FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Avy Tamin’ny Tsindrimandrin’Andriamanitra ve ny Baiboly?
    Hisy Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady ve Indray Andro Any?
    • nataony ao amin’ny 1 Tantara 5:29-40 (6:3-14, NW ), nefa anarana 16 monja no voasoratra ho an’ny vanim-potoana mitovy, rehefa manome ny tetirazany manokana izy ao amin’ny Ezra 7:1-5. Tsy fahasamihafana akory izany, fa fanafohezana fotsiny. Ambonin’izany, dia araka ny antony ananan’ilay mpanoratra rehefa mitana an-tsoratra fisehoan-javatra iray izy, no nanamafisany na nanamaivanany na nampidirany na tsy niresahany tsipirian-javatra, izay nolazain’ny mpanoratra hafa ao amin’ny Baiboly tamin’ny fomba tsy nitovy rehefa nanoratra io fisehoan-javatra io ihany izy. Tsy fifanoheran-kevitra akory ny toy izany, fa fitantarana tsy mitovy kosa, manome taratry ny fomba fijery zavatra nananan’ilay mpanoratra ary nifanaraka tamin’ny olona tiany hiresahana.b

      11 Matetika dia azo hazavaina ny toa tsy fitoviana raha mijery ny teny manodidina fotsiny. Ohatra, ny hoe “Taiza i Kaina no nahita ny vadiny?” dia fanontaniana fandre matetika, mampisongadina ny finoana fa misy fahasamihafana ao amin’ny fitantaran’ny Baiboly. Noheverina fa tsy nanana afa-tsy zanaka roa lahy i Adama sy i Eva, dia i Kaina sy i Abela. Mora alamina ny zava-tsarotra raha manohy mamaky ilay olona. Milaza toy izao ny Genesisy 5:4: “Taorian’ny nahaterahan’i Seta, dia niaina 800 taona i Adama ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy izy.” Noho izany, dia nanambady ny iray tamin’ireo anabaviny i Kaina na angamba ny zanaky ny iray tam-po taminy, ka izany dia ho nifanaraka tanteraka tamin’ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany ho amin’ny fitomboan’ny taranak’olombelona. — Genesisy 1:28.

      12 Miharihary fa nisy tsipirian-javatra maro tamin’ny tantaran’ny olombelona tsy noraketina an-tsoratra tao amin’ny Firaketan’Andriamanitra. Nefa ny tsipirian-javatra rehetra nilaina ho an’ireo izay namaky azy io voalohany sy ho antsika amin’izao andro izao, dia nampidirina tao, ka nahatonga azy io tsy havesatra na ho sarotra vakina.

      Natao ho takatry ny mpivaofy teny fotsiny ve?

      13-15. a) Nahoana no mino ny olona sasany fa sarotra loatra ho antsika ny mahatakatra ny Baiboly? b) Ahoana no ahalalantsika fa nikendry ny hahatakarana ny Teniny Andriamanitra?

      13 Moa ve ianao efa mba nanontany hoe: “Nahoana no misy fanazavana maro be sy mifanohitra momba ny teny ao amin’ny Baiboly?” Rehefa mahita ireo filoham-pivavahana mifanohitra amin’izy samy izy ny olona tso-po sasany, dia manjary sahiran-tsaina sy kivy. Tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra ny olona maro fa tsy mazava sady ahitana fifanoheran-kevitra ny Baiboly. Vokatr’izany, dia mandà tanteraka ny Baiboly izy ireny, satria mino izy fa sarotra loatra ny mamaky sy ny mahatakatra azy io. Ny hafa, rehefa sendra izany fanazavana ara-pivavahana be dia be isan-karazany momba ny teny izany, dia misalasala ny handalina ny Soratra Masina. Hoy ny sasany hoe: “Ireo manam-pahaizana dia nianatra nandritra ny taona maro tany amin’ireo seminera ara-pivavahana. Ahoana no hahafahako hisalasala ny amin’izay ampianariny?” Nefa, izany ve no fomba fijerin’Andriamanitra ny raharaha?

