisoam-panantenana no hita.”
Sahala amin’ny S.D.N., ny O.N.U. dia nahavita zavatra be dia be teo amin’ny lafiny ara-tsosialy, kanefa tsy nampihemotra ny ady. Tamin’ny 1962, fony izy praiminisitr’i Grande-Bretagne, dia niteny toy izao tamin’ny “Chambres des communes” i Harold Macmillan: “Rava ny fototra nanorenana ny Firenena mikambana.”
Tamin’ny voalohany, dia olona maro be no nahatsapa ho an’io fandaminana io, fihetseham-po sahala amin’ny firehetana ara-pivavahana. Nieritreritra izy ireny fa io ‘sary’ io dia hitondra fiadanana sy rariny haharitra, ary hiteraka izao tontolo izao tena ho tafaray, zavatra izay, araka ny filazan’ny Baiboly, dia ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hanatanteraka azy. Izany faniriana izany dia nifanohitra tamin’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly izay mampiseho fa tsy mahay manorina fiadanana ny olona. Na ahoana na ahoana, 40 taona tatỳ aorian’ny namoronana ny O.N.U., dia izao no nolazain’ilay mpanoratra tantara atao hoe Thomas Franck: “Latsaka lavitra noho ny nantenainay tamin’ny 1945 ny (...) vokatra.” Afa-tsy izany koa, dia nanambara toy izao ny minisitry ny Raharaham-bahiny tany Etazonia, Atoa Georges Shultz: “Tena tsy nanova an’izao tontolo izao ho paradisa ny nahaterahan’ny Firenena mikambana.”
Ny tsy fahombiazan’ny O.N.U. dia avy amin’ny tsy nanesoran’ny fitondram-panjakan’olombelona izay nahaforona foana tena vato misakana ho an’ny fandriampahalemana eo amin’izao tontolo izao: ny fanindrahindram-pirenena, ny fahihirana, ny fahantrana, ny fanavakavaham-pirazanana sy ny fitondrana tsy refesi-mandidy ary ny herin’i Satana. Mifikitra hatrany amin’ireny fitondram-panjakana ireny ny olona, tsy hoe satria misy antenainy avy aminy, fa noho ny tsy fahitany fanafodiny hafa. — Apokalypsy 12:12.
Ilaina àry ny fiovana, ary mahatsapa izany tanteraka ny mponina amin’ny tany. Porofon’izany koa na dia ny fisian’ny Firenena mikambana mihitsy aza, sy ny fiezahana neken’ny olona maro hatao ho azy io. Ho avy io fiovana io, saingy amin’ny alalan’ny lalana hafa sy hisy vokany kokoa. Inona izany?
Fanapahana haharitra
Aoka hotadidiantsika fa ny Baiboly dia tsy miresaka mihitsy afa-tsy ny amin’ny “mpanjaka” na herim-panjakana fito misesy. Lazainy koa aza fa ny fahavalo amin’ireo mpanjaka ireo, izay tsy haharitra ny fisiany, dia “lasa ho amin’ny fandringanana”. — Apokalypsy 17:10, 11.
Lazain’ny Soratra masina koa anefa fa azo atao ny manantena zavatra tsaratsara kokoa. Mampanantena tokoa izy fa ny fiadanana sy ny rariny ary ny firaisan-tsaina maneran-tany irin’ny olombelona fatratra dia hanjary zavatra tena hisy, amin’ny alalan’ny fomba hafa: “Ary amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay. (...) Fa ireo fanjakana rehetra ireo [fanjakan’olombelona mangozohozo] dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa no hitoetra mandrakizay.” — Daniela 2:44.
Izany no fanapahana noresahin’i Jesosy ka nangatahin’ny mpianany tamin’ny vavaka rehefa nilaza izy ireo hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao.” (Matio 6:10). Tsy ao am-pon’ny olombelona akory io Fanjakana io, tsy karazam-pihetseham-po izay hoe hanosika azy ireny hanao ny tsara; tena fanapahana any an-danitra izany, izay hanapaka ny tany avy any amin’ny faritra ara-panahy ary hanova ny toe-piainan’ny olona. — Apokalypsy 21:1-4.
Ao amin’ny lahatsoratra hanaraka sady farany amin’ity karazana ity, dia hodinihintsika izay ampahafantarin’ny Baiboly antsika momba ny fomba fiasan’io fanapahana kanto ho avy io, ary ny amin’ny fiadanana sy ny rariny ary ny firaisan-tsaina haneran-tany hoentiny.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tao amin’ireo nomerao teo aloha, Ny Tilikambo Fiambenana dia namelabelatra ny amin’ireto herim-panjakana ireto: 1) Egypta, 1 may; 2) Asyria, 15 may; 3) Babylona, 1 jona; 4) Empira mediana sy persiana, 15 jona; 5) Grisia, 15 jolay; 6) Roma, 1 aogositra; 7) ny Herim-panjakana anglisy amerikana, 15 aogositra.
[Efajoro, pejy 28]
Halehiben’ny ady
Nahafaty tsy nisy toy izany ny Ady Lehibe Faharoa izay nanamarika ny faran’ny Fikambanam-pirenena. Ny Firaketana britanika (fanontana tamin’ny 1954) dia nanandrana nanombana ny halehiben’ny famonoana olona tamin’ny fanisana, ho an’ny tany sasany, ny ampahan’ny isan’ny miaramila maty raha oharina amin’ny isan’ny mponina tamin’ny 1940. Tononinay eto ny tarehimarika vitsivitsy: namoy miaramila iray isaky ny mponina 500 i Etazonia (isan’ny mponina tamin’ny 1940); Shina, iray amin’ny 200; Frantsa, iray amin’ny 200; ny Fanjakana Mitambatra, iray amin’ny 150; Japon, iray amin’ny 46; Alemaina, iray amin’ny 25; U.R.S.S., iray amin’ny 22. Rehefa heverina fa matetika no voakasika kokoa noho ny miaramila ny mponina sivily, dia hita mazava fa tsy afaka nitondra ny tena fiadanana sy filaminana ny olombelona.
[Sary, pejy 26]
‘Hatramin’ny namoronana ny O.N.U., ny ady dia nahafaty olona 20 tapitrisa. Mampiseho ny halehiben’ny tsy fahombiazana izany fahatsapan-javatra mampalahelo izany.’ — “Hisy firenena hitsangana hamely firenena” (anglisy), nataon’i Thomas Franck.