      14 Rehefa nanome ny Lalàna ho an’ny firenen’Isiraely Andriamanitra, dia tsy nilaza izy fa nanome azy ireo rafi-panompoam-pivavahana izay tsy ho takany, ka tokony havela ho eo an-tanan’ireo olon-kendry nianatra teolojia na “mpivaofy teny”. Tamin’ny alalan’i Mosesy, dia nanambara toy izao Andriamanitra ao amin’ny Deoteronomia 30:11, 14 (MG): “Fa izao lalàna izao, izay andidiako anao anio, tsy dia saro-pantarina aminao, ary tsy lavitra. Fa eo akaikinao indrindra ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, mba harahinao.” Ilay firenena iray manontolo, fa tsy ny filohany fotsiny, no nilazana toy izao: “Ary ataovy ao am-ponao ireo teny andidiako anao anio ireo. Ataovy latsaka am-pon’ny zanakao izany. Averimbereno aminy izany na mipetraka ao an-tranonao hianao, na manao dia lavitra, na mandry, na mifoha.” (Deoteronomia 6:6, 7). Ireo didin’Andriamanitra, izay rehetra nasainy nosoratana, dia ampy fahazavana mba harahin’ilay firenena manontolo, ny ray aman-dreny sy ny zanaka.c

      15 Efa hatramin’ny andron’i Isaia no niharan’ny fanamelohan’Andriamanitra ireo filoha ara-pivavahana noho ny nakany andraikitra tamin’ny nanampiany sy tamin’ny nanazavany manokana ny hevitr’ireo lalàn’Andriamanitra. Nanoratra toy izao i Isaia mpaminany: “Fa manatona Ahy amin’ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin’ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fanompoam-pivavahany atolony ho Ahy dia didin’olombelona, ianarana tsianjery fotsiny.” (Isaia 29:13). Ny fanompoam-pivavahany dia nanjary didin’olombelona fa tsy ny an’Andriamanitra. (Deoteronomia 4:2). Ireny “didin’olombelona” ireny, ny fandraisany manokana ny hevitry ny teny sy ny fanazavany azy no mifanohitra fa tsy ny tenin’Andriamanitra. Tahaka izany koa ny amin’izao androntsika izao.

      Misy fototra ara-baiboly ve ilay antsoina hoe Torah Nampitaina Am-bava?

      16, 17. a) Inona no inoan’ny olona sasany momba ny lalàna iray nampitaina am-bava? b) Inona no ambaran’ny Baiboly momba ny lalàna nampitaina am-bava?

      16 Mino ny olona sasany fa nahazo “Torah Nampitaina Am-bava” i Mosesy ho fanampin’ny “Torah Voasoratra”. Araka an’io finoana io, dia nodidian’Andriamanitra fa tsy hosoratana ny didy sasany fa hiampitampita am-bava kosa ho amin’ny taranaka mifandimby, ka noho izany dia ho voatahiry fotsiny amin’ny alalan’ny lovantsofina. (Jereo ny faritra voafefy, pejy faha-10.) Kanefa, ny fitantaran’ny Baiboly dia mampiseho mazava fa tsy nodidiana velively hampita lalàna am-bava i Mosesy. Milaza amintsika toy izao ny Eksodosy 24:3, 4: “Dia tonga Mosesy ka namerina tamin’ny olona ny didy rehetra nataon’ny TOMPO sy ny fitsipika rehetra. Ary namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: ‘Ny zavatra rehetra nandidian’ny TOMPO dia hataonay!’ ” Avy eo i Mosesy dia “nanoratra ny didy rehetra nataon’ny TOMPO”. Ambonin’izany, ao amin’ny Eksodosy 34:27, dia izao no lazaina amintsika: “Ary hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: Soraty ireo didy ireo, satria araka ireo didy ireo no nanaovako fanekena aminao sy amin’ny Isiraely.” Tsy nanana toerana tao amin’ilay fanekena nataon’Andriamanitra tamin’ny Isiraely ny lalàna iray nampitaina am-bava. (Jereo ny faritra voafefy, pejy faha-8.) Na aiza na aiza ao amin’ny Baiboly dia tsy ahitana firesahana ny amin’ny fisian’ny lalàna nampitaina am-bava iray.d Mbola zava-dehibe kokoa ihany fa ny fampianarany dia mifanohitra amin’ny Soratra Masina, ka mampitombo ny fiheverana diso hoe mifanohitra ny teny ao amin’ny Baiboly. (Jereo ny faritra voafefy, pejy faha-22.) Nefa olona fa tsy Andriamanitra no tompon’andraikitra amin’izany fisafotofotoana izany. — Isaia 29:13. (Jereo ny efajoro “‘Fanomezam-boninahitra ny Anaran’Andriamanitra’”)

      MANANA “ENDRIKA FITOPOLO” VE NY TORAH?

      TSY mahalana amin’izao andro izao any Isiraely no andrenesana olona manonona fitenenana jiosy malaza iray — “Misy endriny fitopolo amin’ny Torah” — ny tiana holazaina dia hoe inoan’izy ireo fa azo hazavaina amin’ny fomba maro samy hafa na mifanohitra mihitsy aza, ny Soratra Masina. Izany dia heverina ho marina raha ny amin’ny Lalàna voasoratra sy ny amin’ilay antsoina hoe lalàna am-bava. Manome izao fanazavana izao ny The Encyclopedia of Judaism: “Tsy fehezan-dalàna voafaritra amin’ny fomba hentitra ny Lalàna am-bava; mahafaoka hevitra maro isan-karazany ary mifanohitra mihitsy aza izy io. Toy izao no nambaran’ny olon-kendry momba an’izy io: ‘Tenin’ilay Andriamanitra velona avokoa izy rehetra ireny.’ ” (Pejy faha-532). Kanefa, ara-dalàna ve ny hinoana fa hanome tsindrimandry hevitra mifanohitra sy mampisaratsaraka Andriamanitra? Ahoana no nahatonga ny fanekena ny fifanoherana toy izany?

      Nandritra ny vanim-potoana nampanoratana ny Soratra Hebreo (tany amin’ny 1513 tany ho any–443 al.f.i. tany ho any), dia nanazava ireo raharaha niadian-kevitra ireo solontena voatendrin’Andriamanitra, matetika tokoa no tamin’ny fanohanan’ny tenan’Andriamanitra mihitsy, rehefa nampiseho ny heriny izy na rehefa nanatanteraka ireo faminaniana izay nasainy nambaran’izy ireo. (Eksodosy 28:30; Nomery 16:1–17:15 [No 16:1-50, NW ]; 27:18-21; Deoteronomia 18:20-22). Tamin’izany fotoana izany, raha nisy nampianatra fanazavana sy hevitry ny teny nifanohitra, dia noheverina, tsy ho toy ny manam-pahaizana izy, fa ho toy ny mpivadi-pinoana. Nampitandrina ilay firenena manontolo toy izao i Jehovah: “Mitandrema mba tsy hanaraka afa-tsy izay andidiako anao: aza ampiana izany na anesorana.” — Deoteronomia 13:1 (De 12:32, NW ).

      Kanefa, tamin’ny farany, dia nisy fiovana lalina nitranga teo amin’ny fomba fisainan’ny firenen’ny Isiraely. Ireo Fariseo, izay nanjary nanana toerana lehibe teo amin’ny Jodaisma nandritra ny taonjato voalohany am.f.i., dia nanjary nanaraka ny fampianarana avy amin’ny “Torah Nampitaina Am-bava”, izay novolavolainy taonjato roa talohan’izay. Nampianatra izy ireny fa ankoatra ny nanomezan’Andriamanitra ny Lalàna voasoratra ho an’ny firenen’ny Isiraely teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, dia nanome ho azy ireo koa lalàna iray nampitaina am-bava Andriamanitra, tao anatin’izany fotoana izany ihany. Araka izany finoana izany, dia io lalàna am-bava avy tamin’ny tsindrimandry io no nanome ny hevitry ny teny sy nanazava ny tsipirian’ny Lalàna voasoratra, tsipiriany izay ninian’Andriamanitra tsy nampanoratina an’i Mosesy. Ny lalàna am-bava dia tsy natao hosoratana, fa tokony ho nampitaina am-bava ihany, avy amin’ny mpampianatra mankamin’ny mpianatra, ho an’ny taranaka mifandimby. Noho izany, izy io dia nanome fahefana manokana ho an’ny Fariseo, izay nihevi-tena ho toy ny mpiambina an’io lovantsofina nampitaina am-bava io.g

      Taorian’ny nandravana ny tempoly faharoa tamin’ny 70 am.f.i., dia nahazo vahana io fomba fijerin’ny Fariseo io, ary tonga endri-pivavahana notapahin’ny raby ny Jodaisma, kanefa tsy toy izany izy io taloha.h Tamin’ny nanomezana toerana ambony vaovao ho an’ny raby fa tsy ho an’ny mpisorona na ny mpaminany, dia nanjary fototra vaovao ho an’ny Jodaisma ny lalàna am-bava. Araka ny fanambaran’ny The Encyclopedia of Judaism dia hoe: “Ny Torah Nampitaina Am-bava dia nanjary noheverina ho lehibe kokoa noho ny Torah Voasoratra, satria ny fanazavana sy ny fahatakarana an’ity farany dia niankina tamin’ilay voalohany.” — 1989, pejy faha-710.

      Arakaraka ny nahazoan’ireo raby laza sy fahefana sy nitomboan’ireo lovantsofina, dia nofoanana ny fandrarana natao tamin’ny tsy fahazoana mirakitra an-tsoratra an’io lalàna am-bava io. Tamin’ny faran’ny taonjato faharoa sy ny voalohandohan’ny taonjato fahatelo am.f.i., dia noraketin’i Judah Ha-Nasi (135–219 am.f.i.) an-tsoratra tsy an-kanavaka tao amin’ny boky iray nantsoina hoe Mishnah ireny lovantsofina am-bava nataon’ny raby ireny. Nisy fanampiny natao taminy tatỳ aoriana, izay nantsoina hoe ny Tosefta. Nahita ny ilana hivaofy ny Mishnah kosa ireo raby, ary ireny fanazavana ny hevitry ny lovantsofina am-bava ireny no nanjary fototry ny fitambaram-boky matevina antsoina hoe Gemara (nangonina nanomboka tamin’ny taonjato fahatelo ka hatramin’ny fahadimy am.f.i.). Ireny boky rehetra ireny miaraka no nanjary fantatra tamin’ny anarana hoe Talmoda. Ny fanazavana natao momba ireny hevitra rehetran’ny raby ireny dia mbola mitohy hatramin’izao androntsika izao. Koa satria tsy azo atao ny mampifanaraka ireny fomba fijery rehetra samy hafa tanteraka ireny, dia mahagaga ve raha aleon’ny olona maro mahita “endriny fitopolo amin’ny Torah”?

      g Io fampianarana io, izay nampirisihan’ireo Fariseo hatrany am-piandohany, dia nolavin’ireo niara-belona maro taminy teo amin’ny firenena jiosy. Nanda izany fiheveran’ny Fariseo izany ny Sadoseo, izay mpisorona ny ankamaroany, ary koa ireo Eseniana tamin’ny taonjato voalohany. Amin’izao andro izao, ireo Karaita (hatramin’ny taonjato fahavalo am.f.i.), ary koa ireo tia fanavaozana sy ireo tia mitana ny fanao taloha ao amin’ny Jodaisma, dia tsy mihevitra izany lalàna am-bava izany ho toy ny avy tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra. Kanefa, mihevitra ireny lovantsofina ireny ho sady avy tamin’ny tsindrimandry no tsy maintsy arahina ny Jodaisma ortodoksa amin’izao andro izao.

      h Manambara toy izao ny Encyclopaedia Judaica: “Ny anaram-boninahitra hoe raby dia avy amin’ny anarana hoe rav, izay midika hoe ‘lehibe’ ao amin’ny teny hebreo fampiasa ao amin’ny Baiboly ary tsy hita ao amin’ny Baiboly [hebreo].”

      TAIZA NO NISY NY LALÀNA AM-BAVA (...)

      (...) rehefa namerina ireo didin’Andriamanitra rehetra tamin’ny firenen’ny Isiraely iray manontolo i Mosesy? Nanaiky hanatanteraka izay naveriny nolazaina àry ilay firenena, ary avy eo i Mosesy dia “nanoratra ny didy rehetra nataon’ny TOMPO”. — Eksodosy 24:3, 4, sora-mandry nataonay.

      (...) rehefa namory ny firenen’ny Isiraely i Josoa taorian’ny nidirana tao amin’ny Tany Nampanantenaina ary namaky tamin’izy ireo indray ny teny rehetra izay neken’izy ireo hotanterahina? “Tsy nisy teny tamin’izay rehetra nandidian’i Mosesy, izay tsy novakin’i Josoa teo anatrehan’ny fiangonan’ny Isiraely manontolo.” — Josoa 8:35, sora-mandry nataonay.

      (...) rehefa hita indray tamin’ny fotoana nanavaozana ny tempoly tamin’ny andron’i Josia Mpanjaka, ilay ‘bokin’ny Lalàn’i Mosesy’, izay diso toerana? Rehefa novakina tamin’i Josia ny tao anatiny, dia nandriatra ny akanjony ho fanehoana ny alahelony izy, satria nahatsapa fa tsy notanterahina araka izay voasoratra ny Lalàna tao anatin’ny taranaka maro. Nandray fandaharana izy avy eo mba hankalazana ny andro firavoravoana amin’ny Paska, izay tsy nankalazaina tamin’ny fomba nety nandritra ny vanim-potoana manontolon’ireo mpanjaka sy ireo mpitsara talohany. Taiza ny lalàna am-bava ‘nampitaina tamim-pahatokiana’ nandritra ireo taonjato maro ireo? Raha nisy izany, dia tsy ho nohadinoina velively izany fanazavana izany. Ny firaketana an-tsoratra iray narovana tamin’ny fomba marina ihany no nahafahan’ilay firenena indray nanao ny sitrapon’Andriamanitra tamin’ny fomba nankasitrahany. — 2 Mpanjaka 22:8–23:25.

      (...) rehefa nanambara toy izao i Jeremia mpaminany: “Hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, dia samy fatra-pitia harena avokoa izy ireo; na ny mpisorona na ny mpaminany dia samy mamitaka avokoa”? (Jeremia 6:13). Nandritra ny ankabeazan’ny tantaran’ny firenen’ny Isiraely, dia izany no toe-piainana ara-panahy nisy an’ireo filoha teo amin’ilay firenena, indrindra fa ny mpisorona, izay nanana andraikitra mba hampianatra ny Lalàna. (Malakia 2:7, 8). Miteny ho azy ny fitantarana voasoratra, nefa azo ianteherana hitahiry amim-pahatokiana lovantsofina am-bava ve ny lehilahy tsy nahatoky toy izany?

      (...) nandritra ireo arivo taona mahery nanoratana ny Soratra Hebreo? Nanomboka tamin’i Mosesy ka hatramin’i Malakia, dia tsy nisy mihitsy firesahana ny amin’ny fisian’ny lalàna am-bava toy izany. Taonjato maro tatỳ aoriana, nandritra ny vanim-potoanan’ireo raby, rehefa niady mba hahazoana ny fifehezana sy ny fahefana teo amin’ny firenena jiosy ireo antokom-pivavahana mifanohitra, vao hitantsika misy firesahana momba izany fomba fiheverana izany. Moa ve tsy manohitra ny filazana fa nisy lalàna am-bava avy tamin’ny tsindrimandry toy izany, ireo taonjato maro tsy niresahana momba an’io foto-kevitra io sy ny porofo omen’ny Soratra avy tamin’ny tsindrimandry?

      17 Tsy mba tahaka ireo fanazavana mifanohitra ataon’ny olona, fa mazava sy mendri-pitokiana ny tenan’ny Baiboly. Nanome antsika porofo be dia be Andriamanitra ao anatin’ny Teniny, fa ilay tontolo feno fiadanana hitan’i Isaia tao amin’ny fahitana, ao amin’ny Isaia 2:2-4 dia tsy hoe nofinofy fotsiny fa zava-misy efa antomotra. Tsy misy afa-tsy ny tenan’Andriamanitra, ilay Andriamanitry ny faminaniana, ilay Andriamanitry ny Baiboly, no hahatonga izany.

      IREO HORONAMBOKIN’NY RANOMASINA MATY

      Izy ireo dia nosoratana talohan’ny Fanisan-taona Iraisana ary mampiharihary ny fahamarinan’ny fampitana ny teny tao amin’ny Baiboly nandritra ny taonjato maro. Manamafy koa izy ireo fa ireo faminaniana dia nosoratana talohan’ny hahatanterahany

  • Inona no Fikasan’Andriamanitra ny Amin’ny Olombelona?
    Hisy Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady ve Indray Andro Any?
    • Inona no Fikasan’Andriamanitra ny Amin’ny Olombelona?

      1-4. a) Inona no fikasan’Andriamanitra ny amin’ny olombelona tany am-boalohany? b) Nahoana no niseho ho tsy nankato ny olona? (Jereo ny efajoro “Iza Moa i Satana?”)

      NY FAMPANANTENANA ny amin’ny tontolo iray tsy hisian’ny ady araka ny aharihary ao amin’ny Isaia 2:2-4 sy ny Mika 4:1-4 dia tsy manome fanantenana marim-pototra momba ny hoavy efa antomotra ho antsika fotsiny, fa milaza amintsika zavatra tena lehibe momba ilay Mpamorona antsika koa. Andriamanitra iray manana fikasana izy. Ny faminaniana ao amin’ny Isaia toko faha-2 tokoa dia anisan’ny fitohitohizana faminaniana lava, manomboka amin’ireo pejy voalohany ao amin’ny Baiboly ka hatramin’ny pejiny farany, manazava amintsika ny fomba hitondran’Andriamanitra ny fikasany tany am-boalohany ho amin’ny fahatanterahany.

      2 Rehefa namorona ny mpivady olombelona voalohany Andriamanitra, dia nilaza tamin’izy ireo mazava ny fikasany ny amin’izy ireo. Toy izao no vakintsika ao amin’ny Genesisy toko voalohany, andininy faha-28: “Nitso-drano azy Andriamanitra ary nilaza tamin’izy ireo Andriamanitra hoe: ‘Miteraha sy mitomboa ary mamenoa ny tany, ka mifeheza azy; ary manapaha amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina eny amin’ny lanitra ary ny zavamiaina rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.’ ” Rehefa mampifandray an’io baiko io amin’izay voalaza ao amin’ny toko manaraka amin’ny Genesisy isika — “Ny TOMPO Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka nametraka azy tao amin’ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy” — dia manjary mazava fa ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ilay mpivady voalohany miaraka amin’ny taranany, dia ny hanitaran’izy ireo ny Paradisa hihoatra ny faritry ny saha Edena, ka hameno ny bolan-tany iray manontolo amin’ny farany.a — Genesisy 2:15.

      3 Hafiriana izy ireo no hifaly amin’ny fonenany paradisa? Milaza ny Soratra Masina fa noforonina mba hiaina mandrakizay eto ambonin’ny tany ny olona. Amin’ny tsy fankatoavan’izy ireo ny Mpamorona azy ireo ihany vao hitranga ny fahafatesan’ny olombelona, araka ny ambara toy izao ao amin’ny Genesisy toko faha-​2, andininy faha-​16 sy faha-​17: “Ny TOMPO Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe: ‘Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana; fa raha ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, dia tsy mahazo mihinana amin’izany ianao; fa raha vao mihinana aminy ianao dia ho faty.’ ” Araka ny fanjohian-kevitra àry, ny fankatoavana mitohy dia tokony ho nahazoany fiainana mitohy, fiainana mandrakizay ao anatin’ireo toe-piainana paradisa ireo. — Salamo 37:29; Ohabolana 2:21, 22.

      4 Kanefa, ny anjely iray, nantsoina hoe Satana (midika hoe Mpanohitra) tatỳ aoriana, dia nitaona izany mpivady olombelona voalohany izany hampiasa

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara